Sabata ihany !!! ??? ...

101. Fiffi ( 02/05/2006 13:59)
amiko aloha na kely na lehibe dia tokony tsy hasiana fanakavahana ny fomba fanajana ! raha tsy misy ny fifanajana de tsy aiko hoe ho aiza isika. Mbola lavitra ny lalana dihavina , ny olona tsy fantatra aza hajaina , harabaina , satria raha hanontany olona ianao ny lananao , tsy hilaza velively ianao hoe "aiza kay ny lalana mankany ...?) fa mba hasianao hoe "azafady tompoko mba fantatrao ve ny ...)
tsy ho voatery ho tompoko koa ny hilazana azy fa samy mba mahafantatra fomba isika tsirairay hitenenana azy.
Fa na izany aza dia ny tanjoko koa dia tsotra hiany: raha sanatria ka misy olona tsy manaja ahy dia vao maika tohizako ary hamafisiko ny fanajana azy.
102. marozevo ( 02/05/2006 23:04)
Io lazainao farany io no tena tanjona, fa tsy mora iainana akory. Ny fo, fo ihany...

Entre parenthèse ry diamondra sy dadabe ! Aza matahotra ianareo fa na mbola kely aza i diamondra ary mbola pfff i dadabe(kely) dia hajaiko foana ianareo. Tsy ataoko ialahy intsony ialahy ry dadabe fa ataoko Ingahy ! Indry ry diamondra tsy ataoko indry fa ataoko hoe IANAO. Ka ny fanajana ataonareo dia mivaly fanajana ho anareo...
103. dadabe ( 03/05/2006 00:35)
marozevo :oops::oops::oops: mahamenatra be le hoe olondehibe no hanaja ahy , fa toky no homeko anareo aza e, hanaja an'i Fiffi sy marozevo ary diamondra ihany koa zah :(
104. Fiffi ( 03/05/2006 04:00)
dadabe: de inona akia no hampalahelo amin'izany ? isika anie efa mifanaja daholo koa eh! fa nga raha tsy miteny Tompoko , Ianao , Ingahy de midika zany hoe tsy misy fanajana ? Ny fanajana voalohany ary mavesa-danja tokoa dia izay ao am-ponao , ny soratra soratra hiany , hilaina marina ve ny fahitana ny soratra midika hoe nanaja aho ? Raha miteny aho hoe "ndry" "ialahy" "ianao" "tompoko" tsy izay ao am-ponao ve no hitondran'ny fanajanao ?
105. dadabe ( 04/05/2006 02:00)
yee de rehefa manaja dia tsy mivadika @ teny nomena :wink: (humm...)
106. Fiffi ( 04/05/2006 08:49)
107. marozevo ( 04/05/2006 15:19)
Ho an'i dadabe anie hono tsy manaja ny hoe "ialahy" eh. Ka izany no mba iezahako manova azy.

Hoy i dadabe hoe "mahamenatra le hoe olon-dehibe no hanaja ahy". Ny olondehibe indrindra no tokony ho exemple amin'ny fanajana ny hafa ko iza indray.... Mivavaha ho an'ilay "olon-dehibe" lazainao, mba hitana ny teniny araa izay lazainao izy.
108. Fiffi ( 05/05/2006 12:21)
nefa aloha io dia arakarakin'ny tsirairay hiany ny fomba fandraisany azy. Rehefa tsy raisina zavatra ratsy na zavatra hafa dia tsy hilaza velively hoe tsy fanajana izany.
109. marozevo ( 05/05/2006 23:51)
Ka zay no lazaiko fa tsy mety lery eh... Tena tsy tiany ilay manao "ialahy". Dia aleoko izy hajaina araka izay irin'ny fony.
110. Fiffi ( 06/05/2006 09:46)
indreto isika
namana mpiserasera
mankalaza sy mifankatia tokoa
tsy misompatra
tsy azo somparana
fa manaja n'iza n'iza aaa :)

111. marozevo ( 08/05/2006 15:28)
Ny namana tsy sanatria ranon'Ikopa ka tonga havana vao miha mavo,
Ny namana tsy zavona ka tonga masoandro dia lasa.
Ny namana, namana ihany....
"namako ianao fa tsy mba namanamana,
Tiako ianao satria tena namana...."
112. Fiffi ( 09/05/2006 11:20)
zany no hatao hoe "tena namana"
113. marozevo ( 10/05/2006 19:24)
namana hanarina raha toa aho ka sendra lavo,
Naniry hatrany ny hisondrotako avo.

