Raha tsy hiteny afa-tsy i Masina Maria Virijiny aho...

61. Mifenty ( 27/04/2005 07:20)

>>marozevo

le oe mafy loha anie akory tsy hoe mafy loha dans le sens oe tetu eh.

fa mafy loha, mba fomba filaza hoe misy olona mihevitra hafa koa ka.

fa aza atao mahatezitra io eh. Expression fotsiny ny ahy
62. dadabe ( 27/04/2005 08:45)
ari.malala>tsara be le fomba fanazavan'ise fa andraso aloha zah handinika kely (tsy midika hoe manaiky a)
63. marozevo ( 28/04/2005 23:06)
Mifenty > Sans rencune, misaotra fa voaray sady mazava ny filazanao azy. Azafady raha mody "mafy loha" kely fotsiny teo ho eo.
Dia ahoana izany ny tohin'ity ady hevitra ity ? Tena Renin'Andriamanitra ve i Maria ? Raha izaho aloha dia manaiky an'io aho eh. Ary izany koa no mbola hanamafisako fa ilaiko amin'izao androko izao ny Fiangonana, na inona izy na inona. Ilaiko hampianatra ny hevitr'Andriamanitra amin'ny andro ankehitriny, amin'ny alalan'ny KOnsily, na Synode , na toriteny na fampianarana. Ny mba iriana fotsiny kosa dia mba ho fampianarana tena hilaza ny hevitr'Andriamanitra fa tsy izay heverin'ny sain'olombelona fotsiny.
Misaotra.
64. Mifenty ( 29/04/2005 16:05)

>>marozevo

d'acc eh.

Amiko raha araka ny baiboly dia i Maria dia renin'i Jesoa Kristy. Fa ny mety tsy hitoviana hevitra dia ilay vavak'i Maria. (Je vous salue Marie, pleine de grâce, sns sns)

fa voasoratra tsinona hoe "...tsy misy mankany amin'ny Ray (Andriamanitra Ray), raha tsy amin'ny alalako (Jesoa)"
65. ari.malala ( 02/05/2005 08:20)
Ka io je vous salue Marie io anie r'i Mifenty, nalaina t@ fiarahaban'ny anjely s'i Elizabeta rahavaviny fony izy hanana an'i Jesoa tao an-kibony ê! Izay vao notovanana hoe Masina Marian Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary @ andro ahafatesanay. Tsy miteny mintsy hoe mivavaka aminao izahay fa hoe mivavaha ho anay.

66. dadabe ( 02/05/2005 12:48)
ka le izy anie izany fiaraba'i anjely t@maria sy elizabeth e,tsy midika hoe ampidiro ho fivvahan'ny zanak'olombelona renetra
67. maditra ( 03/05/2005 03:45)
Lalina be izany resaka Masina Maria izany ho anareo tsy mpino Katolika. Ary ny mpanohitra (protestant) dia ny manohitra ihany no mba hainy. Tsy ny azy no mba fantany fa ny an\'olona no andaniany ny andron-tokon\'androny.
Bon! Hanazavako an\'ilay hoe: \"Tsy misy afaka mankany amin\'ny Ray raha tsy amin\'ny alalako\" Hoy i Kristy! Eny izay tokoa hoy izy, fa inona moa hozinay: Raha miteny izahay hoe: \"MIvavaha ho anay mpanota\" amin\'i Maria, tsy haiko ny PQ-nareo ireo fa tsy midika izay hoe mametraka an\'i Masina Maria ho solon\'i Jesoa izahay. Efa nandeha teto ny fanazavana fa miodinkodina toa galesa iny ka mandreraka be. Izao fotsiny izany e! Mino izahay fa tsy maty i Maria amin\'izao fotoana izao fa tonga amin\'ilay tenin\'i Jesoa hoe: \"Izay mino ahy na maty aza dia mbola ho velona\" \"hananana ny fiainana mandrakizay\". Efa nandeha teto ny resaka hoe: Oviana no mety hahatanterahan\'izany? Mamaly an\'izany ilay fanoharana (parable) momba an\'i Lazara sy ilay mpanan-karena lehibe izay efa nandaniana andro. Izany hoe, vao maty izany ny olombelona dia efa atsangan\'Atra ny fanahiny, dia very izay ratsy rehetra. Mbola manamafy izany ny tenin\'i Jesoa tamin\'izy efa hiala aina ka niresaka tamin\'ilay Jiolahy iray teo anilany hoe: \"Anio dia anio ihany dia hiaona amiko any amin\'ny Paradisa enao\".
Noho izany, maro ny olona Masina, efa natsangana, ka raha mba smart dia mety ho tonga an-tsainanareo ny hoe: Maninona ary i Maria no special sy manan-daja lehibe kokoa amin\'ny finoana Katolika? Misy milaza fa mivavaka amin\'ny sarivongana izahay. Non, samy manana ny interpretation-ny koa moa io fa ambarako anareo rehetra fa tsy mbola nisy olona nampianatra zah hivavaka amin\'i Maria, izany hoe, hi-classer an\'i Maria hitovy amin\'Atra.
Fa ny mahatonga azy ho special aminay dia ireto avy: Ahitsio aho raha diso ry namana Katolika:
- Purity (fahadiovana): Aminay, tsy ny resaka virginalite fotsiny io fa tena vatana tsy resin\'ny Satana mihitsy. Ianareo milaza fa tsy voasoratra ao anaty Baiboly izany, fa hoy kosa aho aminareo hoe: Tsy misy ao amin\'ny Baiboly ny mitsipaka izany. Raha nisy olona tena sur fa Atra i Jesoa dia i Maria no voalohany. Ary ny finoana sy ny fitiavana no lehibe indrindra ho an\'i Kristianina.
- Izy no ilay nosoavina noho ny vehivavy rehetra. Eto dia tsara ho fantantsika mianakavy, surtout ny vehivavy izay miteny fa toa azy ihany izany Maria izany dia efa diso ianareo. Eny olombelona tahaka anareo izy fa ny fahasoavana azony dia mihoatra lavitra ny anareo. Angamba tsy resaka rehareha izany fa finoana.
- Izy ilay natolotr\'i Kristy an\'ilay mpianatra iray. Mino izahay fa tsy endrika banal hoe, juste ho an\'ilay Apostoly iray iny ihany no nanoloran\'i Jesoa ny Reniny. Midika iny, aminay, ary mino sy matoky ny fahamarinan\'izany aho, fa nomen\'Atra ho renintsika koa ny Reniny. Fahasoavana lehibe izany ka adalan\'izay tsy te handray!
- Tsy vitan\'ny hoe namita ny adidiny amin\'ny maha-renin\'Atra azy i Maria fa isan\'ny niara-nampiroborobo ny Fiangonana Kristianina koa. Ao amin\'ny Acte 1:14 (Asa 1:14) izy dia niara-nivory tamin\'ny Apostoly ohatra.

