Ary raha homo ?

181. lapino ( 13/11/2005 13:19)
Fa ahoana ry cutie? :? :?:
De tt façon aloha tsy misy hieritreretako an'izany @izao.:)
182. cutie ( 13/11/2005 14:51)
tsara zany refa tsy mieritreritra 8)
183. ravakamalala ( 13/11/2005 15:35)
dia atao inona fotsiny lé zava boribory eo ambony eo refa tsy hieritreritra?:-D
184. lapino ( 13/11/2005 16:18)
cutie:
lapino , ho lany eo ny andronao hieritreritra an'zany

Fa lany andro ahoana hoà ry cutie?

cutie:

lava loatra le resaka homo fa zao fotsiny: rehefa tsy manakorontana ny fiainanareo ry zareo de tsy hitako ze olana. Samia miaina @ fiainany.

Ka any ange le olana e! Raha iray tam-po aminao na zanakao na raiamandreninao ilay homo, dia sûr ve ianao fa tena tsy misy fiantraikany aminao izany?
185. cutie ( 13/11/2005 16:54)
tsy misy satria , tsy idirako ny fiainany , satria tsy fiainako le izy, sady tsy hitako kou we in no ratsy @ zany. Avelao hiaina ny oul e , fiainana mandalo ty :-D
Raha enao no sakanana ohtran'zany ve de tinao ?
186. fijo ( 15/11/2005 22:09)
za izao manana namana homo maninona no tsy hifindrany?????za manana namana midaina maninona aho no tsy mifoka sigara akory????
alalao wa ny saina
187. mandrindra ( 16/11/2005 15:04)
marina izany razoky e !!!
188. rachid ( 16/11/2005 20:13)
ny zokiko lahy de homo tsy mahamenatra ahy zany noterena nanambady izy nefa tsy maintsy nisaraka rehefa afaka roa taona satria tena tsy afaka miray amin\'ny vadiny mihitsy ka inona no tianareo amin\'zany tsy aleo ve nanaiky azy hatraminny voalohany tamin\'izy niteny ny momba azy , toy izay hisy korontana hitranga avy eo , izy efa nitsotra mialoha fa tsy manana fanirina amin\'ny vehivavy zany mihitsy fa ny papako no nanisika azy fa ariany ho zanany raha tsy mety hanambady ,ny mahagaga anefa anie de nanaiky ihany ny papako rehefa tsy nahita solution intsony e, ka io tsy araka izay tenenin\'ny sasany hoe za contre de tsy hatao fa miteraka olana io avy eo , aleo izy hiaina ny fiainany , fa olona toy ny rehetra izy , ary raha resaka lalana baiboly , ny lalàna tompoko napetraka mba ho dikaina, raha io baiboly io no raisina arabakiteny be no lasa adala , ary ireny milaza azy ho mpanadalina azy io ireny mihitsy no tena tompon\'ny hadalana
189. fijo ( 16/11/2005 23:02)
misaotra amin'ilay faniratana ny mason'izay miniha mikipy.marina mihintsy io voalazanao io.ary ny fanajana azy no mety sy tsara indrindra.
190. nitram ( 19/11/2005 16:46)
za tena miombonkevitra amin'rachid sy fijo , inona tokoa moa no hankalana ireny olona ireny e, matetika aza misy efa manambady zao , mihitsy nefa tsy mahafehy ny tenanay (bi) angamba no hilazana azy ka raha mba ametraka fanontaniana aminareo le tena contre be reo aho , inona no ataonareo raha mba sendra ka ny lehilahy miaraka aminareo de mankafy lehilahy , nefa manafinjavavatra fotsiny no hiarahany aminareo , mba ahirato re ny saina fa aza de terena be toy izany e, rehefa io no tontolony tsy misy tokony hanoheranao azy e, indrindra rehefa mitsotra ny marina izy amiko izay no zavadehibe,
ary efa betsaka ny gasy no homo , hiaraha malala zany , ka tsy hitako zay olana
191. cutie ( 21/11/2005 06:34)
=D=D=D=D=D
192. ravakamalala ( 21/11/2005 23:00)
raha mba ametraka fanontaniana aminareo le tena contre be reo aho , inona no ataonareo raha mba sendra ka ny lehilahy miaraka aminareo de mankafy lehilahy
,

mamelaha ny helony fa tsy fantany izay ataony. alefako hitsabo tena fa marary!!!:?