Miala tsiny amin'i Hantatiana fa tiako loatra io hira io, ka tsy voahajako mbamin'ny droit d'auteur. Izay tia adala.
114. Achia ( 17/05/2006 13:17)
misy misioka any antokotany any fififo ! namana namana ireo tena namana ! solondrahalahy tsy mba namanamana
115. ranini ( 18/05/2006 05:16)
O rizareo a! Dinio kely aloha izazy ambarany baiboly.Aa tsy nanao ny lalana ny sabata mihitsy ra tsy t@ andron' i Mosesy.Ny sabat a t@ izany de nanomboka ny zoma hariva t@ 18h ary nifarana ny 18h sabotsy io. izay la sabat tandremany jiosy taloha.Manaraka izany de zao: lalana nomena ny jiosy izy io ary jereo ny deot toko faha 5 fa famantarana eo @ Aa sy ny jiosy izy io satria ny jiosy de andevo tany egypta.Koa iza t@ razam-benareo no andevo tany egypta?.................
Donc tsy tafiditra ao anaty lalana sabata zany aloha raha gasy enao.Manaraka izany de zao, rehfa tonga i JK de maty daolo ny lalana rehetra.Fa ny lalanan'ny Kristy ndray no arahantsika zany hoe tsy fehezin'ny lalana toy ny fahiny.
Na izany aza anefa de mitandrina sabata ny kristianina. Sabata ahoana?tsy andro no tandremantsika na ora fa "Fotoana". Asa raha azonareo izany.Tsy mitandrina andro izany intsony zeany isika fa tokony isan'andro de tokony ahatsiaro zv arapanahy foana.Satria mantsy ny sabata taloha de manao zv arapanahy de tokony izay koa no ataontsika....
Tsy misy sabotsy na alahady ary ny sabata kristianina fa na alakamisy na talata aza enao no te hivavaka de mety..
Aleo tohizantsika @ manaraka e ....
Bonjournée daolo eeeeee!:?:
116. Fiffi ( 18/05/2006 06:21)
iza t@ razam-benareo no andevo tany egypta?.................
117. Achia ( 20/05/2006 06:41)
fa le sabata ve sy didy tao @ didy folo e de ra foana zany ny sabata de foana daholo ny aza mangalatra ... Ary hoe atao mitovy doly ny andro de tsy hisy fanisana andro tsony zany tsisy fitsaharana @ asa fa miasa foana sa mivavaka foana manomboka alahady hatramin'ny asabotsy
118. ranini ( 22/05/2006 04:41)
zay mitsy achia a!foana daoly ny didy folo sy ny lalana ny mosesy rehetra. fa izany akory tsy midika hoe mangalara.ny lalana ny kristy no arahantsika izao de ny hoe: 1)Tiava an'i Jehovah andriamanitrao @ fonao rehetra sy ny sainao ary ny herinao rehetra izany hoe tia an'andriamanitra tsy miosy fepetra.2) de Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.zany hoe ra tia namana eano de tsy hnagalatra aminy , tsy haka ny vadiny , tsy handainga aminy. Tafiditra @ hoe ny namana
119. Achia ( 22/05/2006 05:57)
ka tsy didy folo ihany ve zany lazainao zany e fa ilay sabatan'i Jehova mitsy no tena asorina ao e , nefa hoy ianao hoe tiava an'i Jehova Andriamanitrao nefa ahoana hoy Jesosy zanany ao @ Matio 19 /17,19 ary ny 22/37,40 ARY NY mATIO 5/17,19 de mazotoa mamaky aza Ranini
120. marozevo ( 25/05/2006 07:35)
Ny didy rehetra dia voafehy amin'ireto :
Tiavo ny Tompo Andriamanitrao...
Tiavo ny namanao......

Fandavorariana io fa tsy fanafoanana.

namana hanarina raha toa aho ka sendra lavo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3394