Kristianisma=Daba loaka

1. tsimiandravola ( 11/07/2005 09:08)
Kristianisma=Daba loaka


-Nisy i Kristy fa tsy i Jesoa no anarany
-Nonina tao Gamala izy fa tsy tao Nazareta(Nazareta dia noforonina taty aoriana)
-Terorista izy ary sefo deba nitady hanao fihokona fa noforonina ny hoe "tsy eto amin'izao tontolo izao ny fanjakako"
-I Maria Madalenna no vadiny.
-I Judas avy ao Gamala no rainy.
-Ny vadiny sy ny sasany amin'ireo mpianany dia andian-dahalo sady rahalahiny ihany,ary mpanjono no asan-dry zareo.
-I Joany no anarany ary izy dia taranak'i David izay lazaina ho Mesia
-Ireo mpianany dia nanana anaram-bositra izay nohezahan'ny mpihosoka Kristianina ny anafinafenana azy saingy tsy vitany daholo:
1)Bonargjesy:ny dikan'io dia hoe ZANA-BARATRA.
2)Iskariota:mpampihorohoro antsoina hoe "sikara"=mpanondrona antsy olona eny andalana na eny an-tsena ary mody mitoreo miaraka amin'ny olona mahita ilay voavono.
3)Barjona:midika hoe "wanted" fa tsy "zanak'i Jaona"
4)Didyme na Thomas=KAMBANA no dikan'ireo satria mitovy amin'ilay lahimatoa atao hoe Joany i lery.
5)Kefasy=Vato:eritrereto fotsiny ny nofon-tratran'i lery,sy ny maha costaud azy,fa indrindra ny maha Dahalo rain-dahany azy.
6)Zelota=mahery vaika no azo andikana azy.
7)Kananita=Zelote
Raha misy hadinoko moa dia ho hitanao eo ihany fa raha fehezina dia :

Wanted,zana-baratra,mahery vaika,be tratra,kobay ankelika... Izany rehetra izany dia azo amantarana daholo fa ireo fokonolona kely ireo dia tsy hafa fa andian-jiolahy daholo politika ary fantatra ny zava-kinendriny.

Indro misy ohatra kely vitsy fotsiny nanafenan'ny mpanao hosoka Kristianina ny maha dahalo an'ireo olona ireo:

-Ny Kananita dia lazain'ny Kristianina fa olona avy any "Kana".Nefa fitenim-paritra izay midika hoe "Zelota" na mahery vaika.
-Ny Iskariota dia nataony hoe olona avy any Kariota (tanàna tsy misy akory).
-Ny BarJona dia nadikany hoe zanak'i Jona nefa ny tena dikany dia hoe "wanted" na "tediavina".sns sns

Fehiny:andian-dahalo ireo,ary tena nisy mihitsy.Rehefa hanao ny Kristianisma ary ny mpisandoka isany dia ezahany tsikelikely ny manova ny lahantsoratra nisy,ny manampy izany ary ny manaisotra ny "tsy mamely",ary indrindra indrindra nanova sy nampifanakalo ny anaran'olona sy ny toetran'olona,ny anaran-tany izay tsisy, nanjary nisy.Andian'olon-doza,lasa mpianatra mahafatra-po.Sefo politika tsy mifadi-trovana,lasa sefo ara-panahy nahafoy ny ainy ary nahateny hoe:"tsy eto amin'izao tontolo izao ny fanjakako".Olona novonoin'ny Romanna,navadika ho vonoin'ny Jiosy....

Mba hahatomombana an'izany rehetra izany dia tsy maintsy nila fotoana,tsy maintsy nila fanankianana avy any amin'ny mpanohitra mba hanarenana an'izay "marivo tototra"(izany no tsy nisian'ny testamenta vaovao talohan'ny taonjato voalohany fa taona 160 any vao nisy),tsy maintsy vonoina koa ireo mpanohitra be taim-bava,tsy maintsy potehina araka izay azo atao ny loharanon-kevitra mety hamoehatra....

