Mitady katolika manana Baiboly Malagasy

21. sonwin ( 07/02/2006 10:12)
Hery> raha dikan-teny Katolika ange dia tokony hoe Joany fa tsy Jaona ilay Evanjely faha-efatra e
22. diamondra27 ( 07/02/2006 10:23)
de raha sady tsy katolika no tsy manana le baiboly de mijery eto toa anah :-D:-D:-D:-D:-D:wink:

zarazaraina nge ny fanomezampahasoavana e!


efa mi-participer enao 'zay refa mamaky
23. hery ( 07/02/2006 11:07)
jentilisa> Mbola ny testamenta vaovao aloha fa ho avy ny hafa

sonwin> Joany tokoa no amin'ny baiboly katolika. Mbola hovaiko tsikelikely ny anaran'ny boky satria avy tamin'ny baiboly protestanta (fichier efa vita) no nakàna an'ireo.

24. ari.malala ( 07/02/2006 13:23)
Ilay izy ve azo ifanarahana ohatra hoe, iza avy ireo olona mampiditra dia mifanaraka hoe anio hatreo amin'ny andininy faha 20 no afaka mapidiriko ohatra dia ianao izany manomboka ny andininy 21 dia toy izany hatrany?
25. hery ( 07/02/2006 14:07)
ari.malala> Tsy voatery hasesy hatramin'ny boky voalohany ilay izy fa afaka mitsimpona boky any antenantenany.
Jereo ilay hoe Hampiditra lahatsoratra dia afaka mitsimpona boky na toko na andininy izay tianao hapetraka... na izay mety ho mahafinaritra anao. Mety misy feeling kokoa mantsy ilay izy raha izay andininy mahafinaritra anao ao amin'ny Baiboly no ampidirinao aloha.
26. Veloo ( 07/02/2006 20:02)
dia miandry fotsiny aloha :-w
27. ari.malala ( 08/02/2006 04:08)
Hery, OK :)
28. dadabe ( 08/02/2006 05:12)
zah koa hiandry fotsiny :-w
29. hery ( 08/02/2006 07:07)
Misy statistika kely ao :-)

Ao amin'ny ws.loharano.org (Dikateny Katolika) Vita : 53/7933
Ao amin'ny baiboly.serasera.org (Dikanteny iombonana) Vita : 0/7933
30. jentilisa ( 08/02/2006 12:43)
aza miandry fotsiny fa manorata e!
31. jentilisa ( 09/02/2006 05:34)
o ry zareo a! raha manoratra ianareo ka boky iray no tiana hitohy lavalava dia andininy fotsiny apetraka!
32. jentilisa ( 09/02/2006 05:40)
mba afaka mampiditra andininy tsidimidimy manko amin'izay!
33. hery ( 09/02/2006 07:24)
Ny tena mora indrindra dia tsindrina fotsiny ilay hoe "Andininy mila fenoina" ery ankavia dia ao daholo ny andininy mbola banga.
Misaotra anareo telo dahy aloha fa ianareo irery izao no mbola ao. Dia miantsoa namana e....
34. jentilisa ( 09/02/2006 08:17)
rehefa misy fotoana azo anaovana dia manoratra e! mpanampy an-tsitra-po tao amin'ny Mampiely ihany tsinona taloha! na dia protestanta aza! :-P
35. lapino ( 09/02/2006 08:36)
Hono hoà, mba fanontaniana: ny trano printy nanaovana an'ireny baiboly ireny ve tsy mety mba hanana version elektronika?
36. jentilisa ( 09/02/2006 11:58)
asa tokoa! tany italia aloha no nanaovana azy;
saingy izao: tsy maintsy navahana isan'andininy io fampidirana azy io hahamora ny fitadiavana fa tsy ilay baiboly bambaray akory no hojerena.
raha izany ho nampidirina izany fotsiny manko ilay izy dia naka azy tao aminy fotsiny ihany koa ny mampiely baiboly. Saingy hahamora ny fitadiavana no mahasarotra ny asa e! :°)
37. lapino ( 09/02/2006 12:39)
Raha ohatra manko misy version elektronika dia manafaingana be ny asa ilay izy satria:
- afaka anaovana dika petaka fotsiny, tsy mila manao saisie
- afaka mandray anjara izay miandry fotsiny
sns ...
38. jentilisa ( 09/02/2006 13:12)
manaova na dia tsiroaroa fotsiny aza e! hahamora ny asa. izay aza tsy kivy! eto am-panombohana anie no sarotsarotra maihta ny havitsin'ny vita fa rehefa avy eo an!
efa vitako anie ny Filemona e! :°)
39. hery ( 09/02/2006 13:36)
Tsy manana contact ao amin'ny Mpampiely Baiboly aho na izay mety ho manana endriny elektronika. Raha misy manana dia iangaviana mba hampita izany aty amiko hanaovana ny fangatahana
40. lapino ( 09/02/2006 13:48)
Asa raha misy manana contact akaiky kokoa, fa ity misy hita tany @ internet: ( http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=422&ART=6818 )
22 251 35 ou 22 333 48 ou e-mail : baiboly@dts.mg
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5151