Sao dia rariny ilay fiakanjo!

1. ari.malala ( 02/05/2005 08:57)
Tsy haiko na eto ity hevitra ity no tokony handeha na any @ fivavahana sy finoana fa tany am-piangonana no nitranga ny tantara. Namonjy lamesa hariva aho omaly dia nisy zazavavy nanao pataloha taille basse ka raha vao nipetraka izy dia nitranga teo aby triangle @ string nazy iny! Sao dia tsy rariny ilay fiakanjo!!! Ho any am-piangonana anie ê! rehefa mivavaka mamerimberina ny hoe "aza mitondra anay @ fakam-panahy na hoe aza avela hoazon'ny fitaoman-dratsy izahay " nefa ny fiakanjo aza dia efa mitondra fakam-panahy ho an'ny hafa! Nisy lehilahy teo afarany fa tonga dia niksaka le lehilahy! Tena manafintohina be!!!
novalian'i pitchou ny 27/05/2005 12:43
2. ari.malala ( 02/05/2005 08:58)
Sao dia tsy rariny ny tiako tenenina fa latsaka ny tsy ê! maial tsiny!

3. sasa ( 02/05/2005 12:23)
ari-malala ny tena marina lesy efa ahitsy foana izy ireny fa tsy mety. isaky ny tori-teny dia matetika misy fitenena hoe " tsy tokony hanao fitafiana na kou akanjo manohitohiana ny hafa na kou akanjo tsy mampivavaka ny manodidina" fa isika moa tsy afaka ny handefa azy mivoaka ka ny hany azo atao dia aleo mifindra place mba ho concentré tsara am vavaka satria manko ny maso adala kou
Raha amiko aloha dia tsy rariny mintsy izany fomba fiakanjo izany satria rehefa mivavaka tokony hanao fitafy montina
4. hery ( 02/05/2005 12:33)
Izany tokoa aloha e. Misy olona manao fanahiniana mihitsy.
Ny olana fotsiny dia tokony ho azony tsara ilay antony. Misy mantsy amin'izao fanarahan-damaody izao dia vitsy ny akanjo... ka ny ankanjo fitondra mandihy tsy maintsy vidiana ary iny ihany no mba akanjo mihaja... dia rehefa mandeha any ampiangonana dia iny no entina... dia ireny no vokany.
5. mishou ( 02/05/2005 12:36)
hi hi hi hi, mieritreritra izy fa malala-tsaina fa manao izay tiany fa tsy fantany fa ny fahateren'ny sainy mba tsy hilazako hoe ny fahakelezan'ny sainy no mahatonga azy manao izany, ny akanjo rehetra misy taona sady misy antony ny hitondrana azy, ka tsy de hitako loatra fa tsy dia ampya fandalinana ilay namana de anjaran'izay mahita sisa no mieritreritra fa natao ho an'ny marary saina koa ny eglizy hitsaboana saina sy ny ara-panahy
8-) 8-) 8-) 8-)
6. dadabe ( 02/05/2005 13:00)
sao de tsy nilaza ny mpitondra,raha tsy miteny manko de manaiky
7. sonwin ( 02/05/2005 13:06)
amiko indray aloha tsy olana ny zavatra sahala amin'izany e! maneho ny hakanton'ny zava-boary daholo izany sady manatsara ny tontolo tazan'ny maso. Milay be izany ka, tena milay mitsy...
8. sasa ( 02/05/2005 13:27)
sonwin tsy mandiso anao aho nefa fifampitaizana lesy ny any am-piangonana angamba tsy misy raiaman-dreny mpitondra fiangonana handrisika ny vehivavy amin'izany fiakanjo izany kanefa tokony hieritreritra fa ny ankanjo fitondra mandihy sy ny akanjo fitondra mivavaka tsy mitovy, mety manko mahafinaritra ny masonao le izy nefa mety mahatafitohina ny sasany koa ka tsy aleo va mba manao izay akanjo hita fa maontina ny vehivavy rehefa handeha hivavaka, fa isak'alahady anie vao mba takiana amin-tsika izany fitafiana izany ary mandritra ny ora vitsivitsy fotsiny koa.
9. majakely ( 02/05/2005 15:04)
Ny ahy indray dia eo izao no tokony mba tena handaitra ny vavaka hatao hoe :aza aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay ,fa manafaha anay amin'ny ratsy !!(Eo zao andriamanitra tokony mba miasa be mihitsy !!! :D sa ahoana ?)
10. sonwin ( 02/05/2005 15:10)
Ny any Ambony tsy mijery fitafy izany ka. tsy miten mihitsy ny any hoe tsy maintsy akanjo mihaja no hanaovana. "Jean taille basse" kosa aza no ananany koa. izay tsy mahazaka mijery dia mifindra toerana ka. raha tena olona hivavaka amiko dia tokony ho concentré amin'ny fivavahana na inona hitan'ny maso na inona..raha misy sipa tena raitra sy manja be (en frome sady metimety, na miakanjo mihaja aza dia misongadina ny rehetra IoI) miditra ny fiangonana izany dia tsy mety koa ve satria mety ho voasarika any ny saina sy ny maso :roll:
ka ny ahy dia izay ihany e, milay ireny , milay foana...ny vavaka atao tsara dia akipy ny maso dia tsy mahita izay hitako e :wink:
11. majakely ( 02/05/2005 15:17)
Eny wa ry sonwin !!!Na dia vehivavy milay be kosa ve na dia hanao akanjo mirebareba be , de hataoko mbola hahasarika ny maso ihany ka !fa refa pataloha taille basse no hanaovany dia mbô excuse valable io!!! mahita hatao koa ilay zanak'olombelona ko!!hihihi
12. pitchou ( 02/05/2005 18:49)
izay le olombelona e! misy izao irony karazam-pivavahana irony d tsy maintsy akanjo tsisy bikany no anaovana fa zara raha misy didiny golobaka be, rebareba tsisy endriny ... mba tsy hisian'ny fakam-panahy (hono :roll: ) d misy manome tsiny hoe handeha hiasa aza tsara kokoa ny akanjo anaovana ...
subjectif be le fitafiana fa azo tsikeraina daholo ny rehetra saingy izany tokoa moa ve no andrarana azy tsy hivavaka?
13. majakely ( 02/05/2005 19:19)
raha arahana koa ny zavatra rehetra dia ;tokony hanaratsy tareh daholo ny olona; rehefa ho any ampiangonana amizay mivavaka tsara daholo fa tsy misy fankam-panahy intsony amizay!
14. dily ( 02/05/2005 20:38)
Ka raha mankery aloha izy dia sokafany indray ny feany na dia miakanjo tsara aza izy. Tsy ho taitra indray damopr ka mety hivadika mbamin'ny toriteny.
15. maditra ( 02/05/2005 21:20)
dily:
Ka raha mankery aloha izy dia sokafany indray ny feany na dia miakanjo tsara aza izy. Tsy ho taitra indray damopr ka mety hivadika mbamin'ny toriteny.

