Muhammad natao sariitatra!

1. jentilisa ( 01/02/2006 14:08)
Asa raha efa henonkenonareo fa nisy gazety tany Danmark namoaka sariitatra momba an'i Muhammad ka nahatezitra ny silamo betsaka ary nisy aza ny nandrahona ny hamono ny talen'ny gazety mihitsy. magazinet no anaran'ilay gazety, noraisin'ny Norveziana ilay sary ary navoakany ihany koa. Izao ka henoko hamoaka azy koa ny france-soir.

Anisan'ny voatantara amin'izany moa izany hoe turban misy meche-na baomba anaovany izany!

Ahoana ny hevitrareo amin'izany? fanivaivana ve ny ataon'ireo gazety ireo sa izay tokoa ny fepetran'ny fahalalahana?
novalian'i marozevo ny 17/03/2006 01:03
2. jentilisa ( 01/02/2006 14:18)
ity izao misy resaka momba azy fa ny sary aho tsy mety mahita aloha.
http://fr.news.yahoo.com/01022006/202/france-soir-reproduit-les-caricatures-danoises-controversees.html
3. lapino ( 01/02/2006 14:28)
Ity misy sary: http://eur.news1.yimg.com/eur.yimg.com/xp/p3/20060201/11/3161301739.jpg

:)
4. hery ( 01/02/2006 15:14)
Ny ahy ny tsy reviko dia ny fomban'ny silamo mihitsy. Inona ny zavatra tsy ataony hanaratsiana ny hafa (hatramin'ny fanalàna ny ain'ireo izay heveriny ho tsy mpino)... kanefa rehefa voakitika kely ny momba azy dia miakatra afo.

5. lapino ( 01/02/2006 15:53)
Ireto misy sary vitsivitsy, toa 12 hono no isan'ilay izy fa tsy ampy ireto:
http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/danish_cartoon_muhammed_1.jpg http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/danish_cartoon_1.jpg http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/danish_cartoon_muhammed_rasmus_sand_hoye.jpg http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/daniish_cartoon_muhammed_arne_soerensen_.jpg http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/danish_cartoon_muhammed_jens_julius_hans.jpg http://atlasshrugs2000.typepad.com/atlas_shrugs/images/danish_cartoon_1_1.jpg

Ity misy iray tsy mazava tsara: http://pics.jp.metropol.dk/159/159600/159600_large.jpg

Za aloha mieritreritra fa tsy fanivaivana no mety tena nahatonga an'io, fa fanalana azy ohatra ny caricatures rehetra ihany.

Andriamanitra aza fanaovan'ny olona caricature, kanefa Mahomet angaha moa raisin-dry zalahy ho Andriamanitra fa tsy mpaminany?
6. booboo ( 01/02/2006 16:11)
ka amin-dreo tena mamoa-fady hatrany an-dreniny zany manao sarin-javatra voasikotra zany. Nefa eto ny raha masina indrindra amin-dreo no nataon'ny sasany an'izany.
7. babalahy ( 01/02/2006 18:40)
Atsika rehefa tsy ampy fahalalana mba aoka tsy hiteniteny foana fa mampalahelo satria tsy misy miteny hoe fa Andriamanitra i prophete Mouhamad.Fa kanefa kosa amin\'n izao dia samy malalaka manao izay tiany ,ary izay teneniny.Izany no atao hoe fahalalahana.Hoy zaho ra-Hery sao de mba manelingelina anareo ny ffidiranay mpivavaka Islam ato amin\'ny serasera satria anao milaza fa tsy tianao islam.Misaotra.
8. lapino ( 01/02/2006 19:10)
babalahy:
Atsika rehefa tsy ampy fahalalana mba aoka tsy hiteniteny foana fa mampalahelo satria tsy misy miteny hoe fa Andriamanitra i prophete Mouhamad.

Misaotra aloha mamaly an'ilay fanontaniana misy baraingo, na dia tsy tena net tsara aza ilay valiny. :)

