SAROTRA NY MIOVA

1. fara ( 24/11/2005 12:00)
Amintsika malagasy d mbola sarotra mintsy ny hanova ny toetra ho tsara na hanaraka fandrosoana.Dradradraina hatrany ny hoe FANDROSOANA,nefa ny toetratsika tsirairay avy aza mbola mifotetaka @ tany.Ireny ve no atao hoe:FIHAONANA NAMANA SERASERA,tsy azoko mintsy ilay tena dikany na dia efa nohazavain'ireo mpanao tonokalo maro aza.Toa NAMANA,nefa mifangaro zavatra hafa.F'angah d tsy afaka ny hiova ho Realy marina ilay hoe Virtoraly e...?
Tena hoe misy marina ny fifahasamihafana ,d misy ny fanavakavahana,fety tokony ho tsara toy ireny dia be ny nitaraina fa tsy nahita FAhafinaretana tao anatiny,noho ny inona anefa izany?Noho ny fanavakavahana,samy maka ho azy,olona miresaka be izao ao @ tchat ,d toy ny olona tsy mahafantatra akory any @ fihaonana toy ireny.Mitovy @ irony sarimbavy ,tsy mahasahy mijery na dia ny tavanao akory aza.Tsy malahelo velively zah hoe tsy nisy nijery tany? TSIA,...zaho sy ny vadiko aza no nakany,koa ataoko inona moa lehilahy hijery ahy?sanatria izany.Sady namana nanie no tadiavaina any fa tsy vady e,fa raha toy ireny no mba atao hoe fihaonan'ny namana d aleo tsy misy fa mampalahelo be e,na dia le membre organisateur ihany aza dia mampimémé b ny endriny....hihihi
2. xxx ( 24/11/2005 13:12)
marina ny anao Fara
3. Angie ( 24/11/2005 13:34)
misy mahamarina io tenin'i Fara io saingy tadidio fa raha tena te hiresaka ange ianao mety nahavita nifandray tsara ihany e. Miankina @ ny fomba fanantonana oul kou.
Na izany aza tokony mba nisy namana tena nikarakara io lafiny iomihintsy satria mety maro ange no nanana olana toy izany e. Izay zatra miaraka foana no miaraka.
Saingy tsy azo hifanerena mou fa dia samy manao be resaka e
4. Angie ( 24/11/2005 13:38)
Zaho alou dia tena faly t@ fihaonana t@ namana vitsy tany Dago izay tsy nisy fantatro fa tena virtoaly daholo. tsy nisy organisaton be zany fa 2h avant dia rendez-vous, nisy maromaro no tonga t@ io fa tonga dia cool kah. Tsy mijery afatsy ny hoe namana virtoaly atao realy, dia faly mahafantatra dia izay. Faly ery za nody avy eo, na ny vadiko aza gaga @ ilay fahaizana maka namana.
Ka io miankina @ tsirairay, samy manantona fa tsy hoe hiandry hantonina foana akory.

Tsiky dia ampy hoy deba
5. glou ( 24/11/2005 15:22)


dia faly miarahaba anareo ny tenanay , izaho dia anisan' ny nikarakara iny fety iny ka rariny raha hamaly kely ny hevitry fara, voalaza mou fa mampme daolo ny endiky ny mpikarakara , fa ohatry ny inona mou izany endrika mampihomehy anao izany? dia manarak' izany isika rehetra no tao namana serasera daolo fa tsy we nisy olona hafa koa maninona ianao raha mba nampiresaka ny rehetra fa tsy ny rehetra no hampiresaka anao?ny tiako ambara dia hoe ny fandraisana anjara tamin' ny zavatra rehetra tao dia antsika rehetra fa tsy nisy we anjaran' ny mpikarakara, koa amin' ny manaraka aza dia manankina loatra ohatry izany fa raiso ny andraikitra de mba hiarahana eo daolo fa tsy nisy fanavahana mihintsy tao, izay angamba no azo ambara fa dia @ manaraka indray
6. Herimiafina ( 24/11/2005 17:47)
fara:

