TRINITE
61. dadabe
(
09/03/2006 05:19)
Episolan'i masindahy Jaona toko faha telo , andininy voalohany -I Jaona-3:1
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny[Gr. nomen'] Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy

62. jentilisa
(
09/03/2006 12:26)
Marozevo> misy andininy roa samihafa nampiarahina ao. Ny faharaoa dia hoe rehefa tonga ny zanaka dia ovana ao anatin'ny indray mipi-maso isika. ka ny tenantsika mora levona soloina tena tsy manam-pahalevonana. Mitovitovy amin'izay ilay izy fa tsy tena tadidiko tsara. soratry Paoly Apostoly indray izay!
65. marozevo
(
11/03/2006 00:50)
dadabe sy jentilisa ah.... marina ilay lazain'i dadabe fa tokony ho tohizany kely ilay izy hisehoan'ilay hoe "fa amin'ny andro hisehoan'izany dia hitovy aminy isika satria hahita azy araka ny tena toetrany", tena ao amin'i joany io ka..
Ilay an'i Paoly kosa ry jentilisa, dia ilay resaka fahafatesana no kontekstan'iny ah..
Ilay an'i Paoly kosa ry jentilisa, dia ilay resaka fahafatesana no kontekstan'iny ah..
67. marozevo
(
12/03/2006 00:30)
Dia efa miteny amin'ialahy tsy miteny tsy mivolana io aho ry dadabe, fa lazain'ny olona manenjika statistika eo ialahy.
68. cazal
(
12/03/2006 18:36)
Fanazavana: mazava ny lazain'ny baiboly raha ny mikasika ny trinité :
Personne telo misaraka no sady miavaka tsara.
Jereo t@ Jesosy teto antany dia milaza izy fa ny Ray no naniraka Azy, Efa misy Personne roa aloha ireo izany, ary rehefa hiala izy dia milaza fa andefa ny fFanahy Masina. Telo ireo izany Azo hamarinina koa izany ao @ Testameta taloha Isaia 48.16 Dia mazava koa fa misy personne Telo.
Ary ny maha iray Azy ireo dia tsy misy mifanipaka izay zavatra lazainy fa mitovy foana ary hiarahany midinika sy manao ohatra Genesisy 1.26 Voalaza fa hoe andeha ISIKA, isika izany tsy iray fa mihoatra ny iray.
Mahafinaritra ka mahereza e!

70. harilova
(
13/03/2006 13:06)
Araka ny efa nolazaiko ombieny ombieny hatrany am-piandohana dia tsy dia hoe resaka manidintsidina tsy aakory ity trnite ity. Ny Baiboly, araka ny fahazoako azy, tsy fanamafisan-kevitra fa fanovozan-kevitra satria Fanambarana (amin'ny teny frantsay hoe Révélation). Atao ahoana no hanery ny olona hino izay ao anaty Baiboly nefa le Andriamanitra voalaza fa nilaza azy aza (Tenin'Andriamanitra) tsy manery fa milaza hoe : "ataoko eo anolohanao...ny fianana" jereo ao amin'ny detoronomy ao. Inona moa no mety ho fiantraikan'zay maha-olona teno na maha-andriamanitra tokana azy eo amin'ny fiainantsika? indraindray manko ny hevi-dravina ambony latabatra efa nampisaraka ny fiangonana hatramin'izay no hovoizintsika eto fa tsy izay tena finoana miantraika amin'ny fiainantsika na inona na inona antokom-pivavahana harahina...
71. jentilisa
(
13/03/2006 13:40)
misy ihany ny fampiadian-kevitra hahitana ny lalana ho an'ny rehetra ka!
72. harilova
(
13/03/2006 19:51)
Indraindray anefa tsy mipetraka akory ho an'ny sasany ny foto-kevitra fa hevi-dravina no ampiadiana...
Ny tiako holazaina amin'ny hoe hevi-dravina dia izao : ireo karazana hevitra izay tonga ao an-tsaina fotsiny tsotra izao satria te hanohitra izay lazain'ny hafa. amin'ny maha-olombelona dia vokatry ny tandra vadikoditry ny avonavona izany. mba samia moa mandinika rehefa miady hevitra e dia mametraka fanontaniana amin'ny tenany tsirairay hoe inona no antony hitenenako izany? raha tsy misy moa andriamanitra izao, mampaninona ahy! raha misy izy, mampaninona ahy! Sa mahita torohevitra nomba ny fandrindrana ny adihevitra ara-pinoana ianao ra Jentilisa?

