misy fanahy ratsy ve ny vadiko?

61. vatsimpanahy ( 01/08/2005 07:35)
O ry reto ah! Tena misaotra eram-po eran-tsaina tamin'ny torohevitra sy ny fampaherezana. Nisy taminareo moa nandefa hafatra privé fa tsy ho ary voavaliko ireny satria teny sarotra ny fotoana iainako ankehitriny.
Efa nandinika ambony ambany aho ka ny mahagaga dia miverina ao an-tsaiko ilay hoe izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olona. Marina fa mbola mpivady ara-panjakana izahay nefa efa masina amiko ilay fanambadiana. Moa ve aho nataon'A/tra teo amin'ny lalan'ilay vadiko mba hanova azy? Jereo anie ireny martyr ireny e. Enjehina sy mijaly fatratra pour la cause de Dieu nefa mahatsiaro sambatra ao anatin'izany. Ka zay sisa no mampisalasala ahy, sao dia tsy natao iadana am-panambadiana aho fa natao kosa hitondra "fanahy very" eo amin'A/tra= ny vadiko. Nisy ramatoa mpivavaka izay manko mba ni se-confier-ko dia hoy izy hoe "rehefa mi-refléter hatsarana ny asanao dia miova ho azy izy" ka izay no nahatonga ahy nandefitra be sns. Tena tsoriko aminareo fa vitsy ny vehivavy aty an-dafy no mi se-soumettre à 100% amin'ny vadiny amin'izao toetr'andro izao. Izaho mbola mampidi-bola be lavitra noho izy ao an-tokantranonay, betsaka ne lehilahy hitako hoe nitovy longueur d'onde, finoana, fomba fijery ary classe sociale amiko naka vady ahy kanefa tsintntsinona izany par rapport amin'ny fitiavako ny vadiko. IZany tokoa no hoe tena fitiavana. Inconditionnel. Tsy nanenako anefa na dia fijaliana aza no hitako hatramin'izao fa tena mino koa aho fa izao A/tra ivavahantsika izao dia A/tra rariny sy mahitsy.
Eritreretonareo fa anniversairen'ny mariage civil-nay vao tsy ela... ni-tomber week-end tsara. Dia hozy hoe "hitondra ny alikako handehandeha aho androany fa tsy ho ato an-trano" ary naveriny in-5 io!!! Lasa izy sy ny alika tamin'ny 9 ora maraina. Lasa aho niantsena, nahandro sakafo izay tiany, entrée, plat de resistance, dessert tena niangaliako tsara ho fankalazana ny anniversaire-nay. Efa vonona ny couvert miaraka amin'ny labozia ary nisy cadeau nomaniko ho azy. Niandry aho ny atoandro tsy tonga, ny hariva tsy tonga, efa eo am-pandriana aho amin'ny 10 alina vao iny izy sy ny alika miditra ny trano. Izany ny zavatra niainako vao tsy ela. Ny alika angamba mbola misy lanjany aminy.
Raha izy hoe jentilisa tsy mahalala an'A/tra dia leoko ihany fa izy tena tsy tapaka mamonjy lamesa isan'andro. Ny mompera miantso azy matetika ao an-trano dia amin'ireny aho mba mivavaka hoe mba iasao amin'ny Fanahy Masina zao resaky ry zareo zao. Rehefa tonga ao an-tranonay ny mompera dia rosoana Johny Walker sy Sigara. Jesosy oh! Ary ny vadiko mihitsy no mandroso izany zavatra izany. Tsy mompera 1 io ka hoe exceptionnel fa izay mompera rehetra miditra ny trano. Iray ihany no tsy nanaiky izany zava-pisotro izany.

Ka zao ry reto a, rehefa mba mivavaka ho ahy nareo dia ataovy theme ny hoe "ampahafantaro azy nytena sitraponao A/tra" fa tsy mi-insiste aminy intsony aho hoe mbola hijanona ao.