mba ahirato re ny saina fa aza de terena be toy izany e,


tsy resaka fahaterentsaina angamba fa fananana soa toavina, rehefa tsy eken'ny saina ho mety dia tsy mety fa tsy hoe efa malalaka izao ny toe tsaina dia afangaro ao daholo ny gisa sy ny gana sy ny kisoa sy ny alika. :D

ary efa betsaka ny gasy no homo


loza ty marina mafy!!

resaka position lé izy e! aminareo ilay izy tsy misy olana fa aminay misy dia misy, amiko aloha tena misy e! fa za anie tsy miteny hoe andeha hitora bato azy na andeha hanozona azy sy izay mba mety ho taranany (indrisy) fa nanontaniana hoe ahoana ny eritreritrareo momba ireny karazan olona ireny dia hoy aho hoe : non n'est pas e! za tsy tia!!
193. cutie ( 21/11/2005 23:07)
ravakamalala de tano zany ny hevitry njy raha zany e , samy mitana ny heviny , zahay tsy contre njy contre.
194. mandrindra ( 22/11/2005 14:48)
ravakamalala, mba ataovy dynamique ilay position fa aza mijanona statique e !!!
195. ravakamalala ( 22/11/2005 15:25)
ka za tsy dynamique d aona?
196. mandrindra ( 22/11/2005 16:19)
tsy marina izany !!!
197. ravakamalala ( 22/11/2005 18:58)
fa aona no hitenenanao izany, fita fa marina zany, :wink: za bonaika!
198. cutie ( 22/11/2005 19:18)
ravakamalala, za koa anefa mahita fa tsy marina zany :-D
199. rachid ( 23/11/2005 10:21)
ho an'i ravakamalala niainanay tao antrano io , e za tsy hiteny anao hoe , maneke ny hevitray fa zao kosa io efa tontolo nisy , taloha ela be tany fa tsy hoe vao izao akory vao , niseho , ary io tsy hoe aretimifindra akory , fa miankina amin toe batan'le olona mihitsy matetika .zany zokiko zany teniko aminao fa mpanao body bulding ao tana ao , tsy hoe vavivavy toetra akory , na hoe noho ny fitezana au contraire , fa tena physique na lehila tena normal tsara ary tsy hino akory aza angamba ianao efa hoe ty ve de ho izany , ka zao na anaiky ianao na tsy anaiky , ny tontolo mivotra isantsegondra , ary teniko aminao fa , za mivavaka , an, za kristiana fa za tsy manaiky izay rehetra voalaza sy voasortra ao anaty io baiboly io , sortra natao io azo atao no mametra izay tina ho lalana hapetraka ao , satria olombelona koa no nanao anio , ohatra fotsiny maro no tsy mitovy ny ao anaty baiboly protestanta sy catholique , nefa de hoe baiboly hono donc tokony hitovy de a à z satria samy milaza ho kristiana ,
200. lapino ( 23/11/2005 10:39)
position dynamique ahoana àry le!
- "Avoir les pieds sur terre" = position statika,
- "Avoir la tête en l'air" = position dynamika

Raha iresahana ny maha kristiana indray ilay izy, raha kristiana ianao, dia fantaro hoe eken'Andriamanitra sa tsia ny homo, dia raiso araka izay.

Mampalahelo be ilay hoe mihiratra ny toe-tsaina dia lasa azo ampiadiana ny blao sy blao, fa tsy blao sy ecrou :snif:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1886