Sao dia rariny ilay fiakanjo!

21. eh ( 03/05/2005 11:18)
tsy mety kosa ê! tsy lehilahy daholo ny ao ampiangonana! misy ny olom-pady fa tsy fantatrao daholo ny olo....
22. tiana106 ( 03/05/2005 13:09)
ra amiko ndray lou de tsisy fika e,voaterin'ny zava-misy ny anao vavy(string io)reny kou nge manaraka toetrandro de pass partou kou angamba e,mora sasana, sady mora.... mora tsy aiko e,refa le maika iny de alefa miankavi na miankavanana defa oewa basy!!hi!hi
fa le owe any ampiangonana kosa tena manahirana be eritrereto oe mivavaka zany de..otrany itako ery,(tsy le owe ao anatiny ka)marina e!!izy @zany tsy taitra akory nge e,
zay ranga a!
23. majakely ( 03/05/2005 13:29)
ny any musulmans ireny zany no tena mety eh!!!
24. sonwin ( 03/05/2005 13:42)
rahalahy sy anabavy ve? fiantsoana fotsiny izany fa avy eo ary ambadika ary refa tara ny sasany dia hoe ranabavy malala an tiako ianao :-D rovina indray ianao no hanao string ranabavy malala :-D ...ny sipa manao sexy mande mivavaka dia milay sy tena milay na string io na mini , na manara-batana io na body raha dekaolité moa vao maika tsara ery :wink:
25. ndrena ( 03/05/2005 15:54)
Marina izay voalaza,ary tsara hotadidina mandrakariva fa tanjona ny hoe ndeha hivavaka aho ary matoa isika mandeha any am-piangonana dia mbola tsy tanteraka izay fa ny tiako holazaina dia hoe:misy olona tsy hivavaka fa hiangona fotsiny e!
26. slf ( 03/05/2005 18:33)
Tena tsy mety ireny fitafy lazaintsika koe mafintohina ireny saingy ny tena marina dia tsy fidiny izay mitafy azy no manao azy fa ny devoly mihintsy anie no mampiasa ny olona hanao ny izay hanafitohina ny maso,satria hain'ny devoly fa adala ny maso ary dia ohatra ataony fitaovana ny olona iray hitondra fitafy tena hanaitra anao izay mba vonona ny hivavaka,ary ny tena ataon'ny devoly aza dia ianao ilay somary marefirefo @ vavaka iny no ampisehoany ilay fitafy tsy maontina.Ary ny zavatra mahavariana dia ilay olona manao ilay akanjo manafitohina dia tsy dia mahatsapa tena fa tsy mety ity ataony fa dia omen'ilay devoly saina hoe:Tsy maninona re io e!tena manendrika anao io....etc,hany ka zavatra hafa ny fandraisan'olona azy tonga any ampiangonana,fa izao faly ny devoly fa mety efa nahazo olona iray na maro finaritra nijery ilay fitafy,tandremo!!!ry nama
27. pitchou ( 03/05/2005 19:10)
ko tsy aleo ve wa izany manao irony akanjoi tsisy bikany sy didiny irony daholo ny mpiangona? d atao mitovy loko daholo koa?
28. sonwin ( 04/05/2005 07:40)
dia asaivo asain-dry zareo ireo misaro-tava koa ny sipa manja sao mitarika any amin'ny fakam-panahy :lol: sy ny sipa tsara fitombenana :lol: sa ve ny devoly koa ry "slf" no nahatonga ireny mba ho fakam-panahy :lol: :?:
29. ari.malala ( 04/05/2005 10:27)
sonwin â! mahafinaritra be ilay ianao manisy sira sy mampime, fa tena alaivo sary an-tsaina he miaraka @ anabavinao iray tampo aminao handeha hivavaka ianao dia ilay ataloha lin fotsy manify kely sady taille basse no anaovany de body décolleté be ny amboniny sady mihantona no hanaovany ka raha vao mipetraka izy dia hitrnga eo ny string ny, hiaraka aminy handeha hivavaka ve ianao?

tsy resaka hoe asaina manao akanjo tsisy didiny kosa anie ry pitchou ê! fa mba rehefa handeha hivavaka dia mba akanjo maotina no anaovana! tsy voarara ny fanaovana pataloha ho an'ny katolika, fa mba tsy atao manara-batana ohatra. Na dia te hampidera ilay bika soa nomen'Ilay Nahary aza tsy ho any am-piangonana kosa no hanaovana izany!!