Misaotra anareo namaky
62. johns ( 01/08/2005 11:32)
Miarahaba anao,
izay aho vao nahita ity hafatra ity.
vatsimpanahy:

"ampahafantaro azy ny tena sitraponao A/tra"

Ny ahafantaranao ny sitrapon'Andriamanitra dia tokana, ianao mahery mivavaka araka ny tenin'Andriamanitra hoe
"tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka"
Tsy diso mihitsy ianao raha mangataka ny hiovany, Fantaro anefa fa ianao no misafidy ny ho vadinao fa tsy Andriamanitra.
Tsy fantatra koa mety io ho fitsapana ataon'Andriamanitra anao mialoha ny hirosoanao amin'ny mariage hoe hatraiza ny fahazakanao ny olana ao an-tokantrano. Raha ara-baiboly dia betsaka no azo atao ho hevitr'izao zava-mitranga aminao izao fa tsy ho voaresaka eto avokoa izany.
Hivavaka ho anareo aho. Dia mahereza mivavaka.
Johns
63. ari.malala ( 01/08/2005 12:10)
zefalah:

malaelo aho milaza aminao fa ny vadinao dia tsy nianaitra resaka finoana voaloany zay.
mbola malaelo ko za milaza aminao fa enao tsisy saina
faly kosa nefa za manambara anao fa Ho raikitra ny aminareao..satria enao tia azy..izy koa tinao.
tsisy zavatra tsy vitany fitiavana hono.
ka de zao ary no tokony ho ataonao.
zao e...jereo aloa ny toetrany rehetra vao miroso @ fanambadiana enao,ary refa itanao reo toetran'reo dia mieza enao anova azy..refa tsy vitanao ny manova azy dia apanirao olona mananatra azy sy mampianatra azy @ resaka finoana indrindra.
satria ty finoana ty mila ai tsara..zay vao miteny teny foana..sady tsy aza atao amban'zavatra ny fianakavinao..fa enao no ianteheran'izireo..taranaka mandimby an'DADA sy NENY..ka aza atao sirambina izy reo...
manaka ndray..aza aseo anazy fa enao dia mijery zay toetra misy ao aminy..na enao miezaka manova ny toetra ratsiny.
de ny tena ataonao dia ty.
AKINO @ ANDRIAMNITRA NY FIAINANAO.
de jereo @zay zefalah refa raikitra le fanambadiana .



Fa i zefalah v zany no tena tapitr'ohatra ndrindra @ fahaizana sy ny fahendrena ê! :evil:
mbola malaelo ko za milaza aminao fa enao tsisy saina
enao miteny io indrindra no ten atsinsy saina!!!!!! ary tsy malahelo mintsy aho miteny anzany aminao! olona mila torohevitra sy tohana avy aminao v d ataonao anzany?!!! mba misaina vao manoratra fa mahatsiravina!!
64. vatsimpanahy ( 01/08/2005 12:56)
ari.malala> Tsy maninona retsy izany fa misy foana ny maningana eh! Ireny mihitsy ilay bikabikan'ny atahorana. Mba miteny izy etsy ambany hoe "Ankino amin'A/tra ny fiainanao" nefa etsy ambony milaza hoe "enao tsisy saina".

Tsy surprise ireny fa fahita isan'andro. Mety tena entim-po be loatra koa izy manoloana ilay situation eh! :D

65. bichette ( 01/08/2005 13:11)
ari.malala > =))=)) nefa miombonkevitra aminjy za @ zvatra teneniny zefalah
66. ari.malala ( 01/08/2005 14:39)
vatsimpanahy, :)

tsy azoko aky ny tiandry tenenina bichette!
67. bichette ( 01/08/2005 15:09)
ari.malala : miombonkevitra @zv tenenindry ta@ zefalah
68. fasaly ( 01/08/2005 15:18)
vatsimpanahy:
tsy mitovy kiltiora angah ianao sy ny vadinao? izany hoe vahiny angah ny vadinao sa gasy?
raha tsy te hamaly tsy maninona an! fa mba tiko ho fantatra satria matetika rehefa tsy mitovy kiltiora toy izay ny mivady dia sarotra be vao mi comprendre nao izy, tsetsatsetsa fotsiny iny fa raha tsy tianao valiana aza valiana an!
69. sipagasy ( 01/08/2005 17:06)
mmhhh sady sorena aho no malahelo an'i vatsimpanahy kann, sa ahoana hoy ianareo?? efa atpro ny mahasoa azy izy nefa dia mbola hoe sao de mba..... sa enao kosa miandry ny fanahy masina hirotsaka aminy izay tsy ho avy???? mety diso aho fa sady entim_po koa mamaky ny ttsinao e!!!anao ny safidy e!!! efa maro no toro-hevitra naroso anao, ka anao ny safidy sisa na hiaritra trefla ao, na hitondra ny fiainanao @ lafiny tsara e!!!
mahereza hatrany nefa e!!!
70. hery ( 01/08/2005 23:44)
vatsimpanahy>