Vakio ny boky "la fable de Christ" nataon'i Luigi Cascioli.
Jereo ny vohikala www.luigicascioli.it


novalian'i estine ny 28/09/2005 12:03
2. pika ( 11/07/2005 09:22)
lava loatra aloha e
na izany na tsy izany samia mitazona ny finoany e
kristianina izahay mpanaradia an'i kristy izay tsy mbola hita izay maharatsy azy
3. jhouhlambout ( 11/07/2005 09:26)
"la fable de Christ", zany hoe tantara fotsiny zany?
4. lolabe ( 11/07/2005 09:54)
Ny marina de le zalahy atao hoe tsimiandravola io no mitady hevitra hanapotehina ity fivavahana kristianina izay hita fa tena efa miorimpaka ary mari-pototra ity, de lazaina daholo izao abobo rehetra izao mba hampihemotra ny marivosalosana rehetra, de mody tohanana main'io boky io, iza moa no tsy mahafantatra fa io Rangahy nanoratra io boky io de anisan'ireo olona tsy nino ny fisian'i Jeso, ary nitady hevitra hanapotehana izany, ka samia mieritreritra izay vao mandray zay tiana ho raisana
5. radriana ( 11/07/2005 10:01)
Nahita ilay emission t@ alina i Tsiamandravola,izaho koa nahita, fa mampihomehy ahy ihany ilay izy satria, izy io anie ka tsy noterena e, izay mino dia mino izay tsy mino dia tsy mino, mitady hevitra atsy sy aroa ny sasany mba hanaratsiana sns, f angaha mahazo vola raha mahasarika olona @ izany sa ahoana ?
6. hery ( 11/07/2005 10:14)
tsimiandravola> Noheveriko hoe diniky ny misy saina ilay izy :-) kay diniky ny malahelon-kanina.

Raha ohatra ka tena hanao dinika matotra mantsy ise dia tsy tahaka an'io ny sujet napetraka. Eritrereto hoe hanao confErence internationale momba ny petrakevitra momba ny tsy finoana ise dia io apetraka amin'ny afisy :-D dia angamba tsy haiko hoe iza no ho tonga :-) mety ny mpanefy sy ny mpivarotra daba asa...

Ampiakaro ambonimbony ilay dinika fa mba nahita fianarana ihany. Izahay tsy nahita fianarana aza tsy miresaka daba izany :-p

Aza miakatra fa ny hevitra no ampiakaro e... dia asio tsiky dia ampy.
7. xxx ( 11/07/2005 10:31)
Heveriko fa @ maha webmaster ny site an'i HEry tsy dia tsara kosa ny manaratsy olona toy izao. Ianao webmaster indray ve no hiteny hoe olona tsisy saina no manoratra eto ?

Raha izany ... ianao izany be saina sa kely saina ?
8. ari.malala ( 11/07/2005 10:40)
xxx> tsy we miaro be faatany an'i Hery aho akjory, fa miteny @ maha mpino ahy. Raisiko ho tsy fisian-tsaina tokoa ny an'i Tsimiandravola satria ny finoana kristianina izay efa nisy 2000 taona mahery sy efa niorim-paka hatr'izay ve no ezahiny ozongozonina sa inona no tanjony? Ary ilay lohahevitra :"Kristianisma=Daba loaka", inona no dikan'izany? fanaratsiana be fahatany?! Zony ny tsy mino ary raha te haneho hevitra dia mba atao am-pisainaa fa iza izao no tena manaratsy? tsy io Tsimiandravola io va zay manaratsy be fahatany ny finoana kristianina?
9. tsimiandravola ( 11/07/2005 11:29)
Salut!

Azo atoa ihany aho hoe malahelon-kanina satria mbola manaraka hatramin\'izao ny aty am-paosiko satria mbola manohy mandoha adidy any am-piangonana foana i Ramatoa vadiko hatramin\'izao satria tsy mahafantatra akory ny position-ko.
Tsy dia izay loatra nefa no tena olana,fa ny fireneko mihitsy lasa mivary lavo amin\'ny fivavahana vahiny izay \"bidon\",ary mbola \"bidon\" lavitra miohatra amin\'ny fivavahana nentin-drazako aza.

