Voavonjy de tsy ho very intsony ve?

1. xxx ( 15/09/2005 11:55)
Misy milaza fa rehefa voavonjy ny KRISTIANA de voavonjy fa tsy ho very intsony na inn na inn ataony, tsy haiko aloha e! ianao ve mety mbola ho very na de efa KRISTIANA aza?
novalian'i Veloo ny 21/10/2005 15:12
2. jentilisa ( 15/09/2005 13:46)
Tena lainga be mihitsy izany. Rehefa manao ny tsy mety dia manao ny tsy mety izay. Fitaka raha misy milaza hoe na inona na inona ataony dia tsy very intsony raha izay no ilazana azy.
3. pika ( 15/09/2005 13:50)
tonga ho an'ny mpanota i kristy
tsy misy tsy ho diso fa rehefa mibebaka @ fo tokoa ka mihezaka ny tsy hanao izany intsony dia voavonjy ianao
tsy misy mangataka famelankeloka izay heloka mbola ataony efa fanahiniina izany
tadidio koa anefa fa ao @ baiboly misy sombiny tantara efa navelan'Atra ny helony nefa .... dia very tanteraka tsy afaka niverina intsony, misy ny efa notolorana satromboninahitra nefa nivarotra izany ka kikisan'ny nenina tsy afaka miverina intsony
4. xxx ( 15/09/2005 14:19)
zany hoe raha arahina zany ny hevitrareo roa ireo de hoe mety hisy Kristiana any @ helo @ andro farany? mety ho maro mihitsy zany ny Kristian any @ helo?
5. Veloo ( 15/09/2005 16:37)
resaka lalina be io resaka io. Io zavatra io dia miseo ao amin'ny Apokalipsy 22: 11 ataoko bref ilay ao izay manao ratsy dia ho ratsy foana ary izay manao tsara dia ho tsara foana. Io zavatra io dia miseo rehefa vita ny fisoronana izay ataon'i Jesosy hatrimin'izao mantsy izy dia manao avocat antsika sy juge en meme temps eo @ devant an'Andriamanitra. Mangataka ny famelana eo anatrehan'Antra iza mba tsy ho very isika.. izany no mahatonga ny olona mahatsapa indraindray fa manao ratsy satria mbola misy ny fanahy masina miasa ao-po tsika ka magantaka famelan-keloka.. fa hisy fotoana izay ilazain'i jesosy oe "vita" dia amin'izay fotoana izay nanao ny tsara dia hanao ny tsara foana ary izay nanao ny ratsy dia hanao ny ratsy foana. Nidy ny varavara-pasoavana. Ary tsy ho an'i Kristiana irery io fa ho an'ny olona rehetra fa dia atsika no mieritrritra na hanaiky an'i Jesosy ho pisolovava atsika izy na tsia.
Dia ny fanahy masina anie hiasa aminareo rehetra izay mamaky.:D
6. Veloo ( 15/09/2005 16:41)
misy adiniko rehefa midy ny varavara pasoavana dia tonga ny loza fito eto @ ity tany tsika ity ireo nanao ny marina dia tsy mba tratran'ireo loza fito ireo, rehefa vita ny fisehoan'ny loza fito dia tonga i jesosy eny @ rahon'ny lanitra haka an'ireo izay nanaraka azy na maty na velona ary dia tsy ho very intsony izy ireo. Maniry aho mba isika rehetra anie ho any an-danitra daoly.. Amen:D
7. Herimiafina ( 16/09/2005 02:17)
Anekidaoty kely (Chapitre voalohany):

1- Niainga hono ity bandy misy devoly be manjanaka am-panahy. Rehefa mihetsika ra-devoly dia atotototony amin'ny tany razoky dia maratra be foana dia nijaly be.

2- Hitan'izay Zanak'Andriamanitra iray izay i nedala nijaly be sady ny reniny koa nila vonjy, ka nanapa-kevitra ity Zanak'Andriamanitra mpanasitrana ity fa hanavotra ny fanahiny ka handroaka ilay devoly mampijaly azy. Dia natao izany ka sitrana soa amantsara i razoky.

3- Noroahina i radevoly dia niala tao amin'ny fanahin'ilay bandy ary tezitra mafy fa very fihinanana sady very seza dia nimonomonona be teo akaiky teo foana fa tsy nitsoaka.

