NY FAMADIHANA fomba gasy iray izay tsy misy maharatsy ...

1. xxx ( 11/03/2006 21:50)
Tsy misy maharatsy ny famadihana ary fomba gasy efa nentim-paharazana NEFA hitako sy tsapako fa efa mihasarotra ny fiainana ankehitriny,misy ny fianakaviana sasany midi-trosa mihintsy noho io fomba io,ahoana ary no mba hevitra reo iza no mbola pour ary iza no contre?
novalian'i titis ny 22/10/2006 00:05
2. xxx ( 12/03/2006 01:58)
mpamadika...tanindrazana
mamadika...palitao?
nivadika...fiarakodia?
:arrow:Famadihana = ratsy tanteraka



3. Lejim ( 12/03/2006 03:02)
Tsy hain'ilay xxx faharoa akory ilay resaka famadihana eto fa tonga dia mitsara ankitsiranony fotsiny. Mampalahelo!
Ny ahy aloha, raha point de vue Kristiana no raisiko dia misy zavatra diso ao satria miendrika fanaovana sorona amin'ny razana izany ilay izy na dia mba mikaiky ny anaran'Atra aza izy ireo rehefa mamadika.
Fa raha hoe, famadihana, amin'ny maha-Malagasy tsotra ahy, dia tsy ratsy ny famadihana raha toa ka tsy forsen'ny fiarahamonina ny olona hanao azy, fa arakaraka ny sitrapony sy ny harenanany ihany!
4. Fiffi ( 12/03/2006 05:53)
Ny ahy moa dia tsy mba fombanay izany mamadika na manao famadihana izany ka samy manana ny fombany tokoa ny tsirairay ka na ao aza ny fanajana ny fomban'ny hafa dia raha ny hevitro manokana dia contre an'io aho satria efa nahita reportage maromaro aho fa mbola tsy tena nanatrika ary tsy mbola tena nahita maso mivantana koa fa ilay fitondrana ny razana anaty tsihy entina mandihy sns... tena somary mampalahelo ahy . Tsy mitsara aho fa manaja hoy aho ny fomban'ny izay manao an'izany , rehefa izany moa ny fombany , hatao ahoana ?
5. lapino ( 12/03/2006 06:04)
xxx:
Tsy misy maharatsy ny famadihana ary fomba gasy efa nentim-paharazana NEFA hitako sy tsapako fa efa mihasarotra ny fiainana ankehitriny,misy ny fianakaviana sasany midi-trosa mihintsy noho io fomba io,ahoana ary no mba hevitra reo iza no mbola pour ary iza no contre?

Mifanohitra izany teny izany lé!!! Fa io notenenin'i xxx io dia efa anankiray maharatsy ny famadihana, ko tsy misy maharatsy azy amin'ny ahoana àry?! :-w:wink:

6. Fiffi ( 12/03/2006 06:08)
lapino: =D=D marina tokoa izany !!
7. kally ( 12/03/2006 10:04)
Ny tsy fahalalana ny fahendrena fonosin'ny famadihana no mahatonga ny olona sasany tsy hitia ny famadihana. Malalaka ny tsirairay hanao izay tiany hatao, fa ny an'ny olona aza indrahindraina, ny antsika feno fahendrena indray no hosena @ tany?
Matoa ny gasy mahay mitsiky anaty fahoriana,matoa mbola tsy mivaralila ny fiarahamonina gasy dia noho ny fahaizany mifandray @ razany.
8. chipie1 ( 12/03/2006 10:11)
io dia samy manana ny fombany , sy ny finoany , fa raha za manokana tsy tia !
9. fasaly ( 12/03/2006 10:28)
chipie: zà kou tarakak'izany, tsy manao ary tsy tia ary tsy mandàny vola amin'io zà fa raha misy vola ho laniako amin'io de aleoko hanampiana ny mbola velona izay ory sy tsy mihinakanina, samy manana ny heviny sy ny fahalalahany.....:°)
10. xxx ( 12/03/2006 10:32)
kally:
Ny tsy fahalalana ny fahendrena fonosin'ny famadihana no mahatonga ny olona sasany tsy hitia ny famadihana.
raha misy dia mba arosoy eto izany fahendrena izany jerenay raha tena fahendrena tokoa

11. Fiffi ( 12/03/2006 10:51)
Ny tsy fahalalana ny fahendrena fonosin'ny famadihana no mahatonga ny olona sasany tsy hitia ny famadihana.
tsy mihombi-kevitra aminao aho @ io an! inona aloha ilay fahendrena fonosin'io famadihana io ? fa angaha tsy fomba ny olona sasany izy io ? Ny fianakaviako zany tsy fombanay izany mamadika izany dia ahoana ?
12. pissoa ( 12/03/2006 13:04)
Izaho kristianina, Katolika, fa izahay aloha dia mamadika tsara mihitsy e! Dia efa tsindriko dieny aloha fa ny famadihana ilay fomba no resahiko eto fa tsy ny famadihana tanindrazana na palitao na izay azo avadika hafa eritreretin'sasany.

Toy ny ankamaroan-javatra rehetra ihany dia misy ny maharatsy azy ary misy ny mahatsara azy.

