Ody "sida" Malagasy!!!

1. sambatra ( 01/12/2005 11:11)
Tao amin'ny "tribune de Madagascar" no nivoaka ity lahatsoratra ity ka ahoana ny hevitrareo?

Tsy ho zava-baovao velively amin’ny mpamaky ny fandrenesana sy ny filazana fa “ hain’Ingahy ZARANAINA ny manasitrana ny areti-mandoza SIDA”.Tsy fampahafantarana fotsiny fa fanamby mihitsy no efa napetrany fa azo ampidirana VIH ny tenany , hanaovana fanandramana, dia tsaboina amin’ny alalan’ilay fanafody, ka raha sitrana izy, dia eken’ny fanjakana ny fahamarinan’io fikarohana io. Tsy nanaiky anefa ny Minisitera fa natao ankilabao ilay fikarohana sy io soso-kevitra io, ary tsy najanona tamin’ny tsy fanekena fa dia nakana fanamarinana avy any amin’ny firenena lehibe fa “mampisy voka-dratsy eo amin’ny fahasalamana “ io fanafody resahana, na ilay ravi-kazo no marimarina kokoa.
Tsy izay no tian-kambara fa ny fivoaran’ny fikarohana sy ny porofon’ilay fanandramana. Re ary izao fa nasain’ireo firenen-dehibe hanao fanaporofoana tany aminy Ingahy ZARANAINA sy ny ekipa miaraka aminy tamin’ity volana hamaraparana ny taona ity. Firenena izay efa misy mamoy fo amin’ny fiandrasana fahafatesana, vokatry ny fitondrana ity aretina ity. Tsy nihambahamba tokoa ,na ny nasaina na ny mpanasa, fa vonona handray vokatra. Ny hazo voa-janahary izay betsaka ao amin’ny “Tandavan’alan’i Fianarantsoa manome toky rahateo, satria ravi-kazo maniry ao ihany no akana azy “ io fanafody tsiriritin’izao tontolo izao io.
Maro koa ireo maneho ady hevitra mba hampifanitsiana ny hevitry ny Filoha amin’ny fampitomboana ny zava-mainiry mahasoa sy ny fambolena ilay hazo mahasitrana ny Aretina SIDA. Ary hanokafana toerana ho an’ny vahiny, izay sady hahasoa ny “fizahan-tany” no hampalaza antsika amin’ity fahombiazan’ny fikarohana ity.
Koa tsy ho resahana lava intsony izay fa ho avy eto Madagasikara ZARANAINA, rehefa avy nitondra avo ny Maha-MALAGASY tany ivelany tany, amin’io voalohandohan’ny Desambra io, fa avelatsika izy tenany no hiresaka izany sy ny voan-dàlana hentiny.


novalian'i HERMA ny 15/05/2006 04:28
2. sipagasy ( 01/12/2005 12:02)
mmhhhhh tena marina daholo ve izany aloha e!????,
3. marengarenga ( 01/12/2005 12:56)
reharehan'ny gasy izany
4. watafon ( 01/12/2005 13:02)
enga anie ! izany mihitsy izao no irina e! matoa ange izy mahasahy atao cobaye d matoky ny fikarohana nataony izy e!
5. marengarenga ( 01/12/2005 13:27)
reharehan'ny gasy izany
6. vale ( 01/12/2005 14:15)
sambatra> zaho aloha mino an'izany e! madagasikara anie manankarena harena voa-janahary e! ny hazo an'ala izay haodina ho fanafody sns!
7. watafon ( 01/12/2005 14:32)
vale: sambatra izay mino nefa tsy mahita e! na za kou aza ange e !
8. jentilisa ( 01/12/2005 15:32)
d ho avy izany izy @ angady sy ny harona koa!
9. vale ( 01/12/2005 15:39)
watafon:

vale: sambatra izay mino nefa tsy mahita e! na za kou aza ange e !



watafon> ela velona gasikara eee!!!!
10. watafon ( 01/12/2005 15:42)
d mbo eritrereto tokoa oe ny zavatra mety hitranga eto amintsika raha tanteraka tokoa izany e!
11. ravakamalala ( 01/12/2005 15:57)
oainina ny ministera!!:wink:
12. lapino ( 01/12/2005 17:00)
Hoamboarin'i Zaranaina daholo amin'izay izany ireo tsy mifora ireo ko! :-D:-D:-D
13. Lejim ( 01/12/2005 18:28)
kay, vive ndray l'amour pas la guerre raha mba marina izany! Tsy mila mampiasa kapaoty intsony fa mamboly an'ilay hazo no atao raharaha. lol, enga anie ka marina!
14. vale ( 01/12/2005 21:52)
Lejim:

kay, vive ndray l'amour pas la guerre raha mba marina izany! Tsy mila mampiasa kapaoty intsony fa mamboly an'ilay hazo no atao raharaha. lol, enga anie ka marina!



aza dia mahita sampona re ry JIM a!hihihi
15. fijo ( 01/12/2005 21:58)
aza dorana indtsony ny ala ry zalahy,fa eny ambody haloka no mirevy,dia rehefa marary indray dia ilay hazo ihany no atao fanafody an.revy be izany an.hummmmm,saingy asa aloha izay fahamarinany
16. pitchou ( 02/12/2005 03:18)
tsssss! le gasy wa! ny vazaha ihany aminy no tena mbola fatratra fa raha ze gasy tsy azony atokisana!

Io ange izany izao tsy i Zaranaina no hankalazaina fa ny vazaha indray e! satria @gasy d tsy maintsy misy vazaha caution foana! i zaranaina fitaovana tao anaty labo fotsiny!
17. Angie ( 02/12/2005 09:49)
Marina daholo zany rehetra izany fa ho avy tsy ho ela any Dago izy hitondra vaovao. Tena misy dokotera vazaha tena sitrana hono dia io no tena nanampy azy nitady sponsor. Efa tany Dago mihintsy io dokotera io ary dia tena vonona hiady ho amin'io areti-mandoza io.

18. xxx ( 02/12/2005 09:51)

Za alou mahita kou fa i Zaranaina dia olona tsotra e raha olona hafa no teo @ toerany dia asa fotsiny izay nataony. Izy anefa dia mbola iny tsotsotra kely iny foana.
19. watafon ( 02/12/2005 11:15)
aleo hoavy izy d hitantsika eo ny valiny e!
Angie : tany italie tokoa moa izy teo sa japon fa tsy haiko intsony !
fijo : kanjo hono hazo hafa ilay izy fa tsy ilay fanafody :roll::roll::-D:-D:-D
20. Herimiafina ( 02/12/2005 21:48)
Otsan'ny manana espoara be zany tampoka zah klé, aleo ajanona amizay ty fampesana kapoty ty zany klé, hehehehe:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6695