Fiangonana nidina

1. Aroniaina ( 25/10/2005 06:36)
Ahoana indray ry zareo ity fiangonana hambenana GIR sy police mitana fiarovana ity ao amin'ny FPVM atsy Antaninanandrano io an! Dia ahoana ny hevitrareo amin'io ry azy
novalian'i vetsoko ny 25/12/2005 09:26
2. hery ( 25/10/2005 06:55)
hazavao tsara hoe inona no nitranga dia inona no mitranga? sarotra ihany mantsy ny hanome hevitra raha ohatra ka tsy fantatra mazava (zany hoe amin'ny fijery tsy miangatra) hoe nisy inona aloha talohan'izany fisian'ny fiambenana izany.
3. estine ( 25/10/2005 07:03)
hambenana sao hono midina andalambe fa hidina ato no ato ny FPVM raha mitohy ny tantara.
raha mikatona ihany io tsy holasa avence center afaka volana vitsivitsy,sady le ampandrana centre ville ihany an:!::?:
4. LazaRandri ( 25/10/2005 07:09)
Aroniaina:

Ahoana indray ry zareo ity fiangonana hambenana GIR sy police mitana fiarovana ity ao amin'ny FPVM atsy Antaninanandrano io an! Dia ahoana ny hevitrareo amin'io ry azy

tena marina ve aloha izany e?

5. routa ( 25/10/2005 07:10)
ny any @ tany arabo no misy ambenana fa tsy aty ,raha izany no mitohy ho raharaha sady mampalahelo :(
6. ari.malala ( 25/10/2005 07:26)
t@ 4 maraina no nidina teny @ FPVM ny miaramila hoe hanidy ilay fiangonana d ny fotoam-pivavahana aza tsy nisy androany maraina...
7. Herimamy ( 25/10/2005 07:37)
Aroniaina:

Ahoana indray ry zareo ity fiangonana hambenana GIR sy police mitana fiarovana ity ao amin'ny FPVM atsy Antaninanandrano io an! Dia ahoana ny hevitrareo amin'io ry azy


