Mitady katolika manana Baiboly Malagasy

1. hery ( 06/02/2006 08:30)
Manana tetikasa ny hampiditra ny Baiboly Katolika Malagasy ho ao amin'ny baiboly.org izahay koa manao antso avo ho an'ireo namana manana Baiboly Katolika mba hifanampy sy handray anjara.
Tsotra ny zavatra atao. Mampiditra andininy araka izay tratra (na iray isan'andro aza) ao amin'ny takelaka ws.loharano.org (ws = WebServices)
Misaotra antsika rehetra
Tadidio ws.loharano.org
novalian'i hery ny 30/03/2006 08:16
2. diamondra27 ( 06/02/2006 08:38)
mazotoa e!

3. ds ( 06/02/2006 10:28)
Sosokevitra kely :

Tsara angamba raha ny DIEM (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) no hampidirina manomboka izao.
Izay efa tafiditra taloha kosa avela amin'izao.
4. hery ( 06/02/2006 10:52)
ds> vao nanomboka androany io ka mbola tsy nisy tafiditra mihitsy aloha hatramin'izao. Mbola vao samy nody naka baiboly avy ny tsirairay.

Efa noeritreretiko ihany ilay hoe DIEM no hapetraka. Olana roa nefa no hitako.
- Mbola tsy tena miparitaka ilay DIEM ka ho vitsy ny olona afaka mampiditra lahatsoratra
- Vaovao ihany ny DIEM ka sao dia ahitana olana (araka ny lalàna) ny fandikàna ny lahatoratra?

hevitra mety atao angamba dia samy hapetraka ao ny dikateny roa DIEM sy Baiboly Katolika. Mety ho betsaka koa ny protestanta hampiditra andininy raha ny DIEM no apetraka.
5. Fanja1 ( 06/02/2006 12:03)
ben nety ve hery io nataoko io? :-p
6. xxx ( 06/02/2006 12:39)
raha ny hevitro, mety ho tsara koakoa raha dikan-teny mitovy ny ao fa tsy dikan-teny avy amin'ny DIEM sy Katolika.
Fanja1> tsara ilay nitarika amin'ny fanombohana an, fa ohatran'ny misimisy diso ihany ny nanoratanao ilay anarana, sa dikan-teny inona io? dia ilay amin'ny zanaka tokony ho "Z".Mazotoa e!
7. Fanja1 ( 06/02/2006 12:55)
xxx ilay izy aza tsy hitako ao tsony... dsl raha nisy diso , hay mou tena important ilay Majuscules fa tena tsy tao anaty lohako ka..tandrema @ sisa.
hery tsy nety ngaha ilay izy teo? hihihi
8. hery ( 06/02/2006 12:55)
Fanja1> baiboly protestanta ilay napetrakao :-)

xxx> efa manamboatra azy ho afaka mandray dikanteny roa aho fa amin'izao aloha dia dikanteny Katolika ihany.
9. Fanja1 ( 06/02/2006 13:20)
hery oupssssss:roll:
10. lapino ( 06/02/2006 13:23)
Raha za nareo dikanteny anankiray ihany aloha no atao, fa manjary mitombo avo roa heny ny asa!

hery: ka mety katolika angamba i Fanja1 sady manana Baiboly Malagasy, fa tsy katolika ilay baiboliny :)
11. Fanja1 ( 06/02/2006 13:26)
lapino, katolika za de manana baiboli protestant gasy , fa ny baiboli katolika @ teny vaza ny ahy hihihi
12. hery ( 06/02/2006 13:30)
lapino> olana ho an'ny katolika io resaka baiboly io :-) tsy mba nobeazina hanana baiboly sy hampiasa baiboly matetika taloha. Soa ihany fa mba efa miova izany amin'izao fotoana izao.
Izaho zao tsy manana baiboly katolika :-(
13. eprom ( 06/02/2006 13:45)
Rehefa vita ny dikanteny katolika de atao koa ny DIEM. Aleo hilamina sy hisesy. Tsara foana ny manana dikanteny maromaro.
14. dadabe ( 06/02/2006 13:51)
de raha sady tsy katolika no tsy manana baiboly katolika ve izany dia mitazana fotsiny ??:-w
15. Ntsoa2 ( 06/02/2006 13:54)
Mampiditra ny pseudo-ko sy ny mot de passe amin'ilay loharano.org aho fa tsy mety.Ity ampiasiako amin'ny serasera ity no ataoko fa tsy mety sa mila mamboatra vaovao?
16. lapino ( 06/02/2006 13:55)
dadabe: dia miandry fotsiny aloha :-w
17. hery ( 06/02/2006 14:20)
Ntsoa2> Ntsoa2 mihitsy no ampidirina (tandremo fa majuscule ny N)
18. hery ( 06/02/2006 21:49)
Napetraka izany ny tetikasa miray zotra amin'io Tetikasa Baiboly Katolika io fa kosa ho an'ny Dikanteny Iombonana dia ao amin'ny baiboly.serasera.org
Dia samy mba maka izay ahafahany manampy.
Misaotra antsika rehetra.
19. ravatorano ( 07/02/2006 09:28)
za d mana baiboly katolika anakitelo miitsy loka azoko tamin ny fahaizako ny katesizy tamin ny za mbolampianatry ry frera makolé tao Bira zany.
Misy baiboly katolika vao novidiako haingana tao amin ny St paul teo analakely koa ao fa andraso jereko d hampiditra araky izay tratran ny heryiko zany zà raha manana fotoana eh
zay ary fa d mazotoa dhl
20. jentilisa ( 07/02/2006 09:57)
Ary hay ve vao ny testamenta vaovao ihany no ampidirina e! izaho saiky hampiditra ny bokin'ny fahendrena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3005