4- Hitan'ity Zanak'Andriamanitra izany ka hoy izy tamin'ilay tovolahy: ''Varavarava nivoha tamin'ny fanahinao no nidiran'io devoly io, ka tokony hidina izany, nefa ianao ihany no afaka manidy azy amin,ny fikolokoloina ny finoanao''. Dia lasa ilay Zanak'Andriamanitra.

5- I Radevoly nefa mbola teo foana niandry tataka. Dia niverina nandondona indray teo amin'ilay varavarampanahin'ilay bandy. Sady tena nibirda be manoatra noho ny tontakely mampiasa baramine.

6- Nandeha daholo ny seduction amin'ny fomba rehetra, niova tovovavy favy be ra-devoly, niova vola, niova harena, niova an'izao karazana hatsaran-javatra rehetra izao, sns, ary ilay bandy dia tenté foana hamoha ilay tranon'ny fanahiny.

INONA ARY NO LESONA AZO TSOAHINA AMIN'IO O?
a- Ny famonjena dia indray mandalo ihany, dia ny fandraisana ny finoana izany ka hahafaty ny fakan'ota rehetra ao am-potsika ao.(Io ilay devoly niala).
b- I devoly dia miseho eo amin'ny fiainantsika andavan'andro ary mandodona varavarana mba hahavery antsika.
c- Ny finoana no mahavonjy satria fanala hidy sy lakile matanjaka entina manidy ny varavarana tadiavin'i satana hidirana.
d- Ilaina ny asa fanalana devoly fa tsy tokony hijanona eo fa tokony hamboarina koa ny finoan'ilay vao avy nialan'i devoly satria mbola faible izy iny ka mety hiverenanany.
e- Raha fantatrao fa mbola faible ny finoanao, mbola tsy matanjaka ianao dia aza mandeha manantona an'i devoly. (Ne tentez pas le diable quand vous n'avez pas encore asssez de Foi pour le repousser).

Famaranana: ny olona voavonjy dia tsy voatery efa avotra, satria raha nalana tao anaty lavaka izy ka jamba dia mbola mety hianjera ao amin'ilay lavaka ihany, ka mivavaha, kolokoloy ny finoana mba tsy ho jamba intsony ka hahita ilay lavaka nahavoa teo aloha. MAHEREZA ANAKA ISANY.

6-
8. xxx ( 16/09/2005 08:45)
jentilisa >>
raha ohatra hoy ianao hoe lainga b izany de mba omeo verset ao anaty Baiboly aza za milaza fa lainga b izany
9. xxx ( 16/09/2005 08:50)
pika >>
ianao ve ary efa nisy ota nataonao ka mbola niverenanao ihany , sa izay efa nifoanao de tsy niverenanao intsony hatramin'izay ary tsy hiverenanao intsony?

tadidio koa anefa fa ao @ baiboly misy sombiny tantara efa navelan'Atra ny helony nefa .... dia very tanteraka tsy afaka niverina intsony, misy ny efa notolorana satromboninahitra nefa nivarotra izany ka kikisan'ny nenina tsy afaka miverina intsony


interressant b ilay nolazainao fa raha mba azonao omena verset ve za milaza io
10. xxx ( 16/09/2005 08:58)
veloo >>
marina mihitsy ny nolazainao hoe mifona ho antsika i Jesosy @ izao fotoana izao, fa raha azoko ny nolazaiano de hoe misy fetrany ihany io Jesosy mifona ho antsika io an!
nefa anie ny tenin'Andriamanitra de milaza fa tsy misy oll na de iray aza tsy manota, satria raha mbola ato anatin'ity tena ity sika de mbola manota hatrany,
isika de efa nodiaovin'iny ran'i Jesoa Kristy, zany hoe efa madio isika, raha izay de tsy isika no lazaina ao @ ilay apokalypsy 22:11 hoe "zay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy;
fa raha ny fahazoako azy de ny tsy voavonjy no mbola hiharatsy ihany fa tsy ny olomboavonjy akory
11. xxx ( 16/09/2005 09:05)
Herimiafina >>>
mahafinaritra ny namaky ny tantara nolazainao, fa ny fanontaniako de hoe, ny KRISTIANA ve tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy Romana 8:9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy sa rehefa lasa ilay fanahy maloto de banga be ny ao, fa raha banga b ny ao de mety hoe possible ihany ny hidiran'ilay devoly ao fa raha ohatra kosa hoe ny Fanahy Masina no ao de tsy ho tafiditra ao intsony ny devoly, sa ve tsy matanjaka ilay Fanahy Masina de mety ho voaroakan'ilay devoly v?
12. jentilisa ( 16/09/2005 15:19)
Misaotra anao taminn'y fanontaniana. raha tonga dia ny verset araka ny nolazainao no tadiavina ts mahatadidy aho fa ny ahy kosa rehefa novakiako dia tadidiko. Tsy mitadidy toko sy andininy izany aho ary eto akaikiko tsy misy baiboly rahateo.

