Ny lalam-pamojena

1. rabeflorian ( 27/03/2006 06:11)
Inona marina no tokony hatao raha te ho voavonjy ka hanana fiainana mandrakizay?
Ny soratra masina dia milaza fa ny fahafatesana na fahaverezana mandrakizay no tambin'ny ota ary samy efa nanota avokoa isika rehetra ka tafasaraka amin'Andriamanitra.
Teo amin'ny lalàna nomena ny jiosy anefa dia nisy ny fanatitra azo natao raha sendra nanota ary nisy koa ny fanatitra natao indray mandeha isan-taona mba hanadiovana tamin'ny ota ny jiosy rehetra. Ny mpisorona lehibe no nanatanteraka izany ary nametra-tànana teo @ lohan'ny biby natao fanatitra izy mba hamindrana ny faotana teo aminy ary dia novonoina natao fanatitra ilay biby.
Rehefa tonga I Jesosy dia Izy no namindrana ny ota ny olona rehetra tamin'ny nanaovana azy batisa ( Indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao)ary teo amin'ny azo fijaliana no naolorany ny ainy ho fanatitra.
Raha mino izany isika dia voavela heloka sy afaka amin'ny fahotana ka mandray ny fahateraham-baovao ka lasa manàna anjara amin'ny fiainana mandrakizay.
novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:31
2. Fiffi ( 27/03/2006 06:30)
Raha ny hevitro manokana aloha dia tsy misy afatsy ny finoana hiany
-Izaho mino ny Fanahy Masina
-Ny Eklesia Masina Katolika
-Ny Fiombonan'ny Santa
-Ny Famelan-keloka
-Ny Fitsanganan'ny tena amin'ny maty
-Ary ny Fiainana mandrakizay
Amen
Inona marina no tokony hatao raha te ho voavonjy ka hanana fiainana mandrakizay?
hampio hatrany hatrany ny finoanao .
"salamo faha 32" Sambatra ny olona izay voavelà ny helony sy voasarona ny fahotany" Amiko izany raha hamaly ny fanontanianao aho dia tsotra hiany: Mazotoa mivavaka , hampio ny finoana fa ho fanavotana anao , mazotoa mivavaka , mazotoa koa mandeha mibebaka , ary indrindra indrindra aza hatao ambanin-javatra ny Fivavahana fa fanavotana io. Amen
3. soleil ( 27/03/2006 09:15)
Tsy misy afa-tsy ny finoana ihany de izay

4. Fiffi ( 27/03/2006 10:27)
zay mihintsy!
5. mandalo ( 27/03/2006 12:21)
Moa ve ny olona mety mitady vonjy raha tsy rehefa mahatsiaro fa mila izany? ka amin'ny fomba ahoana no hinoany raha tsy fantany akory hoe very izy?
Amiko ny famonjena dia efa vitan'i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana ary natolony hoan'ny olona rehetra fa arakarakin'ny tsirairay izany rah handray na tsia.
6. barry ( 27/03/2006 12:22)
tsy anpy ny finoana fa tsy maintsy arahan'asa; oh mino fotsiny ianao nefa tsy manantateraka ny didiny dia zavapona; oh:mino ianao nefa mijangajanga zay defa tsy voavonjy.Ny olombelona mantsy matetika dia mitandrina ihany izy fa eo @,ilay fankapanahy tena tsy zakany; ka izay no tena mbola tsy vitan'ny sasany ka @ maha olombelona antsika dia maro no tsy mahatanteraka izany;; mino izy ary tena mini fa tsy zakany ny didy zay napetrany


