misy fanahy ratsy ve ny vadiko?

1. vatsimpanahy ( 27/07/2005 13:30)
2 taona izay no nivady ara-panjakana izahay mivady. Mbola tsy najao ny mariage religieux tamin'izany fotoana satria mba fanirianay ny hanao azy any M/kara dia mila manango-bola kely.
Tamin'ny voalohany dia nifankatia tokoa izahay ary nifanara-tsaina amin'ny lafiny maro. Nanomboka ni-dégrade izany entente-nay izany tao anatin'ny mariage noho ny influence ivelany: fianakaviana mampiady, fisarahan-toerana indraindray noho ny asako (manao mission matetika aho). IZahay koa tsy mitovy finoana izy katolika, moa izaho protestanta. Kanefa isak'alahady izahay dia miara-miangona any amin'ny katolika foana. Tsy nisy olona ny mihitsy ny tamin'iny satria satria amiko A/tra ray ihany no ivavahana.
1 volana lasa izay dia niresaka izahay mivady ka nametraka conditions betsaka izy raha tsy izany dia tsy atao ny mariage religieux ary mety ihafara amin'ny fisarahana.
Ireto avy izany conditions izany:
1- tsy maintsy mivadika katolika aho: hatao batemy, komonio voalohany, confirmation.
2-tsy maintsy manome azy fahafinaretana ara-nofo aho isaky ny mila izy na tonga fadim-bolana aho, na marary, na tsy manana envie aza. Tsy maintsy manome sodomie azy aho satria tiany hono io, ary tsy misy tokony idiran'ny Baiboly hono ny amin'io fa matoa mivady dia efa notsonan'A/tra rano ny mpivady hifanjaka amin'ny vatany
3- tsy miasa intsony= tsy mandeha mission intsony, mijanona ao an-trano mikarakara tokan-trano ary manaraka azy n'aiza n'aiza misy azy
4- tsy tokony ahitana intsony na ny kely aza marika fahasarotam-piaro ety amiko na hijery vehivavy isan'andro aza izy eo imasoko
5- Tokony ho fantatro fa fanao ary tsy fahotana hono ny mi-fantasme amin'olona iray. Ohatra hoe manao firaisana ara nofo izahay dia vehivavy hafa ny ao an-dohany ... tsy maninona hono izany rehefa tsy mi-passer à l'acte fotsiny ry zareo.
6- pas question hono hoe hiara-hipetraka aminay ny RARniko rehefa antitra
7- Ny fianakaviany aloha vao ny fianakaviako satria ny lahy aloha vao ny vavy hono.


Raha tanterako hono ireo rehetra ireo dia izay aho vao tia azy sy vonona hanambady azy. IZy hono mila mariage parfait= tanteraka ireo conditions ireo fa tsy mila resaka defauts, fandeferana sns...
Rehefa tsy vonona amin'ireo hono aho dia misaraka izahay.

Entin'ny fitiavana an'ilay vadiko aho dia tentée hanao ireo rehetra ireo nefa raha tena zohina amin'ny saina tsy miangatra dia toy ny helo izany fanambadiana izany. Sakanany daholo ny epanouissement-ko ary tiany aho ho tonga toy ilay image itiavany ahy fa tsy izaho amin'ny maha-olombelona nanamboarana A/tra ahy.
Mampihozongozona ny finoako ihany ilay hivadika katolika raha toy izany ny toe-panahiny. Tsy nisalasala aho raha toa ka hitako fa modely izy. Mivavaka mandrakariva ho azy no ataoko satria fantatro fa misy FANAHY RATSY lehibe ao anatiny. Izy anefa tsy mino hoe misy demony anatin'ny olona.
Inona ny tokony ataoko ry namana isany?