30. sasa ( 04/05/2005 12:15)
za aloha tena fan an'i ari-malala hatramin'izao klé
31. booboo ( 04/05/2005 13:13)
mitovy hevitra @ Eh zà
32. sonwin ( 04/05/2005 14:41)
Ny ahy ny hevitro ihany ny hevitro...
ari.malala> tsy misy resaka hoe mampidera fa miseho ho azy ilay hatsarana ka..ka hanao akanjo mihaja aza dia hita eny foana.Fa maninona refa tarehy tsara de lazaina fa ts fakam-panahy fa refa faritra hafa any amin'ny vatana no tsara de lazaina fa fakam-panahy?
Mandainga izay lehilahy milaza fa ts vosarika ny maso raha misy vehivavy tsara endrika eo anoloany..ny maso hoy aho..ka raha faritra hafa no hita, voasarika ihany koa ny maso..ka refa voasarika dia voasarika fa ts azo avahina izany
33. pitchou ( 04/05/2005 19:19)
ari malala> ka tena super maotina ange io lazaiko io e!
34. mishou ( 04/05/2005 19:55)
sonwin, frera sa papa virtoaly ianao fa miala tsiny aho fa ny akanjo toy izany raha entinao mangataka asa de tsy ho voaray ianao raha tsy hoe angah hanao mannequin no asa tianao atao
Ny tiako lazaina de izao, tsy misy mandrara anao @ izay akanjo tianao io fa misy toerana hitondrana ny akanjo @ karazany avy
ohatra raha hilomano ianao no manao maillot de bain fa tsy andeha hiantsena any analakely ianao de hanao maillot de bain koa
ohatra iray hoe raha hanao sport ianao de mi jogging na short fa tsy mi jupe, fa tsy hoe rehefa akanjo iny de tairo fa mety @iny daholo ny toerana rehetra.
de toy izany koa ny mandeha mivavaka, tsy hano défilé de mode no ataonao any fa raha izany misy toerana fanaovana izany, fa handeha hanetry tena aza no tena marina hangata-pitahiana, ny sasany aza mifona @ ratsy nataony aloha vao miditra ao @ eglizy ka raha tsapan'ny tsiray2 izany de ho mifanaraka @ izany ho azy ny akanjony fa tsy mila tenenina.
Izany no mahatonga ahy hilaza tetsy ambony hoe ny fahakelezan'ny sainy no hanaovany izany fa raha nahita fianarana kely izy de mahafantatra ny akanjo fanao @ tranga iray, fa tsy ny akanjo rehetra akory de fanao avoko @ fotoana rehetra. :-P :-P :-P :-P
35. Veloo ( 04/05/2005 20:49)
Mishou a marina retsy ny anjy a... Raha ande hijery ny president de la republika izy tsy tonga dia vodaka ery???? Hatraiza ny fifanajana ny tena e?
Ny tena-tsika dia tempolin'ny Jehova. Ka anareo no misafidy oe ahona sy ahona ny akanjo ho ampiseko sy fanajana an'i Tompo.. sa ahona ry reto? :wink:
36. sonwin ( 05/05/2005 11:28)
zany ve hoy nareo :roll: string tao ampiangonana moa ilay resaka an :?: andraso aloha hieritreritra valiny za fa miverina eto ihany avy eo ka 8) :lol: fa za tsy mitovy hevitra aminareo zany aloha e :)
37. Veloo ( 05/05/2005 15:30)
sonwin a tssssssss aiza kosa lesy a :roll:
38. fijo ( 05/05/2005 19:54)
za koa aloha tsy mitovy hevitra aminareo e.amiko (za tsy mivavaka ary tsy mino)fa raha ny fahalalako azy dia hivavaka ny dia any fa tsy hijery ny slipon'i bozy na ny fotran'i hanta.ka na inona fiakanjony dia izay vavakao hatao fa ny azy avelao hoazy any.rehefa mivoaka hanantony izy raha tsy tanty,dia kotio fa nanaitra ko
39. cutie ( 05/05/2005 20:04)
ary raha tsy manana akanjo afa-tsy iny aza izy de ahoana. :-D :-D :-D
Tsy maintsy we manao metimety sy maontina nga vo afaka mivavaka????
Raha ny hevitro de avelao ze hijery hijery. :-D :-D :-D
40. fijo ( 05/05/2005 21:19)
izay mantsy hoa e.ary mikipia koa rehefa mivavaka fa aza mitongilana mijery izay eo aloha eo e.ndrindra fa iny faritra tsara iny.hi hihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3198