Na dia izany aza dia misy ilay voasoratra mitovy tahatahaka ilay tantara teo ihany nefa voasoratra tsara kosa ao amin'ny Filazantsara ao.
Nisy olona iray efa noroahina devoly, rehefa tsy nanaolokolo ny finoany sy tsy nitandrina ny tenany ilay olona dia nahita ny fanahy ratsy fa mety aminy indray ny miverina ao amin'ilay olona ary mbola niantso namana ihany koa ary izy.
Dia ny namaranana ny perikopa tamin'io ary dia hoe: ny farany no ratsy kokoa nohony voalohany.
Ratsy kokoa satria efa noafahana izy nefa mbola niverina tamin'ny fahotany ihany, efa namapahafantarna azy ny teny famonjena nefa tsy noraharahiany izany.
Misy ary teny koa manao hoe efa nohazavaina indray mandeha ianareo ka tsy hazavaina intsony, miteny ratsy ny Fanahy masina izy ka tsy hahazo famonjena intsony.
13. jon ( 16/09/2005 15:23)
raha hoatra ka lasa ilay fanahy maloto de tokony hangatahana indray ny fahy masina mba hiditrao hisolo toerana azy mba tsy afahany miverina intsony; satria ilay fanahy maloto tsy maintsy mbola miambina ny hiverina hiany ;raha toa ka tsy ao ilay fanahy masina dia miverina ao indray izy!
14. jentilisa ( 16/09/2005 15:32)
Misy ny zavatra mety hifandaka amin'izay lazaiko fa aoka hazava kosa izao. Ny olona dia mpanota, nomena azy ny famonjena nefa izany tsy midika fa lasa tsy mpanota intsony izy.
Ahoana moa izany?
IO ilay teny hoe: ny fahasoavana irery ihany. Izaho tsy afaka ny hidera tena avy hatrany fa voavonjy. Anjaran'Andriamanitra irery no manapa-kevitra ny amin'izany. Tsy noho izay nataoko na izay tsy nataoko no hamonjena na tsia ahy fa ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany. Ny asan'olona tsy mahavonjy azy fa ny asan'Andriamanitra ihany no mahavonjy ny olona. Izaho dia mpanota, mino anefa aho fa Jesoa no hanamarina ahy. Na dia tsy marina aza aho dia manamarina Izy satria nihaino ny fitarainako izy fantany fa efa nanaraka ary te-hanaraka azy hatrany aho. Samy hafa manko ny hoe marina sy ny hoe nohamarinina...ny marina tsy mila famonjena fa ny nohamarinina kosa mandeha amin'ny lalam-pamonjena.
15. xxx ( 16/09/2005 15:45)
jentilisa >>>
ao @ Matio 12:43-45 no misy an'izay notantarainao teo "Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity"
Eto de tsy miteny mihitsy ny Soratra Masina hoe nohamarinina ilay olona zany hoe voavonjy, fa ny oll namoahana devoly de tsy midika avy hatrany fa olona voavonjy, ohatran'ny oll nositranina t@ arentina ihany io, tsy hoe rhefa nositranina t@ arentina de hoe voavonjy, fa raha nino kosa izy rehefa avy eo de izay izy no voavonjy, zany hoe zao: raha niala ilay fanahy maloto ka tsy nino ny famonjena ny oll de miverina ao izy ka lasa ratsy noho ny teo aloha, indrisy fa betsaka ireo oll tratran'izany,
ary tena marina ilay nolazainao farany teo hoe tsy miakina @ zavatra nataoko no hamonjena'andriamanitra ahy fa miankina t@ famonjena nataon'i Jesoa: tanteraka (complet) ve ny famonjena nataon'ni Jesoa? raha eny ny valiny de complet koa ny famonjena ahy izay mino Azy, ary tsy miankina @ izay nataoko ny famonjena ahy na koa miankina @ izay mbola hataoko fa miankina t@ fahasoavany
16. Veloo ( 16/09/2005 20:02)
xxx a
fa raha azoko ny nolazaiano de hoe misy fetrany ihany io Jesosy mifona ho antsika io an!