Misaotra anao

novalian'i marozevo ny 17/08/2005 21:29
2. xxx ( 27/07/2005 14:12)
lalina be .....
amiko dia
1- tsy misy condition ny fitiavana ary raha hanambady koa dia tsy misy condition hoe zao zao zao sy zao
2- liberté fa tsy prison ary raha ireo rehetra angatahiny ireo dia GADRA reo amiko sy travaux forcés fa tsy misy fitiavana intsony mihitsy indrindra ilay resaka ara nofo
3- tsy misy fanajana mihitsy ilay vadinao fa ohatran'ny fitaovana fotsiny no sady fanaka no karazana poupéé gonflable no andraisany anao
4- confiance, fidelité, amour no zava dehibe ary ny hiarahana dia ho sambatra fa tsy ho ory ary raha tena tia anao izy dia izay hahasambatra anao no katsainy fa tsy ny fahafinaretan'ny nofiny fotsiny
angaha ianao novidiny t@ RAD-nao ka izay tiany atao aminao dia tokony hotanterahinao
5- sao dia tsy tia anao intsony izy dia manisy condition impossible izay fantany fa tsy ho voatanteraka mihintsy


3. maditra ( 27/07/2005 15:56)
Gravy marina izany ry Vatsimpanahy fa tsy haiko ny zavatra tenenina. Zah aloha tsy mino hoe ho vitanao ireo. Tsy misy olombelona parfait izany. Ary ny fitiavana koa tsy condition araka io lazain' ny namana ambony io. Raha tena Katolika marina ny vadinao dia tokony ho fantany izany "fandeferana ao amin'ny tokan-trano" izany. Tsy ny vehivavy na ny olona iray ihany no mandefitra fa ny roa tonta. Dia izay fantasme-ny koa dia tokony hilaminy satria lalana mitondra amin'ny fakam-panahy izany. Ny filana koa; mandika lalana izany manery olona hanao firaisana izany. Karazana viole anie izany. Interpretation-ko fotsiny ireo an, araka ny zavatra teneninao ireo, fa enao ihany no mahay maka ny decision tianao horaisina satria raha ny fahitako azy dia olona mba manana ny fahaizana sy saina ary fanahy handinika izay mety sy tsy mety aminao enao.
mahereza
4. Samoana ( 27/07/2005 16:43)
Lazao ny vadinao fa ireo conditions apetrany ireo dia tsy fiteny eny @ alitara fa perso. Araka izany tsy misy tokony ahamaika anareo hanao mariage religieux fa aleo hijanona civil dia anjaranareo no mifanaraka raha te hanatanteraka n@ fantasmen'ny tsirairay.Lany vola hatao frais eo fotsiny.
Mety tsy mariazy koa no mety aminareo fa ny " manary azy " mihintsy raha mitady hanjanaka ny vatanao tsy araky ny sitraponao akory no tiany !!
Mahereza ary tsarovy fa na ravaky ny tokantrano aza ny vavy dia tsy fitaovana fotsiny sanatria. Tsy anjely aho miteny ity saingy nampiteny ny moana ny fihetsika fanjanahan-tsaina sy vatana toy ny ataon'ny vadinao izao !!
5. vatsimpanahy ( 27/07/2005 18:19)
Misaotra betsaka ry reto a. Izaho koa mahita hoe impossible amin'ny maha-olombelona ny hanatanterahana ireo conditions ireo. Tena tsy ho vita ary na olona misy fanahin'A/tra toy inona aza sy manana hery lehibe iatrehana izany tena ho solafaka indray andro any. Ny olana anefa dia rehefa mba mi-aborder aho iray amin'ireo conditions ireo dia tonga dia hoy izy hoe tsy vonona hanambady azy aho ´matoa mbola te hiresaka momba ireo conditions ireo. Ny resakay farany dia tokony manao divorce hono rehefa misy iray amin'ireo fepetra ireo fantatro fa tsy ho vitako.