Tsetsatsetsa tsy aritra eny ampandehanana fotsiny hoe Tsy katolika velively izany fomba izany (miaro ny fiangonako izay fantatro tsara aho eto). Tsisy lalàna na didy avy amin'ny Fiangonana Katolika mametraka ireo conditions napetrak'ilay ranamana ireo. Koa tsy haiko na nisy zavatra hafa (mety tsy fanahy ratsy fa namana ratsy sns) nitarika azy.

Ny Mariazy koa amin'ny fiangonana katolika dia tsy vita indray andro fa mila fifampiresahana maharitra (dinika mariazy) amin'ny pretra. Tsy voatery hiandry an'io dinika io anefa ianao vao afaka mangataka fanazavana be be kokoa ami'i mompera fa na dia amin'izao fotoana izao aza. Izy no hilaza aminao ireo zavatra sasany mety hataonao raha hiditra amin'ny Fiangonana katolika ianao. Averiko indray, tsy conditions hidirana ao amin'ny fiangonana katolika ireo nolazainy ireo.

71. moi ( 02/08/2005 05:56)
Maro no efa naneho hevitra teto, ary ny fisarahana no hevitry ny maro an'isa, ary izaho koa tsy tena sahy milaza fa ny misaraka ZAO DE ZAO no mety ; aza andrasana ho mikasi-tànana re izy vao miala e ! raha manahirana ny manao "veloma" dia ilaozy mangingina...
Raha manantona mpitondra fiangonana ianao dia inoako fa valiny mitaona anao hiharitra no ho renao any, satria mampihavana no andraikitr'izy ireny ; miezaka izy hampifanantona, koa asanao mbola manana fanantenana...
Aza lany andro aminy r'ise a, mba mandeha ange ny taona e !!
72. manohisoa ( 02/08/2005 15:28)
Misy fampisaraha-bady henjana be ato zany!!!
73. fasaly ( 02/08/2005 17:29)
ka rehefa tsy mety ve aleo misaraka e!
mahazo vola indray alony ny avocat amizany zao...
74. ari.malala ( 03/08/2005 06:24)
manohisoa, tsy hoe fampisaraham-bady akory, fa torohevitra hieritreretan'ilay miaritra ny mafy ao @ tokantranony. Mamakia hatrany @ voalohany ianao dia ho hitanao fa tsy hoe fitia te hampisaraka ny an'ny namana!
75. Tenio ( 03/08/2005 08:13)
Ahoana ny niafaran'ilay izy e???
Zao marina anie ny gidra e!! miteny hoe misaraha isika an, voalaza fa mampisara-bady sy mampisaraka ny efa nakamban'Andriamanitra. Ilay namana anefa hita fa latsaka an-katerena tokoa sy sahiran-tsaina mafy.
Ny ahy dia tsotra: rehefa mbola tantinao dia mijanona ao. Otran'ny radical be zany kanefa tsy hitako hoe inona intsony no azo lazaina mihoatra izay.
76. moi ( 03/08/2005 08:26)
Tsy sitrako ny fitaomana hisaraka, fa ity kosa tsy hoe fahalainana handefitra sy hiaritra ny anjara, fa fanambadiana vao hiroso hohamasinina, izany hoe mbola mahazo misaraka izany ; Ny fitiavany ange no mbola mahatazona azy e, fa ny sainy efa mahiratra fa risika izy ity ! Zay tia adala, hoy ny fitenenana.
Efa mazava ve ny fepetra, mbola misy fisalasalana ? Raha namako akaiky aza vatsimpanahy mety nambenako sao mody any aminy.
77. bichette ( 03/08/2005 09:31)
efa mpivady anie ry zareo e civil
78. Iriniaina ( 03/08/2005 09:43)
ny mahagaga ahy dia ny hoe mbola misy vehivavy ve hanaiky itsahana toy izao ? amiko efa itsaka zany mampitovy aminy biby , ialako tsiny :twisted:
79. vatsimpanahy ( 03/08/2005 10:02)
Bjr daholo ry namana isany.
Nisy fanontaniana napetraky ny namana tamin'ny msg privé hoe fa inona loatra no dia nahatonga an'lé vadiko ohatran'izao.
