Herin'ny ody fitia

1. kala ( 22/02/2006 15:50)
Tsy haiko aloha na eto no tokony hataoko ity resaka ity na aiza fa resaka matotra ilaina ady hevitra matotra izy ity. Hoan'izay tsy hamaly fa hananihany dia manao fotoana isika @ manaraka any @ hatsikana sy lalao :lol:

Araka ny fihevitrareo, misy ve ny ody fitia?
Raha eny, karazan'olona inona no mety ho tratry io ody fitia io.Ary elanelan-tany hoatry ny ahoana no hisian'ny heriny?

Mety tsy mazava tsara angamba ny tiako hofantarina fa miverina eto zà manohy azy(raha misy vavolombelona afaka mampiseho ny heviny dia arahabaina)
novalian'i laal ny 25/09/2017 02:46
2. vivi ( 22/02/2006 15:56)
saika hanao v i kala e!, za aloha manana source bdb fa raha tsy mitatara en couleur , aloha tsy tataraiko e, raha i kala mihintsy ny anao azy d omeko sopapa!fa tena histoire vrai io an!, ary tsy hanihani mihintsy , inona no mahatonga andrakala manao anio fanontaniana io!valio ary !ok
3. Veloo ( 22/02/2006 15:58)
andao ary hihaona atsy @ atsikana e..:-D:-D:-D
za aloha efa nahita mihitsy e tany dago e..nisokatra ny mason'ilay kala nohon'ny tonga any ivelany izy... zay ary tena gaga beuuuu8O. amiko tsy mihotra ny ranomasina ilay ody...:wink:
4. fasaly ( 22/02/2006 16:06)
izaho kalou tsy mino anreny ody ody reny e! rehefa tsy mino de tsy hanadairany, oséko any mapaladihy iny de lany hery:°)
fa na de ataoko hoe misy mahery man'io ody io aza de tsy maharitra mahintsy ny fitiavana avy amin'ny ody fitia fa rehefa lany ny heriny de lany lay fitiavana,:°)
ho na
5. hery ( 22/02/2006 16:06)
Zah mbola tsy nahita olona voany na olona nanao azy... donc tsy mino :-) resabe ny ankoatra an'izay. Honohono no betsaka henoko. Raha misy olona tena nanao ka nahavoa sy tena voany dia afaka mitantara eto tokoa.