Tena mamoy fo aho ry zareo a. Hisaraka nefa mbola tia azy dia hisaraka satria aho tsy mitovy fahita aminy ny zavatra? Tena hitako tsy rariny, tsy rariny, tsy rariny.
Izany vadiko izany anefa dia mamonjy lamesa isan'andro raha mbola velon'aina koa izy. MIfanerasera amina mompera betsaka izay inoako fa afaka hanolo-tsaina azy ary manao asa soa any am-piangonana izy isaky ny asabotsy ary ny tena gaigy dia hoy izy hoe: " mivavaka aho mba ho vitanao ny hantanteraka ireo conditions ireo raha tena hanambady ahy ianao". Tsy possible mihitsy A/tra hamaly vavaka ohatran'izany. Sao dia tsy mitovy aza ny A/tra ivavahanay ry reto? Sa tena possédé du mal ny vadiko....? IZy anefa isaky ny miresaka izahay dia lazainy tsara mihitsy hoe izy feno ny Fanahy Masina ary izaho hono no tokony hangataka izany ahafantarako ny lalana alehako.
Tena kivy aho!
6. fasaly ( 27/07/2005 18:56)
amiko aloha raha vao nanomboka manome ireo conditions ireo izy de tsy misy fitiavana ao aminy ao fa ny fandraisany anao de objet fa tsy vadiny
ataony amizay hitiavany azy, sarotra be ny miditra amin'ny aferan'ny couple, fa raha izaho no tamin'ny place-nao dieny mbola tsy lasa adala dia miala aho fa angah izy irery ny olona eto an-tany azo tiavina, indraindray misalasala hoe aleo aho hijanona sao miova izy, fa efa toy izay ary ny zava-miseho de hijanona ihany ve? vaut mieux etre seul que mal accopagné, hoy ny fiteny! sarotra be e! enao anefa mbola tia azy de izay no olana, ary izay fitiavanao azy izay no hanararaotany anao, raha mifamaly moa lay fitia maninona!!! fa ianao mitia irery de hijaly enao ko! hono wa ! nareo angah tsy nifankahalala toetra alohan'ny hivadiana fa raha izay de mi comprendre ny situation nareo zà! satria mila mifankahalala tsara nareo amy lafin'ny rehetra, ianao kosa angamba saro piaro be loatra, ny mijery vehivavy anie tsy midika hoe hikoty izy e! ary ny fantasme tsy fahotàna koa izany, zava misy izany eo amin'ny fiainana mety hiseho ka aza atao mankarary andoha raha tsy misy acte marina e!, de ny resaka finoana indraindray ny vavy manaraka ny lahy !
fa na izany aza itako mi domine be anao izy de efa tsy mety zay amiko e! ka ianao ihany ny mitondra io fa tsy misy afa tsy enao no mandray fepetra amizany.
fa raha izaho de efa lasa aloha e! tsy mila lehilahy toy izany aho. de mahereza e!
7. xxx ( 28/07/2005 00:04)
Tena mba mahamenatra indray izany toe-tsainan'ilay Katolika izany,tsy azo atao nefa ny manao safobemantsina fa rehefa Katolika dia toy izany daholo an!Misy amin'izy ireny tena olom-banona mihitsy fa ny mandainga sarotra.(Mba marina fahotana ê!Nareo ve tsy mino ahy ê?)

Izao no mba torohevitro anao ê:Ny firaisana ara-nofo dia misy fahafinaretana foana ,na amin'ny olona na amin'ny biby,na avy ao anoloana na avy ao aoriana,na amin'ny lahy na amin'ny vavy,na amin'ny saribakoly,na amin'ny Miss manja,na amin'i Myriam Makéba na amin'i Desmond Tutu,na amin'ny mpanankarena na amin'ny mahantra ,na ny matavy na ny mahia,na katolika na silamo na protesta...
Ovay izy rehefa manadala fa na ny toe-tsainy aza mamoehatra.