Ary dadapasy koa moa tsy ho taitra amin'izany fa damaopa fotsiny no mba nolazainao!?
Mety tsy dia nanana eritreritra hanafintohina olona akory izany vehivavy izany fa ny mason'ilay ranamana no tsy lasa amin'ny tany tokony hombany. Eny aloha any ry havana no mijery raha tsy te ho tohina fa ny hanao "aty jerena" tsy ho voasakana mihitsy na any ampiangonana aza.
Mody milaza tafitohina ry zalahy indraindray kanefa latsa-kivy sy tsy te hiala iny rehefa mahita. 8-) (haha, tsy ny rehetra a, sao misy tsy mahatanty eo)
16. ari.malala ( 03/05/2005 06:51)
za nandefa an'le post sy nilaza ho tafintohina aloha dia vehivavy, ary tena tafintohina tanteraka toko a satria hivavaka no haleha any am-piangonana fa tasy hampidera ny fananana sy ny fahaizana manao string. Marina angamba fa mampiseho ny hakanton'nyzavaboary araka ny tenin'i sonwin nefa kosa misy ny fitenenana hoe ny maso adala, ka na olona tena te hivavaka mafy aza voasarika ihany ny masony! soa ihany aloha aho fa tsy teo arinany no nipetraka fa nifindra teny aloha nanao liturgie aray tsy nahita azy fa raha tsy izany dia noteneniko izy nony nirava ary henjakenjana ihanyny zvatra noteneniko azy ê! tsara be anie hoe mahara-damaody ê! fa tsy tokony ho ata exagéré ilay izy! mimenomenona hoe be nyviol ka ny fiakanjo aza mihantsy ny lehilahy toy ny miteny hoe ty za tolomy ko aiza!!

17. ndrena ( 03/05/2005 07:57)
Rehefa handeha hivavaka aloha dia hivavaka no tena anton-dia fa tsy hiangona e!Ary manomboka eo no mizara ny fomba fijery satria raha tena handeha hivavaka dia sady maotina @ fomba fitafy no tsy variana ihany koa mijery ny fomba fiakajon\'ny olona.Raha handeha hiangona fotsiny moa dia mazava ho azy fa toa mety daholo izay rehetra atao eny fa na dia hita izao aza fa fitafy mahamenatra sy manao fihetsika mamohehitra
18. sonwin ( 03/05/2005 08:19)
Mety daholo izay atao refa andeha hiangona ka. Tsy misy fitafy mahamenatra izany. Izy mitondra azy aza ts taitra de ny mpitazana indray ve no sahiran-tsaina? fa ahona koa aza izany!
19. sasa ( 03/05/2005 10:35)
Misy fiangonana hoe rehefa tonga ao am-piangonana dia mifampiantso hoe ralahy sy anabavy; nefa raha ralahinao sy anabavinao ve no ao am-piangonana ao dia ampisehonao ny string-nao
Hafahafa aloha izany amiko raha za manonkana; ary ny mpitazana anie mijery fotsiny izy dia manao commentaire fa enao le mitondra no tokony hieritreritra.
20. ari.malala ( 03/05/2005 10:49)
ho an'i ndrena, marina fa rehefa tena hivavaka ny anton-dia dia tokony ho izay no ao an-tsaina voalohany, fa saingy maneke ianao fa mbola olom-belona mora azon'nyfakam-panahy, ary nyzavatra toy izany dia manaitra. Jereonao fa za aza vehivavy sorena sy tafintohina, tsy mba toa an'i sonwin hoe tsy mampaninona azy ;) ny mahita an'izany!

miombon-kevitra tanteraka @ sonwin koa aho @ io hoe anadahy ve no ampisehovana string?! Any am-piangonana anie fa tsy any @ bal ê! sa ve zay no tena anton-diany tany hoe hampiseho string @ mpiara mivavaka?! asa moa!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5805