Tsy nanana enfance malheureuse mihitsy izy fa ny ray aman-dreniny dia farany izay nifankatia indrindra ary tsy niady teo imason-janany. Par contre, ny mamany tamin'ny fony mbola kely dia nijaly be ary narian'ny rainy. Sa mère a eu une enfance et une jeunesse malheureuse ( tsy nisy naka vady fa mariage arrangé) jusqu'à ce qu'elle a rencontré le père de mon mari.
Ny hypothèse anankiray dia hoe mety hoy izy hoe fa ahoana no reniko ihany no nijaly fa tsy ny vadiko koa? Attachés manko izy mianaka, tsy mifankafoy, miara-misakafo isan'andro, miara-mody, ny vadiko maka sa manatitra azy isan'andro sns. Betsaka lavitra ny zavatra eo amin'ny fiainan'le vadiko fantatry ny reniny fa izaho tsy mahalala. Isaky ny manao comparaison izy dia tsy maintsy entre ny reniny sy izaho foana. Donc misy zavatra ao fa tsy haiko hoe inona. Azo lazaina ihany hoe psychologique.
Faharoa dia hitako hoe complexé koa izy amin'ny lafiny rehetra. Tamin'izay nisipa manko dia tsy dia nanana idée firy izy mikasika ny environnement niainako tany dago. Izy anefa nizesta be tamin'izany hoe izahay manana trano betsaka any dago, manana taomibilina betsaka, taranaky anona sy anona. Izaho tsy niteny na ni-zesta fa tsy important izany. Dia avy eo zahay nankany Madagasikara nanao vacances talohan'ny soratra. Dia samy nahita ny milieu nipoirany avy. Aleoko dia tsy miteny fa be resaka ny anareo!!! Fa encore une fois, tsy important izany fa tiako izy dia ampy izay.
Ny solution hitako dia zao: Miresaka izahay ary hilaza aminy aho hoe amin'ny maha-olombelona ahy dia tsy ho efako ireo conditions ataony ireo ka ho lazaiko ny zavatra mety ho vitako, ny zavatra mety ho hatsaraiko ary ny zavatra mba andrasako aminy. Rehefa miteny izy hoe vita ny aminay satria tsy tanteraka ny maha-macho azy, dia aleo izy no hanonona ilay "misaraka" voalohany. Manasa tanana aho amin'izay, afa-nenina, ary tena afa-nenina tokoa satria fantatro fa tsy nanao zavatra tapany fa tamin'ny fo manontolo tao anatin'ny fanambadianay.
Tsy miandry zavatra betsaka aminy aho fa zavatra telo ihany: fanajana, fahalemem-panahy ary vavaka tena iainany.
Ny fahitako azy dia tena ho sarotra dia sarotra izany raha tsy hoe hisy miracle angaha. Tsy sitrapon'A/tra ny hahita ahy ampahoriana fa fantatro izany. Kanefa ny zavatra rehetra dia miara-miasa ahasoa izay tia an'A/tra. Donc raha misaraka izahay, dia raisiko ho toy ny "sedra" nataon'A/tra teo amin'ny fiainako izao hanatsarako ny fomba itondrako ny tokantranoko vaovao rehefa tojo ilay olona tena tia ahy aho.
Zay no zavatra kasaiko ataoko izany. Fa misaotra ihany tamin'ny toro-hevitrareo na dia izany aza.

Mandra-pitafa
80. xxx ( 03/08/2005 11:56)
ô ry vatsimpanahy a!
dia mihevitra ve enao fa hitonona voalohany ny hoe ndao hisaraka izy?! ny tanjony dia ny hanaporofo amin'ny tenany sy aminao fa voafehiny ambany sitrapony rehetra ianao; raha tsapany fa izay no tanjon'ny fihetsika hasehonao azy hoe miandry mot farany sisa dia hiandry eo ianao fa ho ampifilainy indray ka tsy haheno akory fa asa , izay hitanao fa tsy hampahory anao hatao koa e, bon courage fotsiny .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2414