Ianareo Katolika ve......???????

21. bichette ( 04/05/2005 06:28)
22. pissoa ( 04/05/2005 07:54)
:( :(
23. Mifenty ( 04/05/2005 09:02)


Bravo cly.


Marina mitsy nenazy io.



___
ny hery tsy mahaleo ny fanahy
24. ari.malala ( 04/05/2005 09:51)
ary fa inona no mampitomany an'i bichette s'i pissoa @ le resaka?

25. dily ( 04/05/2005 16:13)
Ny fiangonana anie mitady izay hahatsara ny olona fa tsy ny hanimbana azy e. Ny zavatra ataony dia mikendry io fahatsaran'ny olona io avokoa. Ny fampiasana kapaoty anie tsy hoe misakana anao tsy hanao fa misakana anao tsy hanaonao foana e. y hasin'ny aina no ao ambadika ao ary ny fahamasinan'ny mariazy.
26. dadabe ( 04/05/2005 16:31)
pissoa sy bichette>le hoe andro vitsy ve sisa no hil...ve ?? ntsss manambady de vita ny resaka isan'andro crac boum
27. maditra ( 04/05/2005 16:39)
Kay, manita-draharaha toy ny sima mifioka marina ireto. Ny fanontaniana anie tsy hoe, ahoana ny hevitrareo amin'ny Katolika tsy mampiasa kapaoty fa "manaraka an'izany doly ve enareo" "ary raha tratra dia maninona?"
Miombon-kevitra tanteraka amin'i Ari-malala aho noho izany.Tsy hoe lalana be mana-dala toy ny ady amin'ny corruption ilay izy fa toro-hevitra amin'ny maha ray aman-dreny azy. Tsy misy fiangonana tsy stricte izany koa anie. ary raha Kristianism no resahina dia tsy tokony izay tianao io fa izay sitrak'Atra. Tsy midika izany hoe: "Aza manao nareo rehefa tsy mbola te hahazo zaza" fa fameperana ny tsy hijangajangana. Tsy hitako hoy aho ny maharatsy izany.
Manaraka izany: F'angaha mamporisika anareo hampiasa kapaoty ny fiangonanareo any? Iangaviako i Pika, Pisoa, Artistika, Mifenty, sns izay tsy Katolika mba hamaly.
Maditra
28. dadabe ( 04/05/2005 16:42)
soa ihany fa tsy nisy dadabe kle mercii maditra
29. maditra ( 04/05/2005 16:49)
Non, afaka mamaly anie enao ry dadabe raha mamporisika anareo hampiasa kapaoty ny fiangonanareo any na tsia e! Izay ihany no mba tiako ho fantatra na misy izany na tsy misy koh!
30. pissoa ( 04/05/2005 18:41)
maditra ity tena maditra mihitsy ka, izaho aza katolika be izao ko!
Raha raisina dia mitovy amin'ny hevitry i Hery ny hevitro ... i Hery niresaka firaisana alohan'ny fanambadiana (izay tsy natao ho an'ny katolika ihany raha azoko tsara ny tenin'i Hery), fa izaho niteny ny hoe "aza mandainga ... aza mangalatra" (izay samy ao amin'ny didy folo ka noho izany tsy natao ho an'ny katolika irery). De hoy aho hoe iza anefa no tsy nandainga na tsy nangalatra. Raha fenoiko kely dia izao, ny lalana (na aleo teneniko hoe lalana kristianina) dia natao hitarika antsika hanao ny tsara sy ny mety (araka ny maha-kristianina), izany hoe raha lazaina amin'ny voambolana nampiasain'i maditra sy i ari.malala dia karazana toro-hevitra.
maditra :-* :-*
Pissoa
31. maditra ( 04/05/2005 20:34)
Pissoa> Iza moa no mahalala! hihihihi :-* :-*
Misaotra betsaka namaly
Maditra
32. methode ( 04/05/2005 22:57)
Rambofrau> Mila mamaky ny voasoratra momba an'ireo zavatra resahana ireo ise de mandinika tsara! Amiko aloha sy misy lalana stricte izany fa mahasoa tsara ny fiainako e! MIankina ny fandraisan'ny tsirairay azy io!!
Ny andraikitry ny fiangonana dia manazava hoe ahoana ny mifanaraka amin'ny didin'Andriamanitra? Tenin-dray aman-dreny ny azy ka anjaranao no mandray na tsia fa tsy misy hoe raha mampiasa kapaoty de izao na izao!!!
33. Rambofrau ( 05/05/2005 18:14)
Mishou,ntsooooooo,aza dia alefa lavitra ny saina fa mba fanontaniana ny ahy ho an'ny Katolika,satria ny Katolika no resahina eto,satria koa ny Katolika irery ihany no manana Papa eto amin'izao tontolo izao,dia ny Papa no nanao an'ilay lalana.Tsy misy fanavakavahana eto na sanatria fihantsiana ady.Mba mila fanazavana fotsiny aho fa aza dia misendaotra eh.Miala tsiny raha nandratra ny fonao ilay fanontaniana mivantambatana,kanefa ilay but tsy natao hiadivan'ny Katolika sy tsy Katolika mihintsy.

Dia ity koa misy fanontaniana fanampiny. Maninona ny Pretra tsy mahazo manambady nefa ny Pasitera mahazo?????????nefa arakaraka ny andrarana azy ireo no hanaovany any ambadika any, tsy aleo ve atao officiel dia amin'izay tsy misy olana?????mba ady hevitra ny ahy sao indray misy miakapofona eo an.

