TRINITE

81. harilova ( 18/03/2006 09:48)
Ny anisan'ny hanenjehan'ny silamo an'ireo milaza fa kritianina dia izay hoe siora fa telo dia iray izay e
Ho azy ireo dia mpaminany lehibe i Jesosy fa tsy andriamanitra tsy akory, andriamanitra ve dia ho faty?
82. Achia ( 18/03/2006 16:38)
ka ny silamo aloha tsy mahagaga e satria reo nge tsy taranaky ny teny fikasana e .Ny coran vakiandreo dia misy hitovizany @ T.taloha nefa tsy izy rehetra anga ha no raisiny izay no tsy hinoany an'i Kristy fa hoe ATRA nefa voasoratra fa Kristy dia tsimaintsy hiarita ary ho vonoina @ atsasaky ny herin'andro ary hitsangana @ andro fahatelo .Anontanio nge ny silamo raha mino ny fitsanganan'ny maty e
83. marozevo ( 19/03/2006 00:32)
Dia tsy afaka hilaza ny finoako ve aho satria tsy eken'ny Silamo ny izay inoako ? ... SANATRIA izany. Na inona na inona filazany dia izay ny ahy satria izaho Kristianina fa tsy Silamo.
Ny finoantsika tsy ankinina amin'ny finoan'ny hafa eh.. Dia hovako daholo ve izay foto-pinoako tsy mitovy amin'ny foto-pinoan'ny Silamo ? Sanatria...
84. cazal ( 19/03/2006 10:16)
Jao 3.36 Izay mino ny Zanaka (Jesosy Kristy) no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino dia ny fahatezeran'Atra no ho aminy. Raha araka io teny io dia tsy misy ampina ary tsy misy analana, fa na fiainana = Mino Jesosy na Fahatezeran Atra = ireo tsy mino Jesosy. Na iza na iza rehefa tsy mino an' Jesosy dia mazava ho azy ny anjarany ary safidiny moa izany ny hiatrika @ fahatezeran Atra ka akory ny atao, fa ho atsika izay mino kosa dia hitraka sy hijoro mandram-pahatongany eny @ Rahon ny lanitra matio24.
85. Achia ( 19/03/2006 19:24)
zay mitsy le tena izy razevo a tena mijoro mitsy tsy mivadika zany zay mantsy le atao hae mivadimpinoana fa zany ho ny entre samy Kristiana ko ne mbola maro no tokony ahitsy e
86. harilova ( 20/03/2006 13:14)
cazal:

Jao 3.36 Izay mino ny Zanaka (Jesosy Kristy) no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino dia ny fahatezeran'Atra no ho aminy. Raha araka io teny io dia tsy misy ampina ary tsy misy analana, fa na fiainana = Mino Jesosy na Fahatezeran Atra = ireo tsy mino Jesosy. Na iza na iza rehefa tsy mino an' Jesosy dia mazava ho azy ny anjarany ary safidiny moa izany ny hiatrika @ fahatezeran Atra ka akory ny atao, fa ho atsika izay mino kosa dia hitraka sy hijoro mandram-pahatongany eny @ Rahon ny lanitra matio24.

Ka eo indrindra siska iizao : kozy bobaka ve le finoana sa??? satria ataoko hoe INDRAINDRAY ireo kristianina mino ireo ihany no manao zavatra mamoafady : risoriso sns...
Misaotra aloha ra marozevo rehefa mijoro amin'ny finoana, kanefa kosa tandremo tsara fa mba hahafantatra tsara ny an'ny tena dia mila mahafantatra koa ny an'ny hafa. Na tsy mino ny fitsanganana aza ny silamo, sahy mamono tena hiaro ny finoany, jereo tsara araka izany fa manana fanantenana ihany izy ireo aorian'ity fiainana ity ... T

87. harilova ( 20/03/2006 13:20)
Tohiny...
Dia zah ndray milaza fa tsy misy ilana izao andriamanitra izao. ianareo milaza fa misy ilana azy mba lazao ahy hoe inona? hanilihana ny tsy mety atao sy hamenoana ny banga amin'ny disadisa sy ny sorisory mahazo fotsiny ve'
ataoko inona
88. marozevo ( 20/03/2006 21:15)
harilova > Atao inona ary izao Roplanina ? 80% n'ny Malagasy mbola tsy nitaingina roplanina ary tsy mahafantatra izay ilĂ ana azy. Midika ve izany fa tsy ilaina tokoa ny Roplanina ?
Ianao no tsy mila ny finoana, fa izahay mila koa nahoana ?