7. barry ( 27/03/2006 12:25)
ka ny tiako lazaina dia : sady mino ianao no mitandrina ny didiny rehetra @ izay ianao no tena voavonjy
8. mandalo ( 27/03/2006 12:29)
izany anie no mahamarina ny teny hoe tsy fantany ny tenany fa toa lova napetrakin'ny ray aman-dreny ny finoana fa tsy contrat personnel entre ny tsirairay sy Jesosy e; ka milaza ho mino fa tsy fantatra akory na ny anakinana ny finoana na ny tokony atao amin'izany. tsy mahagaga raha betsaka no misalotra ny anarana hoe: mpino nefa mbola variana amin'ilay izao tonolo izao sy ny filany.
ny resy lahatra fa very satria mpanota no mahalala mitady vonjy, ary izay mbola mahita fa misy ankoatran'i Jesosy mahaavotra azy amin'ny fahaverezany dia tsy afaka ny hino ny herin'Andriamanitra ka tsy mahay manarak sy miaina ny teniny
9. felampaiso ( 27/03/2006 13:30)
Rehefa nahazo famelankeloka dia mijoro amin'ny finoana amin'izay, mankahala ny fahotana rehetra ary MIAMBINA AO ANATIN4NY VAVAKA? NY SORATRA MASINA ARY NY ASAN'NY FANAHY MASINA , miandry am_pahatokiana ny fiverenan'i Jesoa Kristy, vonona foana izany na amin'izao andro fahavelomana izao no miverina ny Tompo , na aorian'ny fahafatesanao, izany hoe tsy tokony hatahotra izay fiavian'ny fahafatesana izany satria efa mino ianao hoe HITSANGANA AMIN'NY MATY ARY HO VELONA MANDRAKIZAY. Mahereza ary é !
10. kally ( 27/03/2006 15:10)
Ny ahy ny famonjena ahy dia tsy misy afa-tsy ny "FITIAVANA".
11. Vaika ( 27/03/2006 15:16)
Ny ahy ny famonjena ahy dia tsy misy afa-tsy ny "FITIAVANA".
cf Krishnamurti !!!!!
12. mandalo ( 27/03/2006 15:27)
ny fahatsapanao fa mpanota tsy mendrika ianao dia efa ny fanahy masina no efa miasa ao anatinao mandresy lahatra anao.
ary rehefa fantatrao fa ratsy tokoa ny zavatra nataonao dia mankahala izany zavatra nataonao izany ianao (ota)ary mifona amin'Andriamanitra fa diso tanteraka teo anatrehany. raha tena amin'ny fonao ny fifonanao dia tsy te-hiverina amin'iny zavatra efa nandoro ny lambano iny ianao ka mandositra lavitra izany raha tahiny ka manantona mitady hamatotra anao izany.Ny fibebahana marina dia tsy maintsy miteraka fiovam-po ka izay no atao hoe :"reconversion" (cad demitour à 180misy fab
°).
Noho isika nandova ota tamin'i Adama sy Eva dia mpanota foana isika ka ny valin'ny otantsika dia tsy misy afa-tsy ny fahafatesana.
Raha tsy mandray ilay manome fiainana izany isika dia tsy maintsy ho very; Jesosy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Ny zavatra tokana takiana amintsika dia homena antsika ny fiainana dia ny mino Azy.
tsy ny mino Azy ho mpanavotra dia ampy fa ny fahafantarana fa olona very tsy misy solution isika ary Izy irery no afaka hahavita izany. Raha tsy izay dia mbola ataontsika foana ny fahazaran-dratsintsika satria isika mihevitra fa manana ny hery hanoherana ny fakam-panahy satria mahalala sy nianatra.
jesosy irery ihany no manana ny hery afaka handresy ny devoly sy ny fitaka ataony.
koa aza mihevitra fa hoe efa vita batisa aho na efa mpandray fanasan'ny Tompo dia mahalal ny atao hoe: ota ka mihevitra hahresy devoly;hoy ny Tompo hoe :" Miambena fa tsy fantatra na andro na ny ora"
13. Achia ( 27/03/2006 19:24)
Refa mino de zay 8O
14. marozevo ( 27/03/2006 22:11)
Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala anao Ray, hany Andriamanitra marina, sy (ny mahalala an') i Jesoa Kristy ilay nirahinao..... Jn 17,...


Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very, fa hanana ny fiainana mandrakizay, izay rehetra mino Azy .... Jn3,16
15. Veloo ( 28/03/2006 02:00)
Achia a tandremo tsara fa ny devoly ko anie mino e...
misy zavatra telo tsy maintsy miaraka rehefa te-ho voavonjy:
Manaiky an;i Jesosy fa izy no namonjy atsika teo @ azo fijaliana
- manaraka ny dian'i Jesosy
- mino an;i Jesosy

Claim, believe and accept Jesus
16. Achia ( 28/03/2006 11:40)
ka io nge ry veloo ny fomba fitenin'ny ol amzao e ra vao hitondranao tenin'ATRA izy ka somary manohatra kely ny filany de hoy izy hoe refa mino de zay e :-D
17. Veloo ( 28/03/2006 16:41)
achia ok:wink:
18. marozevo ( 29/03/2006 09:16)
IZAHO, no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy mankany amin'ny ray afa-tsy amin'ny alalako. Jn 14
19. Achia ( 29/03/2006 09:41)
tena marina zany zevo a ,tsy misy afaka mankany @ Ray raha tsy tena Kristiana ,dia ilay Kristiana mana na fitoviana tahaka ilay tempolin'ATRA taloha mitovy maridrefy @ io ,izay no nahatonga an'iPAOLY nilaza hoe aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an'i Kristy
20. sonwin ( 29/03/2006 17:39)
za boudiste fa za ko ho voavonjy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3194