Veloo> Sao dia tsy voan'ny ody fitia akory izany sipa izany fa nony tonga taty ivelany dia te hisintaka dia mody hoe nisokatra ny masony? Zany mantsy no ataon'ny sasany hoe kay voan'ny ody fitia aho tamin'iny fa tsy tena tia anao... dia lasa alibi hialana fotsiny ilay resaka. Raiso ny andraikitra rehefa miaraka fa tsy mody hoe ody fitia no ialana bala :-)
6. fasaly ( 22/02/2006 16:06)
ho anzay mino moa mazava ho azy8)
7. Fiffi ( 22/02/2006 16:39)
fa izao kosa aloha an! t@ zah tany dago farany dia nisy namako izay asa re raha ohatra ka azo hatao hoe tratran'io ody fitia io izy an! fa miala tsiny aloha raha somary manafitohana ny zavatra lazaiko eto fa nisy bandy zay niaraka t@ny , izy io anefa dia bandy faran'izay voretra , tsy miasa , mpanararaotra satria ilay namako aloha no miasa , izy daholo no mamelona ny fianakavian'ilay bandy nefa izy manana ny reniny sy ny zandriny 2 . Na dia efa niteny daholo aza ny fianakaviana rehetra hoe fa inona no hiarahanao @ io bandy io ? dia nilaza izy hoe tsy fantatro mihintsy hoe maninona , ary ny tena mahagaga dia isakin'ny tonga ao antranon'ilay namako io bandy io tonga dia eo no eo dia marary foana ilay mamany. Ilay namako dia ohatran'ny hoe tsy afaka miteny @ io bandy io na dia kely aza fa dia maniky izay lazainy rehetra. Nilaza koa io namako io fa tena tara mafy @ io bandy io izy nefa raha tena jerena ilay bandy kosa aloha an ! tena tsy halehany mihintsy , tsy manao exagèration aho sao dia hoe tsy tiako ilay olona no mahatonga ahy hilaza an'izany; Kanjo moa nohon'ny tonga taty an-dafy io sipa io dia na 1minitra aza tsy miheritreritra an'io bandy io,
arakin'ny fahalalako azy koa dia toa hoe "tsy miampita ranomasina izany ody zany" fa raha vao mandalo ranomasina dia afaka ho azy ka dia tsy aiko loatra eh!
8. dadabe ( 22/02/2006 16:49)
humm misy ressaka ody fitia , humm iza no hanao ?? iza no voa?? hatraiza ny heriny ?? zay izao no yena tokony hovalina ?? de iza no mino ? iza no tsy mino ?
9. Veloo ( 22/02/2006 17:29)
hery a an3 tena marina io.. jereo ilay nosoratan'i fiffi io fa tena otran'io mihitsy ilay izy, ilay kala tena tsara tarehy ary ilay bandy tena guignole be...
Fiffi a zany mihitsy aky a ....
10. Samba ( 22/02/2006 17:40)
bonjour,
arakarakiny fisainan'olona io fa raha tena asiana teny io ody io dia tsotra ihany, tadidio fa aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay mifanena @ mpamosavy, ka raha izaho aloha dia afaka mifanehatra amin'ny mpanao ody satria tadidio fa ny finonao ihany no mahavonjy anao ka sahiko no milaza fa nataon'olombelona io fa tsy nataon'Atra ka hinoako fa tsy handaitra mihintsy io amiko aloha, efa betsaka mantsy ny sedra nahazo ahy ka izany no hasahiako milaza izany. Io dia miankina aminy izay hinoanao io ihany, ny tsotra dia izao ihany, ny fahaizana miaraka miaina amin'ny mpiarabelona aminao ihany, ary mahay mandray amin'ny olona miara monina aminao, fa raha miavonavona ianao dia hitanao eny ihany ny valiny, tadidio izaho teniko izaho fa ny tenanao jerena fa tsy ny an'olokafa, raha mino ny tenanao ianao hoe namboarin'Atra dia Atra izany no miaro anao fa raha toa ka tsy mino an'izany ianao dia mora andairan'i Ody izany ianao satria ny Ody mantsy amboarin'olombelona fa tsy nataon'Atra. Jiolahimboto be mihintsy aho no manoratra an'izao fifanankalozana resaka izao fa tsy dia tena hoe mpivavaka be fa mino aho fa hino ianao hoe Atra no manao ny zvtra rehetra
11. diamondra27 ( 22/02/2006 17:46)
samba: bienvenue au club aloha e!
toa lasa voan'ny ody fitian'i samba:-*:-* sahady za mamaky azy .Marina e!
12. diamondra27 ( 22/02/2006 17:52)
'za efa voan'ny ody fitia

toa izao no fipetrany: tsy sahy mamaly an'le olona enao na de hitanao izao fa diso ny zavatra ataony na tsy mety ny ataony aminao. Izany no atao oe: tena adinoko indray le fiteny azy klé, voan'ny bmanaiky tsy miteny sa ohatroatran'izay, de raha mbola ao @ frontière-ny enao de azy. Kanefa raha misy olona mahatsikaritra ny mahazo anao, ka manala anao @io misy anao io, de hisokatra ny masonao= tonga saina , ary raha mahita le olona nanao ody enao de ho sahinao ny mamaly azy. De ho rava izany ny aminjareo.

Ny zavatra ataon'ilay nanao ody fitia de:mifona sy mitony be, ranomaso moa izao , aoka fotsiny...

De anajaran'ny le voan'ny ody fitia na hiaraka izy na tsia. Za manokana tsy niverina intsony hihihi



13. diamondra27 ( 22/02/2006 17:59)
tantara faharoa:

nisy namako lehilahy, mifampiresaka be izahay, de efa lasa mpivavaka be izy io @zao fotoana, nanome ny fiainany ho an'i Jesosy ary lasa mpanompon'Andriamanitra be, fa zany moa no nifankahafantaranay.
De notantarainy tamiko fa nanao ody fitia izy taloha @ izay vhv tiany hiarahana.Toa izao no nataony t@zay: mila sain'ilay sipa na singambolo raha tsy misy, de asiany fangaro zavatra hafa , fa tsy tadidiko intsony le izy, de @ andro alina be iny hono an! iny le sipa fa tonga ao aminy ao, de raikitra ny kombaka, de avy eo alefany mody, de 'zay; 'za moa nihaino azy ; fa zao no nolazainy; tena misy io ry diamondra ary 'za no nanao an'izany, ary tena kiriko be za 'zao fa tena asandevoly le izy

momba ny oe: mandaitra ve raha mihoatrany ranomaSina?
izay indray de tsy haiko fa hiditra @ tantara fahatelo....
14. diamondra27 ( 22/02/2006 18:04)
Eto France indray no miseho ny tantara.