Za indray mbola tsy nanaratsy ny finoana Silamo na indray mandeha aza ka.... Ny tsy tiako dia ny ataony, io manao kamikaze io indrindra no tsy lasa. Mila halaim-panahy aza aho indraindray hilaza hoe "tena finoana ve io eh... nefa toa be loatra ny vono olona mitranga noho ny ataony".
89. Achia ( 21/03/2006 19:06)
Harivola ho an'ny mino an'ATRA dia atao hoe zanak'ATRA ka ireo dia mila azy mba hanome azy le fiainana mandrakizay zay loka nampanantenana azy ary ATRA koa de mila antsika mba honina @ zany fiainana mandrakizay zany ary ny hoe fanaratsiana ny silamo ny fitorianao an'iKristy @ ve de milaza hoe fanaratsiana angamba le fandraisana azy no diso fa fanambarana ny anao fa tsy fanaratsiana zany ka toy zany koa isika samy Kristiana ra manambara zavatra tsy ampy @ fiangonana iray de lazaina fa hoa manaratsy nefa fanambarana sy fanitsiana noatao zay fa ra lava ny teny matory ny mpamaky
90. harilova ( 21/03/2006 21:05)
Nisy mpitondra fivavahana katolika iray izay nilaza fa ny fahalemenareo kristianina dia hery ho an'ny silamo. maninona raha alefa mody any aminy any ny azy dia tsapany fa tsy mety ny ataony? tsy silamo aho tsy akory ary miombon-kevitra aminareo hoe rehefa tsy mety ny ataony dia tsy maintsy lazaiko, fa izao kosa ry Marozevo a. zaho efa nahita ropilanina na tsy ilaiko aza fa tsy mbola nahita finoana... asa ianao raha efa nahita
91. marozevo ( 23/03/2006 00:19)
Za efa nahita finoana ka... isan'andro aho mahita be dia be. Saingy raha tsy olona manam-pinoana tsy afaka ny hahaita ny finoana, ka tsy gaga aho raha tsy mahita ianao.
92. harilova ( 23/03/2006 19:19)
ha ha ha
Izay mitaingina raopilanina ihany no mahita raopilanina!!! mba tsy ilazako hoe izay manana!!!
toa tsy matotra loatra ny ohatra raisinao indraindray ra marozevo!
mba omeo finoana ary aho hananako azy e!
araka ny mba fantatro koa ra marozevo, araka ny lazain'ny baiboly fa mba mamaky io ihany aho, toa izay manam-pinoana no tena milaza ho tsy manana.
Manahy anao ho miambo ho manam-pinoana io aho, sao dia mba sanatria fanomezan'izany Andriamanitra izany ny Finoana!!!
93. dadabe ( 24/03/2006 03:29)
hummm tsy misy ambara aho fa efa tara
94. harilova ( 24/03/2006 08:36)
tsy tara ianao fa afaka mandray anjara tsara ka.
ahoana ny hevitrao : misy heviny amin'ny fiananao ve sa tsy mampaninona azy raha roa na telo na tokana ny olona ao amin'ny andriamanitra TOKANA? toa tsy mampaninona ny olona avy manko izany fa ny sasany fotsiny no te hanao adihevitra eo
95. petakorona ( 24/03/2006 10:46)
harilova > tena misy mampaninona hy
96. jentilisa ( 24/03/2006 12:37)
D mampaninona an'ingahy, mampaninona an'ialah, ny masonay raha baribary? f'angaha io an'ingahy sa ...tena tsy haiko ilay hira e! tsy mety tonga any amin'ny lamba mihahy sy ny saribao mihitsy aho.
97. Achia ( 24/03/2006 18:40)
sao de le orona petaka aza no tianao hirana :-D:-D
98. harilova ( 24/03/2006 18:57)
petakorona:

harilova > tena misy mampaninona hy



raha sitrakao mba lazao...
mampaninona?
99. rahavana ( 24/03/2006 19:17)
Tsy nandany andro aho nanaraka kely ity ady hevitra ity. ny tsapako dia toa mody gisa fotsiny ity harilova ity ka miandry vava latsaka avy amin'ny sasany mba hanaovana tsikera satria mahalala zavatra maro momba ny finoana ianao. raha ianao moa no anontaniana hoe inona no ombotsoa azonao amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra?
100. marozevo ( 25/03/2006 00:29)
hahaha ... Io no anombohan'i harilova ny valiteny ao ambony ao... Tsy fantatro loatra ny tiany hambara. Mahafinaritra be fa i marozevo dia efa kilasian'i harilova ho "olona miambo ho manam-pinoana". Izy kosa dia "miambo ho tsy manam-pinoana" na ny marimarina kokoa tsy misy vokany aminy ny finoana ny Trinité... Azy ny azy... Ny raisonnement materialisant loatra ka tsy misy ilaivako azy.
Dia ambarako aminao ry harilova, fa tsy hoe "miambo" fotsiny aho, fa tena mirehareha amin'ny finoako mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948