TRINITE

1. diamondra27 ( 25/02/2006 11:25)
ahoana ny hevitrareo?
novalian'i marozevo ny 25/04/2006 00:13
2. harilova ( 25/02/2006 13:02)
Ny trinite dia mistery e!
Mistery izany ry zanako hoy ny mompera! tsy hoe tsy azo dinihina fa tsy takatra amin'ny hafenoany
Raha te hahalala ny momba ny mistery ianao dia izao, manomboha mandinika hoe : maninna ny olona no miady, maninona ny olona no tsy mahay mifandefitra matetika? ao amin'ny fiainanao no ahitanao ny valin'ireo, ao anatinao sy amin'ny traikefam-piainanao, dia ao koa no miboiboika avy eo ny misterin'ny trinite masina
3. Mifenty ( 25/02/2006 14:18)
tsra kosa le fametrahanao anle sujet kle
4. dadabe ( 25/02/2006 14:35)
harilova > de naninona aza no nasina an'io teny io raha toa ka tsy azo dinihina ?:-w

mifenty> kobon'lah io resaka io a (130 taona)

diamondra>raha zah manokana dia misy karazany 2 ny trinite
1-trinite masina =Ray +Zanaka +Fanahy Masina io ilasy hoe Telo izay iray
2-misy koa anefa ny trinite demoniaka =Satana+Bibidia+Mpaminany sandoka (araka ny voasoratra ao @ baiboly ,miala tsiny aho fa tsy tsaroako ny versse fa haiko fotsiny hoe ao @ apokalypsy no misy azy.
5. Lejim ( 25/02/2006 18:19)
Mistery @ TRINITE dia ny hoe telo sa iray? Samy mino doly hoe misy ny Andriamanitra Ray, ny Andriamanitra Zanaka, ary ny Andriamanitra Fanahy Masina. Fa ny olana dia hoe ahoana ny ifandraisan'izy ireo? Misaratsaraka sa mitambatra sa manao ilay loha iray manana endrika (tarehy) telo toa ny itifiran'ny Temoins de Jehovah azy?
Zah mbola tsy nahita valiny mazava ho an'io hatramin'izay ka mbola mistery io amiko.
Fa nisy olona izay nanazava tamiko hoe: toa atody hoy izy ny Trinite. Misy ilay fotsifotsy iny, dia misy ilay mavomavo, dia misy ilay mandrakotra azy. Raha tsy eo izy telo ireo dia tsy feno ny maha atody azy, dia otraotran'izay hozy lery ity TRINITE ity. Fa tsy haiko na miombon-kevitra amin'izany ianareo.
6. harilova ( 25/02/2006 19:15)
Izao e, tsy mifanaraka loatra amin'ny misterin'ny Trinite MASINA ny hoe toy ny atody. Misy sary angamba efa hitanareo ihany,raha sendra nitsidika trano fivavahana katolika ianareo, sary nataona moanina tatsinana iray izay, Roubleuv no anarany, mampiseho ny misterin'ny Trinite izy io, satria mampiseho fa Andriamanitra dia Mahefa ny zavatra rehetra (asehon'ny tehina), amin'ny toerana rehetra (Ny elatra) ary mahalala ny zavatra reehtra (fehiloha mamirairatra), tsy araka ny fipetraky ny sary fahita matetika anefa ireo olona telo ireo, ny fahita matetika dia hoe : Ray be volombava be, Zanaka eo an-kavanana, ary ny Fanahy miendri-boromailala eo ampovoany. Io sary io kosa dia ny Zanaka no eo ampovoany...
Misy heviny laliny izany fipetrahana izany amin'ny kolontsaina tatsinanana, ny eo am-povoany manko no mpanatanteraka ny asa, ny eo an-kavanana no mpangataka, ary ny eo an-kavia kosa ny mpanome fahefana...
dia hatreo aloha fa hotohizantsika rahampitso indray e...
Mandrapihaona
7. Fiffi ( 25/02/2006 21:09)
mifenty> kobon'lah io resaka io a (130 taona)
8O8O8O
8. marozevo ( 25/02/2006 23:34)
Ilay ohatra momba ny atody voalaza ao ambony ao, araka ny hevitro, dia natao hahazoana azy amin'ny olona tsotra dia tsotra. Tsy dia mahalaza azy akory io, nefa azo itakarana azy ihany. Araka ny hevitro dia ny endrika Fianakaviana no azo itarafana ihany koa ny TRINITE, misy ny Ray, ny Reny sy ny Zanaka. Ny fianakavian'olombelona anefa mety ho ravan'ny ankaso satria tsy feno ny fitiavana hifandraisany, fa ny an'ny Fianakavian'Andriamanitra, noho izy Fitiavana mandrakizay, dia tsy miova.

Amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia ireo Konsily fito voalohany, nanomboka tamin'ny Nicée (325), no namolavola tsikelikely ny misterin'ny Trinité.