Izany rehetra izany anefa tsy midika fa ampitovianay amin\'i Jesoa, Tompo i Maria, fa kosa milaza aminay fa tsy angatra izy na Satana ny fanahiny, araka ny fitenin\'ny sasany, fa ilay mpanompo vavin\'Atra.
Teny atsipy amin\'olon-kendry izy ity ka am-bava mihinana, am-po mieritreritra.
Maditra (oups, tsy natsipy ho ahy kay ilay izy).
68. dadabe ( 03/05/2005 03:59)
:!:
69. 1kd100 ( 03/05/2005 10:12)
ari.malala:

1kd100:

Satria moa fanehoan-kevitra malalaka no dia tsy azo ekena ny filazana fa Renin'Andriamanitra i Maria, satria Andriamanitra TSY NISY NITERAKA, tsy manam-piandohana Izy ary tsy manam-piafarana.Raha ny filazana hoe renin'i Kristy i Maria dia EKEKO satria tonga olombelona i Jesoa @ maha-olona azy dia nisy niteraka izy fa @ maha Andriamanitra Azy kosa dia tsy natera-behivavy Izy.Mandalo eo Behoririka aho dia mahita koa eo @ fiangonana ôrtôdoksa hoe "mère de Dieu ", sao dia tokony ahitsy ihany ny katolika sy ny ortodoksa sa tsy azo ahitsy mihitsy,,,?

Ary ny Telo Izay Iray ahoana? Tsy mino ny Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina izany ianao?!

Izaho mino an'Andriamanitra Ray, nahary ny lanitra sy ny tany ary nahary ny olombelona mpanota , Rain'ny mpino rehetra noho izany Rain'i Maria koa satria olombelona nofo sy ra i Maria ka tsy afaka hiteraka an'Andriamanitra
Izaho mino an'i Jesoa ,zanak' Andriamanitra sady naterak'i Maria , izay olombelona, noho izany fitaovana nampiasain'Andriamanitra hiteraka ny zanany, Andriamanitra tonga nofo i Jesoa kristy, @ maha nofo azy no nahatonga azy nateraky ny vehivavy toy ny olona rehetra.
Izaho mino ny Fanahy masina, Andriamanitra Fanahy nilatsaka t@ apostoly t@ andro pentecôte, izany akory tsy milaza hoe satria ny Fanahy masina = Andriamanitra dia holazaina indray hoe Maria = Renin'ny Fanahy Masina , izay no hevitro aloha é , ary tsy tezitra aho milaza izany fa filazana ny hevitra moa no ilana ity dinika serasera ity.
:D
70. ari.malala ( 03/05/2005 11:05)
Miombon-kevitra tanteraka @ maditra aho ary efa voalazany ao daolo ny saika holazaiko. Merci maditra :)

Ho an'i 1kd100, mbola averiko ihany ilay référence efa nomeko tary ambony tary ao @ Joany 1,1 Au commencement était le Verbe, et le Verbe était en Dieu, et le Verbe était Dieu.2 Il était au commencement en Dieu." dia mbola misy koa ny manao hoe "14 Et le Verbe s'est fait chair, et il a habité parmi nous", ka iza ary izany io naka nofo io satria voalaza fa et le Verbe était Dieu Raha tena mino ianao fa misy ny Trinité dia tsy hanasaratsaraka azy toy io ianao, satria indivisible izy.

