paska , paques , paka

1. dadabe ( 22/01/2006 03:39)
aminao inona no tena hevitr'io teny io?
ahoana no fomba hankalazana azy?
mbola ilaina ve izany amin'izao vanin'andro hiainantsika izao ?
novalian'i marozevo ny 26/03/2006 23:10
2. vale ( 22/01/2006 07:46)
ny heviny ve: @ maha kristiana alo de fankalazana nitsanganan'i kristy t@ maty??????????
fankalazana azy: any am-piangonana mivavaka é, dia mifety ko kà!
Fa ahona moa no tsy ilaina????:roll:
3. dadabe ( 22/01/2006 09:06)
humm izany an ! zah aloha tsy mbola hamaly fa mbola hiandry ny hevitry ny namana :wink:
4. routa ( 22/01/2006 10:18)
ny paska ve tsy fahatsiarovana ny nahafatesan'ny Jesosy ?
ilaintsika kristiana io ka ho fahatsiarovana Azy
5. Mifenty ( 22/01/2006 11:11)
ra tsisy né lty ny paska de tsisy antenaina tsony kou zany e, ny amin'ny fiainan-ko avy retra kle.

Zé ankalazana anazy samy manao zé mafalifaly ny fony.

mi karemy zé te hikaremy mialoha azy, mitsongoloka zé te hitsongoloka, sns.

refa ao fotsiny le oe "nitsangana tam maty Jesoa Mpamponjy antsika , ô mifalia, Haleloia."

ain lah io vazo io v ry bedada?
6. Vahinala ( 22/01/2006 11:56)
dadabe > Ko raha tsy ilaina izy maninona raha tsisy ankalazaina aby daholo zany izay mety ho fety rehetra mikasika an'i Jesosy ? Sa ve efa mandeha be ny fivoharana amin'izao fotoana dia mody adinoina daholo izany ? Azavao klou ny hevitrao fa tsy mazava e ! :-*:-*:-*
7. nani ( 22/01/2006 12:19)

Ouuujiii fa tsy ilaina ahona ry dadabe an ??ilay paka ve no tsy ilana sa ilay fanakalazana azy ??
Ny paka amiko fety kristianina , ho an ny zay mino moa zany .Ary ankalazaina amin izany ny nitsanganan i Jeso taminn maty !! ary amiko ny paka ary mbola saro-bidy kokoa noho ny hoe nahaterahany (noel ) !asa anefa aloha fa samy manana ny heviny !!
8. fiaritiana ( 22/01/2006 13:04)
fa ahoana no tsy hankalazaina e??so dé silamo ndray aza dadabe ka tsy hankalaza an izany!tokony ankalazaina io toy ny fety rehetra Noely,sns
9. sipagasy ( 22/01/2006 13:44)
mmhhh aleo izany indray hiandry ny hevitr'idadabe injay hijerena azy e!
10. dadabe ( 22/01/2006 14:53)
fa ahona aza izany famakinareo size izany , zah angaha nilaza hoe zah tsy hankalaza na tsy tokony hankalazaina ny paka ?? zah anie nanokatra e :D fa izany hoe mahafinaritra aloha fa naneho ny heviny ny rehetra e, ao ny milaza fa hoe ny paka =nitsanganany , ao ny milaza fa hoe ny paka=nahafatesany , inona aza no tena marina ??? andraso aza fa hamaly aho e
11. dadabe ( 22/01/2006 15:11)
avy aiza marina aza ny teny hoe paka? taiza no niantombohany ? ndeha ary isika hamaky baiboly e
eksodosy toko faha-7 andininy faha 14-manaraka ahiitana ireo loza 10 izay nataon'Andriamintra ny fahiny t@ andro hivoahan'ny zanak'israely tao egypta, ny loza faha 10 farany dia mikaska ny namonoana ireo lahy matoa rehetra tao @ faritanin'ny egypta , ao anatin'izany ny lahy matoa ao @ zanak'isiraely ,nanome teny fikasana ho an'i Mosesy sy Aarona anefa Andrimanitra fa tsy ho ringana daholo akory ireo lahy matoa rehetra ao @ faritany egypta , ao antin'izany ny zanak'isiraely , fa misy ny hovonjena, raha toa ka manaraka fepetra izay homan'Andriamnitra .Dia ity iizany fepetra izany
eksodosy 12:1-14
[b]1 ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:

2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.

3 Mitenena hianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;

4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hunisanareo ny zanak'ondry.

5 Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;

6 ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.

7 Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.

8 Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.

9 Aza hanina manta na voahandro amin'ny ra­no izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.

10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.

11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia ho­haninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.

12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.

13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.

