ny hasarotam_piaro

1. scorp ( 08/10/2005 12:08)
ahona ry reto ny fijerinareo reny olona saro_piaro reny , tena mankaleo be ahy mihintsy aloha e ! ohatran' reny gadra reny ry reto a ! tena tsy misy andro miratra fa de gidra raha vao misy olona miresaka aminao ! inona no hevitra tokony atao raha sendra olona saropiaro kay ? TENA MAHALASA ADALA E !!!
2. mandrindra ( 08/10/2005 12:11)
hipitsiho, fa efa aretina izany ka izy ihany no mahasitrana ny tenany !!
3. Herimiafina ( 08/10/2005 15:52)
Aza atao saropiaro tsony ary izy e.
Matoa izy saropiaro de ao raha e. Mijereva alou fitaratra dia fantaro hoe innn marina moa no toetraka nahasaropiaro azy.
Sao mantsy ianao dai tena nanao fitondrantena hafahafa tokoa (nisy saina hafahafa izany) ihany tamin'ny niresaka taman'olonan teo imasony.:-D
4. sipagasy ( 09/10/2005 06:25)
teneno izy aloha dia rehefa mbola saro-piaro dia ialao fa aretina tokoa e!
5. sonwin ( 09/10/2005 10:01)
ataovy aminy koa ilay toetra dia ho tsapany ny maha-ratsy azy :cool:, ataovy mamay mihitsy raha vao miresaka amin'ny olona koa dia raha vao mikozy dia anaovy vali-boraingina hoe ohatranao ihany:^)
6. Herimiafina ( 10/10/2005 00:13)
Oay zany haratsiampanahin'ireto marina, anjay ry reto, kiiiii. hehehehhe:-D
7. xxx ( 10/10/2005 00:13)
Tena anisan'ny olana @ fiarahan'ny lahy sy ny vavy io fahasarotam-piaro io. Kanefa raha hita fa misy ny fifanajana eo @ olona 2 mifankatia dia tsy hitranga io, fa matoa raikitra ny resaka fahasarotam-piaro dia satria misy fihetsika tsy dia matotra loatra ao ka mampiahiahy an'ilay partenaire. "Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha e!".
8. Herimiafina ( 10/10/2005 00:24)
Marina any zany mon amiraly xxx. hehehehehehe.:-D
9. akamatiana ( 10/10/2005 05:15)
ka ny manao iany ane no saro-piaro aloha e! inn mampanahy azy ra tsy izy zay no manao :-D
10. Herimiafina ( 10/10/2005 05:18)
Moa ka tsy zany va mon kamarady akamatiana? hehehehehe,
11. pika ( 10/10/2005 05:37)
mba hanafenana ny ratsy atao dia mody saropiaro e:evil:
ao koa ny mety fahatsapan'ny couple miaraka aminao fa tsy mendrika ny hiharahanao izy noho ny tarehy amambika oh mety ratsy be izy noho ianao, ny taona ohatra mety mbola zandriny be ianao, ny asa mety tsy dia mamely ny azy ka matahotra izy sao lasan'ny tsara asa ianao......
ny tsy fifampitokisana no mahatonga an'io ary tsy aharitra ny fitiavana @zany
raha zavatra tsy atao no lazaina fa atao dia ataovy tokoa e dia lazaivo hoe ianao ihany anie no nampiditra izany tato an-tsaiko e ^^
12. mamzelkely ( 10/10/2005 07:14)
13. akamatiana ( 10/10/2005 07:59)
marina an'izay mon kamarady Herimiafina ! he he he
14. mandrindra ( 10/10/2005 08:46)
toa hiafara amin'ny oye oye ity resak ity !!
15. akamatiana ( 10/10/2005 08:56)
:-D:-D:-D Oyéééé ♪♪♪♪♪♪
16. akamatiana ( 10/10/2005 08:56)
:-D:-D:-D Oyéééé ♪♪♪♪♪♪
17. menakely ( 10/10/2005 10:40)
raha fiche de paie- ny hitako;
ny vola mivoaka hitako tsara ny fivoahany;
l'heure fandehanany miasa sy fidirany hitako ao tsara;
tsy hitako izay maha-saropiaro
io mantsy ny ahy tsy avelako mi...
asa ny fanaraha-maso an'ireo dia atao hoe hasarota-piaro sa fitazomana ny tokatrano tsy ho solafaka?
18. akamatiana ( 10/10/2005 12:03)
ouuuuuuuuuh! la vachika kle , tsy nipoitra le zàféra kle , tsssssssss
19. Herimiafina ( 10/10/2005 13:05)
Inn zao zafera tinao hapoitra izao ry akamatiana, sao mamoa fady?

"Ireny olona tsy tia fahasarotampiaro ireny nefa no tena saropiaro dirandoza".
20. mandrindra ( 10/10/2005 13:23)
avoahy amin'izay le zafera ry akamatiana mba ho hitanay a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3042