Ianareo Katolika ve......???????

1. Rambofrau ( 03/05/2005 15:53)
mba lasa ihany ny saiko ry ireto hoe maninona ny fiangonana katolika no stricte be sy be lalana izany????toy ny hoe tsy mahazo mampiasa kapaoty sy pilina fanabeazana aizana.....sns.
Ka ny fanontaniako dia ny hoe tena manaraka an'io fepetra io daholo ve nareo Katolika?????? Dia raha tratra mampiasa dia ahoana??????????
Misaotra betsaka mitondra fanazavana eh :/
novalian'i marozevo ny 01/06/2005 00:25
2. iartistika ( 03/05/2005 16:00)
raha tsy nampiasa kapôty ny akamaroan'ny katôlika mety efa be ihany ny nodimandrin'sida!
3. Veloo ( 03/05/2005 16:10)
Mety ho lalana fotsiny angamba io ry rambbo fa ny oul tsy misy manaraka ka asa aloha e?????
4. iartistika ( 03/05/2005 16:19)
zay ne oa eh! mety misy manaraka ihany fa tena ankavitsina!!
5. hery ( 03/05/2005 16:21)
Dia izao koa... (version 2)

mba lasa ihany ny saiko ry ireto hoe maninona ny kristianina no stricte be sy be lalana izany???? toy ny hoe tsy mahazo manao firaisana raha tsy efa mivady aloha... sns.
Ka ny fanontaniako dia hoe tena manaraka an'io fepetra io daholo ve nareo kristianina?????? Dia raha tratra manao firaisana alohan'ny mariazy dia ahoana???????
Misaotra betsaka mitondra fanazavana eh :/
6. pissoa ( 03/05/2005 16:28)
marina mihitsy ny teninareo. Misy tokoa ny lalana mikasika ny fampiasana kapaoty, fa toy ny lalana rehetra ihany, tsy ny olona rehetra no mazoto manaraka sy mitandrina azy ...
Ohatra, efa hoe aza mandainga, lalana tsy natao ho an'ny katolika ihany io, fa iza zao no tsy nandainga hatramin'ny alahady fotsiny ohatra. :-D :-D
Efa hoe aza mangalatra, mbola be de be ihany mangala-potoana de tara ihany no sasatra rehefa mandeha mianatra na miasa.
Rambofrau, ny resaka hoe raha tratra indray, tsy ananako hevitra, sady nahoana koa moa no ho tratra :-D :-D ...
iartistika, refa tsisy mangala-pinana dia izay voa noho ny accident tamin'ny fitaovana hafa ihany no voan'ny sida na tsy mampiasa kapaoty hatramin'ny tsy katolika aza. Fa saingy hoe ny olona moa rehefa tenenina ho aza mangala-pinana, de aza mampiasa kapaoty, de lasa izy mangala-pinana sady mampiasa ...
7. xxx ( 03/05/2005 16:33)
zah lou an , mianjy mariage promesse anah io an .
8. hery ( 03/05/2005 17:02)
donc rehefa miandry mariazy vao manao firaisana, sady tsy mijangajanga dia tsy ilaina intsony ny kapaoty...
9. iartistika ( 03/05/2005 17:05)
de manao tera-bitro am zay,le tsy mba nahay nikôty andro....
10. tsondjo ( 03/05/2005 18:52)
na aiza fiainana & tany misy anao ngamba ataoko fa fehezin-dalàna daholo izany e!!! izay te hanaraka moa tsy omena tsiny ary ny tsy manaraka koa izay izany ny reviny ka ahoana tokoa????? midika ve izany fa tsy kristianina koa ilay tsy manara-dalàna nefa miseho ho diakona & sns eo @ fiangonana???? mba lasa saina koa e!
Samy olombelona isika, samy mandia tany, samy miloloha lanitra, noho izany dia mety solafaka avokoa!!!!!! ny fahatsiarovan-tena mibebaka no zava-dehibe, de tsy averimberika koa ilay diditss e!!! :-*
11. cutie ( 03/05/2005 18:53)
raha ny fahalalako azy alou , de tsy voatery hanaraka an'io lalana io daholo ny katolika e. Miankina @ tsirairay io .
12. Veloo ( 03/05/2005 20:35)
iartistika :
de manao tera-bitro am zay,le tsy mba nahay nikôty andro....
=)) =)) =)) =))
13. mishou ( 03/05/2005 21:16)
za aloha tsy katolika fa tsy de laniko loatra ilay mivantana be hoe nareo katolika sns... angamba tsy mila apetraka ilay fanontaniana fa mila eritreretina lalina ny antony de mahazo valiny.
Amiko manokana mantsy toy ny manetsika ady ilay fomba fiteny, toy ny adim-poko e, raha ny tsy merina miteny hoe nareo ambaniandro na ny merina indray milaza hoe nareo tandroy na izay foko hafa eo.

