666

1. lapino ( 24/01/2006 16:32)
Ireo karazan-javatra/olona/institutions/entreprises/sns ... ahitana soritra ny isa 666. Ho fampidirana ny resaka dia izao no voalazan'ny baiboly momba azy io: http://baiboly.org/toko.asp?boky=APOKALYPSY&toko=13

Apokalypsy.13:18:
18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.


Fangatahana/Fiangaviana:
- 666 ihany resahina fa aza asiana resaka isa hafa izay mety hisy ifandraisany
- aza asiana interprétation ny zavatra lazainao. Ny interprétations manko misy "parti pris" foana, ka sao dia ifanafintohinana ny farany.
novalian'i Achia ny 31/03/2006 07:44
2. Fiffi ( 24/01/2006 16:39)
lapino: fa izaho aloha mbola tsy nahita karazan-javatra , indrindra fa olona misy an'io 666 io an!:roll::roll: vao2 amiko indray io an!!
3. lapino ( 24/01/2006 16:40)
Mbola misy hadinoko:
- tsy natao hanova ny fototry ny finoana ity resaka ity,
- tsy natao hifampitahorana, tsy natao hampisy mépris sns, ...
- raha misy hiresaka notion tsy fantatray, dia mba asio fanazavana kely, ohatra ny resaka numerologie, gématrie, sns ...
4. Veloo ( 24/01/2006 19:17)
misy satroka misy an'io 666 io any ho any...
5. lapino ( 24/01/2006 19:30)
Mety ho fifanandrifian-javatra daholo ireo an, mety ho zavatra tsy fanahy iniana! Aza tonga dia raisina ho zavatra hafahafa avy hatrany.

Ohatra:
- Ilay soratra eo amin\'ny satroky ny Papa:
http://pageperso.aol.fr/rocavalence/mapage/65.jpg

- Ny codes barres
http://cerig.efpg.inpg.fr/memoire/2004/images/code-barre-ean.png
Jereo ireo tsipika lava noho ny rehetra: 6 iray amin\'ny voalohany, iray eo afovoany, ary iray farany indrindra

- Informatika Linux/Unix: 666 no sandan\'ny droit feno ho an\'ny fichier tsotra.

- Ny solosaina macintosh voalohany dia USD 666,66 no vidiny.

- Chaine tele M6 (Frantsa): matetika mandeha tsitelotelo ireo M6 ireo. (Ny litera M aloha haoro size). Ity ohatra misy birao-n\'ny M6 any Lyon hono: http://www.bibleetnombres.online.fr/images5/lyonm6a.jpg

- Fiara Mazda 6, pub: http://cjoint.com/data/byvrhG4fFF_mazda6.jpg

- Vodafone: http://www.telecom.nu/images/logos/vodafone.jpg

sns ...
6. hery ( 24/01/2006 19:56)
Alohan'ny hanohizako aloha
Misy efa nahita ny satrok'i Papa misy an'io teny io ve?

Tsy titre iantsoana ny Papa dia Vicarius Christi (Fa angamba tsy mahazo 666 io dia tsy mety ho an'ny sasany)

http://en.wikipedia.org/wiki/Vicarius_Filii_Dei
Ny advantista no tena mampiely an'io resaka io :-)

Manohy amin'izay aho.

Ny anaran'ny namorona ny Advantista Ellen Gould White, rehefa atambatra koa dia lasa 666:
Ellen=100, Gould=555, White=11.
7. hery ( 24/01/2006 19:58)
hery:

Tsy titre iantsoana ny Papa dia Vicarius Christi (Fa angamba tsy mahazo 666 io dia tsy mety ho an'ny sasany)


Ny titre iantsoana ny Papa dia Vicarius Christi Fa tsy Vicarius Filii Dei (Raha tsy nahatratra 666 io Vicarius Filii Dei io dia mety mbola nasiana article angamba :-) )
8. booboo ( 24/01/2006 20:02)
ay ay ay, koa raha zany tsy izao tontolo aby aby zao 666 aby 8O8O?

Sa inona no fepetra tsy maintsy fenoina vao afaka atao oe mariky ny bibidia ( moa ? ) ny raha iraika sa rehefa mi-décoder raha ka manome ( sa no-forcer-na ho tonga ) 666 iny defa any zany ?
9. Veloo ( 24/01/2006 20:29)
oy i hery oe:
Ny titre iantsoana ny Papa dia Vicarius Christi Fa tsy Vicarius Filii Dei

inn no dikan'io?
10. lapino ( 24/01/2006 20:40)
booboo:

ay ay ay, koa raha zany tsy izao tontolo aby aby zao 666 aby 8O8O?