Fa ny zava-dehibe raha izaho manokana dia ny fitodihana any amin'ny "taranaka" handimby.Sao lasan'ny vahiny fotsiny ka hanompo firenen-kafa.
8. kamr ( 28/07/2005 00:17)
Ity mba misy fianarana azoko ka mba ampitaiko aminao:
Raha dinihina ny teny hoe VADY=V+ADY. Ka inona ilay V=Vavaka. Raha miala io V io dia lasa ADY no iafarany. Ary dia niainako ilay izy ka fantatro fa io vavaka io no tena nanamboatra anay mivady ka nampijoro ny tokatranonay. Raha tany aloha vao misy ny olana dia fisarahana matetika no vaha-olana, amin'izao fotoana izao dia Vavaka no vaha-olana tsara indrindra hitanay. Izany tsy midika fa tsy manana olana tokatrano izahay, fa ny mahasamy hafa azy dia mahery ny valim-bavaka ka manova zavatra maro. Ary betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina maha-olombelona voavotra tao anatin'izany.
Koa mahereza, ny Tompo homba anao, ary hanolo-tsaina anao ny amin'izay tokony hatao, raha vonona tokoa ianao.
9. fijo ( 28/07/2005 04:33)
vatsimpanahy.
tsy fanambadiana ny anao,fa figadrana.
aza enti mpo,fa dinio ireto.
_matahotra ny hisaraka enao.(ekeko)
nefa ,inona no tanjony?
ny tanjony dia ny ahatonga anao hiankina tanteraka aminy.tsy miasa=tsy mana mbola fa mangataka aminy foana.farany ianao tsy ahatanty dia hisaraka ihany.
ka raha hisaraka,tsy aleo ve misaraka dia ny mbola miasa,toa izay hisaraka rehefa :
-sady tsy miasa
-no hianjadian'ny adin tsaina?

