Any ivelany ny alika!

1. lapino ( 02/01/2006 01:17)
Ny alika hatramin'izay natao biby mpanampy foana, mpiambina tanàna na mpihaza ohatra, sns ... Fa amin'izao toa lasa tsy hitako intsony hoe atao inona alika ao an-trano?!
2. jennifer2 ( 02/01/2006 02:22)
atao haingo-trano de hitadiavana fahasahiranana e!
3. cutie ( 02/01/2006 02:37)
lasa mpiambina ao an-trano njay le alika @ zay ka 8)
4. jennifer2 ( 02/01/2006 05:20)
sao ve misy maka ny vadin-dramose?
5. cutie ( 02/01/2006 05:22)
ie zay mitsy ry jennifer a :-D
6. kally ( 02/01/2006 07:57)
Toa lasa kilalao ny alika ho an'ny sasany, mitaritarika ny tompony eny rehetra eny , dia ividianana kilalao, dia tsy mikory taolana intsony fa ividianana kisarisarin-taolana sy sakafo am-by fotsy hany ka be ny alika marary nify amin'izao...
7. lanto ( 02/01/2006 08:46)
lasa solon-janaka aza kou !!!
Alika mampalahelo tsy mahalala intsony ny tsiron-taolana :(

8. dadabe ( 02/01/2006 09:19)
manao resak'alika injay nynamana marina :^)
9. chic ( 02/01/2006 10:57)
Ny alika matavy tsy hoanina , mahia mahamenatr'olona
10. ari.malala ( 02/01/2006 12:41)
:-D:-D
11. fasaly ( 02/01/2006 17:06)
izaho kou aloha tsy manakasitra ny fitahirizana alika ao antrano e! ny saka aza efa tena tsy de voako loatra......sady mamela fofona be no feno volo etsy sy eroa, ny fikarakaràna azy etsy andaniny e! e! e!
12. jennifer2 ( 03/01/2006 01:46)
sady be aretina koa anie ny biby e!
13. lapino ( 03/01/2006 11:08)
jenni, cutie : lasa mpiambin-davaka indray izany !! :-D

"Lasa kilalao", izay angaha; fa kilalao manahirana.

Fa ilay solon-janaka toa hafahafa ihany ko. Manalika tena ihany tsinona ilay tompony. Tsy haiko aloha fa ohatra ny somary mahasosotra ihany indraindray mieritreritra hoe ny alikan'ny sasany mandany noho ny zaza sasany! Dia tsy aleo aza ve manangana zaza hotaizana raha izay?
14. pissoa ( 03/01/2006 11:38)
Tsy kilalao manahirana izany ny alika :(
Fa tsy atao solon-janaka koa aloha e!
15. cutie ( 03/01/2006 12:35)
ny alika anie good companion e 8)
16. ravakamalala ( 03/01/2006 14:46)
tiana ny alika satria azo anaovana izay itiavana azy, nefa tsy mamaly, tsy miteny.

zany no tena itiavan ny vazaha azy ireny. ny alikan ny sasany aza moa ry reto entina mijery psy fa ohatran ny mi deprime hono!!! tena resaka serieux io an, hitako tamina émission iray tam télé izay:roll:
17. lapino ( 03/01/2006 18:35)
Raha any ivelany ny alika, dia tsy hitako izay maharatsy azy. Fa raha ao an-trano anefa dia manahirana fotsiny. Ohatra fotsiny ankoatra an'io efa resahan'i ravakamalala:
- tsy maintsy andraisana fepetra manokana ny momba ny fahadiovany ao an-trano
- tsy maintsy arovana ny sakafon'ny olona tsy hokitikitihan'ny alika
- rehefa misy dia aleha tsy ho afaka entina foana izy, kanefa koa tsy mahaleo trano irery
... sns ...

Ilay "good companion" ve satria izy manaiky izay atao azy? Tsy hitako anefa ange hoe atao inona alika ao an-trano e!
18. fasaly ( 03/01/2006 20:24)
tsy izay ihany fa misy ny alika manimba entana mandrovitra seza, mandoaka rindrina, tena ratsy baiko be.....manao maloto etsy sy eroa rehefa poritra ka tsy misy mpitondra miavoaka any ivelany any!
tena raharaha miampy noho ny efa misy ka korazy ho an'ny mpakafy fa zà klou tena aoka e!
19. lanto ( 04/01/2006 11:32)
Ny tompon'alika ange tsy antsoina tsouny hoe "maitres" fa "parents" e! présenter-na ny saka na alika de hoe io ny zanako. Aiza ny alika no tsy hi-deprime, tsy fantany intsony izy na alika na olona :roll::idea:

Nahitsin'i lanto
novalian'i lanto ny 04/01/2006 12:04
20. lanto ( 04/01/2006 11:36)
Mba tiko ity resak'alika ity :))
Mahatsiaro alika(gasy) izay aho amin'ilay lohateny hoe "any ivelany ny alika". Tsy nobaikoina tam teny vahiny mihitsy izy mba tsy handositra rehefa ataon'ny mpangalatra hoe "allez". Rehefa hamoaka azy any ivelany ny tompony de miteny hoe "ny alika tompoko an ....dia any an-tokotany no misy azy" . Efa fantany io ka vao manomboka fotsiny hoe "ny alika tompoko an..." d ohatry ny tsy teo lery !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.193