tsara dia tsara ny mahitsy fa ny mivantambatana angamba ilaina hianarana ho malefaka kely de tsy mandratra fon'olona.
Mba hafa no ho fiatraikan'ny fanontaniana raha napetraka t@ fomba tsotra sady @ izay tonga de hoe be lalàna, de maninn raha tsy manaja lalàna, tena diso mivantana loatra e, sa ahoana hoy ianao ry rambofrau
14. maditra ( 03/05/2005 23:55)
mishou> Marina ny anao! Zah aloha gaga be sady somary taitra ihany amin'ilay lohahevitra fa raha novakiko ilay izy kay, rambo marina no nanao azy. Tsss, toa mihantsy izany ny lohahevitra nefa ny zavatra anontaniana, toa tsy mifanaraka amin'ny nieritreretina. Sady efa voavaly daholo angamba ny fanontanian'lery ity satria hevitra tsara be doly no naroson'ireo namana mpamaly, na ny Katolika na ny tsy Katolika.
15. ikaretsaka ( 04/05/2005 05:25)
ny lalana natao hisy fa tsy voatery hanara-dalana daholo akory
ohatran'ny hoe tsy fanao ny mangalatra fa nefa kosa tsy atao hoe mpangalatra ianao raha tsy tratra
16. xxx ( 04/05/2005 05:36)
hery: ataou innn mou kapoty refa enjy sy manao promesse fa ianjy mariage ?? :?: :)
17. dadabe ( 04/05/2005 05:36)
tonga soa r'ikaretsaka a
amiko aloha ilaina ny lalana de zay tsy manaraka=mandika lalana =meloka=migadra .
18. ari.malala ( 04/05/2005 05:36)
Marina ny an(i mishou. Ilay hoe stricte sy be lalàna,fa aiza eto ambonin'ny tany no misy tsy stricte sy tsy be lalàna na fiangonana io na firenena? Momba ilay resaka tsy fahazoana mampiasa kapaoty indray tsy lalàna angamba no andraisako azy fa torohevitra ry efa nohazavaina koa ny antony tsy tokony ampiasana azy dia hoe mifanohitra @ lalàna voa-janahary satria matoa ny mpivady manao firaisana dia dans le but hoe hanome taranaka, ary antony iray koa hoe tokony any anatin'ny mariazy vao tokony hanao firaisana mba ialana @ fanariana @ tsy antony ny ranon'ain'ny lehilahy. Tsy haiko na mazava na tsy. Ilay hoe raha tratra indray, @ maha tsy lalàna azy dia libre ny tsy1-1 @ fiainany ary tsy kely asa akory ireo mpitondra fiangonana ka hitsikolo ny kristianina isak'izay alehany hoe manao sa tsy, mampiasa kapôty sa tsy....

19. pika ( 04/05/2005 05:38)
marina ny an'i mishou @ lay rq
ny fampiasana kapoty indray amiko dia hoe mety vao maika angamba mamporisika hanaonao foana ny fanomezana alalana malalaka ny fampiasana azy raha samy manaja tena anie tsy ilaina izany e!!!!!
20. aristar ( 04/05/2005 06:10)
Arakin'ny fantatro dia tsy nisy teny heo kapaoty mihintsy ny soratr'i JP2 sy ireo rehetra teo alohany. Ny contraception ihany no tsy hekeny sy ny miray ara-nofo raha tsy hanao zaza :( faha tsy fakana fafinaretana. Izany hoe andro vitivitsy isan-taona :lol: fotsiny izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2894