MPAMOSAVY

1. diamondra27 ( 25/01/2006 12:03)
misy fitenin'ny ntaolo manao hoe:" aleo mifanena @ mpamosavy toa izay mifanena @ mpandainga"
Efa nisy nahita mpamosavy ve 'nareo?
De ahoana no nataony?
De araka ny siosio oe misy tokoa io fa de honohono foana le izy; fa za mba te aheno ze efa nahafantatra ze tantarain'olona e!Tsy voatery hoe: ianao akory le nihaona taminy fa resaka henonao
novalian'i marozevo ny 05/03/2006 15:17
2. diamondra27 ( 25/01/2006 12:05)
ny efa henoko aloha de hoe: asiana kifafa ambany ambony eo @ varavarana ny alina de tsy mandalo ao antrano izy. Asa na marina zany fa honohono no henoko. Ary nareo inona no mba henonareo sy fantatrareo? Merci
3. dadabe ( 25/01/2006 12:17)
humm de mitondra voanjobory ve ??
4. jentilisa ( 25/01/2006 12:17)
=)) =)) =)) noheveriko hoe raisiny ilay kifafa dia nitaingenany avy eo!
5. diamondra27 ( 25/01/2006 12:18)
ahhhhhhh!zay 'zany le mahatonga ny olona sasany tsy mihinana voanjobory! 'zay vao azoko! hummmmmm
6. diamondra27 ( 25/01/2006 12:19)
jentilisa: tahaka an'i harry potter ve?
7. Fiffi ( 25/01/2006 14:49)
toa ho sarotra ben'hiany izany hoe efa nahita mpamosavy ve ? izaho aloha mbola tsy nahita e! ary enganie ka tsy ahita an'izany mihintsy koa !! fa ny zavatra henoko kosa dia dia hoe ireny mpamosavy ireny dia mangalatra eny ambonin'ny fasana ? mandindiha koa na hoe feno menaka ny tenany? tsy aiko an!
8. vale ( 25/01/2006 15:14)
... manao rakitra hono ry zareo dia io rakitra io izany omena izay olona sendra matratra an-dry zareo! de tsy haiko ko alou ny fahamarinany é :idea:
9. Vahinala ( 25/01/2006 15:27)
Za koa dia mbola tsy nahita mivantana aloha e, honohono no henoko dia misy an'ireny olona hafahafa eo antanàna reny lazain'ny olona fa pams fa tsy haiko zay fahamarinany. Fa ny tena mampmé ana d zao, tantara tena nisy hono ty an, tany ambanivohitra be tany notantarainy namako ana, nisy fiandrasampaty hono dia efa alina be mihitsy hadiva haraina dia saika ny fianakavian'ny le maty sisa no tavela teo, somary efa reradreraka dia ny sasany natory ampitoerana teo moa ny sasany nandehandeha tany antokotany tany d tsy nahita zay nitranga. Sendra niditra tao antrano tampoka ary ireto avy tany ivelany, jerena hono le razana efa tsy teo ambony le farafara tsony fa nisy nanankina tery am rindrindra tery sady nisavoritaka be ny volony, taitra be daholo nofohazina reto natory hoe fa inn ty ataonareo fa toa laozanareo natory ary nataonareo inn anga ty razana ty ? Ilay toerana amin'io hono ts misy jiro fa labozia, dia hoe zay tsy nanao inn an'io fa manina izy no lasa eny am sisindrindrina eny ? Teo vao tonga saina daoly niridana lasa nivoaka fa natahotra daholo. Dia hoe toa nisy pams nandalo ony nilalao ilay faty fa tsisy nahita !:{:{:{
10. diamondra27 ( 25/01/2006 16:11)
8O
:-D:-D:-D
11. Veloo ( 25/01/2006 16:26)
ny dikan'ny ohabolana aloha dia zavatra afa mihitsy e dikan'io dia tena tsy tantin'ny taolo mihitsy ny mpandainga ary marina ny an-drizareo kle tena mahasosotra mihitsy...
za mbola tsy nihaona @ pamosavy.. tsssssss asan'i satana ndray io eeeee:roll:
12. Herimiafina ( 25/01/2006 19:29)
diamondra27:

misy fitenin'ny ntaolo manao hoe:" aleo mifanena @ mpamosavy toa izay mifanena @ mpandainga"
Efa nisy nahita mpamosavy ve 'nareo?
De ahoana no nataony?
De araka ny siosio oe misy tokoa io fa de honohono foana le izy; fa za mba te aheno ze efa nahafantatra ze tantarain'olona e!Tsy voatery hoe: ianao akory le nihaona taminy fa resaka henonao

