manaraka sa mifanena ?

1. dadabe ( 19/01/2006 07:44)
hono hoaa ry namana isany ahoana ny fomba handraisanareo ny hoe :" Manaradia an'i Jesosy , sy ny hoe Nifanena tamin'i Jesosy?" dia iza no metimety kokoa ?
hazavao ny hevitrao:D
novalian'i xxx ny 24/03/2006 18:54
2. Fiffi ( 19/01/2006 09:21)
Nifanena t@ Jesosy aloha amiko dia izao: rehefa nisy maizina iny ny lalana , rehefa tsy hita intsony izay hatao ka io fa tonga saina tampoko , misy antony mahatoa ka tonga saina tampoka , azo hatao hoe nifanena t@ Jesosy aho ary izy no nanakana ny tsy hanaovana adalana , niamazava ny lalana sy ny maizina , fa io aloha dia miankina @ finoan'ny tsirairay avy. Indro fa tonga saina ka nihemotra tsy nanao ilay adalana ohatra io an! dia nino fa Jesosy no nilaza fa sy tokony hanao ratsy , nifanena taminy izany .
Avy eo nohon'ny tena natsaiaro tena sy nahatsapa fa saika nanao adalana tokoa nefa nifanena t@ Jesosy nanarina dia vonona @ izay Hanaraka azy , na manaradia azy , @ fahendrena sy fiheritreretana tsara alohan'ny hanaovana zavatra , fa mbola averiko hiany fa io dia miankina @ finoan'ny tsirairay avy. Izay no mahatonga ny fandehanana mivavaka mba hanaradia an'i Jesosy araky ny filazan'ny Jesosy hoe " avelao anantona ahy ny ankizy"
3. naritsimba ( 19/01/2006 10:10)
Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray.
Manara-dia ve izany sa mifanena Aminy.

Izay mino Ahy hoy Jesoa dia ny asa ataoko no ataony koa.

Antsika no misafidy na hanara-dia na hifanena aminy.

Amiko ny tena tsara dia ny miaraka Aminy ka manao ny asan'izay naniraka azy, dia ny hanasitrana hitsabo hanangana izay efa rava ela.
4. Vahinala ( 19/01/2006 10:51)
Mitovy hevitra amin'i naritsimba aho.
5. dadabe ( 19/01/2006 11:02)
hoy i Fiffi>
Lohateny : Re : manaraka sa mifanena ?
Nifanena t@ Jesosy aloha amiko dia izao: rehefa nisy maizina iny ny lalana , rehefa tsy hita intsony izay hatao ka io fa tonga saina tampoko , misy antony mahatoa ka tonga saina tampoka , azo hatao hoe nifanena t@ Jesosy aho ary izy no nanakana ny tsy hanaovana adalana , niamazava ny lalana sy ny maizina , fa io aloha dia miankina @ finoan'ny tsirairay avy. Indro fa tonga saina ka nihemotra tsy nanao ilay adalana ohatra io an! dia nino fa Jesosy no nilaza fa sy tokony hanao ratsy , nifanena taminy izany


somary asio fijoroana vavolombelona hoe raha sitrakao !
Avy eo nohon'ny tena natsaiaro tena sy nahatsapa fa saika nanao adalana tokoa nefa nifanena t@ Jesosy nanarina dia vonona @ izay Hanaraka azy , na manaradia azy , @ fahendrena sy fiheritreretana tsara alohan'ny hanaovana zavatra , fa mbola averiko hiany fa io dia miankina @ finoan'ny tsirairay avy. Izay no mahatonga ny fandehanana mivavaka mba hanaradia an'i Jesosy araky ny filazan'ny Jesosy hoe " avelao anantona ahy ny ankizy"

kanefa anie raha ilay hoe avelao ny zaza hanantona ahy , raha ara-bakiteny dia hoe mifanatriaka 2 i Jesoa ilay zaza ary manantona azy , tsy manarakla aazy izany fa mifanena ....sa ..??? hummm


hoy i naritsimba
Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray.
Manara-dia ve izany sa mifanena Aminy.

Izay mino Ahy hoy Jesoa dia ny asa ataoko no ataony koa.

tsy efa taorian'ny nifanenany t@ i Jesoa ve izany ?

hono hoaa raha mba azonareo atao dia somary asio fijoroana vavolombelona mba hampahery ireo namana hafa amizay dia tsara fototra ilay hevitra arosonao
6. diamondra27 ( 19/01/2006 14:43)
hainareo ve le hira oe:
ny miaradia @ Jesosy no tiako ......nahitako an'i kalvary zay nijaliany..............

Mifanena aloha vao manaraka azy ngamba no mety ka
tsy afaka manaraka olona enao ra tsy nifanena t@ de takizay koa Jesosy

avia ataoko mPanarAto olona ianareo ...
7. marozevo ( 20/01/2006 00:10)
Mifanena : làlana iray ihany no izorana fa ny iray mianatsimo ary ny iray mianavaratra.
Manaraka - na miaraka aminy : làlana iray no izorana sady mitovy ny tanjon'ny dia.

Izaho kosa dia mitovy hevitra amin'i Fiffi... Io ilay mibebaka eh... na hoe CONVERsion.
Ny mifanena koa eto dia manana hevitra hoe "mahafantatra", na mahita. Ohatra misy teny hoe "Tchang". Efa nifanena tamini'ny masoko, na efa nifanena tamiko io teny io, fomba fiteny izany, tsy dia ara-bakiteny no andraisana azy.

