misy kakana ve ?

1. bichette ( 26/01/2006 08:16)
salama, mety daholo ? ahoana no ahafantarana fa misy kakana ny olona iray ? :-*
novalian'i rapala ny 07/04/2006 06:23
2. diamondra27 ( 26/01/2006 08:40)
mangididy ny fipetrahana, de be kibo be, de mahia kely fa lanin'ny kakana doly ny sosy
3. hery ( 26/01/2006 08:50)
Efa kakana gravy angamba no lazain'i diamondra io. :-)

Betsaka ny olona misy kakana fa indraindray tsy misy fiantraikany mivantana amin'ny vatany... dia tsy misy fisehony ivelany ihany koa... raha tsy tena lasa gravy tampoka. Raha lasa gravy ny kakana dia mety ho tonga any amin'ny Atidoha sns...

Koa ny tena ahalalana fa misy kakana dia manao analyse-n'ny kakà any amin'ny labo. Ho hitandry zareo ao na misy atodi-kakana na tsia.
4. Vahinala ( 26/01/2006 08:52)
Fa hono hoa, moa va tsy misy kakana daholo ve ny olona ? Fa rehefa tena betsaka izy vao reny lasa grave be reny ? Za aloha mahatsapa hoe misy manenoneno ao anaty kiboko ao e fa tsy haiko hoe kakana ve sa tsia !
5. adidy ( 26/01/2006 09:18)
Ny tena fisehony koa dia mihinan-kanina be ilay olona na tsy mazoto homana dia mihamahia anefa! Dia raha maka rà moa dia miakatra ny polynucléaire éosinophile. Dia jerena koa ny matetika voa dia ny ankizy kely @ ilay milalao vovoka fa izany hoe ny lehibe koa aloha mety voa e! Fa tsy matetika toa ny zaza!
6. hery ( 26/01/2006 09:32)
vahinala> tsy kakana le maneno ao ankibo iny kah :-)
Raha tsy diso aho dia rivotra maka toerana iny
7. Fiffi ( 26/01/2006 09:44)
arakin'ny fahafantarako azy aloha dia ny olona rehetra misy kakana daholo e! fa misy ny kakana tena ratsy be , arakin'io voalazan'i hery io tena rehefa gravy be dia miakatra anaty ati-doha mihintsy. Ny fomba fahafantarana aloha dia sarotra hiany fa misy ny olona tsy malatsa-kanina nefa ao koa no lasa tenda-kanina be nefa tsy miha-matavy , ao koa ny sorisorena @ tsy misy antony , ao koa ny naona lava , ny mangidihidy fipetraka aloha dia tena ao raha e!
8. Vahinala ( 26/01/2006 11:15)
Hay moa rivotra zany le ao, za ve nahalala koa toa tena maneno beu ndraindray dia ohatry ny feona biby mintsy ko !
9. xxx ( 26/01/2006 11:20)
inona kosa ary ny mahatonga an le ao am fitombenana mangidihidy refa misy kankana e ! fanazavana ara tsiansa no tiako hahatongavana eto.
10. xxx ( 26/01/2006 13:43)
ary raha malemy foana (fa tsy mipiriritra) rehefa mankany ankabiné ?
11. Vahinala ( 26/01/2006 15:40)
xxx > So d aretinkibo ndray zany fa ts kakana koa !
12. Veloo ( 26/01/2006 16:28)
za tsy misy kakana :-D
13. watafon ( 26/01/2006 18:03)
fanampin'ny voalaza etsy ambony nambaran'ny dokotera dia indraindray miôka te handoa rehefa maraina, manotika matetika ny kibo , ary rehafa betsaka loatra ary moa ny ao anaty ao d mivoaka kankana mihitsy e! fa ny tena ahafantarana azy moa zany d ny fanaovana fitiliana ny kakà ihany miaraka @ fakàna rà ihany koa !
veloo, f'angah moa nisy niteny teo oe njy misy kakana !!
14. Veloo ( 26/01/2006 19:43)
wata :-D:-D:-D:-D:P:P
15. diamondra27 ( 27/01/2006 07:18)
de ahoana ary no atao fa indraindray zany refa mande mivoaka de misy anankiray mitsingevaheva de ahoana ny fanalàna an'iny? Sintomina ve? Ka raha tapaka de inona ny fiantraikany?
16. Veloo ( 27/01/2006 17:06)
:-D:-D:-D
17. watafon ( 28/01/2006 08:15)
diam an ! tsy tapaka zany iny fa sintony moramora e! d manaova ihany gant aloha na izany aza !:-D:-D:-D na miantsoa olona hisintona azy refa matahotra njy !!
18. Veloo ( 28/01/2006 23:15)
wata to mampatahotra zany kle...diamondra tena serieux ve aky?
19. watafon ( 29/01/2006 11:48)
inn kou zao mampartahotra amzany ry veloo?
20. vale ( 29/01/2006 17:26)
ny mahatonga ilay olona mangidihidy ao @ fitombenana ireny dia kankana kà, misy toerana isan-karazany ny ipetrahan'ny kankana ao @ vatan'ny olombelona, ao ny kankana any @ ati-doha ao ny kankana any @ kibo no mitoetra ary ao ny kankana any @ lalan'ny maloto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1799