TRINITE

101. harilova ( 25/03/2006 06:55)
sambatra ianao rehefa mirehareha amin'ny finoanao, kanefa tandremo tsara lahy, fa na lazain'dRahavana ho mpitsikera fotsiny aho, ny Filazan-tsara milaza fa sao izahay sy ny vehivavy janga no hialoha anareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra any...
Tsy mirehareha amin'ny tsy finiako velively aho tompoko fa kosa mitady ny tena heviny mialoha ny tena hitsobohako...
Raha manam-pinoana ianao ra-Marozevo, tsy mba ho afaka ny hanova ahy ve amin'ny fivavahanao?
Kanefa dia tsy misy hilavanao ahy akory ...
Mampalahelo ahy ianao lahy
102. dadabe ( 25/03/2006 09:35)
tsy azoko le izy , i marozevo ve sa ny fivavahan'i marozevo ve no andrasan'ny harilova hanova azy ??humm sao dia mba misy diso tsipelina ry harilova le zavatra nosoratanao?
103. marozevo ( 26/03/2006 01:02)
harilova ah... vakio tsara moa eh. Ianao dia tena ilaiko tokoa, ary sarobidy amiko satria olombelona samy ary-tanan'Andriamanitra isika. Izany kosa anefa tsy mahasakana ahy tsy hanakiana ny hevitrao, toy ny hanakiananao ny hevitro. Lazaiko ao ambony ao fa ilay raisonnement "materialisant", no tsy misy ilaivako azy. Fa tsy ilay OLONA harilova akory.

Raha ohatra moa ka ho tonga any amin'ny fanjakan'ny lanitra alohako ianao dia izao fotsiny "Tsarovy aho rehefa tonga any ianao". Sady ny ahy rahateo ny antony hinoako tsy hoe hifaninana hazakazaka aminareo ho any an-danitra no but-ko, fa safidim-piainana mba hitondra ny feon'ny voary tontolo hidera an'Andriamanitra.
104. harilova ( 30/03/2006 18:37)
Misaotra fa hay ny hevitro no tsy zakanao fa ny hevitrao kosa tsy toheriko fa tiako ho matotra
105. marozevo ( 30/03/2006 22:40)
Non, tsy hoe tsy zakako ka... Tsy misy lanjany amiko aza le izy kooo...
106. dadabe ( 31/03/2006 12:03)
:-D:-D
107. marozevo ( 01/04/2006 00:31)
dadabe > manenjika "sit atisitika" anh !
108. dadabe ( 03/04/2006 02:28)
:oops::oops::oops::oops: aoka marina e:oops::-$
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 31-03-2006 02:40:33
Lohateny : Re : TRINITE
Non, tsy hoe tsy zakako ka... Tsy misy lanjany amiko aza le izy kooo...

ahoana aloha io e! efa nolanjainao angaha ?:-w
109. marozevo ( 03/04/2006 23:02)
"Mene thekel" leitsy ah... Tsy ny an'ialahy izany ry dadabe fa ny an'ilay tsy tsaroako ao ambony ao anh.
110. dadabe ( 04/04/2006 12:12)
hummngah lasa zanak'i nabokodonozora ise ry marozevo?? de nisehoan'ny ratsatanan'Andriamnitra hoe "mene mene thekela oparesina..." hummm
111. marozevo ( 04/04/2006 22:52)
Aoka aloha isika sy i dadabe hifanaraka mihitsy ka... Inona no teny hampiasaina ? Ialahy sa ise sa ianao ? Oainina be manko aho manao ialahy nefa valian'ialahy hoe "ianao" na "ise". Mba tsongoy fon-tena...
112. harilova ( 16/04/2006 07:51)
Manao ahoana izao ity Paka ity? mampaninona ny finoanareo izany anganon'ny Ntaolo izany?
113. diamondra27 ( 16/04/2006 10:14)
sao de lasa mivaona ary zany size zany ry 'reto a!

aoka hilamina fotsiny hoa. Samia milaza ny heviny de ny tsirairay no mandinika ze tandrifiny e!
114. harilova ( 24/04/2006 09:06)
Andriamanitra Trinite
http://harilova.blaogy.com/post/182/756
misaotra anao
115. marozevo ( 25/04/2006 00:13)
harilova > Nojereko, ary nodinihiko mihitsy ilay nasainao "nojerena tao". Ary tsy io loha hevitra io ihany fa nojereko sy nodinihiko koa ny hafa. Teo dia hitako fa site tsara voatra sy tsara endrika ilay izy, saingy tsy fiable. Ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe "tsy fiable", dia satria toa katro-doha be fotsiny no ao fa tsy misy fondement biblika na theologique kely akory. Raha katro-doha, samy mba mahavita ihany. fara faharatsiny mba asiana bibliographie na dia boky iray ihany aza, ary boky serieux fa tsy izao zarazarain'ny temoin de Jehovah rehetyra izao akory dia citer-na daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0667