Ny maharatsy azy hitako, raha ilay famadihana ataonay dia somary mandany vola aloha e. Satria izahay manasa ny fokonolona rehetra, ny fianakaviana (ohatra hoe ny any amin-dry dada no manao famadihana dai asaina ny fianakavianay avy amin'i Neny), ny mpiara-miasa sy ny namana ... hiara-misakafo sy mifaly aminay. Dia eo koa ny fividianana lamba sy ny hafa ... Ny fivezivezena ihany koa ao anatiny.
13. pissoa ( 12/03/2006 13:08)
Ny mahatsara azy indray dia fotoana iray ahafahan'ny mpianakavy (ilay famille be fa tsy hoe ny olona ao an-trano an) mihaona sy mi-organiser zavatra maromaro io, ka manamafy ny fifandraisana sy ny fifankatiavana.
Be dia be ny zavatra azo atao amin'izany. Ohatra hoe nomena andraikitra ny tsirairay amin'ny fandraisana vahiny. Dia tsy maintsy miresaka izany aloha, mifanaraka tsara. Eo koa fitsinjarana ny sakafo amin'ny olona be dia be, fanaraha-maso ny fandrahoana sakafo (sao hena manta no aroso ho an'ny olona) ... Dia nisy lalao kely ihany koa. Ny ankizy madinika toa anay koa dia mba mianatra an'izay azo ianarana. Na resaka firaisan-kina izany na fitantanan-draharaha.

Zavatra tsara ihany koa ny fahafantarana ny tantaran'ny fianakaviana. Notantaraina taminay ny zavatra nolalovan'ny RAD isan-karazany vao tonga teto amin'ity tany ity izahay. Dia tsy tantara fehy tantara fa mifono anatra sy ady hevitra.
Ao koa ny fifandraisanay amin'ny olona any amin'ny tanana fiavianay (Ny ankamaroanay moa tsy misy mipetraka any intsony noho ny asa sy ny fianarana :( ).
14. pissoa ( 12/03/2006 13:11)
Nivavaka ihany koa izahay. Tsy nivavaka tamin'ny razana fa tamin'Andriamanitra, ho anay taranany mbola velona ka tafavory, sy izay tsy afaka tonga, sy ny maro hafa e.

Fa izahay aloha tsy manandro izany rehefa mamadika, na mandevina, na hanao trano na ... fa arakaraka ny fahafahan'ny be sy ny bobaka ihany io e (na resaka fotoana na resaka ara-bola), dia izay no hifandaminana sy hifanampiana.
15. fasaly ( 12/03/2006 13:18)
pissoa:

Ny mahatsara azy indray dia fotoana iray ahafahan'ny mpianakavy (ilay famille be fa tsy hoe ny olona ao an-trano an) mihaona sy mi-organiser zavatra maromaro io, ka manamafy ny fifandraisana sy ny fifankatiavana.




misy organisation hafa afaka afaka ifampihaonana am famille ankaotra ny famadihana anie! afaka manamafy ny fihavànana sy ny fifankatiavana am zavatra hafa, asa ohatra isaky ny paka ohatra de muiaraka mitsangatsangana dooly de any mihaona sy manao zay mety any dooly ny fianakams, sa tsy mety ve zay????:wink:
16. lapino ( 12/03/2006 13:28)
kally:
Malalaka ny tsirairay hanao izay tiany hatao, fa ny an'ny olona aza indrahindraina, ny antsika feno fahendrena indray no hosena @ tany?

Raha misy fomba izay tsy hita izay maharatsy azy, maninona moa raha atao? Fa raha misy fomba ka hita izay maharatsy azy, dia mila fieritreretana kosa.

Ny tiako tenenina dia hoe, tsy ny maha "antsika" na "an'olona" azy no tokony handraisana na tsia an'ilay fomba, fa ny mahatsara na maharatsy azy. Ka na "antsika" aza fa ratsy, dia izay ataonao. Fa raha "an'olona" aza ka tsara, dia "Soa fianatsa ro mahavokatsa".

Ankoatra an'izay, tsy sanatria akory fanosihosena an'ilay fomba ny tsy famadihana. Ary indrindra moa, tsy midika fanivaivàna an'ireo razana mihitsy!

17. pissoa ( 12/03/2006 13:32)
Ie - ekeko mihitsy ny tenenin'i fasaly, misy tokoa ary anisan'ny fanaonay koa aza izany. Fa amin'iny dia izahay akaikikay ihany no tafahoana. Fa ny olona lavitra tsy afaka ...

Fa ny famadihana koa, raha ny fanaonay, dia zavatra maharitra kokoa. Tsy hoe mifampilaza, dia avy eo Asabotsy iray mandeha miantsena , dia ny Alahady mandeha amin'izay mitsangatsangana miaraka amin'ny belote sy beks sy ny glita. Fa mivory matetika, miady hevitra, mifanao tantitra ... Volana maromaro alohan'ny datin'ny famadihana dia efa mandeha ny fanomanana isan-karazany.
18. pissoa ( 12/03/2006 13:47)
Izay aho vao hiverina amin'ny fanontanian'i xxx
xxx:
Tsy misy maharatsy ny famadihana ary fomba gasy efa nentim-paharazana NEFA hitako sy tsapako fa efa mihasarotra ny fiainana ankehitriny,misy ny fianakaviana sasany midi-trosa mihintsy noho io fomba io,ahoana ary no mba hevitra reo iza no mbola pour ary iza no contre?
Mety misy maharatsy azy ny famadihana kah ... mety mandany vola, arakaraka ny atao.
Misy ny olona mantsy rehefa manao famadihana dia hoe samy mandrotsaka vola izao ariary avy ny mpiray tampo! Dia tsy jerena akory ny sasany raha sahirana, na midi-trosa araka ny teneninao. Raha izay no mitranga dia tsy ilaina manao famadihana.
19. Veloo ( 13/03/2006 00:03)
za aloha dia contre e.. ary marina ny lazain'i fasaly aleo omena ny olona izay velona ny vola toy izay lalina @ famadihana
faharoa manarak;izany question hygienique ry reto a faty avoka ao fantatrareo ihany ny atao oe faty?
fahatelo mahandany vola @ tsisy antony..
20. Fiffi ( 13/03/2006 05:06)
tena vola kosa aloha zany lany zany an! satria fokonolona iray manontolo zao ve no hasaihina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3069