14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiaro­vana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakIzay.[/b]
12. dadabe ( 22/01/2006 15:20)
famintinana: nasain;i Jehovah naka zanak'ondry tsy misy kilema lahy ny zanak'isiraely ary @ andro faha -10 @ volana voalohany dia efa tehirizina ao antrano io zanak'ondry io ,ary afaka hefarana izany hoe @ andro faha 14 volana voalohany (abiba na nisana )no hamonoana azy , ary izany fahafatesan'ny zanak'ondry izany no nantsoina hoe paskan'i Jehovah , misy fepetra takiana ihany koa ao @ io fankalazana ny paska io dia ny andininy faha-11 , hisy heviny ara-panahy avokoa izany rehetra izany rehefa avy eo fa araho tsara .ary dia ilay ran'ny zanak'ondry natetina teo @ tolanam'baravarana no ho famantarana fa hoe namono zanak'ondry ilay olona t@ izany fotoana izany , ary rehefa mandalo Jehovah dia tsy hamono ny matoa rehetra ao @ trano izay ahitana ra eo @ tolanambaravarana.
mazava izany fa tA@ andron'ny testamenta taloha dia ny famonoana ny zanak'ondry no nantsoina hoe paska fa tsy ny nitsanganan'ny zanak'ondry.
13. dadabe ( 22/01/2006 15:36)
ao @ levitikosy tokofaha-4 1-6
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:

3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.

4 Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'onibilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.

5 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana

izany hoe raha nanota ny zanak'isiraely dia tsy voavela ny fahotany raha tsy misy ra alatsaka ary inoan'izy ireo fa ilay zanak'ondry maty , na ilay zanak'omby maty no nisolo ny heloka .

ndeha ary isika hiditra ny testamenta vaovao
tonga i Kristy , dia izao no fahitan'i Jaona azy
jaona toko -I:29
29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra[na mitondra] ny fahotan'izao tontolo izao!

30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy


dia mazava izany fa i kristy no Ilay zanak'Ondrin'Andriamnitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, izy no ho maty ,mba ho paska ho antsika ,
izao no voalaza
I-korintianina-5:6-8
6 Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra?

7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;
, mazava aloha fa raha ny soratra masina no jerena dia ny fahafatesan'i Kristy no tena zavadehibe satria teo no namelany ny heloko sy ny helokao ary io no tena paska lehibe fa tsy ny nitsanganany akory.dia ahona indray ary ny mikasika ireo fepetra tany aloha rehetra hoe raha mihinana ny paska dia ampiarahina @ mofo tsy misy masirasira sy ny ananana mangidy ary ny valahina misikina , misy tehina eny @ tanana, ary manao kiraro eo @ tongotra , inona daholo ny hevitr'izany ara-panahy ??
valiny:
14. dadabe ( 22/01/2006 15:51)
ireto ary ny heviny ara-panahy :
efesianina toko faha 6 andininy faha 10-17
10 Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra].

13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;

16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy.

17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,

mazava izany fa raha ireo andiny ireo no jerena dia
ilay masirasira =lolompo sy faharatsiana
kiraro =fahavononam-panahy
tehina=tenin'Andriamanitra
fihinana ny paska=mivavaka mandrakariva ao @ fanahy

dia ahona indry ary , mbola hamono Ondry ihany ve ??

valiny hebreo toko-9 andininy faha:11-14
Fa Krisy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tebernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,

12 ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.

13 Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-batotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,

14 mainka fa ny ran'i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona
.
izany hoe : ny ran'i Kristy dia ampy fa tsy mila mamono Ondry na zanak'Ondry intsony, fa ilay fepetra rehetra takiana dia tokony mbola tandremana , ary na i Kristy aza mbola nitandrina io paska fanaon'ny jiosy io ,
ity anefa misy mahalasa eritreritra hoe dia ahoana izany ilay hoe @ andro faha 14 volana abiba no hanaovana ny paska ?? andro anakiray tsy miova mihitsy anie io izany e, izany hoe mitovy @ daty aniversaire raha 14 mars ohatra dia io fa tsy miova , fa tsy hoe 2004 dia atao hoe alahady faha 14 mars dia 2005 ohatra alahady faha 17 avril dia 2006 ohatra atao hoe alahady faha 6 avril , fa andro 1 io tsy miova araka ny voalazan'ny soaratra masina , dia ahona indray no fomba hanazavana io daty io ?? aleo aloha ny namana mba handray anjara dia hamaly ihany aho rehefa avy eo satria hisy hifandraisany betsaka @ ilay fanorenana ny andro alahady sy ny andro sabata ity resaka paska ity :D(l)
15. Mifenty ( 22/01/2006 21:18)
soa iany lesy fa nozarazarain lah le izy fa tsy nataon lah otran ny an'i tsimiandravola le


ra nakamban lah bambaray io d tsisy namaky teo tsinn ra tsy vao imprimer na kle


merci bedada a


nani>> 10000% d'accord am toi aho
16. dadabe ( 22/01/2006 23:16)
:D:D:D
17. diamondra27 ( 23/01/2006 10:39)
za aloha d'accord fa za mankalaza ny fety paska e!
18. vale ( 23/01/2006 11:05)
hihihih, fankalazaina ny nahafatesan'ny tompo kay!
19. dadabe ( 23/01/2006 12:30)
vale izay mihitsy , satria ny tenin'Andriamnitra dia natao hanitsiana izay diso
20. cutie ( 23/01/2006 12:53)
lava be ry bedada a, tsy nahavaky za :-D
ny ahy ny paska de nanamarika ny nanesoran'i jesosy helontsika e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1153