Ny teny hoe Mistery, dia tsy hoe tsy ho fantatra mandrakizay, na ilay adikan zalahy tsotsotra hoe MISY TERY. Ny hevitry ny hoe Mistery dia zava-miafina tsy ho takatry ny sain'olombelona saingy sitrak'Andriamanitra haseho amin'ny alalan'ny fandinihina ny Teniny sy ny fihainoana ny tsiokan'ny fanahy Masina.
9. Achia ( 26/02/2006 08:44)
marozevo:

Ilay ohatra momba ny atody voalaza ao ambony ao, araka ny hevitro, dia natao hahazoana azy amin'ny olona tsotra dia tsotra. Tsy dia mahalaza azy akory io, nefa azo itakarana azy ihany. Araka ny hevitro dia ny endrika Fianakaviana no azo itarafana ihany koa ny TRINITE, misy ny Ray, ny Reny sy ny Zanaka. Ny fianakavian'olombelona anefa mety ho ravan'ny ankaso satria tsy feno ny fitiavana hifandraisany, fa ny an'ny Fianakavian'Andriamanitra, noho izy Fitiavana mandrakizay, dia tsy miova.

Amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia ireo Konsily fito voalohany, nanomboka tamin'ny Nicée (325), no namolavola tsikelikely ny misterin'ny Trinité.

Ny teny hoe Mistery, dia tsy hoe tsy ho fantatra mandrakizay, na ilay adikan zalahy tsotsotra hoe MISY TERY. Ny hevitry ny hoe Mistery dia zava-miafina tsy ho takatry ny sain'olombelona saingy sitrak'Andriamanitra haseho amin'ny alalan'ny fandinihina ny Teniny sy ny fihainoana ny tsiokan'ny fanahy Masina.

Mety misy fahamarinany zany ary efa misy koa no mety mahalala

10. dadabe ( 26/02/2006 09:14)
Mpandefa : harilova [ Valio ] 25-02-2006 23:15:13
Lohateny : Re : TRINITE
Izao e, tsy mifanaraka loatra amin'ny misterin'ny Trinite MASINA ny hoe toy ny atody. Misy sary angamba efa hitanareo ihany,raha sendra nitsidika trano fivavahana katolika ianareo, sary nataona moanina tatsinana iray izay, Roubleuv no anarany, mampiseho ny misterin'ny Trinite izy io, satria mampiseho fa Andriamanitra dia Mahefa ny zavatra rehetra (asehon'ny tehina), amin'ny toerana rehetra (Ny elatra) ary mahalala ny zavatra reehtra (fehiloha mamirairatra), tsy araka ny fipetraky ny sary fahita matetika anefa ireo olona telo ireo, ny fahita matetika dia hoe : Ray be volombava be, Zanaka eo an-kavanana, ary ny Fanahy miendri-boromailala eo ampovoany

humm le hoe endrik'Andriamintra ve izany no tena tianao ho fantatra e ???dia tsy nisy nahita ny endriny fa ny voninahiny no efa nisy nahita
i Ezekiele sy daniela ary i Jaona

de jereo anie ny fahitany ny voninahitr'Andriamanitra e
ezekiela toko -1 and 4-28
11. dadabe ( 26/02/2006 09:16)
4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.

5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.

6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.

7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.

8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.

9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.

10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.

11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.

12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.

13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.

14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.

15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.

16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.

17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.

18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.

19 Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.

20 Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.

21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.

22 Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.

23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.

24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;

25 Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.

26 Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.

27 Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.

28 Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
12. harilova ( 26/02/2006 10:17)
Tsy dia resaka endrika na voninahitra loatra ny hevitry ny hoe Kisary ( amin'ny teny indramina dia hoe ICONE) ary tsy fanompoan-tsampy velively sanatria ny maneho an'Andriamanitra amin'ny Kisary...
Ny Sary dia enti-maneho ny hevitra...
Moba ilay dinika teo, eo amin'ny tantaram-pamonjena, araka ny Baiboly, sady efa nampidirin-dra Dadabe ao rahateo ny tari-dresaka, dia miasa Andriamanitra, kanefa tsy sahala amin'ny Fianakaviana ka hoe ny Ray mikarama, ny reny manao asa hafa, ny Zanaka manao asa hafa...
Izay eo Afovoany no manao ny asa"
Mazava loatra araka izany fa
1- tamin'ny FAHARIANA dia ny Ray no mpanatanteraka, Tsy midika izany fa ny zanaka sy nY fanahy tsy miasa miaraka aminy, Jereo ny voalaza fa nanao olona mitovy endrika aminy izy, ampiasaina mazava ny ISIKA, izany hoe fifampierana hahary ny olombelona NDEHA ISIKA HANAO OLONA MITOVY ENDRIKA AMINTSIKA
dia nahary Andriamanitra, ny Ray namolavola, ny Zanaka Teny nahariana, ny Fanahy, Fofon'aina namelona...

