Fanafody halefa any Dago

1. hery ( 24/03/2006 08:09)
Misy namana infirmier vazaha avy any Belgique izay nifampiresaka tamiko fa nanangona fanafody saika halefa any Madagasikara (Tamatave) nikasika indrindra ny Tazo mahery. Tsy afaka mandeha tampoka any indray izy ka raha misy association na fikambanana na olontsotra afaka mitondra ireo fanafody ireo dia afaka mifandray amiko. Azony atao ny mandefa ny Fanafody any Frantsa sns... fa ilay mandefa azy any Madagasikara no olana.
Fanafody manankery tsara daholo ireo.
Raha tsisy mitondra moa dia hihitsoka fotsiny ireo fanafody ireo satria tsy azo amidy fa efa fanomezana... dia mety ho simba fotsiny.

novalian'i Fiffi ny 31/05/2006 06:42
2. Fiffi ( 24/03/2006 09:10)
Tsara ho fantatra fa ny fitondrana fanafody na firy kilao na firy kilao dia tsy misy olana mihintsy eny @ CDG ary tsy mi-kaonty @ lanjan'ny entanao io.
Ary maninona raha alefa any @ FRESENIUS France ? ao Sevres no misy an'io , fantatro aloha fa ao no mpandefa ny poudre fanaovana dialyse any M/car satria mavesatra be izy ireny ary maimai-poana ny fandefasana fanafody afatsin'ny momba ny dialyse saingy ny olana angamba dia hoe iza no handray ireo fanafody ireo rehefa tonga any ?
3. avylavitra ( 24/03/2006 14:19)
Raha tsy dia olana loatra ny mandray azy aty dia tsy maninona fa tsenaiko raha misy mitondra hatreny Ivato e! Mila milaza mialoha fotsiny anefa an! Fa mba fanontaniana kely fotsiny ity ry Hery. Mety ve rehefa hanolotra ny fanafody aty, raha atao amin'ny anaran'y SERESERA ERAN-TANY ny fanomezana azy. Ohatra hoe rehefa tonga aty Dago dia atolotra ny ministera araka io eritreritro io ?
4. avylavitra ( 24/03/2006 14:21)
Saiky hadinoko, tsy mahita mail aho Week end fa raha misy resaka tokony hotohizna dia inty ny tel 032 04 220 49
5. Fiffi ( 24/03/2006 17:12)
avylavitra: fa nahoana moa no tokony hisian'ny olona ny fandraisana ny fanafody any ? ny fanafody manko dia tsy misy fetra na aiza na aiza satria ilaina @ vonjy aina io ka tokony tsy hisy olana izany. Niantso olona tany Dago aho teo ary nilaza izy fa ao Ivato hono tsy misava akory raha vao hoe fanafody fa io fotsiny angamba no jerena hoe rehefa tonga izy ireo dia hatao aiza ary omena an'iza ? sa ve hoe tonga dia haterina eny @ hopitaly ohatra ?
6. watafon ( 24/03/2006 18:19)
mila atao matotra tsara aloha hoe havantana aiza d omena an'iza ireo fanafody ireo mba tsy hisian'ny disadisa avy eo ! ary mba ho tonga any @ olona tena mila azy marina izy ireo !!!
7. Veloo ( 24/03/2006 18:27)
wata marina tokoa izany , tsy oe tsy matoky aho fa ilay pitondra mila manome ny fanafody GRATUIT an'olona fa tsy hamidy avy eo.... Na tonga dia omena any @ hopitaly mihitsy...mba hi-supporter andry zareo any...
8. watafon ( 24/03/2006 18:35)
ze hahatongavany aty aloha zany no atao e! d avy eo mandinika tsara ny tokony hatao e !
9. Veloo ( 24/03/2006 18:36)
zay aloha e:wink:
10. watafon ( 24/03/2006 18:43)
:-*
11. Veloo ( 24/03/2006 18:59)
mila mailoka be mihitsy aloha ny fandefasana ny fanafody e:°)
12. watafon ( 24/03/2006 19:08)
inn le mailoka fa tsy azoko ry veloo? sa mailaka v ? hihi !
13. Veloo ( 24/03/2006 19:40)
faire attention ry tsy mahay teny gasy a :-D:-D:-D
mailoka
14. fijo ( 24/03/2006 20:08)
mailo ry veloo fa tsy mailoka an,ndry wa tsssss,
hery an,araka ny fahafantarako azy ,dia efa mijoro ary misy statut ny namana ao mada.ka raha ny hevitro,dia ravato sy ry naritsimba ary ry herylo no tsara resahana,raha ny handray azy any.
ny fandefasana azy indray,milaza izay namana handeha ,za mantsy handeha ihany fa taratara satria mety mai na jona vao tena lasa,ka sao tara.
15. Veloo ( 24/03/2006 21:13)
dain ko ty fijo...:roll::roll: mailoka e:P
zany kosa tsara kle ka asaivo tairin'ireo bandy ireo zany :wink:
16. Fiffi ( 25/03/2006 06:11)
hay tokoa moa misy ireo mpitantana ny serasera any Dago izay angamba no tena tsara hanaovana azy raha izany satria fantatra hiany ny fandehan'javatra sady ho sarotra koa ny hitadiavana olona handray ireo any.
17. watafon ( 25/03/2006 18:21)
izay no tena mety k !
18. Fiffi ( 25/03/2006 18:36)
sarotra be hiany ry zareo raha hoe avy hatrany dia omeny eny @ hopitaly ireo fanafody ireo an! satria ny eny @ hopitaly dia mbola vidiana indray ireo fanafody ireo. Tany aho t@ herintaona fa nisy ankizy notsabohina tao @ Girard & Robic , izay fanafody rehetra ilain'ny mpitsabo ho an'io zaza io dia vidiana daholo ary ao @ hopitaly hiany koa no misy ny pharmacie. Ka lasa ny heritreritro hoe raha omena ny hopitaly dia tsy afaka manararaotra indray ny mila fanampiana.
19. watafon ( 25/03/2006 19:16)
d omena an'iza zany oziz ndry ? ireny association ireny v sa ?
20. Fiffi ( 25/03/2006 20:02)
ie! ireny zao no hitako fa mety hanomezana azy , @ io koa mba sur fa tsy ho hamidy etsy sy eroa izy ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6816