Raha tsy hiteny afa-tsy i Masina Maria Virijiny aho...

41. fijo ( 20/04/2005 22:58)
mba narahako daholo ilay resaka ,ka izao no tsapako.
milaza fa samy mino andriamanitra iray nareo,kato sy protest,nefa mifanilika.rehefa tafaraka.
za moa tsy mpino ka dia vao miha sarotra amiko ny hino izay finoana mifanipaka ankarona toa izao.raha hitarika ny tsy mpino no tanjona"tsy avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota "hoy ralavavolo,dia hoy aho hoe mifampiantsoa aloha ianareo mpino dia mifanaraha tsara fa toa vao miha manome ohatra ratsy,satria "ady "no hitanay raha vao misy ny resaka finoana.
42. methode ( 21/04/2005 01:53)
Fanontaniana: Renin\'Andriamanitra ve i Maria sa tsia?
Valiny miendrika fanontaniana: Renin\'i Jesoa (na Jesosy? Kristy ve Maria sa tsia! Ary zanak\'Andriamanitra ve i Jesoa sa tsia? Zanak\'Andriamanitra = Andriamanitra (raha Jesoa no resahana)! Sa ve misy ny Jesoa Kristy olombelona iray dia misy Jesoa Kristy Andriamanitra hafa?
Raha zanak\'Andriamanitra Jesoa sady zanak\'i Maria Jesoa mazava fa renin\'Andriamanitra izany Maria!
Raha ohatra kosa Jesoa zana\'Andriamanitra nefa Maria tsy renin\'Andriamanitra dia ny inona amin\'i Jesoa no an\'i Maria, de ny inona no an\'Andriamanitra!!!
Hoan\'ny rehetra: Tsy Maria no ivavahana na ny sariny fa Maria mivavaka sy mampianatra mivavaka ny Kristianina!!! Diniho tsara ny vavaka natokana hanajana an\'i Masina Maria
43. fijo ( 21/04/2005 04:42)
"tsy maria no hivavahana fa ny sariny"=dikan'io dia fanopoantsampy.izay lavin'ny fiangonana kato.
"jesoa zanak'andriamanitra =andriamanitra" fa natao clonnage ve lery io?ise ve izao zanaky ny rain'ise dia ise koa izany rai'ise ihany?tsy mitombona izany.satria raha hitarina manjary ratsy be.
rain'ise =vadin'ny renin'ise.dia alefaso ny logika.

azafady fa famelabelarankevitra nyahy io an
44. maditra ( 21/04/2005 04:50)
haha> Indraindray ny lojikan'i fijo tsy dia miasa firy amin'ny resaka finoana. Tsy dia misy resaka lojika sy tsy lojika izany io razoky fa ny finoana no mitondra an'io. Misy zavatra ao amin'ny Baiboly mandeha amin'ny resaka "lojika", fa maro mihitsy no tsy azo atao lojika izany. Izay lojika amintsika tsy lojika amin'Atra, ary ny lojikan'Atra tsy haintsika, ny mino no azotsika atao, fa safidy fotsiny izany hino na tsy hino izany. Izay lesy ny momba an'io a!
maditra
45. dadabe ( 21/04/2005 08:32)
ohatra ny nampisaraka ny ranomasina==>tsy lojika @olona fa possibl amin'Aa
46. Mifenty ( 21/04/2005 10:51)


Disoiko kosa elah ra fijo kle.

Aza mirediredy elah fa tsy misy idiran'ny lojika zany ny finoana kle.

fanga lty izy ty kajy ka oe 1+1 mira firy ah.

Mba azon'lah an-tsaina moa izany oe mijery elah rano de misotro elah tonga de dovay mlay be?

Ngamba elah ho tena faly le. Tsymisy lojika nefa io.

sao ndray lazain'lah fa maso be tsy mahita an.
47. fijo ( 21/04/2005 22:29)
asa aloha ry zalahy fa io finoana io aiko bontolo an.ohatra.mino ny sasany fa rehefa maty dia ahita tanana milay be sy hiadana.gay ,eto an tany aloha ataovy izay hiadanana vao misaina ny any.
ary io rano manga io,rehefa hinoanao fa mainty dia mainty .
amiko ny logika dia logika fa tsy misy hoe logikan'olombelona sy logikan'izay tsy mbola nisy nahita any.
48. dadabe ( 22/04/2005 05:51)
fijo>ca fait elah zany mino ny www.logika.org
49. Mifenty ( 22/04/2005 08:50)


inn lty radada io site nomen lah io ah hihihii


d inona no idiran'i maria am zany.



