Herin'ny ody fitia

41. cutie ( 23/02/2006 13:12)
petakorona tsotra ny valiny.
Ze mbola tsy voa sy tsy nahita de tsy mino , ze efa kosa de mino.:P
42. Veloo ( 23/02/2006 16:42)
an3 ka rahefa tratra dia mino ka...
enoy tsara ry ankizy rehetra a...
amiko tsy misy idiran'Antra amin'io zavatra io
ilay olona vo tsy mahafantatra mihitsy.
Ilay bandy na ilay kala dia mialona izy ary tsy ho tiany ho azon'ny olon-kafa ilay kala na bandy dia eo no hanaovan'ny azy tsy fantatrao akory oe vo ianao ny olona manondidina no mahita. tazominy @ ody ilay kala..fitiavan-tena, fahasarota-piaro, fialonana zany fisainana izany no mampanao an'ilay bandy na kala ody fitia @ ilay namana na ilay tena tiany...ok lazaiko aminareo miala tsiny izay avy any @ ity faritany ity fa any ambatondrazaka no tena betsaka anio ary ary ny sasany no maka azy..
43. kala ( 24/02/2006 05:27)
Misaotra anareo aloha fa ny tena mbola tsy azoko de hoe hatraiza ny heriny : à distance ve de mandaitra izy io...raha jerena ny voalazan'ny xxx ery ambony hoe : vazaha britanika / sipa tsy maharay lamba sns....Izany we tsy gasy ihany zany fa mety misy we "ody fitia gasy,kômorianina, italiana, sinoa,????"
Zany hoe raha azoko tsara zany ny tian'i veloo lazaina dia tsy fitiavana hitazonana ilay olona iray hitia azy no ataony fa fitiavana tsy ho lasan'ny hafa fotsiny?:wink:
Ka zay no lazaiko tery ambony we ny fitiavana raha vao ampiana teny hafa de lasa asan'ny devoly...Izay mino an'izany de lasa mino an'i satana...
Zà aloha tsy mino hatr@'izao fa mbola liana fatratra ny amin'io sy ny heriny ê!
Mbola mitohy....
44. ari.malala ( 24/02/2006 07:17)
Veloo; za ko aky maheno hoe any Ambatoa ny ohno b ol mahay raha indirndra io odifitia io, fa za alo zany tsy mino e! Ny mahagaga ahy koa anie dia ilay hoe tsy mahatsapa na inona na inona ilay iharany e! ahoana ko zany! Sady tsy mazava amik ono tsy inoako rahateo mintsy koa e!
45. bilakarenjy ( 24/02/2006 07:40)
tsy mino ve nareo hoe io ody fitia io anie ka toy ny maratra e!izay voany feno takom-pery .Ny ody fitia dia mosavy karakarain'ilay olona iray (lahy na vavy) sy ilay mpamosavy atao mba hikendrena olona ho tia anao noho izany dia mila zavatra mikasoka amin'ny tenan'ilay olona kendrena ,hatao hasina hampahery ilay ody atao.Ny mpamosavy ihany no mikarakara ny fangaro isan-karazany hampiarahana amin'ilay zavatra nalaina tany amin'ilay olona kendrena .Avy eo ilay mpamosavy vao miteny heo :ity ataovy ao ambanin'ny ondany na ity afafazo eo amin'ny lalana falehany na ity ranon-javatra ity ataovy ao anaty kaopiny rehefa miara-misotro rano ianareo na ity vovon-javatra ity atao eo an-tokonam-baravarany sns...dia miandry ny vokany ianao avy eo.izay no atao hoe ody fitia ary tena ody mihitsy no atao a!saingy mampivaha io rehefa afaka tanteraka ny herin'ilay ody ,fa ny ankoatra izay dia herin'ny fitiavana ao am-po sy saina .asa raha mahavaly ny fanontanianareo ary ny hoe tsy mihotra ny ranomasina dia arakarak'ilay ody satria raha toa ka hampanarahiny an'ilay olona ilay ody dia mety hisy heriny ihany satria mila ilay olona hatrany ilay ody ka.
46. bilakarenjy ( 24/02/2006 07:55)
ny ao ambato ao ry zareo no tena manao ho asa fivelomana amin'io resaka ody io satria toerana malaza amin'ny natiora izy (lonaka ny tany) no sady anjakan'ny zava-manan'aina maromaro dia ireo fifangaroan'ny natiora sy ny zava-mananaina ireo no mahatonga ny fanefitra sy ny fanafody .Misy ny ody mitondra amin'ny soa ary misy ny ody mitondra am'ny ratsy .Ohatra hoe :voan'ny gripa sy sery ianao ;lasa maka kininim-potsy dia tenehina tsara dia sady hevohina ny atao manerana ny trano ny fofony satria ny fofony no fanefitra tsy hidiran'ny moka ao an'trano ,izany izao dia efa ody fa saingy tsara .Fa ny hoe mampino sy tsy mampino dia vokatry ny zavatra HATAHORANAO ihany ,raha ahatahoranao ilay (olona na zavatra) dia manakery aminao izy ary afaka mibaiko anao sy mamolaka anao.Avy eo indray aho mitantara zavatra aminareo momba io ody io ary tena marina io tantara ho lazaiko io ho an'ireo izay tsy mino ny vokatry ny ody , fa miandry valina aho aloha.
47. vivi ( 24/02/2006 10:46)
an3,ilay zavatra raha vao ho anina d possible , satria toa ny paracetamol, manala fanantainana,fa raha ohatra ka olona mandeha eny andalana, sy tsy misy contacte @nao d impossible, hotrany we asidra v raha andalo eo @ tanana v tsy andoro , fa raha eny halavitra eny , tsy mahavita ninonina, tahakizay ny fandraisako azy , satria misy explicatin ihany io, tahaka ny siansa!,jerevo ihany reny viagra sy ny tariny reny , fa ny any @ntsika mety manan ravinkazo matanjaka b ataon'olna we ody gasy nefa mety tsy zay akory , tsy fantako aloha e!, fa ny fandraisako azy zay!
48. diamondra27 ( 24/02/2006 11:12)
bilakarenjy: hainao tsara ny nanazava azy :-*:-*=D=D=D