ary farany.
tsy "conditions"ny fitiavana.
nefa kosa raha hasiana io fepetra io,dia mba apetrao koa ny anao e.
eo ampandriana ianao no eo ambaniny,fa amin'ny lalana ianao mitovy aminy.
mahereza
10. lilbon ( 28/07/2005 05:13)
vatsim-panahy!
Manao azafady aloha voalohany fa sarotra be ny miditra
amin'ny fanambadian'oll !
Izany anefa tsy manakana ahy hanome conseil d'ami ano .
Géneralites fa tsy cas exceptionnel otran'izao
1/ tsy hoe misy fanahy ratsy ny vadinao sanatria !
2/ny mpivady rehefa miaraka ela2 de mety misy degradation kely nefa
3/saino tsara izay tianao hatao aloha de aza maimaika
4/raha tianao izy de aza sarahina fa ereto
5/raha tofoka enao de misaraha de mbola tsiss ankizy
11. radriana ( 28/07/2005 06:55)
Efa omaly aho no nahita ny message-nao fa tena sous le choc ka tsy nahavaly, nanontany tena aho hoe : mi-existe ve ny lehilahy hoatrizany eto antany ?
Rehefa tena nieritreritra be aho dia hoteneniko anao ihany ny hevitro na fantatro fa tsy hahafaly anao.
" Misaraha ", be dia be ny lehilahy ary azoko porofoina mainao 100% fa depuis ny nahafantarako lehilahy mbola tsy tojo hoatran'ny lehilahinao io aho, ka noho izany betsaka ny tsara ary mahaiza mifidy. Indray mandeha ihany anie no miaina e, ny ahy aloha raha hanatanteraka ny conditions ny hafa no hihainako eto antany dia aleoko tsy miaina e
12. ainaheri ( 28/07/2005 06:55)
Amiko tsy misy fanahy ratsy izany ny vadinao fa mamolaka @ tsy tokony ho izy izy.
Tsarovy sy tadidio fa na ny biby(azafady fa tsy mampitovy anareo @ biby akory)aza mbola mahalala
ny tokony ataony eo @firaisana aranofo indrindra ny olombelona misaina toy azy .
Ka teneninao hoe misy devoly v izy d ny fanafodiny dia miala mora2 raha azo atao fa tsy fitiavana intsony izany amiko.
13. manohisoa ( 28/07/2005 07:30)
Fa nahoana moa no izy irery ihany no afaka miteny ny conditions-ny e??? ianao koa anie afaka mi imposer ny anao e!!!
14. ari.malala ( 28/07/2005 07:49)
vatsimpanahy, ny fitiavana tsy tokony hisy condition izany, indrindra ny resaka firaisana ara-nofo, tsy tokony hisy fanerena oe na mandeha fadim-bolana aza... na izy aza v tsy hahatsiaro rikoriko hoe hanao ao anaty rà? azafady alo fa za directe b miteny an! tena mahamenatra b le toe-tsaina indrindra we katolika... mieritreritra sodomie...non, aza manaiky anzany aky â! marina e! tena soa ihany fa tsy mbola vita ny mariage religieux!!! sady tsy rariny koa izany we sakanana daolo ny epanouissement anao rehetra, tsya mety zany ê! ny tena tadiaviny d ianao ho lasa dépendante tanteraka aminy nefa wa nareo tsy aty an-tanindrazana akory, ka raha inty moa izany ka @le fotoana tsy anananao vola izy sanatria no miteny we lasa mandeha fa za tsy mila d aôna? hoaiza anya n-tanin'olona nay ity ianao? d iray koa ilay we ny havany vao ianao, tsy mety aky zany â! raha mbola malagasy koa tsy tokony hanana izanytoe-tsaina tsy tia ray aman-dreny izany! sady @ malagasy d we fozalahy atakalo fozavavy donc ny rad nao no tokony ho rad ny zao d vice versa... non, tena raha za enao misaraka dieny tsy mbola misy zaza sy tsy mbola vita ny mariage religieux!!! marina ê! mbola tia ianao d'accord za, fa am-boalohany ihanyaky no marary â! refa ela ny ela voafafan'ny fotoana ihany izany ratra izany! sady ny tena tiako tenenina koa d tsy tokony izy hanery anao hifindra finoana satria Andriamanitra 1 ihany.
15. sipagasy ( 28/07/2005 08:49)
ô retsy e!!!! tsy mbola nisy oulona afaka nividy olona ambongadiny izany tety an-tany fa mba mahaiza mieritreritra soa de ny aina ihany koa no hafoy ao anaty tokantrano ao ny hiafarany........... ialao dieny izao retsy e!!!!!ny vodisobika aza akia manan-tandrify annnn, izy miseho ho azy inona no mandindy & hanapaka ny fiainandry???? soa ihany tsy mbola misy zaza...
Mahereza e!!!
16. xxx ( 28/07/2005 08:56)
Je ne crois pas qu'il y a de l'amour dans tout ça, mais de l'égoïsme. Un mariage avec de telles condotions ne survivra pas longtemps. Tu seras sa prisonnière ma chère. Ne plus travailler veut dire ne plus avoir d'argent. Tu dépendras de lui, mais gagne t-il assez aussi pour pouvoir subvenir à tes besoins et à vos besoins lorsqu'arrivera votre enfant?
Et puis en tant que personne, je pense que tu as ta fierté : tu gagnes bien ta vie, tu as un boulot.
réfléchi bien et bon courrage!!!!
17. bichette ( 28/07/2005 09:04)
miombonkevitra amin'tenin'ireo namana koa zah
18. pika ( 28/07/2005 09:16)
dia ny izao dia hihalao fa hijaly ianao eritrereto tsara
19. vatsimpanahy ( 28/07/2005 09:22)
Tena mahatsiaro maivana aho ry reto mba mamaky ireo hevitrareo! Ny tokan-trano moa tsy aahaka ka dia tsy fombako ilay andeha hitety varavarana etsy sy eroa indrindra aty an-tanin'olona. Dia eto amin'ny serasera anefa mba misy namana ihany nefa koa preserver ny maha-anonymen'ny tena.