ie misy fetrany ny fisoronana ataon'i jesosy. isika tsy ahafantatra an'io. matoa Jesosy miala eo am-pisoronana satria efa votsara doly isika rehetra rehetra. Nefa kosa misy ny signes des temps mampiseho antsika fa efa akaiky ilay izy ireo zavatra miseho ankehitriny eran'ny tany izao, feno loza sy ady sy fahoriana. Raha ao am-pisoronana foana izy dia hijaly ela be mihitsy isika satria jereo fotsiny example iray no omeko anao parmi tant d'autres ny bombe nucleaire amboarin-ny olombelona zao.. raha izao no mitohy dia ho faty doly isika olombelona rehetra d'ici peu (peut-etre 100 ans) example io an.. Nefa Andriamanitra dia tsy hamela ny olombelona hanimba ny tany ka izany no ahatongavan'ny jesosy kristy fahandroany mba evitena ny fahasimban'ny tany.
nefa anie ny tenin'Andriamanitra de milaza fa tsy misy oll na de iray aza tsy manota, satria raha mbola ato anatin'ity tena ity sika de mbola manota hatrany,

ie marina tokoa moa izany. Ny faneke-tsika an'i Jesosy ho mpamonjy atsika sy ny finoana azy ary mibebaka foana ny fahotana izay ataotsika no ahavonjy atsika.point final.
isika de efa nodiaovin'iny ran'i Jesoa Kristy, zany hoe efa madio isika

marina koa no lazainao io nefa kosa raha ohatra fotsiny oe efa voadio ny ran'i Jesosy isika nefa tsy mbola manota fona no sady mbola manao ny ratsy dia ho voadio amin'izao ve? Sanatria...

1- ny fangatahana ny fibebahana
2- Mino an'i Jesosy ho mpamonjy atsika
3- manaiky an'i jesosy
4- manaraka ny didiny
ireo no ahavonjy atsika.
fa raha ny fahazoako azy de ny tsy voavonjy no mbola hiharatsy ihany fa tsy ny olomboavonjy akory

ie ka zany mihitsy ka matoa enao manao ny tsara foana dia tadidio fa efa voavonjy enao.
17. Veloo ( 16/09/2005 20:05)
ary inn no atahoranao ny tsy hametrahanao ny anaranao ry xxx????????
18. xxx ( 16/09/2005 22:04)
veloo >>>
ito anefa no mahagaga ahy, misy an'ity teny ity ao @ Hebreo 5:6" ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka"
raha io fotsiny no jereko de hoe mandrakizay ny maha mpisorona an'i Jesoa Kristy, nefa ho dinihiko ihany izay nolazainao hoe misy farany io fisoronana ataon'i Jesoa io, zany hoe ny tianaoho lazaina zany de hoe limitée ihany ny maha mpisorona azy fa tsy mandrakizay,

tsy de misy atahorako ny hametrahako ny anarako fa ny Tompo mahalala ny antony mahatonga ahy tsy hametraka afa tsy io XXX io:)
19. Veloo ( 18/09/2005 02:27)
tsssssssss aiza ko no misy an'izany.. so dia ho fantatro ve ianao?:-D:-D:-D:-D
Jesosy dia manana anarana betsaka, izy dia Andriamanitra, oy izy oe Za sy ny ray dia iray ihany, ny fanahy masina, Jesosy ary antra dia iray.. Jesosy ko dia natsoina oe zanak'atra, zanak'olombelona, ka na dia vita aza ny fisoronana ataony an-danitra dia mbola ho pisorona mandrakizay fona izy...Ny anarana izay ananany dia mandrakizay doly.:)
20. xxx ( 18/09/2005 06:52)
veloo >>>
ny ho fantatrao tsy maninona mihitsy, ianao koa angaha moa hanao inn, fa tsy mahasoa ny mahalala hoe iza zà na iza, au lieu de manokatra boite vaovao de aleo xxx no ampiasaina,
raha zohina anie izany de tsy mitombina ilay lazainao hoe misy fetrany ny maha Mpisorona ny Tompo e! satria io Hebreo5:6 io no milaza fa mandrakizay ny fisoronana atoany!!!
sa hoe ny naranany de Mpisorona mandrakizay nefa Izy tsy hanao fisoronana mandrakizay akory?
fa raha Mpisorona mandrakizay Izy de azo antoka fa voavonjy mandrakizay izay manaraka Azy zany hoe ny KRISTIANA izany!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3634