73. marozevo
(
13/03/2006 23:58)
Tena manova ny fiainana ny hoe misy Andriamanitra ( na ny hoe tsy misy Andriamanitra), ka izaho kosa tsy mba manaiky an'ilay hoe "raha tsy misy moa Andriamanitra izao, mampaninona ahy! raha misy izy, mampaninona ahy!".
Na ny Malagasy aza, talohan'ny nahatongavan'ny fitoriana ny Filazan-tsara na Vaovao Mahafaly, dia efa nilaza hoe "Manao an'Andriamanitra ho tsy misy, ka mitsambiki-mikimpy", sy ny hoe "Aza ny lohasaha mangina no jerena...". sns... Mbola SOMAMBISAMBY anefa ireo Ntaolo ireo.
Dia hoy koa ilay filozofa iray izay : "Si Dieu n'existait pas, tout serait permis = Raha tsy nisy ny Andriamanitra dia mety ho azo natao daholo ny zavatra rehetra". Tsy verité absolue anefa ireo, fa natao hampandinika kosa.

74. harilova
(
14/03/2006 13:08)
Ka aminao izany marozevo mampaninona anao raha toa ka andriamanitra dia tokana fa olona telo? Inona ny fiantraikan'izay eo amin'ny fiainanao?
75. harilova
(
14/03/2006 19:49)
tsy ho an'i marozevo irery fa ho antsika rehetra e : mampaninona antsika ny maha olona telo ilay andriamanitra iray ary maha-andriamanitra tokana ireo olona telo ireo?
76. rahavana
(
16/03/2006 14:14)
ary raha mba ianao moa ry harilova no ametrahana io fanontaniana io? jereo fa tsy misy mamaly intsony ny olona rehetra.
Raha izaho aloha tsy mahavaly izany e, mbola hanontany an'i Pasitera aho raha toa ka mahavaly izany izy dia tantaraiko eto ihany
Raha izaho aloha tsy mahavaly izany e, mbola hanontany an'i Pasitera aho raha toa ka mahavaly izany izy dia tantaraiko eto ihany
77. Achia
(
16/03/2006 19:53)
Ny hoe mampaninona tsy aloha de mety misy mapaninona ny ol ihany satria mety mmpiroaroa saina ny ol izany Misy mantsy ny mpitondra fivavahana sasany manavaka be ny maha iray sa telo io ATRA io ohatra @ izany refa manao batisa izy de @ anaran'i Jesosy ihany fa ra vo @ ny anran'i Ray Zanaka ary ny Fanahy masina de diso koa nahoana no tsy hampiroaroa ny sain'ny ol zay te hiditra ho Kristiana .Fa raha ny hevitro de zao ny Ray Zanaka Fanahy masina =Jesosy iray ihany fa ny zavadehibe de ny fahafantarantsika azy mba hitomboan'ny finoantsika mba hanarahanysika ny didiny koa mazoto mamaky de mandinika fa ra hitoky @ pastera na i mopera nge isika olombelona ihany reo e mety ho ianao no omen'ATRA fanahy ahafantatra ny sitrapony e
78. marozevo
(
17/03/2006 00:48)
Tena mampaninona ahy mihitsy ny maha "telo izay iray" an'Andriamanitra ka. Noho ny finoako azy dia mifehy ny tenako sy ny sitra-poko aho, araka izay tratry ny heriko, fa tsy manaonao foana, tsy miteniteny foana, ary indrindra vonona hizara ny finoana amin'ny hafa. Santionany ihany ireo fa azoko lazaina fa ny fiainan'ny mpino dia ezaka haneho ny fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainany.
Asa ianareo na mba efa namangy ireny tanàna eny ambanivohitra ireny. Tsy mila anontaniana momba ny finoany ny ankizy sy ny olona ao, fa vao tonga ianao dia hitanao amin'ny fandraisany sy ny teniny na manam-pinoana ny olona ao na tsia... na miaina ny finoany ny olona ao na tsia...

79. harilova
(
17/03/2006 09:13)
marina tokoa aloha ny lazain'i Achia hoe misy mpitondra fivavahana mampihosy loha fotsiny ny mpino e. Na ireo anarana ireo aza dia hitantsika fa mampisy idsadisa. ny antsika manko avy amin'ny anglisy ny dikanteny sasany, ary ary avy amin'ny frantsay ny dikanteny sasany. Te hanontanya n'i Marozevo aho, tsy hoe hanankiana anao fa kosa hahafahako mba mono koa : ka raha tsy telo izay iray izany andriamanitra fa tokana sahala amin'ny an'ny silamo dia tsy mampiova ny fiainana ve izany? ampio aho e
80. marozevo
(
18/03/2006 00:45)
Ka le fanontanianao mihitsy no ohatran'ny tsy mazava loatra koa... Ny tianao ho lazaina ve hoe "raha sanatria ka tsy telo izay iray indray Izy"?
Ka ny ahy efa tena SIORA aho fa TELO IZAY IRAY IZY koa. sady tsy ho voaporofo eto an-tany koa hoe niova ho tsy telo izay iray indray izy... ka noho izany, ny ahy tsy miova ny finoako .
Ka ny ahy efa tena SIORA aho fa TELO IZAY IRAY IZY koa. sady tsy ho voaporofo eto an-tany koa hoe niova ho tsy telo izay iray indray izy... ka noho izany, ny ahy tsy miova ny finoako .