Nisy olona fantako mpivady efa antaonany maro no nivady. Nandeha tany dago ary ilay ramose, efa ho 3taona izay, fa mpanao business moa le kof, de tonga tany dago; de nanao ny tsy fanao ary tafaraka t@ sipa mpanao ody fitia, de raikitra. Nody taty france izy ary nilaza t@ vadiny fa hisaraka.... De iny izy no nitodidoha tany dago ary lasa nanaraka le sipa dago, ny vady amanjanaka navela aty france.

Zay no zavamisy fa tsy hay na ody fitia na tsia?

15. vivi ( 22/02/2006 18:11)
io aloha tena misy e!, fa tsy fantako fotsiny we ahoana ilay fandehany ?olona efa miaraka aminao v no atao ody fitia sa olona mandehendeha eny @ arabe reny, we tiako iny d azoko ,sa ahoana, fa raha io cas faha2 io aloha d tena enjana b ilay heriny satria ,io olona io tsy misy contacte aminao mihintsy koa !ary tena toa mampatahotra mihintsy , raha ny sipa ny tena manko manao anizay , au moins zany izy ,efa mba anazy ny tena vao nataony d misy explication we,nasiany champignon na efa nasiany zavatra ny sakafo d, tena logique fa raha olon-davitra , tena film d'horreur mihintsy!
16. diamondra27 ( 22/02/2006 18:16)
dadabe: asa na mahavaly ny fanontanianao 'reo tantara 3 'reo?
iza no hanao: le olona te-hitia na mila ilay olona hotiaviny
iza no voa: l'inconu(e), ze voafidin'ny le manao ody
ny heriny: refa misy manala an'le "voadona" ao @ faritra hanaovan'ny le mpanao ody azy
iza no mino: le voadona nomino oe toa tratran'ny ody fitia marina 'za zany
iza no tsy mino: raha mbola tsy voa, sy ze tena mino an'Andriamanitra tanteraka

za zao voan'i ody fitian'i samba

Miala tsiny fa misy diso ny fanoratana etsy ambony.
TANTARA 1= mitomany fa tsy mitony
TANTARA 2=sarin'ilay sipa fa tsy hoe sain'ilay sipa
TANTARA 3= voan'ny fanaiga lavitra le sipa
17. cutie ( 22/02/2006 18:38)
: kala [ Valio ] 22-02-2006 19:50:54
Lohateny : Herin'ny ody fitia
Tsy haiko aloha na eto no tokony hataoko ity resaka ity na aiza fa resaka matotra ilaina ady hevitra matotra izy ity. Hoan'izay tsy hamaly fa hananihany dia manao fotoana isika @ manaraka any @ hatsikana sy lalao

Araka ny fihevitrareo, misy ve ny ody fitia?
Raha eny, karazan'olona inona no mety ho tratry io ody fitia io.Ary elanelan-tany hoatry ny ahoana no hisian'ny heriny?

Mety tsy mazava tsara angamba ny tiako hofantarina fa miverina eto zà manohy azy(raha misy vavolombelona afaka mampiseho ny heviny dia arahabaina)

za mbola tsy nahita olona voan'ny ody fitia na manao ody fitia , dikan'zany za mbola tsy mino.8)
18. Veloo ( 22/02/2006 18:45)
diamondra inn aky zany fanainga lavitra zany e?
19. diamondra27 ( 22/02/2006 18:50)
veloo:fanainga lavitra= le olona voahaingan'ny le ody, anarana omena ny le ody re io e! hihihi!:-D:-D:-D

andramako ve ndry e!
20. pissoa ( 22/02/2006 18:57)
Izaho koa tsy mbola nahita olona voa na olona nanao ody fitia izany, dia tsy mino!

Ny hoe nony tonga tany an-dafy dia nisokatra ny masony ... sao dia voan'ny "Lavitry ny maso lavitry ny fo" izany fa tsy voan'ny ody fitia :roll::-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6142