Fa maninona kay?

1. Fiffi ( 14/01/2006 06:55)
Lasa ny saiko mahita ireto Gasy na lahy na vavy manambady vazaha lasa niova tanteraka ny toetran'izy ireo ( tsy ny rehetra akory an ) fa tena variana aho satria lasa mihavonavona , tsy mety miteny gasy , na dia tsy eo aza ny vadiny, mody tsy mahafantatra anao mihintsy indraindray , ny tena mampalahelo dia sahy manaratsy ny gasy fa io eo anatrehan'ny vadiny an!
(marihako eto fa tsy ny rehetra io fa tena misy !)
novalian'i Fiffi ny 23/01/2006 04:54
2. fiaritiana ( 14/01/2006 07:55)
loza koa zany!fa nahoana tokoa ary???
3. xxx ( 14/01/2006 08:58)
tena tampotampohan'ny manambady vazaha sy ny fiainana aty an-dafy ny sasany dia manilika ny akoho mavon-drazana. Nefa anie dia gasy ny razana e. Ary ny gasy izay iray ra aminy koa manana ny maha-izy aza. Toe-tsaina io. Tsy ho lasa lavitra eo akory. Gasy ka manja na heverina hoe mahantra aza.
4. Vahinala ( 14/01/2006 09:23)
Fiffi > Iny ndray aky d tsy mahagaga fa efa mahazatra, ireny le tampohany vao mba tafiakatra kely teo amin'ny fiaraha monina dia izay no hiafarany e, nefa tsy fantany fa ratsy be izany ananan'ny olona alahelo zany. Io aky no tsy d hitiavako makao Paris ao (mialatsiny am namana zay mipetraka ao=), misy gasy mitovy am tena zao mifanena dia mangaringarika tsotra zao, enao mba te hiarahaba nefa de héhéhéhéhé mampiori-koditra le toetsaina.
5. rurik ( 14/01/2006 09:34)
vahinala makanesa aky aty fa za zao tena mahatsiro irery fa tsy dia mahita gasy aty an :-*:-*:-*=)) fa io aloha tsy ny rehetra marina no manao an'io e efa toetsaina le izy fa na samy gasy aza misy izay mba tsaratsara fivelomana dia tsy miraharaha na dia ny avana aza raha mahantra noho izy , koa aza gaga fa efa toetsaiana io na gasy na vazah dia maro ny manana an 'io.
6. Vahinala ( 14/01/2006 09:37)
rurik > Ho any aminjy mintsy zao za an ! :-*:-*:-*
7. Fiffi ( 14/01/2006 11:09)
Vahinala: ka zao ange e! nahita aho eny fa na ilay vadin'ity vavy gasy ity aza dia tena gaga sy talanjona tokoa ary izy mihintsy no nametraka ny fanontaniana hoe " mais ce sont des Malgaches , tu ne leur dit pas bonjour " ? dia namaly izy hoe "boff" fa tena ambany saina arakin'ny filazan'i xxx io .Tena mampalahelo e!
8. Vahinala ( 14/01/2006 11:20)
Fiffi > Tantaraiko zavatra ndry,tam za mbola niasa tany dago talohan'ny nakanesako taty ary a,d nisy sipa mpiara miasa amiko izay vaza ny vadiny d indray mandeha notantarainy tamiko fa nandeha nisakafo tany am mpiara miasa amle vadiny ry zareo, vaza koa io ary d gasy koa ilay sipa vadiny, dia tsy mety miteny gasy mihitsy hono izy na samy izy 2 gasy aza no miresaka fa valiany am teny frantsay foana le namako, d miara milalao eo ny zanaky ry zareo d le zanaky ny namako zany mahay miteny gasy tsara, d hozy ony le anakiray hoe, ny ahy tsy nampianariko miteny gasy zany d hoe fa maninona ? "C'est pas la peine, je ne vois pas l'intêret, ma fille est française mais non pas malgache". Zay hono no navaliny, sady izy amin'io le mizesta be tsisy hevitra reny fa d hoe amin'ny maha mpiara miasa an'ilay vady 2 lahy moa d tsy maintsy nandeha tany amin'ity fisakafoanana ihany. D za aky variana ozy le namako fa tsy haiko hoe inn koa izany toetsaina zany !
9. fasaly ( 14/01/2006 12:11)
aza hivakiana loha re a! ignorer-o izy raha mi ignorer anao kou! tsy mifamelona akory ka hisolelaka azy e! ny anao zay mahamety ny fiainanao hatao de zay ihany e! vazaha ou pas vazaha!!!!!!
10. Vahinala ( 14/01/2006 12:14)
fasaly > zay mantsy aky hoa ko.
11. mirana5 ( 14/01/2006 12:57)
fasaly:

aza hivakiana loha re a! ignorer-o izy raha mi ignorer anao kou! tsy mifamelona akory ka hisolelaka azy e! ny anao zay mahamety ny fiainanao hatao de zay ihany e! vazaha ou pas vazaha!!!!!!