Io no atao hoe "hadalan'ny fiangonana" e. Samy adala na ny nakatona na ny mpanakatona,miady ny fiangonana anki-2 de miady kil de ze malemy mitory any @ dada hoe teneniko an'i dadanay ialahy an? De hozy koa ny 1 hoe antsoy ary dadan'ialahy raha mafy be ? de tonga tokoa radada naniraka an-dradadatoa e. Mahamenatra @ le tena DADA any ambony e!
8. sonwin ( 25/10/2005 07:50)
Raha misy ny zavatra sahala amin'izany inoako marimarina fa tsy antony ara-pinoana fa antony ara-piarahamonina
9. pika ( 25/10/2005 08:05)
koa izahay izany mba liana mihitsy hoe inona ny antony mazava :roll:
fa raha tsy namono olona na nangalatra dia everina fa tokony ho mpanelanelana ny fanjakana fa tsy hoe ra8 filohan'ny FJKM dia momba avy hatrany koa ny azy
10. perfect ( 25/10/2005 08:52)
politika ambony lenta io ry zareo a!tonga hatrany ny antony, fa izao,ny adala @ antsoin'i Herimamy aloha tsy misy fa aleo aloha ankatona raha mbola misy tsy mazava ny resaka,tsy hoe izay manambava no manana ny marina, na izay mahay mitaraina, na izay mahay tonombavaka tsara, fa aleo ho hita eo ihany, aleo andrasana izay tena zava-misy marina @ izay tsy misy omena tsiny,samy ho tsarain'ny nataony daholo ny tsirairay e!amiko dia tsy misy fanavakavahana io na iza na iza ,na zanak'i dada io an iza.
11. jentilisa ( 25/10/2005 10:39)
Tsy ny fiangonana no tokony akatona fa ny olona nanao ny tsy mety no samborina!!!
12. dadabe ( 25/10/2005 11:06)
zah tena tsy maharaka kle !!aleoko tsy miteny sao " teny maro tsy hilaozan'ny lainga"
13. pika ( 25/10/2005 14:17)
io mihitsy no izy ry jentilisa
tsy olomasina avokoa anie ny ao ampiangonana e ary tonga ho an'ny mpanota i kristy
14. lolabe ( 25/10/2005 16:39)
Izao no tena tantarany ary ho an'izay tsy maharaka ny antony nanakatonana io fiangonana io, tao anatin'ny fotoana visty izay niforonany dia niezaka nankany @ faritra tena hita hoe ambanivohitra ireo azo lazaina fa filohandohan'ny pisorona ao, de niezaka nanely vaovao tsy marina fa hoe io fiangonana io indray izao no izy fa tsy izy intsony izany FJKM izany, fantatrareo mo fa mbola be ny bado any, de ny FJKM no navadik'izy ireo ho FPVM tany @ ireo faritra efa naleany, nitaraina taty @ foibe FJKM anefa ireo pasitera izay tratran'izany de niakatra taty @ foibe ny raharaha ary ny foibe indray nametraka ny fitarainany t@ mpitondra fanjakana, de izao no niafarany. Betsaka mantsy ireo manome tsiny an'i Ra8, fa aminareo mety ny nataon'izy ireo sa tsia? samia mandinika
15. pitdra ( 25/10/2005 21:03)
Manahoana daholo naro ! za voa volana no tonga taty a paris !! talohan'zay a niangona tao amin'io fiangonana io !teneniko anareo inona ny olana amin'nu fjkm amin'io fiangonana io o ? Olona miotra'ny 500.000 no miangona ao , noho izany rakitra na milliard de dollard koa no miditra ao !!! noho izany hafa samy zé fiangonana mintsy io amin'ny FJKM satria mapidi-bola miotra ny fiangonana rehetra io !! zay no mahatonga an-dry zareo anakatona an'io ! mpino daholo no miangona ao , noho izany ra midy io dia tsy maintsy itady fiangonana hafa ny mpiangona satria Andriamnitra no tediavina fa tsy fiangonana akory !! ka ra reo olona 500.000 et + reo no mizarazara any amin'ny fjkm dia efa rakitra bébékokoa sy vola bébékokoa zay !! zay no antony nanakatonanay azy , ra miaino vaovao nareo dé ho reanareo fa tsy misy antony mazava mintsy anakatonany azy !! fiangonana tsy miankina amin'ny fjkm angé efa par millers any dago é ? Nahoana koa no tsy akatona daholo ? Ils s'en fout des autres , satria reny na ho akatony aza tsy ahazaony olona bédébé iverina any amin'ny fjkm any , fa ty FPVM ty ,zay mitoana ny olona any dago tsy ho very mé very amin'ny adalana ty ihany no tsy ariny satria ty misy vola !!!!!nefa mba eritreretinareo ny toerana misy an'reo olona amin'arivo reo tsy misy fiangonana am zao fotoana zao !! asa angamba a ,,,,,ny fanatonana an'andriamanitra koa zao rarana refa tsy fjkm enao tsy tafiditra ny varavaran'ny lanitra !! zay angamba no azoko tenenina fa dia anjaran'ny tsirairay no mandalina sy mieritreritra !! merci beaucoup!
16. scorpion ( 25/10/2005 21:15)
fijerinao manokana kosa angamba io satria ianao any Paris tsy mahita ny zava-misy ankehitriny.Ilay zava-mitranga any Ambanivohitra no niteraka olana fa tsy ny rakitra mirotsaka ao Antaninanandrano.Mety mahita ny olana ara-bola mampisaratsaraka ny fiangonana protestanta malagasy ao Paris no mahatonga anao nieritreritra io ihany koa.
17. LazaRandri ( 25/10/2005 23:09)
akatony koa ny FFKM fa manao politika, izay tsy mifanaraka amin'ny sata mifehy azy.
18. dinika ( 26/10/2005 02:43)
Mba vakio ity lahatsoratranataon'ny matv eto ambany ity,

Humeur concurrence religieuse (MA-TV)

Il était clair que les problèmes de l'église d'Andravoahangy-Fivavahana n'allaient pas s'arrêter à la re-main-mise de l'organe central de la FJKM sur cette poule aux oeufs d'or, dans les deux sens du terme. D'une part, d’aucuns savent qu'à un moment, cette église accueillait un nombre impressionnant de fidèles et d'autre part, conséquemment à cette multitude, les deniers « des cultes » (jusqu'à 5 ou 6 fois le dimanche) étaient substantiels, voire astronomiques. Ces deux aspects ont attisé les convoitises, sur deux plans essentiels: politico-électoral et financier.

Les récalcitrants aux diktats de l'organe central ont dû vider les lieux et partir ailleurs. Contre toute attente, ils constituèrent la majorité pour former la FPVM (Nouvelle Eglise Protestante de Madagascar). Cette « désertion » massive ne pouvait pas plaire. Elle est d'autant plus accentuée par la déception et le ras-le-bol. La machine de la répression est en train de se mettre en branle. Doucement mais sûrement. Elle commence par des « rappels à l'ordre et au respect des lois ». Les faits reprochés à la FVPM tendent paradoxalement à faire de la puissante FJKM un martyr. Il ne fait pourtant aucun doute, rien que par une simple lecture, que la manœuvre est claire: il s'agit de stopper l'hémorragie, en diabolisant l'ennemi.

