fitazomana lehilahy

1. corallie ( 10/03/2006 09:28)
aona ry eto ny fomba hitazomana ny lehilahy tsy hanao sipa afa tsy 1 ihany na ny vadiny ihany

mifanoroa hevitra e !
2. naritsimba ( 10/03/2006 09:39)
afatory eo am-parafara de aza avela hivoaka ny trano.

Vazivazy zany fa matoa ny lehilahy na ny vehivavy manao sipa ankoatran'ny vadiny dia misy zavatra tsy ampy izany hitany @ ilay olona iarahany.
Koa dia anjaran'ny tsirairay no mamantatra hoe inona no tsy ampy dikan'izany dia mila mifampiresaka izany ny mpivady na ny mpisipa, ary milaza ny zavatra tsapany eo aminy ny tsirairay.
3. nikopol ( 10/03/2006 09:43)
vizanina aminy firaisana dia amin'izay mandady mivaoka ny trano
4. madagasikara ( 10/03/2006 09:55)
ka izao no tena olana kou, raha mbola mpisipa dia mifampihatsara velatsihy, hany ka mifanafina ny tena toetra, dia lasa toy ny mahita ny 1 fa misy zavatra tsy ampy amin'ilay 1.
5. Fiffi ( 10/03/2006 10:09)
tsy misy afatsy ny firesahana sy ny mitsotra , manadihady tsy misy hatezerana fa dia samy milaza hoe inona ny olana dia inona no tokony hatao mba tsy hisian'izany ! ny fahakam-panahy tsy miala @ tsika mihintsy fa anjarantsika tsirairay avy no manaja ny sipatsika . Saingy kosa ao "raha" matoa misy an'izany ka dia aleo miresaka!
6. Ragadona ( 10/03/2006 10:42)
Amiko dia tsy mitombona ho atao antony ihodinana ny hoe fisian ny zavatra tsy ampy eo amin ny mpivady na mpisipa, fialana tsiny fotsiny zany amiko satria tsy biby isika fa olona. Ny biby raha vao misy zavatra ilainy dia tsy misy fanontaniana hanahirana azy hoe mety ve ity sa tsy mety fa zay zavatra rehetra mamaly an iny filany iny dia izay. Ny olona anefa mihoatra an io filana an jambany io noho ny fisainana maha olona azy ka na eo aza ny filana dia manavaka azy amin ny biby ny fananany fisainana ambony hirosoana amin ny fanapahan kevitra. Noho izany tsy mitombina ny fanamarinana ny fihodinana amin ny alalan io antony iray io
7. ptichou9 ( 10/03/2006 10:46)
Tsy omena sôsy. ato karemy;
Matetika le bandy miodina reny mila sôsy ampirevena le sipa. Le sipa ko mo ts d sarotiny. Fa ra vô tsis sôsy iny, mpetraka tsara ao an trano. Msaraka aminy le tsin. Angamba............
8. soasoafy ( 10/03/2006 11:10)
Tena sarotra be e,matetika mantsy ny lehilahy refa ampisehoanao fitiavana de lasa mapifilafila, refa miseho tsy rototra ko nefa enao de lazainy fa tsy miraharaha azy,tsy hita ihany ze atao fa de ankinina @ ao ambony e! de ao ko ny anjara sy lahatra, refa anjaranao iny, na mihodina any aza miverina foana, fa refa tsy anjara, na tambazanao volamena aza tsy mipetraka eo mintsy, zay ry zavavy namana a! araho @ onjany fotsiny aloha fa ra hita tsy hanahaka de mipitika e
9. diamondra27 ( 10/03/2006 11:28)
corallie: raha resaka fitazomana lhl vady ny tianao de anoraty zà fa omeko ano ny laklé.
Fa miomàna kosa aloha fa henjana an!misy 12 articles le izy. Sombitsombiny ity:
1°) refa tonga ao antrano ny vadinao de tsenao @ fitsikiana....
2°) raha reraka avy miasa izy de aza tonga de mitsamboatra aminy milaza ze problème-nao t@ la journée fa avelao aloha hi-rekax kely ramse

de hitohy io raha manoratra aty amiko:wink:

ho an'i vadinao ihany les conseils fa tsy ze lhl rehetra iarahanao an!
10. mamzelkely ( 10/03/2006 11:33)
omeo fitiavana be izy prouver-o anazy fa ts hisy vhv hahavita ny vitanao aminy zay ihany de ampy :)
11. Vaika ( 10/03/2006 11:37)
Corallie chérie,
Voalohany indrindr
12. Vaika ( 10/03/2006 12:01)
Corallie chérie,
Voalohany indrindra dia tsarovy tsara fa tsy hadisonao (na ianareo vehivavy !) ny mahatonga ny lehilahy mijangajanga. Tsy sanatria akory tsy ampy fitiavana atolotrao azy no mahatonga azy hanao sipa. Izy no manana problema fa tsy ianao akory. Raha ny amiko manokana dia raok'alika no mendrika azy. Nefa mety tsy ho mety amin'ny rehetra izany. Ka izao no mba toro-hevitro : alohan'ny hiresahana aminy (araka ny toro-hevitry ny mpikambana rehetra) dia jereo aloha ny tena fototry ny mahatonga azy ho tery saina hilalao fitiavana, mety nisy zava-mafy niantraika teo amin'ny fiainany taloha ka mbola tsy voavahany hatramin'izao (traumatismes !), mety ho izay niainany tamin'ny ray aman-dreniny no averiny aminao ohatra.
fa izao no tsy azonao hadinoana (sy ianareo vehivavy VICTIMES): ireny lehilahy mpijangajanga dieny mbola tanora ireny matetika no marary lava rehefa miha-antitra. Ka mitandrema ary diniho tsara fa tanora izy nanitsakitsaka ka rehefa antitra sy marary izy dia ianao indray no hamitra azy. Ny fiainana mandalo ihany ka tsy aleo ve hararaotiny sy atao izay haha-sambatra fa tsy hiaritra trêfle amin'ny hadalàn'ny sasany ?
Vaika !
13. soleil ( 10/03/2006 15:23)

tsy misy torohevitra na fanafody azo atoro itazomanana lehilahy zany satria samy manana ny toetrany daholo ny olona rehetra , ny hany tsara indridnra ihany dia ny maneho fitiavana lalandava na inona na inona fihetsika sy ataony fara -faharatsiny na mampirafy azy ary izy de mba mahatsapa ny fitiavana sy ny hatsaram-panahinao ka mba tsy ananany saina ratsy hiala na handao ny olon-tiany indray andro any

14. lolabe ( 10/03/2006 15:53)
miezàha mandefitra foana eo anatrehan'ny zavatra mety mitranga de mifampiresaha raha misy zavatra tsy mety hitanao de miezàha foana mampiseho aminy fa ianao de tena tia azy ohatra amin'ny alalan'ny tambitamby, orokoroka madinidinika, safosafo raha ilaina izany, de aza adino ny mampiseho aminy fa ianao de tia azy foana
15. Veloo ( 10/03/2006 18:05)
aona ry eto ny fomba hitazomana ny lehilahy tsy hanao sipa afa tsy 1 ihany na ny vadiny ihany

mifanoroa hevitra e !


ary ahona momban'ny vehivavy?:-D:-D
16. vegas ( 10/03/2006 18:41)
Lehilahy alou zao.
17. Veloo ( 10/03/2006 18:51)
vegas:roll::roll::roll:
18. fijo ( 10/03/2006 20:51)
nisy olona fantako izay tany mada fa lery mpampirafy be,fa farany dia izao no nataon'ilay vadiny.isaky ny handeha hiasadia ao aloha,vao tonga ny hariva dia ao aloha ,nandritra ny iray volana toa io foana ,fa tena hendry lery.
19. booboo ( 10/03/2006 22:17)
Corallie > tazomina aôna koa ? f'angaha io akoho sa vorona no fehezina ôtra zany ? raha tena tia azy ianao dia avelao izy handeha fa tsy tazotazomina zany. Aleo mitady oul hafa mitody tadi-donkanga @ tena fa lany andro sy hery sy ranomaso eo fotsiny.
20. kally ( 11/03/2006 07:42)
Miombon-kevitra @ Booboo, aza mitazona izay te-handeha izany ry Coralie fa omeo lalana izy hidiran'ny hafa fa sao harary saina sy hanimba fiainana amin'izany eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5117