Mitady katolika manana Baiboly Malagasy

61. jentilisa ( 17/02/2006 09:48)
mbola tsy ampy and.58 ry hery a!
62. sonwin ( 17/02/2006 20:28)
Hery> fanampin'ireo hebrio sy Timote ireo,

Efesiana > Efeziana
Tesaloniana > Tesalonisiana
63. jentilisa ( 18/02/2006 07:33)
misaotra raha mbola eo ry sonwin a!
64. ikalasoa ( 22/02/2006 21:26)
Hay ve misy fitafatafan'ny mpanoratra baiboly ato e? tara indray aho fa variana mikokotra mampiditra izay tratra isan'andro.8O Nihantona teo @ Matio 19, and.20 aho vao nikorapaka nitady fomba hampilazana fa tsy ampy ny and.21-30 ilay toko 19. Mba asio maso ra-Hery a.
Dia faly mahalala anareo rehetra, sady mba manontany ihany hoe izay mihintsy tokoa angaha vao misy ity fanaovana baiboly ara-teknolojia ity. Mahereza daholo ary dia misaotra @ fiaraha-miasa ho tsangam-bato fa ny any izao cadeau-ko tany @ mamanay t@ izaho nanao dingana voalohany t@ "Vavolombelon'i Kristy". Iza no nanampo hoe aty Italie afaka 30 taona ilay dia tena ilaina :?:
65. ikalasoa ( 22/02/2006 21:31)
Mbola izaho ihany, vizana angamba aho fa ilay baiboly katolika-ko no nolazaiko hoe cadeau-ko:oops:
66. hery ( 23/02/2006 07:10)
ikalasoa> efa nahitsiko fa misaotra betsaka e. Teneno ihany raha misy tsy ampy an.

sonwin> Nahitsy koa ilay Efeziana sy Tesalonisiana
67. hery ( 23/02/2006 07:12)
Efa 1283/7936 izao no vita amin'ny Testamenta Vaovao ry zareo a.
68. pissoa ( 23/02/2006 07:38)
=D=D dia misaotra betsaka anareo ny Katolika tsy manana baiboly (amin'ny teny Gasy io an) :oops::oops:
69. jentilisa ( 23/02/2006 13:00)
izay afaka mividy re eto Dago mividiana fa mbola betsaka ao amin'ny Mampiely a! sady mba ilay navoaka 2005 amin'izay fa tsy ilay 1982 fahitantsika iny. Dia ilazao re rha Jeso ihany ny anarana ao na efa Jesoa a!

izaho manko efa manana 1982 dia sarotra manana 2005 e!

ikalasoa> tonga dia manorata mivantana amin'i hery rehefa misy tsy ampy tahaka ireny e!
70. ikalasoa ( 23/02/2006 13:22)
Merci Ra-Hery. Efa nandefa mail ho azy teo no ho eo aho ry Jentilisa vao nanandrana ity rohy ity, vao nahita ny "tafa sy diniky ny kristiana katolika", ka efa voavaha izany ny olana. Fa hono ho'aho, ary ireto "annotations @ bas-de-page" (azafady fa tsy haiko manazava azy haingana) atao akory :?: Sa vitaina aloha ny toko rehetra ?
> Izaho koa izao Ra-Hery vao saika hanoratra izao mihitsy no nidirako @ rohy ato hoe : herezo rankizy fa efa manakaiky ny 2000/8000 sahady isika izao.:wink: Mahavoa ilay ekipa kah! merci daholo.:D
71. sonwin ( 23/02/2006 13:34)
Jentilisa > hay ve ka misy 2005 e. tsara kosa zany. ary ahy sady tsy 82 no tsy 2005 fa 1989.
72. ikalasoa ( 23/02/2006 15:06)
Fa aiza r'ireto no ahitana ny taona ? Ny ahy toa misy teny latina be hoe imprimatur.....1938, nefa misy teny fanolorana nataon'i Itpklahy Card. Rakotomalala 1971, dia octobre 1978 no nomen'i mamanay ahy (fa nosoratako ho fahatsiarovana). Sao dia efa soir be ny baiboly raha izany, fa ny anareo toa efa 2005 koh?:/
73. jentilisa ( 24/02/2006 08:02)
ataovy ihany aloha fa tsy misy soara izany ny baiboly e!
74. jentilisa ( 28/02/2006 07:25)
ny and.18 @ apok 12 tsy ao fa notohizako t@ 17 avy hatrany!
toy izany koa ny and.29 @ apok 2
75. hery ( 02/03/2006 10:05)
jentilisa> nahitsy :-)

76. sonwin ( 02/03/2006 21:51)
ary toa tsy mande ilay site...amin'izao ora hanoratako eto izao
77. hery ( 02/03/2006 23:17)
Olana kely

Noho ny olana kely teo amin'ny serveur dia toa izao no ahitana ny Tetikasa Baiboly

Baiboly Katolika : baiboly.serasera.org

Baiboly Diem : diem.serasera.org

Tsy mandeha aloha ilay ws.loharano.org... saingy tsisy very akory ny lahatsoratra.
78. ikalasoa ( 03/03/2006 22:29)
:-D:-D:-D nataoko dia izaho no zefa nahatsindry touche tsy tokony hotsindrina, ka naverina nangatahana in-telo ilay ws.loharano vao sure fa tena any aminareo ilay blème. Hany ka ilay versets 5 farany nampidirina tsy tafa intsony.
Aza mamely tampoka intsony amin'ny manaraka, Ra-Hery, fa ny tena efa badraodra amin'ity raharaha manga ity no mbola tratran'izany koa, saika fanina.
Mahereza daholo fa tratra ny 2000 e ! Arahaba :}
79. ikalasoa ( 08/03/2006 20:35)
Hery O ! Aiza o?
Ilay Matio toko 27 ange hoy aho ao amin'ny mail ka tsy feno ny and. 60-66 e! Efa telo andro io izay no nolazaiko.
Dia ilay Hebreo efa voalaza tetsy ambony hoe Hebrio, mbola hebreo no ao. Sa isika katostanta ???
Izay fa misaotra e. Veloma vetivety daholo.
80. jentilisa ( 09/03/2006 12:21)
raha izaho ianao tonga dia tohizako amin'ilay farany'raha mbola azo atao dia ahitsiny tsimoramora eo. Izany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.251