71. dadabe ( 04/05/2005 05:47)
ary mifandray amin'ilay size atsy ambadika atsy ity kle
72. Mifenty ( 04/05/2005 09:05)

le sizé aiza ndray io radada?

___
ny hery tsy mahaleo ny fanahy
73. ari.malala ( 06/05/2005 09:47)
iverenako kely ilay resaka Jesoa Andriamanitra sy olombelona, tsy azo sarahina ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona Azy satria raha hosarahina ary izany dia iza ilay nitsangana t@ maty t@ andron'ny paka, iza ilay niteny t@ apostoly hoe vatako ity, raiso ary hano,rakoity raiso ary sotroy, iza koa ilay nanangana an'i Lazara t@ maty, iza ilay niakatra any an-danitra, iza ilay nofantsihina t@ hazo fijaliana sy nalevina...... be dia be fa ny entiko anaporofoana @ 1kd100 hoe Renin'Andriamanitra i Maria satria i Jesoa zanany dia tena Andriamanitra sy tena Olombelona.

74. dadabe ( 07/05/2005 07:35)
arimalala>dray marina dia tena sahin'ilay zazavavy ny nilaza fa ny paka =nitsanganan'i Kristy t@maty ,mba azavao kely hoe .
75. Narilala ( 07/05/2005 11:54)
fa ho an'ny finoana misy an'i Dadabe inona no atao hoe Paka? Ho anay dia io voalazan'i ari.malala io ny Paka. Ataoko fa ho an'ny kristianina rehetra koa. Ka maninona no ataonao hoe tena sahin'ilay zazavavy fa ny paka= nitsanganan'i Kristy t@ maty?
Tena sahiny tokoa ny nilaza izany satria izany no finoany, tsy menatra ny @ finoany izy. Ary miharihary ny maha katolika azy. Fa za mba te hanontany hoe tena kristianina marina ve i Dadabe fa toa hafahafa be ange izany foto-pinoanao izany satria ny paka aza ho anao tsy midika ho fitsanganan'i Kristy t@ maty.
76. Narilala ( 07/05/2005 12:06)

77. dadabe ( 08/05/2005 10:29)
Narilala>misaotra anao nanome fitenenana,izaho dia Kristianina ary fan soratra masina ,fa tsy manaraka fiangonana zatsy na zary fa izay voalazan'ny baoboly ,ekeo fa izany no nampianarina anareo ghatramin'izay fa hoe paka =nitsanganan'ny Kristy t@maty .Diso anefa izany ry namako raha ny soratra masina no jerena ,satria zao no voalaza ao :"fa voavono Kristy paska ho antsika "=Kristy maty=paska fa tsy Kristy nitsangana.Ary Kristy maty ho ahy sy ianao no nahatonga ny fahotako sy ny fahotanao ho afaka tahaka ilay zanak'ondry novonoina t@andropn'i zanak'israely,mba ho famelana ny fahotana.

Izao anefa dia Kristy mihitsy no Zanak'ondry novonoina (paska)
fehiny:paska =nahafatesan'i Kristy fa tsy ny nitsanganan'ny Kristy misaotra oo
78. Narilala ( 08/05/2005 12:17)
Tsy afaka miady hevitra aminao aho satria mifanipaka be ny finoantsika. Marina raha tsy toa anao izao ilay voalazan'ny soratra masina fa mpaminany sandoka sy anti-kristy. I Kristy aza nilaza fa hitsangana izy @ andro fahateo, dia ianao indray ve no hanohitra sy handà an'izany. Tena mazava tsy misy hiadian-kevitra intsony fa tsy tena kristianina ianao; sandoka angamba raha mitonon-tena ho kristianina. Tsy mitsara aho sanatria raha milaza izany fa tena mazava be ny foto-pisainanao, diso lalana ianao. Sady ianao rahateo tsy manaraka fiangonana ka mandika ny Soratra Masina araka izay fomba iheveranao azy.
Toro hevitro anao: mamonjé na midira ho isan'ny Fiangonana fa matoa i Kristy nanorina ny Fiangonana dia hanangona ny zanak'Andriamnitra efa niely sy nisara-bazana. Ka mbola tsy tara akory ny fotoana hidiranao ho isan'ny Fiangonana na ho katolika ianao na ho protestanta dia samy Fiangonana ireo hanoro anao ny atao hoe "Kristianina marina"
79. Narilala ( 08/05/2005 12:18)

80. Narilala ( 08/05/2005 12:19)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1188