DIDY FOLO

221. dadabe ( 25/03/2006 14:34)
:-D:-D
222. marozevo ( 26/03/2006 01:11)
Aza matahotra ianao ry Achia fa tena hajaiko tokoa ny sabata, saingy miala tsiny aho fa misy amboniny kokoa hajaiko noho ny sabata, dia ilay niteny hoe "Ny Zanak'olona no tompon'ny Sabata", ary nilaza hoe "Tsy ny olona no natao ho an'ny sabata fa ny Sabata no natao ho an'ny olona".
Ireo tsy didy fa fampianarana.
223. Achia ( 26/03/2006 18:56)
ra tian'i Zanakol enao de hitandrina ny didiny .Ary ny sabata dia didy ao@ didy 10 donc didy izy zany de ampianarina ny taranaka faramandimby otratsika zany nomena antsika ny sabata satria isika de zaza natsangana avy @ alalan'iKristy mba hanana ilay ATRA ny Israely izay nahary ny lanitra sy ny tany ary manana ny fiainana mandrakizay
224. marozevo ( 26/03/2006 23:08)
Marina izany ka... Za anie ho'aho manaja ny sabata eh (Na ny marimarina kokoa tsy manaratsy ny sabata), nefa koa tsy mianona amin'ny didy fa vonona hihoatra hanao tsaratsara kokoa noho ny didy. Tsy mampanantena volana aman-kintana, fa mason-tsokina masom-boalavo, hoy ny fitenenana, ka izay kely ananana no ahiratra.
225. dadabe ( 27/03/2006 00:37)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 26-03-2006 05:11:02
Lohateny : Re : DIDY FOLO
Aza matahotra ianao ry Achia fa tena hajaiko tokoa ny sabata, saingy miala tsiny aho fa misy amboniny kokoa hajaiko noho ny sabata, dia ilay niteny hoe "Ny Zanak'olona no tompon'ny Sabata", ary nilaza hoe "Tsy ny olona no natao ho an'ny sabata fa ny Sabata no natao ho an'ny olona".
Ireo tsy didy fa fampianarana.


