Ianareo Protestants.

1. marozevo ( 06/05/2005 22:39)
Mba avelao hanokatra loha hevitra iray aho hahitana izay faharisihantsika raha mba ny Protestants indray no resahina. Be loatra manko ilay fanontaniana (miaro fanenjehana sy fialonana) momba anay katolika, ka tsy aritro.
Sokafako ary ity dia ho hita eo na inona na inona no hevitrareo Protestants momba anareo, sy ny hevitray Katolika momba anareo.
Misaotra.
novalian'i marozevo ny 16/08/2005 16:00
2. iartistika ( 06/05/2005 22:47)
fa hevitra momba n'inona hono no tadiavin'izato akama zato?? :roll:
3. mishou ( 06/05/2005 23:01)
mba mifona ry reto fa mba resaka mahasoa atao fa tsy mitondra n'inona anie zany e, tsy aleo ve avela ny fahadisoan'izay nanenjika de samy vita e

mba zavatra mahaliana @ fivavahana rangahy asiana resaka an, efa miezaka mihitsy i hery mamadika ho tsara ny anto-dresaka fanenjehana eto fa aza dia manao an'io e

Sa ahoana hoy nareo :cry: :cry: :cry:
4. xxx ( 06/05/2005 23:12)
Sady ny fidirana any an-danitra anie tsy misy etikety hoe izaho katolika na izaho protestant e!
5. marozevo ( 06/05/2005 23:16)
Ao anatin\'ny adiny iray dia telo sahady no mamaly : C\'est bien.
Ity ary hevitra iray :
L\'identité des Protestants : N\'etre pas Catholiques.
6. pitchou ( 07/05/2005 03:45)
sao dia diso fipetraka izany fanontanian'i marozevo izany? angaha ny identité "ne pas être ..."? lavitra be izany
ny protestanta dia kristiana d izay!
7. ndrena ( 07/05/2005 05:04)
Tokony hahitsy ihany koa anie ny fijerintsika rehetra ato e!Fa na katolika na protestant na fiangonana hafa dia tokony ho fanehoan-kevitra no atao fa tsy tokony hisy fanenjehana na fanaratsiana.Izay no mbola hanamafisako eto indray hoe:manaraka ny fampianarana napetrak'Andriamanitra ve ny fiangonana izay mijoro sa tsia na iza izy na iza .
8. yonikafopl ( 07/05/2005 05:33)
marozevo???? ianao mihitsy no tena hafahafa fisainana

mishou :) =D
xxx zay manko wa

pitchou =D
9. pika ( 07/05/2005 05:35)
tsy mitondra antsika mankaiza akory ny fiadiankevitra izao sy izao mikasika ny finoana ny tsara indrindra dia samia mitazona ny azy ary mahaiza manaja ny an'ny hafa izany no mety ankasitrahan'Atra angamba
10. yonikafopl ( 07/05/2005 06:10)
pika izay koa marina =D
11. dadabe ( 07/05/2005 06:20)
yonika>zaho indray momba anao :-*
12. yonikafopl ( 07/05/2005 06:55)
dadabe hihih efa ataon'ny olona resaka tsika nefa hummmm :-* , isika protestanta :-P
13. dadabe ( 07/05/2005 06:58)
yonika>izay no lahatra e,ary hono hoa "inona no atao hoe fanenjehana sy fanaratsiana ary ny filazana ny marina ?"
:-*
14. yonikafopl ( 07/05/2005 07:12)
dadabe hihihih zakaina fa efa lahatra ve??
za ve no hanontanian\'i c ly?
fanenjehana, tam nanao fanenjika tam mbola kely de le mpanenjika iny atao hoe boka an, de mihazakazara avy ao aoriana manatratra ilay lasa any aloha.
ny filazana ny marina indray euhhhhhhhhhh :-w :-@ filazana ny zavamisy ngamba.

miala tsiny fa ny taranja malagasy no tsy hainko indrindra fony tany antsekoly. :-P
15. dadabe ( 07/05/2005 07:24)
kii,hay ve :-*
fa zao e amiko de zao:

Mody atao hoe nangalatra aho (vola).Dia nisy olona nahita ahy nangalatra ,dia io olona io no mitantara any @namany hoe zaho nahatrattra an\'i dadabe nangalatra t@ 05 ora tetsy @site serasera.
Amizay fotoana izay dia nilaza ny marina ilay olona satria zah dia tena nagalatra marina ,fa raha toa kosa mbola ampiany hoe de naka vadin\'olona ihany koa izy (mishou ohatra) dia amizay fotoana izay vao azo lazaina fa manenjika sy manaratsy ahy izy satria mitady ny hampitombo fotsiny ny sazy ho azoko,satria zah fidele @vadiko(yonika).
Ohatra daholo ireo resaka ireo fa raha eo @fiangonana indray no resahina dia ....mba an\'ny namana indray no aoka hanazava azy .
16. Chuan ( 07/05/2005 08:36)
Grrr ! Fandaniana andro ny miady hevitra mikasika ny fivavahana ry zalahy a ! Amiko , ny fanatisme no mahatonga ny olona hanasoaso antokom-pivavahana iray ka alaim-panahy tsy hahita afa-tsy iny ary izay ivelan`iny de ratsy daholo . Ohatran`ny hoe tena soavalin`Anosibe izany ! Maninona raha jerena daholo ny lafin-kevitra rehetra am`le doctrine iray de raisina izay tsara ,dia izay ratsy avela ! Raha zah kalou de tena malalaka ny fomba fijeriko ny am`fivavahana e ! De zay ! fa tsy hoe katolisisma ee!!, na Protestantisma ee !! na Islamisma ee !! Temoin-isme ee ! Jesosy Mam-isma , soavalisma !! ..... etc !
17. pissoa ( 07/05/2005 09:17)
dadabe, diso be ny hevitrao. Tsy hoe rehefa milaza ny marina de tsy manenjika. Ohatra, ahoana ny momba ilay fiteny malagasy hoe: \"manenji-dresy\", na ny hoe \"manao tsindrio fa lavo\". (Tsy ny fiangonana akory no resy na lavo, fa ny mpitondra sy ny mpitantana azy tanisaina lava).

Ny resaka protestantisme indray, tsy afaka milaza na inona na inona aho satria aho tsy mahalala ny rafitra sy ny foto-pinoana ao amin\'io finoana io toy ny olona protestants.

Ny zavatra tsikaritro fotsiny dia izao, tonga dia tapenana amin\'ny hoe \"tsy mila etikety ny fidirana any an-danitra\", na hoe \"tsy mitondra mankaiza ny fiadiana hevitra momba ny finoana ...\" ny ady hevitra. Marina ireo aloha e! Saingy tsy izay ilay izy ... Jereo ny ankizy katolika niezaka nanazava, na dia tamin-katezerana aza indraindray hoe izao no mahatonga izany.
Mahay miresaka loatra ny protestants (oups, ianareo namaly eo abony manko e!).
18. methode ( 07/05/2005 09:22)
Tsy maninona mihitsy ny fanehoan-kevitra amiko fa miankina amin'ny hoe inona no tanjona amin'ilay izy! Na misy aza ny tsikera, misy ny mahasoa fa misy kosa no natao nanapotehana olona (ity farany ity no hitako hoe maro ato) Tsy voatery ho izay lazain'ny mpamorona hoe tanjony no tena marina fa mety hafa mihitsy! Amin'ny fomba firesany no ahafantarana azy!!
19. Mifenty ( 07/05/2005 09:34)


Matiko elah radada ra mitady hanao simulation hangalatra an'i mishou eo a.

Toa otrany mody ataonla sangisangy zary tenany le izy kle.

Matiko elah ah.


20. Narilala ( 07/05/2005 10:38)
Pissoa, Methode, Marozevo, Hery, Maditra, Sonwin sy ny namana katolika: izao no ataoko anareo, avelao hanenjika sy hitsikera izay tsy tia fa natao hiaritra ny fankahalana sy ny fanenjehana anie ny Fiangonan'i Kristy e! Tsy misy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy izany, fa vao mainka aza manamafy ny finoantsika izany. Izany angamba no tsy mahamafy fototra ny fiangonana sasany satria tsy misy manenjika. "Ho henjehina ianareo noho ny amiko", hoy i Kristy; hoy kosa i Md Paoly: "Tsy misy hahasaraka antsika @ fitiavan'i Kristy, na fahoriana na fahantrana na sabatra na vono na fanenjehana"; dia mbola hoy koa i Md Paoly: "poretina hatraiza hatraiza izahay nefa tsy poritra". Fahasoavana miditra ho antsika io fa aza sakanana.
Ka mahereza ry namako fa vao mainka manamafy ny finoana ny toy itony. Ho ahy manokana dia tsapako fa nihamafy sy nitombo ny finoako voakatr'ity fanenjehana be fahatany katolika ity. Ary tanteraka amintsika tokoa ny tenin'i Kristy.
Aza hadino fa ny Fiangonana anie ka naorin'i Kristy ho an'ny mpanota e! Ary mbola mpanota koa no antsoiny hitantana sy hitondra ny Fiangonana fa tsy Anjely na olomasina akory. Na mpanota aza ny olon'ny Fiangonana dia tian'i Kristy foana ny zanany, ary ny hamonjy an'ireo no nahatongavany sy nanorenany ny Fiangonana.
Ka izay tsy mpanota dia tsy mba anisan'ny Fiangonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2955