Izaho aloa dia tsy manome tsiny ny Kristianina toa anareo,ary tsy tezitra na dia manompa ahy aza ianareo.Izaho rahateo aza dia mpino mafana vay ihany koa teo aloha,ka tsy misy mihitsy antony hanamelohako ny mpino,na dia mahery vaika sy mivatravatra aza ny vocabulaire ampiasaiko.

Ny antony ivatravatrako fotsiny dia satria izay ihany no hany hery kely ananako sy mba anamparako kely ny \"deception\"-ko.Ataoko fa rariny loatra izany eo anatrehan\'ny halalin\'ny hosoka Kristianina sy ny fihetsika kristianina hatramin\'izay(mots clés:\"inquisitions,mis à l\'index;destruction et falsification de doc historiques,anathème,ex communication,confection de preuves archéologiques pieuses...)

Ary aleoko lavitra ny fihetsiko toy izay ny fihetsiky ny mpanohitra sasany izay lasa satanista etc mba hanehoana ny tsy fankatoavany,ny Kristianisma.

Tsy mahagaga ahy koa raha be ny mpanohitra ahy nohon\'ny mpiandany (isaorako),nohon\'ny antony mazava.Fa ny iangaviako fotsiny dia aza lazaina hoe matoa be ny tsy d\'accord dia satria nisy marina i Kristy.Manjary mampiseho fotsiny izany fa ianareo mpanohitra ahy dia mpampirefarefa ady hevitra fotsiny.

Farany dia,eo amin\'ny serasera misy rehetra dia eo ihany ny hoe dinika,nefa misy koa ny fampihelezan-kevitra.Ka ny ahy dia anisan\'ny mitana toerana betsaka koa ny fampialezan-kevitra.

Marihiko ihany koa fa tsy ratsy daholo akory izay rehetra ao amin\'ny kristianisma.Ny fantatro fotsiny dia mitombina eo amin\'ny fahadisoana,sy ny hosoka ary ny herisetra nandritra ny taon-jato maro izy io.Fitaovana nahomby ary mahomby foana teo ampelatanan\'ny mpajanaka vahiny,ka nahatonga antsika ho toy izao.

Kodiarantsarety ny fiainana ê,misy ny aller ary misy koa ny retour,ary efa nanomboka afa ela ihany io retour io fa izaho fotsiny no mbola tsy teo.Ataoko hoe tamin\'ny 2001 ny taona 1er amin\'ny ère post chrétien.Atao hoe ère laïque.:-D






10. ainaheri ( 11/07/2005 11:35)
tsiamandravola sy xxx> nareo 2 samy tsy misy saina
ra mbola te hila fanazavana ianao ra xxx d mazava
ho azy fa miaro ny tsy misy saina d poakaty noho
ilay narovanao ianao.
Ho raisiko ny resakao ry tsimiandravola>tsy dia tia
mitsivalana ny hevitr'olona aho fa mba diniho ihany ny zvtr soratana fa tsy mpiara miangona aminao doly ny ol ato ;tazomy ny finoanao fa aza atao dahalo kosa ny kristianina!!
Ataovy ambony ny fisainana fa ataoko we ianao no
tsy misy saina,mino zay fatimboky zay soratan'ny olona any,na ny tenako afaka mamorona an'zany fa tsy ananako tombotsoa zany fa ny tsy misy eritreritra ny
manaraka an'reny!!
Tovozy ny ranonao fa ny loharanon'ny olona aza lotovina!
11. tsimiandravola ( 11/07/2005 12:18)
Raha misy olona na fikambanana mpadoto rano,dia ataoko fa tsy izaho mihitsy.Ny ataoko dia mampiseho fotsiny hoe "jereo rey olona fa maloto ny rano ô".Ny nandoto ny rano dia ireo Kristianina antsoina hoe "pères de l'Eglise" tany amboalohany .Nisy iray izay aza hono nantsoina mihitsy hoe "Eusèbe le faussaire".