Misy de misy ny mpamosavy an, fa ny ahy klou ny fahitako azy aleoko mifanena amin,ny mpandainga toy izay hifanena amin'ny mpamosavy e, brrrrro:-P

13. jennifer2 ( 25/01/2006 22:18)
Teny misy ny mpamosavy, t@ za mbola kely no efa nahita mpamosavy tra-maraina, tsy tadidiko intsony fa efa ela be, sady notangoronan'ny olona be de be le izy de zara raha nahita kely za t@ zany.
Fa tany Faratsiho koa efa nisy nitovitovy t@' io nolazain'i Vahinala io saingy tsy tafiditra taoo an-trano le mpamosavy fa nisy tompo-drazana nahita de lasa nitsoaka!

Saingy sady tsy tiako ny mifanena @ mpamosavy no tsy tiako koa ny mifanena @ mpandainga! amiko mantsy mitovy ihany ireo karazan'olona ireo.
14. marozevo ( 25/01/2006 23:59)
Za koa tamin'ny taona 1994 tany Faratsiho efa nahita olona hafahafabe tamin'ny alina. Sendra nandeha an-tongotra aho tamin'izay, tratra alina teny an-dalana. Telo izahay no niaraka, ary samy nahita zavatra hafahafa, fa tao anatin'ny miniotra vitsy fotsiny izany rehetra izany. Tsy fantatro na mpamosavy io zavatra hitako io na mpandainga. Fa izahay tsy nifanena fa izy ery amin'ny ilany havian'ny làlana no mandeha parallèle amin'ny izoranay.
15. Veloo ( 26/01/2006 02:59)
an;i faratsiho zany no tena be mpamosavy kle:-D:-D
16. diamondra27 ( 26/01/2006 06:08)
'zao ndray 'zany ny resaka henoko tetsy sy teroa e!

rehefa le pams hono no mahita anao voalohany de soavaliny ianao, de asainy mmanaraka ze tiany atao.

De le pams koa hono toa hoe: mandihy eny ampasana:?:
17. Vahinala ( 26/01/2006 08:23)
Grave be marina any Faratsiho zany kle ! :-D:-D:-D:-D

Nena ndray aloha aleoko mifanena amin'ny mpandainga toy izay pams zany e, na mandainga amiko aza tsinona izy fantatro ihany any aoriana any sady ny olon-drehetra koa ataoko fa samy mba madainga daholo ihany.
18. dadabe ( 26/01/2006 11:11)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 26-01-2006 03:59:37
Lohateny : Re : MPAMOSAVY
Za koa tamin'ny taona 1994 tany Faratsiho efa nahita olona hafahafabe tamin'ny alina. Sendra nandeha an-tongotra aho tamin'izay, tratra alina teny an-dalana. Telo izahay no niaraka, ary samy nahita zavatra hafahafa, fa tao anatin'ny miniotra vitsy fotsiny izany rehetra izany. Tsy fantatro na mpamosavy io zavatra hitako io na mpandainga. Fa izahay tsy nifanena fa izy ery amin'ny ilany havian'ny làlana no mandeha parallèle amin'ny izoranay.

fa ngha lah avy any faratsiho le ??

zahay lesy avy any ramainandro a! le miala 15 km avy eo faratsiho hehehe
19. marozevo ( 27/01/2006 00:49)
Mboh kozy ve ry dadabe? Zahay avy any Ambohiborona leitsy ah. Ary ambodin'Ankaratara ary no misy anay, atsinanan'i Faratsiho. Fa zah tsy dia nipetraka tany loatra, fa efa nifindra tany Tanà ry Baigny... Mahalana aho no mankany, nefa tadidiko tsara ny làlana mankany, nanao vakansy kely aho tamin'io fotoana io, niala Tomabilla teo Fenomanana, dia nandeha an-tongotra namakivaky an'iny Analamitia, Antsapanimahazo, maolahy sy Kelilalina dia alina be vao tonga tao Ambatofotsy (na Ambohiborona). Zay no nahitako le mpams.
20. diamondra27 ( 27/01/2006 06:15)
de aiza ko ny toerana tena misy azy ireo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1231