misy fanahy ratsy ve ny vadiko?

81. bichette ( 03/08/2005 12:23)
amiko aloha raha izany fitantarananao izany dia misy probleme psychologie mihitsy izy e ! tsy azo lavina ary ianao aza mi se culpabiliser tena
82. johns ( 04/08/2005 11:05)
vatsimpanahy:

Tsy sitrapon'A/tra ny hahita ahy ampahoriana fa fantatro izany. Kanefa ny zavatra rehetra dia miara-miasa ahasoa izay tia an'A/tra. Donc raha misaraka izahay, dia raisiko ho toy ny "sedra" nataon'A/tra teo amin'ny fiainako izao hanatsarako ny fomba itondrako ny tokantranoko vaovao rehefa tojo ilay olona tena tia ahy aho.

Ho anao. Talohan'ny nidiran'ny Zanak'israely ny tany kanana dia nandalo ny tany efitra izy aloha ary nisedra ireo zavatra rehetra maro fantatrao.
Vakio Eksodosy 12:51 hatramin'ny Josoa
Ho aminao anie ny Tompo
83. johns ( 04/08/2005 11:08)
vatsimpanahy:

Tsy sitrapon'A/tra ny hahita ahy ampahoriana fa fantatro izany. Kanefa ny zavatra rehetra dia miara-miasa ahasoa izay tia an'A/tra. Donc raha misaraka izahay, dia raisiko ho toy ny "sedra" nataon'A/tra teo amin'ny fiainako izao hanatsarako ny fomba itondrako ny tokantranoko vaovao rehefa tojo ilay olona tena tia ahy aho.

Ho anao. Talohan'ny nidiran'ny Zanak'israely ny tany kanana dia nandalo ny tany efitra izy aloha ary nisedra ireo zavatra rehetra maro fantatrao.
Vakio Eksodosy 12:51 hatramin'ny Josoa
Ho aminao anie ny Tompo
84. cocorie ( 04/08/2005 14:32)
Tsara de tsara ny décision-nao fa raha ity tokoa moa tsy iteny voalohany izy hoe hisaraka de hijanona ndray zany ianao? Fa tsy eken\'ny sainao mihitsy ve raha ianao no hiteny voalohany hoe hisaraka? Aza endrasana ela intsony. Mba asio tsiky dia ampy amizay e! ouf
85. manohisoa ( 04/08/2005 15:12)
Efa tafasaraka veeeeeee?
86. fasaly ( 04/08/2005 17:01)
izaho koa dia miandry ny valiny sy ny decision zao ko!
87. xxx ( 08/08/2005 06:59)
aleo ny tena no manapakevitra ny hisaraka fa ilay sarahina marary kokoa
88. moi ( 08/08/2005 08:03)
izay tsy anenenan'ny fo atao e ! Hoatry ny ala nenina tena mety ny anao.
89. vatsimpanahy ( 11/08/2005 08:56)
Tonga kely indray aho ry reto a! Nisy évolution ny tantara. Niresaka izahay ary nolazaiko azy fa tsy ho tanterako ny conditions napetrany satria hoy aho hoe tsy misy fitiavana ao anatin'izany. Nilaza ny finiavako sy ny ezaka ho ataoko anefa aho raha mbola samy vonona ny tsirairay. Nambarany tamiko fa dia tsy natao ho azy aho ary izy tsy natao ho ahy, dia aleo hoy izy mifampitso-drano. Nilamina ny tantara fa ny teniko farany teo am-pandaozana azy dia hoy aho hoe tena sure aho fa misy olona any ho any mahay mi-apprécier ny zavatra atao sy olona matahotra an'A/tra. Vita ny tantara. Tapitra ny baolina. Afa-nenina tanteraka. Tsy nisy ranomaso latsaka na dia iray aza noho ny herin'ny Tompo ato anatiko. Hikarakara ny fisarahana ara-panjakana izahay atsy ho atsy fa efa tsy miara-mipetraka intsony amin'izaho manoratra izao. Misaotra anareo amin'ny fanohanana sy ny vavaka fa toa hitako ihany ilay sitrapon'Andriamanitra. Ny tananan'A/tra no nitondra ahy nivoaka tao anatin'izany fanambadiana mangidy izany.
90. fasaly ( 11/08/2005 13:32)
ouf!
nalaky be zany tantra izany knou! tsy araka ny nanampoizanay azy indray, niasa marina andriamanitra!
zay ny fantany fa mety, de bonne chance pour la suite e! mahaiza misafidy sy ny sisa, dia ny lesoka nisy teo aloha aza havaozina intsony na ny lesoka tsara na ratsy vitanao ok!...:lol:
bon divorce kou ky a! courage foana e!
91. booboo ( 11/08/2005 13:37)
ié bon divorce dé bon courage ny @ raha hatrehana vaovao
92. vivi ( 11/08/2005 20:06)
tena ataoko ny tsy hanoratra fa tena ratsy toetra mihitsy io vadinao io ka , marina hoe tena mafy ny misaraka fa tena efa trop loatra ny ataony ka aza ananana nenina na ny 1minitra monja, raha nananjanaka nareo de mafy ny fisarahana fa raha tsy manana de tsy de grave loatra ny misaraka @, sady ianao miasa hafakandro tsy manampitoana ny hieritreritra azy firy fa ataovy ezaka fotsiny ny mampifalifaly ny tenanao , sady afaka ao anatin'ilay gadra nahazo anao , hampisehoy azy tsara hoe sipa tsy mitamby azy intsony ianao manomboka izao ary hampisehoy azy fa afa ny taloha sy ny androany sy ny rahampitso ,ka raha miseho manambitamby de hiomehezo fotsiny sady teneno hoe ndana mandeha mivavaka, satria ataony fitaovana manko ny fivavahana , tsy kristianina izy fa mialokaloka @io anarana io, mahereza fa aza kivy , fa mivava mafy mba ahatohatra ny fakam-panahy izay mety ho ataony , ary tsara ny decision noraisinao , bon courage
93. fasaly ( 12/08/2005 08:20)
iray no lasa folo no miditra e!
94. fijo ( 15/08/2005 20:55)
vatsimpanahy an,aza miandry izay sitrakandriaanitra izany.tsy iza no hizaka ny fijaliana fa ianao.ny alika aza ambony noho ianao,ka mba misaina amin'izya fa ,ianao mihintsy koa no tena fototry ny fijalianao.
95. cocorie ( 16/08/2005 15:05)
Manantena ny fahatongavanao aty Dago amin'izay
96. marozevo ( 17/08/2005 21:29)
Mijaly ianao ry Vatsimpanahy noho io olana io. Tsy te hisaraka anefa satria tia. Fa ilay anankiray ve TIA KOA sa hanandevo fotsiny. Mbola hijaly mafimafy kokoa ianao any aoriana raha tsy voadinganao io olana io. Miala no fanafodiny.
Katolika io olona resahinao io, mankany am-piangonana ianareo, hoy ianao. Fa tsy mahalala na inona na inona amin'ny Morale Catholique izy, satria angamba FOMBA no handraisany ny fivavahana fa tsy fiainana. Aza matahotra ianao fa tsy toa azy daholo akory ny Katolika. Aza matahotra koa ianao fa tsy azon'ny demony izany izy akory fa gejain'ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretan'ny nofo. Ianaop dia fitaovana ho azy fa tsy olona ka asanao.
Tazony ho mafy hatrany ny maha protestante anao sy ny hitsim-piainana takiany. Izaho Katolika no miteny izany, satria na amboako na amboan'olona, hoy isika Malagasy, rehefa vandana dia kary.
Mahereza ry Vatsimpanahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2627