tsy aleo ve ekena @izay ny fampirafesana!

21. ari.malala ( 17/06/2005 14:34)
euh, ra za manokana alo tsy ekeko ê! )
22. sonwin ( 17/06/2005 15:20)
he he he
23. sipagasy ( 17/06/2005 15:20)
mmhhh inn aloha ilay ifanaovana e!!!, misy tsy mazava ao!!!
24. coolman ( 18/06/2005 06:19)
tsy ekena e! tsy mety zany .8)
25. coolman ( 18/06/2005 06:21)
tsy ekena e! tsy mety zany .8)
26. chakkakkely ( 18/06/2005 06:40)
na tsy hanaiky aza io tsy maintsy misy foana eh! izy no tsy hampirafy indrindra fa ny lehilahy efa manambady nareo lehilahy efa manambady reo ve dia sahy miteny eto hoe mbloa tsy nampirafy ny vadinareo mintsy hatramizay, ho an le efa niotra kely ny 3 taona nivadiana no resahako an! na latsaka aza ho an ny sasany , dia ny vehivavy moa hafaka anao iny dia manaiky tsy fidiny eh! ny tena tena ratsy ange dia le ataon le lehilahy fantatry ny vadiny hoe miaraka @na sipa hafa izy eh! zay le tena mampalahelo ra ohatra ka manaja tsar ny vadiny izy zany hoe mihafina sy tsy ny ao antranop no atao ambonanony dia atao akory moa ? zay eh! hafatra ho an ny vehivavy efa manambady amboary ny saina fa rehefa miveriana ao @nao izy sy manaja sy mbola mamelona anao sy tia ny zanakao dia ekeo iany satria le olona tena tsy hampirafy mintsy mandrakizay dia vitsy , za tsy miteny hoe tsy misy fa vitsy , fa ho antsika vehivahy dia aleo manambotra saina eh! zay eh
27. kally ( 18/06/2005 07:44)
Tsss! aza manaiky lembenana izany ry chakkakely a! nahoana ny hena no avela ho lasan'ny mimi fotsiny?Aza mihanahana fa sao manjahatra!Miezaka mba tsy hijereny any an-kafa : ny trano ataovy milamina maha-tamàna, dieny am-boalohany izy zaro hanana andraikitra ao an-trano ka tsy maintsy mody izy mamita an'iny, aza tezitezi-poana sy kizintina fa mampi-te-hitsoaka azy,milamina foana io rehefa tiana halamina e!Ny sasany koa vao miteraka dia rain-jaza sisa ilay rangahy dia miala any ny kapa skobidoa be sy ny saron-doha ao an-trano na ny pataloha malalaka be.Manaova metimety e!:lol:
28. fasaly ( 18/06/2005 10:02)
ka izay indrindra e! amboarina ny saina fa ny vady ao antrano ihany hono no an'i tena fa rehefa any ivelany izy efa lasan'olonkafa ndray ko atao akory ary eè!
29. mirabel ( 18/06/2005 17:30)
kally izany ange tokony manao conseillère conjugale e marina tsy mbola tara raha hiova filière fa sady manao soa olona akia
ho an'ilay te hampirafy dia tsotra fotsiny e mandehana any @ ireny firenena manaiky ny fanambadiana maro ireny sady officiel no tsy mieritreritra intsony hoe sao tratran-drafotsy eto !!
ny aina no matezà sy matanjaha e
30. kally ( 19/06/2005 07:55)
mirabel> E!e! filière tsy narahina ohatr'izay akia aleo hilamina a! aleo amin'izao fa sarotra be izany mitsabatsabaka @ tokantranon'ny hafa izany:lol:

Ary ny olanareo lehilahy koa ange ny sasany basy vava ery hoe be ny vehivavy e!nefa ny sasany tsy mahazaka na dia iray akory aza, firifiry koa ny lehilahy mandeha singany tsy mahazaka sipa.
31. keviin ( 20/06/2005 07:17)
kah le izy anie na ekena na tsia tsy efa maro ve ny mampirafy eh!:-D
Nefa ny otranay zao mandeha rery kle , raha mba misy manana maro ao mba izarao eh :-D
32. moi ( 20/06/2005 07:27)
soa ihany aho fa tsy mba manana olana amin'itony fampirafesana itony !
33. mamzelkely ( 20/06/2005 08:40)
ô ry reto an!! le fampirafesana re zany ifanaovana zany e!!!!
za tsy manakiky fampirafesana fa refa manao ana de ataoko ko!! zay ray tsy mahatanty!!hehehehe!!:°)
34. ari.malala ( 20/06/2005 09:28)
zay ray tsy mahatanty ve?! tena ôtrany tsy lasa kle! de za tsy mampirafy de tsy ampirafesina zany. :)
35. mamzelkely ( 20/06/2005 09:47)
ny politika ky ry ari.malala de we refa manao ana de ataoko ko!!!(tsy maintsy hisy andray mivilana njay zao io!!!:roll:) de zay ray tsy mahatanty!!!
36. mandrindra ( 20/06/2005 09:53)
mamzelkely, dia hifanisa izany ianareo ?
37. felampaiso ( 20/06/2005 11:25)
amiko aloha dia problème tadiavina ny fampirafesana é! na ny lehilahy no maka vehivavy maro , na ny vehivavy no manana lehilahy maro.Na tiana na tsy tiana TSY MAINTSY MITERAKA OLANA io na dia afeninao toy iny inona aza, nisy nilaza tamiko hoe :3problème-nao angaha izany? izay tianay no ataonay !"Dia hoy aho hoe : "Ataovy ary fa aza mitaraina rehefa voa !"
Fanambaniana ny mahaolona noforonin'iZanahary toy ny endriny ny fampirafesana satria vehivavy iray = eva no nataon'Andriamnitra ho an'ny lehilahy iray = adama fa tsy hoe roa na telo , raha tena kristiana resy lahatra dia heveriko fa manaiky an'izany, ny tena kristiana mantsy mahalala ny valeur-n'ny atao hoe tena fitiavana fa tsy mitiatia foana fahatany! izay !
38. ari.malala ( 20/06/2005 11:33)
marina ny an'i felampaiso! manaiky 100% za! ary zay no antony tsy itiavako mampirafy sy tsy itiavako ampirafesina!
39. keviin ( 20/06/2005 13:03)
kah le fitiavana ao @ le fampirafesana anieh efa tsy fitiavana tsony eh, amiko fampirafesana zany efa faniratsirana sy tsy fanajana an'le olona na lahy na vavy
40. yonikafopl ( 20/06/2005 15:08)
felampaiso, ari.malala, zay mihintsy, izay tsy tianao atao aminao, aza atao amin'ny hafa. Ka matoa ilay olona tsy mampirafy anao, de mba aza ampirafesina koa.

mamzelkely, de ho reraka eo njy aky hifaninana am bandy kleee.Za klou rehefa tena confirme we ampirafesiny za de aleoko miala moramora manaja tena kleee.

Marary ny lehilahy mampirafy amiko.Mila fanasitranana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2496