NY FAMADIHANA fomba gasy iray izay tsy misy maharatsy ...

21. fasaly ( 13/03/2006 05:14)
ieuh zany no tsy hitavako azy fandaniambolatsy am ahoana de mialalo faty ity tsy voako ka!!!!!
mazotoa anzay mpanao alou fa tena tsy taf ny tenanay e!
22. pissoa ( 13/03/2006 05:23)
Hihihi, ny milalao velona ihany no tsara? :-D:-D:-D Zah mananihany an.

Fa Fiffi an, misy anie tsy manao an'izany e! Betsaka mihitsy aza moa izany e.
23. pissoa ( 13/03/2006 05:29)
Tsy fandaniam-bola amin'ny tsisy antony ny famadihana rehefa tsy mampiady ny mpianakavy ny resa-bola.

Ny hoe vola aleo omena ny velona ... miala tsiny aho fa sao dia resa-be izany ry zareo ah! Omeko ohatra ianareo. Nasian'i sefo an'ilay pub io isaky ny hafatra folo eto amin'ny forum. Dia jereo fa misy sahady no nimenomenona ... nefa tsy vola miala any am-paosintsika akory io fa ny maso fotsiny no mahita azy sy somary tsy zatra tamin'ny voalohany.

Raha te hanampy ny manodidina dia asa omena azy fa tsy vola. Jereo amin'ny firenentsika fotsiny e. Nahazo vola avy any ivelany ihany ny sasatra, nefa dia nidi-bingo nitrosa fotsiny fa nisy tsy fandrosoana tena hita mazava akory.

Rehefa misy famadihana dia betsaka ireny olona mpivarotra karazan-kanina ireny no mahazo tombony. Mandeha mantsy ny fary, voanjo, karazana voankazo, ilay mofo endasina isan-karazany ireny ... Saingy iny moa ny olona mba mahita tsena amin'ny fotoanan'ny Krismasy koa aza nampimenomenona ny "Kristianina" (Raha tadidinareo ilay lohahevitra Sapin sy Dadabe Noely tao amin'ny Finoana sy Fivavahana).

Ny resaka aretina ... misy lalàna ny famohana ny fasana, ary misy fanadiovana atao alohan'ny fahavoriana.

Tsy voatery atao ny famadihana, saingy tsy zavatra ratsy be tsisy ilavana azy araka ny eritreretintsika koa. Ny fahitako azy dia ilay milalao faty sy ny manompo sampy no tena olantsika. Ka ny Kristianina manao famadihana (Ohatranay :) ) no tokony mandanjalanja mba tsy hijabaka amin'io resaka sampy io.
24. Fiffi ( 13/03/2006 07:08)
fahatelo mahandany vola @ tsisy antony..
tsy hoe mandany vola @ tsy misy antony kosa aloha ilay izy an! fa rehefa io no fomban-drazan'ry zareo hatao ahoana moa ?
pissoa: ka izay reportage hitako hatramin'izay anie ka toa olona maro dia maro ary ny fiharahana misakafo sns... marina akia raha tsy vola be no lany @ ireny ?
25. mandrindra ( 13/03/2006 09:30)
izahay aloha dia tsy manao fety be fa kosa mamono lamba ny fianankavianay izahay rehefa misokatra ny fasana.

fa maninona no rehefa famadihana no handanina vola dia mikamenona ny ankamaroany. raha izany dia aza mandany vola rehefa manambady, manao batisa, manao didimpoitra, faran'ny taona, noely sns.... Ny vola lany ao anie ka hanaovana fety hiarahan'ny be sy ny maro e. dia hajanony daholo izany rehefa fety fa mandany vola.

aza adino ny filôzôfia malagasy : velona iray trano, maty iray fasana.
26. Fiffi ( 13/03/2006 09:35)
aza adino ny filôzôfia malagasy : velona iray trano, maty iray fasana.
=D=D=D=D
27. fasaly ( 13/03/2006 11:07)
mandrindra: ekeko mandany vola ny mariazy batis sns...fa ny ahy lay manadàny vola am oul efa maty no hitako, amiko manokana an! tsy ekeko, kou tsy aleo ve hanasoavako ny olona ory ny vola laniana ao:°)
28. Fiffi ( 13/03/2006 11:11)
fasaly ah! ka izay hatao rehetra koa anie akia dia raha tsy misy ny vola dia tsy afaka manao na inona na inona eh! saingy fotsiny hoe hanoloana lamban-drazana dia vola be tokoa no ho lany. Nefa moa izany ny fombany ka hatao ahoana eh!
29. fasaly ( 13/03/2006 14:42)
fiffi: ka zà tsy mannenjika zay oul manao io fa manome ny hevitro fotsiny zà hoe tsary hanao an'io zà ka! raha zà no manambola hatao amin'io de hafa no ampiasaiko az:):-*
30. Herimiafina ( 13/03/2006 15:37)
Favy ny famadihana kah! misy vary be menaka! hehehehehe:-D:-D

Izany eo ihany fa betsaka ny fombandrazana e! Eo ohatra ny mariazy, eo ohatra ny fiterahana, ary eo koa ny famadihana. Anjaranao ny mijery hoe ratsy sa tsara satria na ny mariazy ary hitrosana ihany koa, ny fiterahana hitrosana.