Dans le lot des reproches, il en est une qui fait sourire: le non-respect de la distance requise entre les différentes églises. En termes clairs, il s'agit de concurrence déloyale, qui devrait concerner les magasins ou autres maisons de commerce et non pas les édifices culturels! C'est admettre, en fait, la connotation mercantile et commerciale de la foi chrétienne en général, et de celle protestante en particulier.

Gageons que des politiciens vont bientôt saisir cette aubaine pour en faire un autre cheval de bataille (la liberté de penser et de culte) et se jeter dans cette mêlée qui est déjà fortement politico-religieuse.

19. avylavitra ( 26/10/2005 05:00)
efa nanaraka ela momba ity reska Andravoahangy Fivavahana contre FJKM sy FJKM contre FPVM ity aho. Ary mbola hanokana fotoana hizarako izay fantatro rehetra aminareo. Fa ny hany azoko lazaina fotsiny dia ity, jereo ny tenin'ni Jentilisa ary ambony sy ny voalazan'i Dinika aty ambany dia ampifamenoy fa ireo no izy. Izay mazoto mikaroka dia: iakaro hatrany amin'ny zaika be nataon'i FJKM tany Tulear efa an-taonany maro lasa izay, fa hatrany io no nanomboka ary tena resa-bola no niandohany. Avy eo dia navadika resa-pifohazana Manolotrony sy FJKM .Noroahina tsy hiasa tao anaty FJKM ny Fifohazana Manolotrony rehefa tsy hanaraka ny fomba vaovao napetraky ny fifohazana FJKM izay tonga tato aorian'ny Fifohazana Manolotrony. Dia avy eo namoronana izao atsanga tsy aman'orana rehetra izao amin'izay mba hamotehana ny tao Andravoahangy Fivavahana. Ko satria tsy tian'ireo zanak'i Manolotrony ny hiady sy hampihahaka ny mpinon'Andravoahangy dia naleony ry zareo no niala en masse dia namorona ny FPVM. Izaho izay manoratra dia lazaiko anareo fa zanaky ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY ary zanaka am-pielezan'ny FJKM ANKADIKELY ILAFY. Nefa koa dia zanak'i Manolotrony. Tsy navela hiasa tao anatin'ny FJKM ny zanak'i Manolotrony rehetra eraky Madagasikara. Na izany aza tsy hitongilana be fahatany aho fa rehefa tsy mety dia tsy mety amiko. Satria ny Tompo no efa ny teny fa Andriamanitra no tokony hatahorana mihoatra noho ny olona. Nefa toa misy resaka tahotra olona ihany izao zavatra mitranga izao. Azonareo angamba ny tiako ho lazaina. Araka izay mba fanadihadiana nataoko dia nisy tokoa ilay fialazana izatsy sy zaroa momba ny FPVM, saingy efa resaka nalamina sy nilamina tany amin'ny tapaky ny volana Aout tany ilay izy (resaka Vatovavy Fitovinany io) ary teny anivon'ny Ministere de l'Interieur mihitsy sy ny resaka region no nanaovan-dry zareo azy izay, nefa namoahana didy indray taty amin'ny 22 Septembre Koa mangataka an'i LOLABE aho mba hanadihady miakatra hatrany amin'ny resaka ZAIKABE TULEAR io dia ho hitanao ny marina rehetra sy izay nolazaiko ary mbola ho lazaiko raha omen'Andramanitra fotoana ho amin'izany aho.
Samia ho tahiana'Andriamanitra daholo. Mandra-piandry ny fanehoan-kevitro manaraka
Avylavitra
20. pika ( 26/10/2005 05:33)
lolabe a betsaka anie ny secte sahy mitory teny manaratsy fiangonnana etsy sy eroa tsy mba akatona
ary manana ny safidiny ny olona izay hivavahany fa tsy terena akory koa everiko fa tsy norahonana angamba ireo olona ireo niala tao @ FJKM fa nifindra tany
mety ho tsy hainy ny nanentana ny olona sy naka ny fony raha izany koa tokony hiheritreritra ry zareo
ary t@ andronra8 sy deba ireny saika resaka politika hatrany ny ataon'ny pasitera sy mopera tany ampiangonana milaza fa olona natolotr'Atra ra8.....
ary tsy misy ohatra ny fifampidihina sy fifamelana no tsara izay ny tena kristianina marina
avelao ho libre ny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6386