Ny avaliko ani Ainaheri ihany koa dia tsotra:ny mpahay sy ny mpikaroka rehetra dia tsy voatery hianona amin'ny fikarohana manokana nataony akory fa tsy maintsy miankina ihany koa amin'ny efa nokarohan'ny olona.Tsy voatery handeha hanjono sy hanarato akory izay vao hihinantrondro,fa azo atao fotsiny izao no mividy ny efa azon'ny hafa.Tsy nisy manampahaizana moderna tonga teo amin'ny toerany ka tsy niankina tamin'ny efa hitan'ny hafa.Ka raha atosikareo amin'ny vohon-tanana ny boky natsakako rano, dia porofoy isan'andalany,isam-pejiny.Fa izaho efa nijery ireo site Kristianina maro miresaka izany zavatra izany.

Eo ampanamarinana izany aza ianao Andriamatoa Ainaheri dia hahita Vohikala hafa izay mitovy zotra amin'ny boky novakiako.Dia mazotoa fa aza miavona fotsiny satria ve tsy manafosafo anao mankany amin'ny lantom-bolonao!!!

Farany koa dia tsy ny fiangonako no kianiko,fa ny kristianisma mihitsy.iray manontolo.Mbola azoko itarina hatrany amin'ny Judaisma miankina amin'ny testamenta taloha aza izany fa saingy efa misy ny manao izany.

indro ary Vohikala iray hafa izay tena vokatra tsara koa:
http://www.lemanlake.com/ =win-telo.lemanlake.com
12. bichette ( 11/07/2005 12:35)
Tsimiandravalona > hisaorana ianao ny @ fanazavana sy ny torohevitra omenao ary koa nizara ny traikefanao. Ataoko fa efa namaky daholo ny tsirairay ka dia anjaran'ny tsirairay amin'izay ny mahafantatra ny lalana sy zotra tokony horaisina. raha te hanaraka ny hevitr'ise sy resilahatra dia safidiny izany, izay te hitazona ny finoany dia safidiny koa izany
ny hany teniko fotsiny dia aza entimpo loatra sy manamavo moa e
13. andrea ( 11/07/2005 12:45)
tsimiandravola> na dia zo ho anao aza ny filazana hevitra, na dia tsy tianao aza ny kiristianisma, tsy misy olona misaka anao milaza izay hevitrao fa mba ataovy ampanajana tompôko.
Na inona na inona no finoanao na tsy finoanao, aza adino fa isika gasy tia fahendrena, ao anatiny fahendrena ny fanajana, ka ny fanoratana loha-hevitra manambany hoe "Kristianisma=Daba loaka" dia azo raisina hoe fanambaniana sy tsy fitsikerana. Samy manana ny fiheverany sy ny finonany ny olona ka aoka mba tsy hifandratra.... Izay no ilay eto amin'ny serasera, rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny olona hafa ianao na te hanazava dia ' tsiky dia ampy' !!!!
14. ainaheri ( 11/07/2005 13:04)
Tsimiandravola>Vao notorotoroina tao ankibo ny zaza
dia nateraka hanota,ary izay tsy nanota taminarei koa aoka hitorabato ahy!!
Tsy hanasa vangy no antondiako eto fa mba te ampahafantatra anao koa we fa maninona ianao no mbola manaiky mijanona eto @ ity tany feno fahotana
ity raha izany no itsaranao azy satria ny manodidina anao dia tsy mendriky ny finoanao!!
tsy haiko ianao na mino na aona fa mba mila valiny aho we izai Andriamanitra ary iza no namorona azy
mbola tsy fantatra hatr@ zao ny misterin'io fa tsy haiko ny mpikaroka ao aminareo na mahita an'zay!!
Ary isika zanak'olombelona taiza no niaviantsika,
noforonina sa tonga ho azy ?
15. niry01 ( 11/07/2005 13:09)
o ra tsimiandravola de mba hitantarao angano momba an i Boudha zay ,aza adino ny ntantara momba an mahomet ...
16. tianah1 ( 11/07/2005 13:10)
Io ry Tsimiandravola de samy manana ny heviny,ary lazaiko anao fa ny hevitra de hvtr'olona izay hody ho vovoka ihany ary mbola tsy nahita zay fanafodin'ny rahafahafatesana.De zay aloha asaina karohiny vao milaza izy fa tsinotsinona ny kristianina.
17. mandrindra ( 11/07/2005 13:18)
Izaho aloha dia tsy mino an'Andriamanitra na dia kristiana tsy fidiny aza taloha.
Mitovy hevitra amin'i andrea aho amin'ilay resak fifanajana rehefa mamaoka hevitra. Marina fa manadratra ny mpino ny fomba fitenin'i tsimiandravola, fa kosa aoka koa ireo izay mpino mba hevitra no hamaliana izany fa tsy tonga dia hoe ambany saina ilay nanaposaka ny fijeriny.
18. mandrindra ( 11/07/2005 13:30)
Misy hevitra maro no voavakiko ato fa misy vitsivitsy maba tiako hiverenana. Misy fanontaniana ao ambony ao hoe iza andriamanitra? izaho tsy mino azy noho izany aho tsy hitady izay mety ahafantarana azy fa ianareo mpino no tokony hanome ny famaritana azy sy hanaporofo fa misy izy.
Marina fa athée ilay mpanoratra ny boky nangalan'i tsimiandravola an'ireo hevitra ireo, ka lojika raha fanakahalana ny kristianisma izay voasoratra ao. Fa io dia tahaka ny boky rehetra miantefa any amin'izay te hamaky azy. Fa ny baiboly izay fototra hijoroan'ny finoanareo kristiana koa anie ka boky e. Ary io boky io olombelona no nanoratra azy fa tsy ilay andriamanitra hinoanareo. Noho izany ny hevitra voasoratra ao antin'io boky io dia novolavolaina mba hankatoavan'ny mpamaky ny doctrinen'ny kristianisma.

