NY FAMADIHANA fomba gasy iray izay tsy misy maharatsy ...

101. milamina ( 21/03/2006 21:33)
[quote=ravatorano]
milamina
102. ari.malala ( 22/03/2006 05:04)
milamina, aza tonga dia mitsara kosa aloha fa tsy mety izany e! tsy ny maha katolika na maha inona akory no entina itsaranao hoe avy @ demony ny fomban'ny olona iray. Hoy ianao hoe
messageaoka samy hanaja ny finoan'ny tsirairay
dia mba hajao io fa aza manaratsy.

Ravatorano, raha ohatranareo daolo anie ny fisainan'ny olona milamina tokoa ny fianakams e, fa raha ny hitako t@ ilay an'ny fianakavianay t@ 98 d tsy toy iznay fa misy terivaimanta hoa d zay le halako! :)
103. milamina ( 22/03/2006 05:17)
ka ny finoako dia hoe avy amin'i demony ny mpanandro; dia mba aoka koa hajaina izay finoako izay. tsy fanaratsiana io fa avy amin'ny finoako
104. ari.malala ( 22/03/2006 05:25)
ka eo anie tsisy manaratsy ny finoanao e! Fa efa zay ny finoan'zareo d anazy zay fa aza tsaraina bĂȘtement fotsiny hoe avy @ demony. Refa tsy mankasitraka enao ts terena!
105. Fiffi ( 22/03/2006 06:37)
hoy milamina:
efa mpanandro izao ve ravato dia tsy aleonao tsorina fa avy amin'i demony, kanefa ianao kristianina katolika iringiriny?
ka inona no manahirana anao @ zany ? raha izao no fombany sy ny finoany dia azy izany fa tsy hitsara olona kosa an! Raha kristianina ka tsy manao an'io ianao na tsy fombanao izany dia manaja ny fombanao aho
ka ny finoako dia hoe avy amin'i demony ny mpanandro; dia mba aoka koa hajaina izay finoako izay.
ahoana re izany eh ? mangataka ianao mba ho hajaina ny finoanao nefa ianao mitsara an'i ravatorano ? tsy mazava an!:roll:
106. ravatorano ( 22/03/2006 07:09)
milamina
107. Fiffi ( 22/03/2006 07:18)
de zay zany! aoka hifanaja eh!
108. milamina ( 22/03/2006 21:44)
ari.malala:

ka eo anie tsisy manaratsy ny finoanao e! Fa efa zay ny finoan'zareo d anazy zay fa aza tsaraina bĂȘtement fotsiny hoe avy @ demony. Refa tsy mankasitraka enao ts terena!

finona ny ahy fa tsy fitsarana avy amiko akory. ny finoako no nampianatra ahy fa avy amin'i demony le izy. dia sakanana ve za nefa zay ny finoako? :-D dia ny olona mitaky fifanajana indray no tsy hanaja ny finoako? aiza ary izany! :-D

109. ravatorano ( 23/03/2006 04:49)
aoka isika hilamna !:wink:
milamina e
110. Fiffi ( 23/03/2006 06:07)
dia hasiana :):) de ampy :):)
111. ari.malala ( 24/03/2006 06:01)
milamina:

finona ny ahy fa tsy fitsarana avy amiko akory. ny finoako no nampianatra ahy fa avy amin'i demony le izy. dia sakanana ve za nefa zay ny finoako? :-D dia ny olona mitaky fifanajana indray no tsy hanaja ny finoako? aiza ary izany! :-D



Fa iza no manakana? Tsy terena hoa enao refa tsy mankasitraka, aza mitasra mba tsy ho tsaraina r'inao a!

112. Herimiafina ( 24/03/2006 20:09)
Hono hoa e! Fa iza hoa le hoe "devoly" e! Tena mbola tena tsy fantatro e? Aiza izy io no mipetraka fa toa malaza be mantsy e? hehehehe=))=))
113. pissoa ( 25/03/2006 05:34)
Hihihi, hay ve mbola mitohy lava be ato le famadihana e :-D:-D:-D:-D

Herimiafina, sao de izany devoly izany no mikitikitika an-droky be vanitika io =))=))
114. Fiffi ( 29/03/2006 11:13)
pissoa: :-D:-D:-D:-D:-D
115. fanantenana2003 ( 18/04/2006 16:57)
reesaka famadihana dia tsy hifanomeza-tsiny samy manana ny fomba hijoroany avy ny gasy tsirairay avy, aminy fianakaviako dia fomba-jazana io, handeha ho any dago noho io famadihana io koa mantsy aho,avadika ny mamako, tsy dia mino loatra aho nefa fomba-jazana ilay izy dia ekena, chrsitiana ny tena , nefa aminy maha gasy fomba'ny gasy akambeazany dia ekeko io, zara aza anie misy izany tsy hananan'ny hafa eh! lany vola be tokoa aloha ny amin'io satria dia eo ny olona no mampiseho famana-bola,nefa 1 jour apres mangahazo no ohanina eh, efa hitako izany, hoe isakiny firy taona dia ny fianakaviana tsirairay no miray hina sy mitambatra hoe amin'izao idnray, ny anay dia isakiny 7 taona , azo atao isa-taona raha tianao fa dia hoe vola io, ny hoe fivoahan'ny fianakaviana dia eritrereto hoe misy lavitra ny sasany, antony iray hitako ihaonan'ny fianakaviana io famadihana io, misy ny havana avy any lavitra mihitsy ohatrany ahy USA dia tonga amin'io k'aiza ry ireto no ahafahana hoe hanao kaly na hivoaka hanao excursion dia ihaona iddray, asa io no fomba iray hijereko ny famadihana
116. mamy23 ( 19/04/2006 05:24)
Samy manana ny fisainany ny olona nefa izao no fantatro : misy ny MALAGASY KRISTIANA ary misy ny KRISTIANA MALAGASY.
Ny malagasy kristiana dia ny mahamalagasy no ambony kokoa vao mandeha ny maha kristiana. Anisan'izany ireo kristiana mbola manatrika famadihana.
Ny vola lany @ famadihana tsy dia ahoako firy fa ny fomba fanao ao anatiny mihitsy no mifanohitra @ maha-kristiana. Hita ao daholo izao karazana ota rehetra izao : fanompoan-tsampy, manandro, loka, fisotroana, fijangajangana, ...
Raha raisina hoe fivorian'ny mpianakavy dia maninona raha tsy famadihana no atao fa karazan'ny fetin'ny taranaka izay omanina mialoha dia tonga any daholo ny rehetra ???
Anjaran'ny olona tsirairay ny mieritreritra na hanompo an'Atra na hanao ny fomban'izao tontolo izao fa tsy tsara mifangaro ireo.
117. titis ( 22/10/2006 00:05)
zavatra roa samihafa tsy misy ifandraisany mihitsy amiko ny fomban-drazana taloha (famadihana) sy ny finoana kristianina ,fa toa lasa misy devoly mantsy hitako ato, zay hamadika aleo hamadika !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2569