Dia izany mihitsy mbo tia mbo tiko mbo tsy tia ahy mbo tsy tiko:lol: dia zay tsisy mivaky loha @zany toe tsaina mirefarefa @ tany zany isika ééé rivotra hiainana mitovy hiafarana mitovy ka inona ary ity ô?
12. Herimiafina ( 14/01/2006 13:53)
Fiffi:

Lasa ny saiko mahita ireto Gasy na lahy na vavy manambady vazaha lasa niova tanteraka ny toetran'izy ireo ( tsy ny rehetra akory an ) fa tena variana aho satria lasa mihavonavona , tsy mety miteny gasy , na dia tsy eo aza ny vadiny, mody tsy mahafantatra anao mihintsy indraindray , ny tena mampalahelo dia sahy manaratsy ny gasy fa io eo anatrehan'ny vadiny an!
(marihako eto fa tsy ny rehetra io fa tena misy !)

Ka matetika izy nanana tantara ratsy tamina bandy gasy ratsy na sipa gasy ratsy de niova loko e. Aza mba tia mi-generaliser ihany hoa. Asiana théorie hatramin'ny karazan'olona, hehehehe:-D:-D

13. Vahinala ( 14/01/2006 15:17)
Tssss tena tsy mihitsy zany fa d atao ahoana moa e !
14. dadabe ( 14/01/2006 15:49)
humm ataovy delete e! na supprimer-o de vita
15. jennifer2 ( 14/01/2006 16:21)
Za reto raha sanatria ka manambady vazaha zany! ampianariko teny gasy tsara ny zanako, de ny vadiko koa!
16. pissoa ( 14/01/2006 17:00)
Hihihi - tonga dia sanatriavin-dry mihitsy ry Jenny an :-D:-D
17. vale ( 14/01/2006 23:10)
Vahinala:

Fiffi > Iny ndray aky d tsy mahagaga fa efa mahazatra, ireny le tampohany vao mba tafiakatra kely teo amin'ny fiaraha monina dia izay no hiafarany e, nefa tsy fantany fa ratsy be izany ananan'ny olona alahelo zany. Io aky no tsy d hitiavako makao Paris ao (mialatsiny am namana zay mipetraka ao=), misy gasy mitovy am tena zao mifanena dia mangaringarika tsotra zao, enao mba te hiarahaba nefa de héhéhéhéhé mampiori-koditra le toetsaina.

Vahinala> Tena marina ny andry! ny tenako izao no mahita! nefa ny vahiny sasany aty ivelany aty aiza ny firaisan-kina! eeeee maha-menatra!sady mampalahelo! izy samy izy aza ozy ny olona tsy mifankatia kno!:{
Fiffi> :wink: mba te ho vazà angamba aky izy à! nefa moa in no tsiriritina eny @ vazà é! tôko olombel mitovy @ hafa ihany iny!:roll: sa fananany angà??? raha izay indray alou amiko de aleoko tsy misy aky!:wink: :-D

18. vale ( 14/01/2006 23:15)
jennifer2:

Za reto raha sanatria ka manambady vazaha zany! ampianariko teny gasy tsara ny zanako, de ny vadiko koa!

jennifer> merci ndry! tena izay mihintsy no fanao azy!!! samy manisy lanjany ny azy io sa aona aky?:wink: (l)(l)(l)

19. Tokinao ( 14/01/2006 23:16)
Za koa aloha ry zareo dia mahatsikaritra zavatra mitovitovy amin\\\\\\\'io tantarain\\\\\\\'i Fiffi sy Vahinala io e. Misy sipa gasy namako izay mantsy aty, celibataire izy. Izy hono tsy mba hiverina aty Dago izany intsony fa hitady vady vaza @\\\\\\\'izay mba mahazo nationalité fçaise. Ka de mbô malaelo ihany za mieritreritra hoe : misy olona de tena jambam-bazaha, sy jambam-bola, ka dia manadino ny tanindrazany. Ilay hoe manambady vaza aloha dia safidiny ihany iny, fa ra ny fijeriko aloha dia aleoko ihany ny ahy gasy e. Maro ihany ny lafitsaran\\\\\\\'ny toe-tsaina malagasy tsinon, ohatra @\\\\\\\'izany ny fitandroana ny \\\\\\\"fihavanana\\\\\\\". Ary ankoatr\\\\\\\'izany dia eo ihany koa ny fitiavako ny tanindrazako tsotra izao e : raha tamina tolona sy revolte no fomba fanehoana ny fitiavantanindrazana t@ faha-\\\\\\\"colonisation\\\\\\\", dia heveriko fa ny anjarantsika kosa dia ny fampandrosoana azy, sy ny fitazonana ny idéntité culturelle-ny.
Ra fintiniko de izao e : manentana antsika hatrany aho ho sahy mijoro ho malagasy.Ary izay miavona mba iavony.
20. lapino ( 14/01/2006 23:25)
Tokinao:
Ary izay miavona mba iavony.

Kambony manko izany, fa aza iavonana izy! Tsipazo tsiky kely foana, fa tsiky dia ampy hahatonga saina ny avony :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.0552