dia tokony hajainao anie izany le sabata fa an'i zanak'olona e, manasa anao Izy mba hiditra ao anatin'ny Sabatany
226. Veloo ( 27/03/2006 19:04)
zavatra reciproque io... tian'i Jesosy ianao - manaraka ny didiny. tian'ny didiny ianao - manaraka an'i Jesosy....
227. Achia ( 27/03/2006 20:10)
ra manaraka zany zevo tsy hoe maraka an'idadabe na i veloo na iachia fa i Jesosy milaza ze voalaza fotsiny no anjaranay
228. marozevo ( 27/03/2006 22:46)
Eny ary eh.... tsy hanaraka anareo aho, fa hanaraka an'ilay nitsangan-ko velona tamin'ny andro voalohan'ny herinandro.
229. marozevo ( 27/03/2006 22:48)
Oay misy adinoko ry dadabe sy ry Achia ah... Fa inona kay aloha, raha tsy hahadiso ny manontany, ny antokom-pinoana manaja ny sabata, amin'izao fotoana izao, ankoatra ny "Judaisme" eh ?
230. Veloo ( 28/03/2006 02:04)
misy ny sabatista....
ary koa ny Adventiste = dia miandry ny fiavian'i Jesosy sy manaja ny sabata === dia Izaho io:wink:
231. dadabe ( 28/03/2006 14:33)
hummm izay rehetra mitandrina ny andro faha -7, ka manao azy ho masina , ary tsy manaonao foana , na miteniteny foana, fa manaja ny andro faha -7, na katolika , na fjkm,na anglikana , na temoin de Jehovah , na advantista , na pentekotista ....de mety daholo io ry marozevo a, ny antony dia satria le fiangonana mitandrina sabata dia natao fotsiny hitaiza ny fanahin'ny olona ho tia ny sabata , fa tsy misoratra any andanitra akory hoe , ny advantista ihany na ny apokalypsy ihany , na hoe ets ets ...ihany no miditra any andanitra , fa izay rehetra manao ny sitrapon'ny Ray izay any andanitra :D
232. Veloo ( 28/03/2006 18:59)
:-w:-w:-w marina mihitsy zany ka
233. Achia ( 28/03/2006 20:00)
zevo a teneno haingana ry frera sy ry mopera sy masera na ny papa koa aza e hoe :ataovy sabata hainag
ana ny andro fitsaharana fa zay na lazain'ny tenin'
ATRA adidinao zany marina nge zany e;-)
234. jentilisa ( 29/03/2006 07:32)
andraso aloha, raha tia ny Zanak'olona dia hanaja ny didiny fa ny didiny tsy ny didy folo na oviana na oviana. Misy ao amin'ny baiboly ao Jesoa niteny tamin'ny andro sabata hoe izaho miasa (sabata) ary ny raiko koa mbola miasa (sabata). Ahoana ary io?
235. Achia ( 29/03/2006 08:43)
hihihih ra manana tomobila ianao de azonao atao ze ti
anao hanaovana azy na ho doranao aza fa ra za tsy afaka ny hanao anzay le tomobilinao .Ekeo aloha fa ny sabata de mbola tsy foana fa refa ao ianao mazava @ nao ny dikan'ireny nataon'iJKristy reny e
236. jentilisa ( 29/03/2006 11:28)
Tamin'ny sabata no nanagadran'ny jiosy an'i Jesoa hihidy tao am-pasana sy ninambenana azy mba tsy hisy hangalatra ny fatiny saingy ny marainan'ny andro voalohany tamin'ny herinandro dia tsy tontosa intsony izany. Koa raha notadiavina hanagadra an'i Jesoa ny sabata tsy inona izany fa mbola tiana hanagadrana azy sy izay manaraka azy mandraka ankehitriny ihany. Tsy mandidy i Jesoa fa manasa kosa...
237. Achia ( 29/03/2006 19:47)
:°)de aona zany le hoe nitsangana t@ andro fahatelo? Vakio tsara io nisamborana @ 'iJK io ao @ Jaona oa ma
nazava azy bebe kokoa de hazava @ nao na sabata izy no nasitrika tao ampsana (sagata sabotsy ilay andro faha 7) sady tsy mahafoana ny sabata koa anie zany e ! sady ny sabata koa anie tsy fangejana araka ny fiheveranao azy e!
238. jentilisa ( 30/03/2006 06:31)
ny hevitra voalohan'ny sabata tokoa dia fahafahana sy fialantsasatra ny sabata. Saingy lasa fanagejana ny vahoaka tamin'ny andron'i Jesoa ilay izy ka nahatonga an'i Jesoa nanasitrana tamin'ny andro sabata izay fady mihitsy araka ny lalan'ny testamenta taloha!
239. Achia ( 30/03/2006 09:58)
Marina tokoa zany fa ny sabata dia tena nageja t@ TT fa nony tonga JK dia tsy nanafoana izy fa namaha nanala ilay geja ohatra @ zany taloha de tsy azo atao ny mibata entana mandrehatra afo ets ... Ka @ zao andrompahasoavana zao ve de mety ahavonjy ny fanajana zany fomba izany Tsy ny didy no nofoanana fa ny fomba2 manodidina azy , fa ny sabata de mijanona ho sabata mandrampiavin'iJK eny @ rahon'ny lanitra izay no nahatonga ahy nanoratra hoe ilay sitrapon'ATRA aloha jerena refa mandray baiboly de azava aminao ny tohiny rehetra ataovy ao antsina mandrakariva fa tsy misy didin'ATRA foana na tendrotsoratra iray aza
240. jentilisa ( 30/03/2006 13:26)
ny soratrao eo dia efa mandiso anao sahady. Tsy misy didin'Andriamanitra foana hoy ianao saingy ilay tsy mahazo mandrehitra afo sy mibata entana anie ka voasoratra tsara e! sa tsy foana ireny fa mitoetra eo ihany?

Manaraka izany, voaray amin'ny fanajana ny sabata ve ny jentilisa? iza no tena nifanaraka ny amin'ny sabata? inona ny zavatra vitan'Andriamanitra ka nametraka azy hanajana io sabata io? ny jentilisa angaha noahafahana avy any egypta? Tsy ny jentilisa ary ve no voa mafy tamin'io fanafahana avy any egypta io? Ny egyptiana manko dia jentilisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1247