Amintsika malagasy d mbola sarotra mintsy ny hanova ny toetra ho tsara na hanaraka fandrosoana.Dradradraina hatrany ny hoe FANDROSOANA,nefa ny toetratsika tsirairay avy aza mbola mifotetaka @ tany.Ireny ve no atao hoe:FIHAONANA NAMANA SERASERA,tsy azoko mintsy ilay tena dikany na dia efa nohazavain'ireo mpanao tonokalo maro aza.Toa NAMANA,nefa mifangaro zavatra hafa.F'angah d tsy afaka ny hiova ho Realy marina ilay hoe Virtoraly e...?
Tena hoe misy marina ny fifahasamihafana ,d misy ny fanavakavahana,fety tokony ho tsara toy ireny dia be ny nitaraina fa tsy nahita FAhafinaretana tao anatiny,noho ny inona anefa izany?Noho ny fanavakavahana,samy maka ho azy,olona miresaka be izao ao @ tchat ,d toy ny olona tsy mahafantatra akory any @ fihaonana toy ireny.Mitovy @ irony sarimbavy ,tsy mahasahy mijery na dia ny tavanao akory aza.Tsy malahelo velively zah hoe tsy nisy nijery tany? TSIA,...zaho sy ny vadiko aza no nakany,koa ataoko inona moa lehilahy hijery ahy?sanatria izany.Sady namana nanie no tadiavaina any fa tsy vady e,fa raha toy ireny no mba atao hoe fihaonan'ny namana d aleo tsy misy fa mampalahelo be e,na dia le membre organisateur ihany aza dia mampimémé b ny endriny....hihihi



Anjay ry fara, masiaka be i toi zany. Ary ngo de otsan'izao no nataon'i toi tany de natahotra ny olona? Zusta remarka kely an.
7. fasaly ( 24/11/2005 19:46)
izaho kou toa an'i angie izany mihintsy e!....
hitako marina mintsy io lazain'i angie io.
misy kosa ny mitady namana fa misy koa ny mitady hoatran'izay e! tsy marina ve izany ho an'ny celibataire....
de ny tarehin'iza indray no nampimémé tao ny membre i organisateur ve, kou raha izany ve no nandehanana tany tsy aleo naotry tao antrano!!!!
ny virotaly tsara fa ny realy kou vao maika tsara ka ary ny virtoaly afaka miova realy!....
8. fijo ( 24/11/2005 22:53)
fara an,matoa ndry namoaka an'izao,dia nahatsapa zavatra.ka noho izany,dia hajaiko tanteraka le hevitra.
izao anefa,alohan'ny hivatravatra be toa io an,dia fantaro tsara aloha ny zavatra misy.
_aza hadino aloha,fa isika GASY dia olona avy any atsinanana,ary ny toetra hitovizantsika amin'ny tasinanana rehetra dia io henatra io.(i mihanta izao soa fa tsy nisy nanao indray hoe sipa pelika)satria raha ny tena toe tsaintsika mantsy dia le mipetrapetraka ireny no atao hoe tsara,sy hendry.
_aza hadino koa fa misy ny mbola tsy zatra le mihaona mivantana fa zatra le manala azy samy tsy hita maso.
_isika koa maro no zatra le miandry resahana ,na hampiresahana,ka raha tsy ny hafa no manantona dia samy gina eo.
koa noho izany,dia marina io voalazan'i glo io,amin'ny manaraka dia mba samia mihezaka mifandray,ary raha misy hita ho mihatakataka noho ny henatra,dia mba hatony,fa aza avela fotsiny eo izy.mba anjaran tsika no manova azy,fa tsy manebaka azy.
aryfarany,aza ny hendrikyny olona re no tsaraina,fa mba ny zavatra nataony e.
mino aho,fa amin'ny manaraka mbola hoavy ndry ,ary handray andraikitra mba hamelona ny fiaonana manaraka.
misaotra andry aloha namoaka ny zavatra toa izao.
9. LazaRandri ( 24/11/2005 23:49)
fara:

na dia le membre organisateur ihany aza dia mampimémé b ny endriny....hihihi
ka tsy ianao ve no mpanavakavaka voalohany tao?