Tsy hamaly eo amin'ny toeran'i Hery aloha za, fa tsy mitovy kosa ireto:
>> Ny ahy ny tsy reviko dia ny fomban'ny silamo mihitsy
>> anao milaza fa tsy tianao islam
9. Veloo ( 01/02/2006 19:40)
ayayayayaaaaaaaaaaaaaa
10. marozevo ( 02/02/2006 00:58)
Amafisiko ny volazan-dRahery : Tsy reviko ny FOMBAN'NY SILAMO... Ny olona Islam kosa miankina amin'ny tsirairay io... Raha ohatra moa ka mamono olona... manenjika kristianina.. manao ady izay lazainy fa masina.. dia tsy reviko ny Silamo manao an'izany. fa raha tsy izany kosa fa mifampitondra sy mifanaja tsara dia namako ialahy izay... Ny olona no aloha fa tsy ny finoan'ny olona. Tandremo fa tsy miteny aho hoe ny olona no aloha izay vao ny finoana... samy hafa ny finoana en general be izao, sy ny hoe finoan'ny olona tsirairay.
11. eprom ( 02/02/2006 04:30)
Izay le fahafahana eh. Samy miteny izay tiany tenenina. Afaka mitsikera izay tiany hotsikeraina. Mila mahay manaja izay fahafahana izay ny tsi11 ary tsy tokony hijery lavitra isika fa na eto amintsika aza ange ka mbola eo ambany sabatry Damocles io fahafahana io eh. Izaho koa aloha de misy fomban'ny Silamo sasany izay tsy ankasitrahako mihintsy eh. Tsy zatra ny fahafahana izy de ny hafa firenena avy no tadiaviny hofoanana ny fahafahany.
Fanontaniana ho antsika kristiana Malagasy : @ anaran'ny inona kosa ary no nanakanana ny sarimihetsika "La derniere tentation du Christ"?
12. jentilisa ( 02/02/2006 04:42)
Napetrako teto mihitsy ity resaka ity ahafahantsika mandanjalanja ny fahazakantsika ny hevitry ny hafa. Ny mahavariana dia izao, ary misaotra an'i lapino nanome ireo sary ireo, tsy hitako loatra izay fanivaivana amin'ireo resaka ireo. Ilay fitakiana hamonoana ho faty no tsy mety loatra. Momba ny la derniere tentation du christ indray moa dia efa nambarany fa fiction ireny...nisy ny fanakanana ireny teto Dago hatrami'ny voalohany nefa rehefa avy eo nandeha tamin'ny matv ihany ilay tantara na dia alimbe aza. Izao mbola ho avy koa ny da vinci code... ny firenena namoaka ny sariitatra dia nanambara mihitsy fa tsy ho afaka hanakana ireny sary ireny mihitsy izy noho fahafahana. Ny an'ny kristiana indray anie tsy mitaky famonoana ho faty loatra fa tahotra ao anaty hoe sao tsy mahazaka ny mpiray finoana aminy e!

ny "mpivavaka" ihany anie matetika no manao dokambarotra ny zavatra tsy tian'ny olona ho hitany e! raha mangina fotsiny izy, angaha ho nisy lazany akory ireny vokatry ny sarimihetsika nikendry dokambarotra amin'ny alalan'ny fihantsiana ireny!
13. eprom ( 02/02/2006 07:47)
Vaovao farany : noesorina ny talen'ny France-Soir nohon'ny namoahany io sariitatra io
14. xxx ( 02/02/2006 08:58)
satria egiptiana no tompon'io gazety io
15. lapino ( 02/02/2006 09:39)
Ny tena mampihomehy dia hoe:
- mahatezitra an-dry zalahy ny nanaovana an'ilay caricature, indrindra ilay miaraka amin'ny baomba eo amin'ny turban
- dia avy eo ry zalahy mandrahona hanapoaka baomba ho fanoherana an'io http://www.linternaute.com/actualite/depeche/19/136142/caricatures_de_mahomet_menace_a_la_bombe_contre_le_journal_danois_alerte_levee.shtml
Ko tsy vao mainka mi-confirmer an'ilay sariitatra ve izany? :-D:-D

Ary ilay France soir koa toa misetrasetra kle! :-w
16. booboo ( 02/02/2006 09:56)
rehefa fady @ sasany dia hajaina fa tsy hoe satria fahalalahana izao dia samy manao zay tiany aby ny oul. Na tsy momba ny fataon'ny silamo mahery fihetsika sasany aza aho dia azoko tsara raha tezitra ny ankamaroan'ny mpino silamo.

17. hery ( 02/02/2006 10:13)
TEna nesorin'ny tompon'ny France Soir tsy ho president-n'ny gazety intsony hono Jacques Le Franc...
Kiii

Aza apetraka eto le sary fa sao de esorin'ny sasany kou zah k'le :-D :-D
tsss

booboo> tsy koi le izy raha ohatra ka samy mmipetraka amin'ny azy anie e. Fa le izy hoe samy manao dia avy eo tsy mahatanty no tsy mamely.
18. Mifenty ( 02/02/2006 11:42)
milay b le ady hevitra ato kle

sady milay be kou le fandikana anlé oe sariitatra =D
19. Mifenty ( 02/02/2006 11:45)
lasa sahady le izy nefa aho mbola tsy namoaka hevitra.


Ny mahagaga ahy dia ity kle. Ndray andro zay nisy sarin'ny Papa Benoit 16, de teo am solon'ny kalisy de chope de bière no napetraky ry zareo. Mbola misy sary hafa koa, ny sary nataony teo am le étole iny dia le sary be tamin'ny star wars iny.

za kory tsy katolika fa ny tiako tenenina dia tsotra.

Manana ny lanjany amin'ny katolika ny Papa tahaka ilay hoe i Mohamady natao sari itatra :-D:-D (reveko b le dikan-teny)


kou naninn tsy niteny ny kto tam le sari itatr'i papa ??, asa klou e


fa amiko resaka fanaovan-gazety ilay izy dia samy manana ny fahafahany milaza ny ts1 1

Efa niandry mitsy aho tao am guignols fa tsy tafa kle.
20. jentilisa ( 02/02/2006 11:54)
Efa fomba fiteny mihitsy io ka!
satria moa izany metisy(?) mivoaka avy amin'ny tany arabo ny tompon'ny france-soir dia tsy mahagaga raha noroahiny.

http://www.liberation.fr/page.php?Article=356274

fa ny mba hafa indrindra dia ilay nataon'ny gazety jordaniana izay azonao vakiana ao amin'io jereo eto io any amin'ny faramparany any!

ry silamo manerantany aoka hieritreritra tsara! soyez raisonnable!

ary dia namoaka ny telo tamin'ireo sariitatra ireo mihitsy izy ho fandresen-dahatra ny silamo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2479