Ho valin'ny fanontaniana napetrakareo dia efa nifankahalala 3 taona izahay vao nanao mariage civil. Nandritra ireo 3 taona ireo dia niray toerana fa tsy mbola niara-nipetraka. Nifanerasera matetika. Tena izaho nahita fa nisy ny harmonie tamin'ny lafiny rehetra. Toy ny olona rehetra dia saro-piaro aho, fa efa nialako tanteraka izany nanomboka tamin'izahay mivady satria mahatoky azy tanteraka aho no mino koa fa misy valeur aho donc j'ai aussi confiance en moi-meme. Efa nifona taminy aho hoe tsy ho saro-piaro intsony ary izy mihitsy no niteny tamiko hoe tena niova sy nihamatotra hono aho tamin'io lafiny io.
Betsaka ny zavatra azoko lazaina eto momba ny fandeferana diso tafahoatra teo amin'ny fanambadianay hatramzao kanefa ny tena essentiel ireo noresahiko ireo.

Ilay fanontaniana tsy hoe tia ahy ny vadiko sa tsy tia ahy satria mazava be fa tsy TIA izy matoa milaza ireo conditions rehetra mahamenatra ireo.
Amiko ilay izay dia fomba ankolaka fotsiny hisarahana amiko, manome fepetra hitany fa tsy ho vitako amzay aho dia miala, dia amzay izaho no omen'ny fianakaviana rehetra tsiny hoe nisaraka satria izy te ho madio tsy misy pentina.

Izaho moa tena tsoriko fa kristianina be finoana eh. Zavatra roa no angatahiko amin'A/tra: soit hanome hery ahy Izy afahako misaraka satria tena tsy vitako amin'ny maha-olombelona ahy ilay izy..tiako loatra izy; soit mety misy miracle dia ovainy ny vadiko.
Tsy mangataka zavatra betsaka aho amin'izany fiovany izany fa ny hoe: tena iainany tokoa ny fivavahany, mba halemy fanahy izy, ho vita hatreo ny toetra midomine sy abusif. Mba ho fantany ilay ao amin'ny Korintianina hoe ny fitiavana mandefitra ny zavatra rehetra, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra. Ny tena mahakivy koa dia rehefa hitany mamaky Baiboly aho dia tezitra izy fa Baiboly hono lovan-tsofina!!! Tsy voatery raisina ara-bakiteny daholo ka hoe tiava na dia ny fahavalonao aza. Ny azy hono zay manisy azy dia asiany ary tokony atao ivelan'ny fanambadianay hono zao A/tra izao. Nefa averiko aminareo fa izany vadiko izany dia mifoha amin'ny 6h30 isan'andro mamonjy lamesa! Tena izay angamba ilay hoe "tsy izay manao Ahy Tompoko Tompoko no hahita ny Fanjakan'ny lanitra". Fa raha izao no mitohy dia mety sanatria ho very na fanahiny.

Ny tena mahafinaritra azy dia rehefa mifona ireny aho na tsy izaho aza no diso, tena mahafinaritra ny sofiny mihitsy izay, dia amin'iny izy mibontsina be sady manao hoe tandremo aza averina fa vita hatreo!

Na dia mba te hametraka conditions aza aho dia tsy afaka satria hono tonga zahay dia misaraka satria ny azy hono fa ampy izay ny ahy! Biby aza ve ringahy kenakenaina ao an-trano fa izaho tena atao tsinontsinona, tsy afaka miteny, tsy afaka mangataka, inona sisa?

Tena kivy dia kivy aho. Vonjeo aho A/tra
20. sipagasy ( 28/07/2005 09:49)
mmhhh ny fara teniko retsy dia ny mialaha alohan'ny hahavery andry @ maha olona annn, efa tsy laitra intsony kosa izany e!!!, efa mba nandalovako koa io toerandry io ary dia niharitra tao koa aho ary nisy zaza 1 koa fa aleoko ny zanako tsy hahita ny niainako ary lasa izahay e!!!!
Izao ny fiainako tena niova beee, fahafinaretana hatrany ny mamonjy ny tokantranoko vaovao.........

Mahereza akia annn
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4853