Fa misy koa ilay hoe NITOPY TAMIKO ny fijerin'i Jesoa... Izany hoe nifanena izahay fa izaho tsy nahatandrina azy, dia izy no nanopy ny fijeriny hanaitra ahy mba hamantatra azy sy hanaraka azy.
8. naritsimba ( 20/01/2006 04:25)
ehefa avy mifanena ange dia na miaraka aminy na misaraka aminy e! izay ihany fa tsy ùmisy ankoatran'izay.
9. majesty ( 20/01/2006 04:53)
Ny mifanena aloha dia ny hoe nandeha tamin'ny lalana samihafa de nifanojo teo amin'ny toerana iray.
Ny hoe manaradia indray dia azo adika ara-bakiteny hoe manaraka ny dian'i jesosy izany hoe izy eo aloha dia ianao ato aoriana,dia mazava ho azy fa izay lalany no arahinao.
Fa mbola misy teny iray koa dia ny hoe miara-dia @ jesosy izany hoe tsy i jesosy ntsony no eo aloha dia ianao ato aoriana fa miaraka mandeha mihitsy.Raha alaina sary an-tsaina ary dia toy izao hoe i jesosy ihany no mandeha fa ianao efa miafina ao @ jesosy dia tsy hita fa miaradia aminy tanteraka.
Dadabe : tsy haiko raha nahavaly azy reo :D
10. marozevo ( 21/01/2006 00:51)
naritsimba:

ehefa avy mifanena ange dia na miaraka aminy na misaraka aminy e! izay ihany fa tsy ùmisy ankoatran'izay.



Tena marina io lazainao io ...Eo no mipetraka ilay safidy avy amintsika. Satria na mifanena aza, ka anopazany maso, ka antsoiny, dia afaka mandà hatrany. Jereo ange fa misy an'izany anie eh ... Vao avy nividy omby roa aho ka hanandrana azy .... Vao nampaka-bady eh .... Tsy afaka eh ... Aleo aloha handevina an'i dada eh... sy ny sisa.
11. routa ( 21/01/2006 06:31)
mifanena vao manaradia ry dadabe:D
12. dadabe ( 21/01/2006 12:38)
izao aloha zah anie tsy hitopo-teny fantatra hoe haiko ilay valiny e! fa zah te hizara ny hatsaran'i Kristy ho an'ny namana , ary indrindra ny hijoro vavolombelona fa misy ary velona i Kristy fa tsy lany andro sy tsy misy ,araka ny nolazan'i sasany ( ao ambadika ao )
13. Veloo ( 22/01/2006 00:20)
rehefa mifanena @ jesosy anie dikan;izany mety tsy taitra akory enao ny hanaraka azy...
ny manaraka an;i Jesosy dia manaiky azy, matoa nanaraka azy satria tia azy...
14. marozevo ( 22/01/2006 01:38)
Veloo:

rehefa mifanena @ jesosy anie dikan;izany mety tsy taitra akory enao ny hanaraka azy...
ny manaraka an;i Jesosy dia manaiky azy, matoa nanaraka azy satria tia azy...



Efa izay koa inona indray ?
15. dadabe ( 22/01/2006 03:38)
dia aleo manaraka azy izany e, izany hoe manao izay zavatra nataony, ary manaraka ny didiny , hummm aleo aza hosokafana indray ny size vaovao momba ny paska raha izany :°)
16. routa ( 22/01/2006 10:39)
tsara be zany lesona zany de ampianaro zahay rehefa tsy mahay ry dadabe sy ny namany fa hianatra no alehako eto kou de misaotra anareo e!:D
17. diamondra27 ( 22/01/2006 11:09)
manaradia=Tsy hoe: Izy no eo aloha de enao aoriana fa manaraka= suivre= mankato no tiana hambara eto, donc ny hoe manaradia izany dia manao izay nandidiany atao sy ny mitandrina ny teniny.Tsy mora ny manaradia an'i Kristy araka ny teniny, ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny amiko, ny zanaka handà ny ray etc... donc raha mbola misy vatomisakana anao tsy hanao ze notendreny de mbola tsy mpanaradia azy enao izay.
18. marozevo ( 22/01/2006 20:06)
Ny fahalemena tsy sakana tsy hanarahana dia an'i Kristy.. Jereo ange i Piera eh (Petera), im-piry rangahy iry no nisehoam-pahalemena, nefa dia iny izy hita hatramin'ny farany iny... satria niaky hatrany ny fahalemeny izy. Fa ny tena olana dia toa an'ilay Jodasy, tsy nifona na nibebaka, fa namono tena... Io no tena loza. Tsy izy ilay nivarotra ny Tompo akory no tena nahavery azy, fa izy ilay tsy nahalala nifona.
Matetika aza noho ny fahalementsika mihitsy no mahatonga antsika hitady an'i Kristy hiara-dàlana amintsika.
19. dadabe ( 22/01/2006 23:53)
ekena tanteraka , fa izay mihirimbelona tsy hiova ihany no tena voa mafy
20. diamondra27 ( 24/01/2006 01:00)
nda hanaraka Azy e!(Jesosy) Tsy izay ve no metimety kokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3914