Ny tena mahavarina ahy rehefa misy resaka toy izao dia ny fahatezeran'ny kristianina raha vao misy milaza fa tsy mpino izy. Ny tsy mpino anefa vitsy no miakatra rehefa manambara ny finonana ireo monothéiste rehetra ireo, fa maninona kay?
19. dataxx ( 11/07/2005 13:44)
izaho aloha jhiad eh, fa na izany aza tiako i Kristy(christ) zezo,jesosy,jesus.
aleo mba tantara ohatra an'ireny ao anaty baiboly ireny no arahina farafaharatsiny hakana modely ( na ny tantarako koa ary azonareo atao modely fa izany we mbola tsy voasoratra hatramin'ny farany eh).
amiko tsy olana ny fanehoan-kevitra, ny zavadehibe dia ny fahatsaran-tsainan'ny zanak'olombelona.
any ô!!!!
raha ovain-drangahy ho toa izany ny tantara de sur za fa handà ny imprimerie nationale satria tsy handeh mitsy miohatry ny commerce bible io fikandrangah vaovao io.
ok e, sur
20. andrea ( 11/07/2005 14:04)
mandrindra> satria betsaka ny olona voatery nino, vao teraka ny zaza dia atao bapteme, avy ao notazaina tao anatin'ny finoana. Hampianarina sekoly alahady na tamin'ny sekoly misy fivavahana hafa...Tsy ny zaza no nifidy izany fa ny ray aman-dreny.. Ny ray aman-dreny dia mamerina izay zavatra heverina hoe mety ho an'ny zanany ....satria izay no efa masaka ao anatin'ny sainy.. Sarotra ho an'ny olona no mitsikera finoana satria zavatra hoatran'ny Fady.. Ary betsaka ny kristianina no mihevitra hoe ny olona tsy mino dia olona very, manota, izay no tena tsy azoko ....Amiko manokana,satria izaho tsy mino, tsy ny fahatahorako an'iza na iza no hihezahana ny olona rehetra hanampahendrena, na hanao ny tsara, fa ny safidiny ihany, satria ny olona rehetra manana ny sainy ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1731