10. fijo ( 24/11/2005 23:55)
aleo letsy tsy raisina amin'izay fa mbola feno ny fony an.
11. LazaRandri ( 25/11/2005 00:07)
ah...OK, sintomiko ny teniko ary e! :)
12. fijo ( 25/11/2005 05:29)
an an,avelao ihany ho eo fa mety hampisaina ka,hi hi hi
13. ari.malala ( 25/11/2005 06:26)
fara:

Ireny ve no atao hoe:FIHAONANA NAMANA SERASERA,tsy azoko mintsy ilay tena dikany na dia efa nohazavain'ireo mpanao tonokalo maro aza.Toa NAMANA,nefa mifangaro zavatra hafa.F'angah d tsy afaka ny hiova ho Realy marina ilay hoe Virtoraly e...?
Tena hoe misy marina ny fifahasamihafana ,d misy ny fanavakavahana,fety tokony ho tsara toy ireny dia be ny nitaraina fa tsy nahita FAhafinaretana tao anatiny,noho ny inona anefa izany?


Izaho aloha tsy tany, fa raha ny fahitako ny tatitra ao ambadika ao dia betsaka ny nitantara fa tsara e, ary mba efa nandeha fihaonana ihany aho, fa fony aho vao sambany nandeha dia tamàna sahady satria dia mahafinaritra daolo ny fandraisan'ny namana rehetra tao, ary afaka miova realy tokoa ny virtoaly, fa saingy tsy andraikitr'olona iray izany fa andraikitr'ireo rehetra te hanova azy. Noho izany amiko manokana, raha te hifandray d mila mahay mandray ny hafa aloha, ary mila mahay manatona e, fa ts hiandry atonina.


Noho ny fanavakavahana,samy maka ho azy,olona miresaka be izao ao @ tchat ,d toy ny olona tsy mahafantatra akory any @ fihaonana toy ireny.Mitovy @ irony sarimbavy ,tsy mahasahy mijery na dia ny tavanao akory aza.


Dia mbola sahiko ihany koa no milaza fa tsy marina velively izany satria t@ izaho nandeha fihaonana voalohany, dia betsaka aza no niteny hoe hay v enao le ari.malala e; d nisy ankizy tao @ chat, azoko tenenina eto v ny pseduo any? aleo teneniko fa ts maninona angamba satria aho ts hanaratsy azi, i Capitu, dia izy mitnsy no nanatona ahy ary njiarahaba sy niteny ahy hoe izaho ilay Capitu mpiresaka @nao ao @ chat.. ka tsy haiko ndray...


14. sasa ( 25/11/2005 07:24)
Andray kosa ry Fara, sao d mahery loatra le fitenenanao.
Ianao nilaza fa niaraka tamin'ny vadinao nandeha tany, raha ny fahitako azy aloha satria za tany, d toa niaraka tam le vadinao foana enao, partinera fixe foana mintsy aza ianareo 2.Tsoriko aloha fa tena ho sarotra amin'ny kofa hafa ny hampiresaka anao, satria enao efa misy miaraka, za kou nahita fa enao tsy d niresaka tamin'ny ankizy loatra fa variana niaraka tamin'ny vadinao foana, d hanomezanao tsiny olona ve izany, nefa ianareo 2 hitako tsara fa tena tsy nisaraka mintsy, na iza na iza teo amin'ny toeran'ny kofa tany d tsy hampiresaka anao velively izy na d hoe amin'ny maha-pinamana aza satria matahotra sao hampisy olana anao amin'ny kofanao.Enao raha teo kou tsy d niresaka firy.Za aloha tsoriko fa namana no ilaiko ary d tsy nisalasala aho niresaka sy nampiresaka ary nanontany mintsy izay tsy fantatro e.
Sady le tarehin'ilay mpikarakara tsy mampmé izany kan, cool be daholo ry zareo tany, tsy d mitombona loatra amiko hatreto ny analyse nataon'i Fara, ary zay aza ny hariva vao tonga d nahita fahafinaretana satria tonga d notsenain'ireo namana maromaro no sady tonga d niresaka be sy nanao présentation daholo.
Ato moa toerana natao ho an'ny hevitra ka d afaka miteny izay tiany tenenina daholo ny namana saingy kosa mba mahamenatra ihany raha zavatra tsy marina no lazaina ato, na kou hoe natao hanaratsiana olona 1.
Misaotra anareo naharitra namaky
15. HeryLo ( 25/11/2005 08:37)
Za letsy toa tsy mino woé Ianao no milaza zavatra toy izany.:cry::cry::cry::cry::cry:
Fa dia inn lotra re ny ratsy nifanaovana kou dia manao vava toy izany é.
16. hery ( 25/11/2005 09:20)
Azon'i Fara atao tsara ny mitsikera "izay zavatra tsy nety tany" fa tsy anjaran'i Fara atao kosa ny mitsikera "tarehin'olona" na mampihomehy sahala amin'ny inona aza izy.