Methode,efa nandinika mihintsy aho matoa nametraka ilay lohahevitra,ny hevitra tsy azo hono mampihazohazo :
34. maditra ( 05/05/2005 18:37)
hahahah, ok rambofrau, dia aza manao kestion tsy voalanjalanja otran'io intsony fa betsaka ny tsy tia an'io.
Ny hoe, maninona ny mompera no tsy manambady nefa ny pasitera manambady, aleo angamba avadika ny fanontaniana hoe: Maninona ary ny pasitera manambady nefa ny mompera tsy manambady?
Lasa fifampiderana fiangonana ity farany fa valiako fotsiny.
Satria, nisy an'izay mompera izay tany taloha tany, lasa amoureux vehivavy telo izy ary tsy mahatanty ny hanao mompera intsony. Nanao reforme sy nangataka tamin'ny Papa ny hanekena ny mompera hanambady io olona io nefa tsy nanaiky izany ny Papa sy ny fiangonana Katolika. Nitady fika hafa io bandy io fa tsy tafa. Nanoratra these miisa mihoatra ny 90, dia nanoratra taratasy feno fihatsaram-belatsihy ho an'ny Papa Leo, nefa tsy nisy niraharaha. Dia niezaka namorona fiangonana hafa ary nivavaka mafy sy somary naminany ary fa efa vita hatreo ny momba ny fiangonana Katolika. Nanao mariazy avy teo dia tsy nifototra firy amin'ny hoe ny finoana ny hoe tsy misy zavatra tsy hain'Atra fa dia sahy nilaza fa tsy misy olona mahatanty ny tsy hanambady izany. Kely finoana be io ranamana io noho izany fa ny antony mba nanaovany an'ilay reforme dia satria izy te hanambady. Izay lesy no mahatonga an'io tantara lehibe io amin'ny antsipirihany ka anjaranao ny amin'izay ny mieritreritra.
Maditra
PS: Saika tsy hanoratra an'io aho fa satria te hanome fahafaham-po an'ilay fanontanianao dia izay. Tantara io fa tsy natao hanalana baraka ka izay no tsy nanoratana ny anaran'ilay olona! :-P
35. ari.malala ( 06/05/2005 09:57)
ho valin'ilay fanontaniana faharoa indray ary satria efa nohazavain'i maditra ny tena antony dia izao indray ny fanazavan'ny pretra iray momba an'io, raha toa hoy izy ka manambady ny pretra, dia tsy maintsy ny vadiny aloha no hovoalohan-daharana @ rehetra, ka atao ary hoe sanatria marary mramatoa vadiny, misy olona mandona ao ivelany hoe misy olona mila konfesy farany mopera fa hofaty,iza no hovaonjeny? nefa ny nanaovany voady dia hamonjy sy hanompo ny kristianina.... ankoatr'izay, atao izany hoe hikonfesy ramatoa fa nanao betise, inona no hoteneniny "tsofy rano aho raiko fa nanota ve sa tsofy rano aho ry iza? ary raha atao hoe nijangajanga ndray ilay fahotana nikofesena, inona no hitranga rehefa avy eo? satria olombelona ihany aloha ny tena. Izay no antony araka ny fanazavan'ilay pretra, fa ny tena antony ara-baiboly dia ilay voalazan'i Md Paoly hoe hoan'ny lehilahy raha manam-bady dia aoka hitoetra @ vady tokana fa tsara raha tokan-tena toa ahy (tsy haiko tsara na izay ilay izy na tsy fa izay no fahatadidiavako anazy, miala tsiny)

Izay angamba no azo lazaina, miala tsiny raha somary lava ê! :)

36. dadabe ( 06/05/2005 12:41)
io ve de lava (l)
zah klou tsy misy ambara,sady tsy voasotra ery ambony :lol: :lol: :lol:
37. yonikafopl ( 06/05/2005 16:39)
mishou, sotra eee

Raha ny hevitro amin\'ilay resaka kapoty, tsy hisy tokony hilana io raha toa ka mifanaja sy mifampatoky ny mpifankatia, mpivady. Lalana napetraka ilay izy angamba, nefa tsy misy noterena hanaraka ny lalana, fa kosa samy mizaka ny vokany.Ary hinoako fa ny tanjona raha nametraka io lalana io dia ny hoe mba samy hanaja ny vadiny, ny tokatranony ny tsirairay.

Raisiko kely ilay fanontanian\'i hery ny amin\'ny firaisana alohan\'ny fanambadiana, fakampanahy io, ary tena matanjaka mila tsy ho resy indrindra rehefa sendra ilay tiana izay. Asa , isan\'ny fijangajangana mou izany? tsy haiko.Raha atao kilalao fotsiny angamba dia izay no hataoko hoe fijangajangana, di atsy amin\'ny olona iray fa amin\'ny olona maromaro mifandimby. Fa kosa raha manao firaisana alohan
ny fanambadiana, fa io firaisana io mitohy amin\'ny mariazy, tsy hitako izay olana.

xxx, aza mivoady amizany njy fa tsy hay izay havoaky ny ampitso an!,betsaka ny niteny izany fa vitsy no nahatanteraka.

Miambena ka mivavaha mandrakariva mba tsy ho azon\'ilay ratsy.
38. dadabe ( 07/05/2005 06:54)
yonika>AMEN :-*
39. yonikafopl ( 07/05/2005 07:04)
dadabe :-* tsika mou tsy mba mampiasa kapoty fa mifanaja viroaly ooooo, sady efa vita mariazy virtoaly koa, nefa tandremo an :evil:
40. dadabe ( 07/05/2005 07:07)
eny akia malala a (l) :-* (l) :-* (l) :-* (l) :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476