Raha ohatra ary tsoahintsika ilay hoe mitrosa, ilay hoe sahirana, fa ataontsika hoe manambola be tsy lany laniana ilay fianankaviana. Tsara ve ny famadihana sa tsia?
31. Veloo ( 13/03/2006 17:01)
oy i mandrindra,
izahay aloha dia tsy manao fety be fa kosa mamono lamba ny fianankavianay izahay rehefa misokatra ny fasana.

zany mihitsy ararotina rehefa misy maty ihany..
ny aretina efa betsaka mbola havoka ndray ny maty dia ho faty doly ny velona rehetra...
32. Herimiafina ( 13/03/2006 17:07)
Sakalava diso akia no iantsoana an'izany ry Veloo an! Mbola fombandrazana ihany koa ary mbola hitrosana matetika ny fividianana ny fitaovana.8)
33. pissoa ( 13/03/2006 17:17)
Fa inona no mahasamihafa azy ry Veloo raha samy voaina ihany ny fasana dia fonosina le maty efa ela ... na voaina mitokana na voaina rehefa misy maty? :roll::roll:

Raha izaho aza dia hitako hoe misy risk kokoa rehefa faty lena. Tsy fantatry ny olona akory indraindray izay nahafaty azy fa ny razana fotsiny no hitany :?
34. Herimiafina ( 13/03/2006 17:22)
F'angaha ny faty lena azo avadika? f'angaha ny fasana azo vahana rehefa mbola vao haingana no nisokatra (mbola faty lena)?

Ny tokony ho izy, ny faty efa maina no havadika sy karakaraina.

Pretexte fotsiny iny fa ny tena tanjona dia ny famoriana ireo taranaka, hahatsiaro ny ray amandreny fahiny sy ny hafany ary mba hifankatiavana.

Ankehitriny, ny olana dia tsy ny amin'ny maha-famadihana ny famadihana fa amin'ny fomba fanaovan'ny olona azy: eo ny manararaotra, eo ny maloto, toa lasa maty hasiny hatramin'ilay fomba ny iafarany.

Tsy sanstriavina akory Rakoto ary andrefana no nanao izay famadihana ratsy, na i Raso aary antsinanana no nandoto tanàna amin'ny famadihana ka ny famadihana no lazaina fa ratsy.

Jereo ireo olona manao azy.
35. diamondra27 ( 13/03/2006 17:35)
'za koa mitovitovy @ HM io mihinana le vary be menaka fotsiny....
Fa 'zao e! inona marina ny dikan'ny famadihana, de isaky ny firy taona le izy no atao ?

De zay 'za vao afaka hamaly fa zà tsy mahay le dikany akory sy ny but-ny ve de hitsara oe: pour na contre
T@ mbola kely 4ans zà no namonjy famadihana de normalement @ty taona 'ty tokony hamadika fa tsy haiko le dikany sy ilàna azy? De mba ampio e!
36. Herimiafina ( 13/03/2006 17:38)
Nahoana ny vazaha no manatitra voninkazo eny ampasana rehefa 1 novembre, na rehefa mahatsiaro ny maherifo maty tamin'ny ady lehibe?
37. Fiffi ( 13/03/2006 19:30)
fa raha ny fahalalako azy aloha dia isaky ny 5 taona hiany no fanaovana famadihana io .
F'angaha ny faty lena azo avadika? f'angaha ny fasana azo vahana rehefa mbola vao haingana no nisokatra (mbola faty lena)?
tsy mbola nahare an'izany indray aho hoe mahazo hatao ny famadihana nefa ny faty mbola lena an! sa misy koa izany ? :roll::roll:
38. cutie ( 13/03/2006 19:48)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 12-03-2006 01:50:17
Lohateny : NY FAMADIHANA fomba gasy iray izay tsy misy maharatsy ...
Tsy misy maharatsy ny famadihana ary fomba gasy efa nentim-paharazana NEFA hitako sy tsapako fa efa mihasarotra ny fiainana ankehitriny,misy ny fianakaviana sasany midi-trosa mihintsy noho io fomba io,ahoana ary no mba hevitra reo iza no mbola pour ary iza no contre?

za mbola pour ny famadihana.:P
39. Fiffi ( 13/03/2006 21:13)
samy manana ny fombany aloha eh! zah aloha dia tena contre fa manaja ny an'ny hafa !
40. xxx ( 13/03/2006 21:39)

ahoana ny fanapahakevitra momba ny hanaovana na tsia ny famadihana? "niresaka tamiko ny razambe fa mangatsiaka hono izy":twisted:

Famadihana = mangata-pitahiana amin'ny maty
Famadihana = mandihy milalao faty eran'ny tanana
Famadihana = mifrandrombaka tsihy namonosana faty satria hono mitahy (sampy)
Famadihana = :evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2177