ze tsy mino: de isaory Atra miaro anao
ze mino de: tandremo , Atra ihany no tompoteny farany, fa asandevoly doly zany fanafody isankarazany 'zany: ody fitia, tsatoka, fanainga lavitra, latsabaratra ...arakaraka ny tsy finoanao no andairany
49. kala ( 24/02/2006 11:20)
raha ny tenin'i bilak no arahiko de tsy tokony hahavoa raha olona any lavitra any tsy misy contact no manao le izy....
sa mahay mandeha avion sy bibil koa ny ody fitia???
50. pissoa ( 24/02/2006 11:28)
bilakareny an, raha marary anie ohatra e, dia matetika fantatra ny antony: nokakerin'ny moka, reraka loatra, nangatsika, nihinankinam-poana, tsy ampy calcium, nangala-pinana :°) :-D:-D ... Dia iny misy fanafody tsara kah.

Fa ilay hoe lasa ho tia an'ilay olona izany resaka sentiments dia tsy azoko mihitsy :roll::roll: Misotro rano ohatra ve dia tonga dia lasa (l):*(l) be tampoka eo :-D:-D:-D Raha tsy ohatra hoe marina ilay dinika tato ihany hoe tsy avy ao am-po ny fitiavana fa resaka hormones. Dia tena coco be izany kle :wink:
51. bilakarenjy ( 24/02/2006 13:28)
ilay atao hoe ody mihitsy no tsy azonareo angamba . Ny ody natao ho fanefitra sy fanasitranana ary famosaviana ,noho izany dia miankina amin'ny olona tsirairay izany ny fampiasany ny ody na natao hanasitrana na natao hamosaviana .Eto izao resaka ody fitia no lazaina dia misy olona iray mikendry na mitsiriritra olona iray ho azy manokana ,ary matoa ilay mpimasy miteny hoe :ataovy ao anaty veran'ilay olona kendrenao ity vovoka ity dia efa misy fangarona zavamaniry na zavatra hafa (...)manaitra ny ao anatin'ilay olona ho kendrena izany nataon'ilay mpimasy amin'ilay ody,ary tena tsy azo vinaniana io zavatra io fa dia anjaran'ilay olona nikendry sisa no manantanteraka ny tohiny .
52. mamzelkely ( 24/02/2006 13:30)
ôtsany mampieritseritsa be zany lazain bilak zany k'ty :? :roll:
53. bilakarenjy ( 24/02/2006 13:56)
tsoriko aminao ry pissoa fa raha resaka fitiavana dia tena manana ny atoraka tokoa ny gasy saingy ny fisehony no tsy mitovy.Eto izao dia vokatry ny fitsiriritana sy fitiavan-tena no tena mahatonga io ody fitia io (na ny lahy na ny vavy),ary lasa manao sain-dratsy manantona mpimasy .Ny mpimasy anie alohan'ny hanaovany io ody fitia io dia efa milaza amin'ilay olona hanao azy ny voka-dratsiny e!fa saingy ilay fitsiriritana sy fitiavan-tena ao anaty efa be dia be dia tsy mahatsapa izany hany ka rehefa misy fahavoazana sy nivadika horreur izay vao hoe tahak'izay .
54. bilakarenjy ( 24/02/2006 14:02)
ity ilay tantara ho tantaraiko anareo :tany ambato no niseho ny tantara .Mpianatra iray avy any Antananarivo (lahy) no nandeha nihofana volana vitsivitsy tany ambato .Nandritra izany fihofanana izany dia nifanerasera tamin'ny sihanaka tao ambato ny lehilahy ary dia nahazo namana tovovavy sihanaka tsara tarehy sady mbola zandriny .Dia
55. bilakarenjy ( 24/02/2006 14:25)