Ohatra ny tsara fitontona izany ilay voambolana! Fifanandrifian-javatra koa ? :wink:

hery: za aloo mbola tsy nahita an'ilay teo amin'ny satroky ny papa, fa efa naheno an'io tamina mpanao gazety tamin'ny tele raha nisy sarin'ny papa nipoitra. Fa dia tsy haiko indray aloha izay hoe ny advantista izay.
11. fijo ( 24/01/2006 21:09)
aza mifanaratsy lereto,fa samia mitana ny azy an.ze resaka isa any ve.raha tsy tianareo io isa 666 io,dia ataovy aty amiko,fa tsy olana amiko io.
12. lapino ( 24/01/2006 22:05)
fijo: tsy mifanaratsy ka! Efa talohan'ny resaka rehetra no nifamerana amin'ny tsy hifanafintohinana, fa mitanisa fotsiny.
13. diamondra27 ( 24/01/2006 22:20)
ahona aloha le fanisana ny gould White fa tsy mahita 555 sy 11 za e!

gould = 550 no hitako
white= 1
14. diamondra27 ( 24/01/2006 22:21)
mbola misy zvt maro hafa ihany koa no hita @ le 666 fa tsy reo ihany e!
15. lapino ( 24/01/2006 22:32)
Raha soratana amin'ny fanoratry ny romana (ohatra ny fanisana) dia: GOVLD, ary ilay W dia isaina ho V anankiroa.

Fa lazao hoe ny 666 izay fantatr'i diamondra e?!
16. marozevo ( 25/01/2006 00:37)
Iza aminareo no efa nahita fa misy soratra 666 ny satroky ny Papa ? Mpandainga izany, sady mpanenjika. Izahay mahita ny Papa isan-kerinandro fa tsy misy an'izany. Iza no marina kokoa ny site foronina sa ny hitan'ny maso mivantana. Amiko fanakotabana ny rano efa mandry izao sady fanakorontanana ny dian'ny Kristianina mankany amin'ny firaisam-pinoana. Ady fiady izao amiko.
17. dadabe ( 25/01/2006 01:00)
hummm ary hay misy an'ity ato :D hummm dia hanazava ve izany zah ??

lapino > fa maninona aloha no tonga dia ferana sy tapenam-bava avy hatrany ny namana e?? matahotra ve ianao ?? amiko a, rehefa izay no marina ara-baiboly dia tsy maintsy holazaina sy hazavaina


ho an'ny namana rehetra raha hanazava an'io 666 io aho dia tsy hiandany na @ iza , na @ iza, fa izay voasoratra ao anaty baiboly no holazaiko , ary dia hanome mtoko sy andininy ho anao aho
sady mianatra ihany anie isika e:D

marina tokoa fa indray mandeha ihany io isa io no miseho ao @ baiboly
ao @ apokalypsy toko faha 13 and:18
enina amby enim-polo amby enin-jato no is
17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary
any.

dia raha io andininy io no jerena dia mazava fa misy hevitra takiana ao
1-aoka izay manatsaina
2- isa milaza olona
3- indro ny fahendrena

dia mazotoa ary
18. marozevo ( 25/01/2006 01:06)
Ary vao miniotra kely teo aho no nanoratra teto dia efa ao sahady i dadabe...
Teo aho niakatra kely, satria misy mihinana am-bolony eto. Izao kosa miezaka ho calme.
Misy methode manokana famakiana ny Apokalipsa zalahy ah.. fantaro aloha hoe oviana izy no nosoratana, avy eo iza no nanoratra, avy eo inona no zava-nisy tamin'io fotoana nanoratana azy io, nahoana no be sarinteny ao amin'ny apokalipsa. tsy io 666 io ihany fa be dia be, ohatra : Tandroka, dragona, biby maroloha, sns... Ny contexte aloha no tsara vakiana tsara vao mitady izay tian'ny texte ho lazaina.
raha tsy izany resaky ny be marenina no eto.
19. dadabe ( 25/01/2006 01:07)
azafady fa nisy diso kely

17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.


io le versee ,
dia tsy maintsy miainga hatrany @ tantara voalohany izany isika mba tsy hitenenana ratsy sy hanasoketana olona fotsiny araka ny voalazan'i hery , satria raha io 666 io no jerena dia isa milaza OLONA , nefa olona iza ?? aiza ??efa maty ve sa mbola velona ? ahoana no hamaritana azy ara-tantara? ary amin'izao fotoana izao ? inona avy ireo indices voafaritry ny baiboly (satria ao @ soratra masina no nilaza azy) milaza azy ?

ireo fanotaniana ireo dia mila hazavaina izay vao mazava io isa io kosa

mifona eo anatrehan'ny namana aho fa tsy sanatria izaho notena mahay , na koa hoe mizesta , fa izay mba fahalalana kely azoko no lazaiko sy hamabarako :D
20. dadabe ( 25/01/2006 01:17)
:-wmangataka ny AVIS ny namana aho , ho azavaiko ve io isa io sa tsia ??? :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6865