2- Tamin'ny fanavotana kosa indray dia ny Ray no nandefa ny Zanaka hanatontosa ny asa, ny Zanaka araka izany, efa nolazaintsika teo ambony, fa eo afovoany, (azo jerena ity hampahazava ny sary ...http://www.univ-montp3.fr/~pictura/GenerateurNotice.php?numnotice=A2713)
Ao anaty kalisy ny zanaka, ny ary ny Fanahy kosa nanome ny Hey hoenti-manatontosa'

3- Taorian'ny nialan'i Jesoa teto an-tany dia izy kosa indray no tonga mpaniraka, nandefa ny Fanahy, rahefa nangataka azy tamin'ny Ray" dia ny Fanahy no mandavorary ny asam-pamonjena mandrapaha-tapitr'izao tontolo izao"
Noho izany tsy hoe zavatra tsy azo takarina fa zava-dalina tsy hain'ny saintsika hotakarina raha tsy ampian'ny fahasoavan'ny Fanahy...

Dia hatreo indray aloha e..

13. dadabe ( 26/02/2006 10:25)
donk i Kristy anie izany tsy nanohitra ny Rainy mihitsy e, zay rehetra notenenin'ny Rainy dia tokony harahiny fa tsy hoe ny Rainy milaza fa aza manao sarinjavatra voasokitra dia i Kristy indray ve manao hoe manaova fa tsy koiii e,

na hoe ny Rainy milaza fa hoe manaja ny andro sabata , dia i Kristy indray manao hoe aleo alahady fa zah aza nitsangana alahady

na hoe ny Rainy nanao hoe aza mihinana kisoa dia i Kristy indray ve hanao hoee efa nodioviko avokoa ny zavatra rehetra
hummm
...
14. rrgmt ( 26/02/2006 11:54)
Mety daholo le ohatra,fa aza hadinoina fa fomba adapter antsika olombela ny maha Andriamanitra azy daholo izany. na tsy hita ao @ baiboly ary io tenyio dia miseho eo @ fiananatsika olona kosa izany Atra iray nefa misy personnalité telo
15. diamondra27 ( 26/02/2006 12:17)
Miala tsiny aminareo aloha raha ataoko vary amin'anana 'ty resaka ty.

Ny trinité par définition de midika oe:Un seul Dieu en Trois personnes, égales entre elles , distinctes et inséparable

araka ny voalazan'ny Témoins Jéhovah , de tsy hita ao anatin'ny Baiboly io teny io= trinité. KANEFA , si le mot est absentde l'Ecriture, la vérité qu'il exprime y est clairement enseigné

Normal raha ohatra ka tsy takatry ny saintsika ny mystère de la trinité. Mila mitovy @ Andriamanitra isika vao hahatakatra ny heviny
16. diamondra27 ( 26/02/2006 12:19)
inséparables fa diso io ambony io azafady
17. diamondra27 ( 26/02/2006 12:30)
iZA DAHOLO ARY NO MANOHITRA IO TRINITE IO?

L'Islam:
Mohammed de nino fa ny trinité chrétienne dia composée du Père, de la vierge et leur fils

les Mormons:
- nous croyons en Dieu, le Père éternel, en son fils Jésus-Christ et au saint-esprit
- Les 3 sont des individus séparés physiquement, distincts l'un de l'autre.Talmage
- Dieu a un corps, en chair et en os comme nous
18. diamondra27 ( 26/02/2006 12:42)
les témoins jéhovah:
- Jésus n'était pas Dieu, mais le Fils de Dieu. olona idealy tsy nanana ota
- le saint-esprit:il s'agit non d'une personne , mais la force active de Dieu

Le nouvel Age:
Dieu: il s'agit d'un être impersonne et éternel
Dieu est la sommede tout ce qui existe dans l'univers connu et inconnu

Jésus-Christ:
Le Christ est distinct de Jésus dans lequel il incarna, comme il le fit en Bouddha, en Krishna, en Rama et en Mithra
19. diamondra27 ( 26/02/2006 13:20)
ahoana ary hoy ny baiboly momba io trinité io?

MAT 28:19= koa mandehana ianareo de ataovy mpianatry ny firenena rehetra, manao batisa azy ho @ anaran'ny ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
ROM 8:9= fa ianareo tsy ao @ nofo, fa ao @ fanahy, raha ny fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo
IIKORT13:13=ary ankehitriny de ireto 3ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana fa ny fitiavana no lehibe @ireo
20. diamondra27 ( 26/02/2006 13:50)
UN SEUL DIEU:
Deo 6:4= mihainoa ry israely, jehovah Andriamanitsika de Jehovah iray ihany.

Ary mbola noraisin'i Jesosy io teny io ao @ Marka 12:29

Jereo miadana=isaia 45:5-8,46:9
ASA NY APOSTOLY 14:15
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2647