dia nandeha teny ny fotoana ,ny lehilahy moa tokan-tena sady tsy misy manahirana ,ny tovovavy koa misy tao an-tanana tsy dia mananosarotra loatra ary fomba ny any antsiraka moa ny manaja vahiny sy mikarakara vahiny ka dia anisan'ny tena voakarakara ny tovolahy .Tamin'izany anefa dia tsy naharitra ny mena miraviravy ilay tovolahy ka dia nanao firaisana matetika tamin'ilay tovovavy mpikarakara sy nifandray matetika taminy .Afaka volana fohy taty aoriana dia nilaza ilay tovovavy fa bevohoka ary dia taitra ny tovolahy satria zavatra tsy noheritreretina no niseho hany ka namorona hevitra sy tetika ka nilaza fa andeha hampilaza ny any Antananarivo izao vaovao izao sy hanomana ny tokony hatao ary nilaza fa hiverina haka an-dramatoa avy eo. Tsy nilaza ny fotoana handehanany hiakatra ho any Antananarivo ny tovolahy fa tonga dia lasa fotsiny nandeha teny an-dalana anefa no niseho ny loza izay namohizana ny ain'ilay tovolahy . Tao anaty fiara izy no nisalebolebo be te-handoha dia najanon'ilay mpamily ny fiara ary dia nandoha teo ka niafara tamin'ny nandoa rà velona be izao sady tsy nijanona raha tsy hatsatra be .Avy hatrany dia nahalala ny olona fa nisy zavatra nataon'ity lehilahy ity ka tsy navelan'ny dàra raha tsy maty ary izay ilay hoe :tsy mihoatra ny mangoro satria mbola tsy nihoatra an'ny mangoro ry zareo no maty ilay tovolahy .Nisy sain-dratsy noeritreretin'ilay tovolahy hono no nahafaty azy fa raha tsy izany dia niverina tany ambato ho azy izy .
56. diamondra27 ( 24/02/2006 19:04)
io ry bilaka ne de hanazava toa inon aza enao , de tsy hazava @sasany mihitsy io a!
fa lazao ihany aloha ze efa hitanao sy henonao e!
57. bilakarenjy ( 25/02/2006 06:51)
raha mbola tsy nipetraka tany amorotsiraka ianareo dia ekeko fa tsy hino mihitsy sady tsy ahita mihitsy izany olona voan'ny ody fitia izany .
58. kala ( 25/02/2006 08:20)
bilak > ataoko hoe misy zany fa ny heriny ange no tena mampiasa saina anà hoe hatraiza ê!

sady zà liana hahafantatra oe raha tsy misy fifampikasohana zany de tsy mandaitra le izy ê!:idea:

donk mahazo matoky zany zà fa raha ol any alavitra any na hanao inona na hanao inona de tsy ho voan'ny ze ody fitiany any zà!

Moa raha misy afaka manohy we mety ho tratran'izany ihany... Mba lazao!:wink:

59. bilakarenjy ( 25/02/2006 16:47)
kala:ny herin'ilay fanafody dia ny fifamenoan'ny sombin-javatra nalaina tamin'ilay olona kendrena sy ny fangaro ataon'ilay mpimasy izay tsy misy mahalala mihitsy satria tsy hay io ny vovo-paty na vovo-kazo hafa na ....,dia izay no tsy hitompon-teny fantatra hoe :lasa any an-tany lavitra dia tsy ho tratran'ny herin'ilay fanafody fa mbola misy heriny foana iny rehefa tiany ho atao indrindra rehefa ilay tsinambolana iny ka ny tsara dia ny tsotra eo amin'ny fiarahamonina sy mpiara-belona .na izany aza ry kala dia aza matahotra fa tsy nanao ratsy ianao a!.
60. diamondra27 ( 26/02/2006 20:12)
kala:k'efa oe tsy mihoatra ny mangoro koa :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1225