Henoko fa i fara dia tsy nandeha tamin'ilay fitsangatsanganana maraina noho izany dia mety efa betsaka ny fifankahalalana nataon'ny olona nandritra ny tontolon'ny andro ka anjaran'i Fara (izay tara train) no mandeha mankeny amin'ny olona... surtout araka ny nolazain'i fijo etsy ambony hoe mbola eo ny maha malagasy izay menamenatra... de izay sahy no manatona voalohany e. Sa ve nanatona olona i Fara dia tsisy nitsoatsoaka daholo ny olona? Nanatona ny mpiandraikitra ve i fara niteny hoe "Izaho izao vao tonga fa afaka mba manao présentation kely ve?" Anisan'ny mahatsara fihavanana hatrany ilay hoe tsy miandry ny olona hanatona anao fa ianao no manatona olona sy miresaka amin'ny olona. Mila fanetren-tena... de mila fandeferana.

Izao izao i fara mety hiteny hoe tsy hiaraka amin'ny namana intsony. De izany ve no vahaolana? Rehefa tsy miaraka amin'ny namana intsony izany de afaka mifandray tsara amin'ny namana amin'izay? :-)

Reveo manja ilay fiarahana... tsy maintsy misy indrokely foana... fa samy miezaka manao izay vitany. Raha voalohany ianao no tany dia tongava indray amin'ny manaraka dia manaova ezaka hanatsarana azy. Tsiky dia ampy e. De aza marary fo amin'izany ise fa zavatra manja be io :-)

17. naritsimba ( 25/11/2005 09:42)
fara
18. naritsimba ( 25/11/2005 09:58)
salama daholo e
izaho kosa ry fara dia anisan'ny nitsena ireo namana teny am-bavahady ary dia anisan'ny niresaka taminao ary tonga dia nilaza hoe izaho no naritsimba fa ianareo no iza?
azonao anontaniana daholo ireo izay vao tonga ny hariva rehetra.
tsy mety amiko anefa ny hoe ianao foana no iresahako fa dia niezaka aho niresaka t@ izay rehetra tsy fantatro mba hahatonga ny fifandraisana bebe kokoa hatrany eo @ ireo namana serasera rehetra.

Mety nisy olona nandrasan'i fara kosa angamba hiresaka aùminy fa ts niresaka le oll de izay no mahatonga anao hitsikera tahaka an'izao.

izay aloha no fanamarihana azoko atao @ o resaka io

19. MCZ ( 25/11/2005 10:15)
:(:(:(:(:?::?::?::?: Hevitrao io avokanao io; dia hisaoranay anao; @ manaraka zany hatao tsara @ hitiavanao azy ny fety, :D:D:lol::idea::idea:
20. MCZ ( 25/11/2005 10:18)
misy hadino kely dia sanatria vé ianao tsy nahita fafinaretana t@ iny fety iny , ianao ary hitako nadihy be mihintsy ko :-D:-D any zany sao dia mba té hiresaka fotsiny ary ianao zany ranavbavy .
Asio tsiky ao alony ééé:P:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3765