50. ari.malala ( 22/04/2005 14:24)
fijo:

"tsy maria no hivavahana fa ny sariny"=dikan'io dia fanopoantsampy.izay lavin'ny fiangonana kato.
"jesoa zanak'andriamanitra =andriamanitra" fa natao clonnage ve lery io?ise ve izao zanaky ny rain'ise dia ise koa izany rai'ise ihany?tsy mitombona izany.satria raha hitarina manjary ratsy be.
rain'ise =vadin'ny renin'ise.dia alefaso ny logika.

azafady fa famelabelarankevitra nyahy io an



Fijo â; mamakia tsara ise, tsy i Maria no ivavahana NA NY SARINY no voalaza eo fa tsy hoe fa ny sariny araka io voalazanao io! :)
51. ari.malala ( 22/04/2005 14:30)
hanontany an'i fmr ary aho, fony namorona izao tontolo izao ANDriamanitra dia niresaka hoe "andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika", dia iza ary hoy i fmr no niresahany? Ary ity indray koa no manaraka, fony novangian'ny Anjely i Maria, dia ahoana hoy ny anjely taminy?
52. marozevo ( 24/04/2005 00:07)
1kd100 > Tamin'ny Konsily efa taloha be tany, mbola tsy nisy Loterana tamin'izany na FJKM, dia efa neken'ny Fiangonana fa Renin'Andriamanitra i Masina Maria. Lava dia lava ny fanazavana izany satria tsy maintsy mandalina Christologie sy Mariologie vao... nefa fintiniko kely variraiventy fotsiny : Kristy zanak'Andriamanitra, ataoko fa ekenao io aloha... Dia manao analogie kely isika. Raha misy olona miteraka dia zanak'olona ny zanany izany hoe olona koa io zanany io... ekenao koa ve izany ?
Noho izany raha Zanak'Andriamanitra i Kristy, dia Andriamanitra ihany koa. Saingy tsy midika izany anefa fa Andriamanitra hafa izy : IRAY FOMBA AMIN'NY RAY izy. Dia manamafy ilay voalaza momba ny Telo izay iray, na ny Trinite Masina ihany koa aho. Marina io.
Tsy mila ahitsy noho izany na ilay soratra ao Behoririka na ny Fiangonana Katolika sy Ortodoxe miteny izany. Tokony habaribary mandrakariva aza fa i Masina Maria Virjiny dia TENA Renin'Andriamanitra. Mampalahelo fa anisan'ny sakana ho amin'ny firaisan'ny Finoana io zava-misy io. Tsotra kosa anefa ny ahy ny hevitro : raha hisy ihany ny Firaisan'ny Mpino, ka hiala ao amin'ny foto-pinoana ny momba an'i Masina Maria, sy ny fiombonan'ny olomasina rehetra, dia aoka ihany ho samy Masina an-taniny. Faniriana tsy raikitra tsy hatao haharatsy fihavanana...
53. Mifenty ( 24/04/2005 17:03)


>>marozevo, ary mafy loha mitsy ty oul ray ty le


"ary tsy misy mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako" hoy i Jesoa Kristy.

"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana" mbola hoy iany izy.


i Maria ve? tsy aiko izay no teneniny afa-ts'ilay hoe "inty aho ankizivavin'ny tompo" sy ny sisa.
54. fmr ( 26/04/2005 11:04)
ari.malala:

hanontany an'i fmr ary aho, fony namorona izao tontolo izao ANDriamanitra dia niresaka hoe "andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika", dia iza ary hoy i fmr no niresahany? Ary ity indray koa no manaraka, fony novangian'ny Anjely i Maria, dia ahoana hoy ny anjely taminy?


Eo indrindra isika izao : tsy azo sarahana ny mahasombintsombiny ny fahalalantsika araka ny filazan'i paoly apostoly sy ny mahaAndriamanitra feno fahafenoana an'ANDRIAMANITRA, tany @ famoronana ( genesisy )ange dia efa tao amin'ny iray nefa feno ny trinite satria ny Fanahy Masina nambomba tambonin'ny rano rehefa namorona olona tahaka ny endriny Andriamanitra é. Izaho manaiky ny maha Andriamanitra an'i Jesoa hatrany amin'ny genesisy, fa rehefa nanetry tena ho olona IZY ( filipiana 2 ) dia natera-behivavy,olona t@ fahafenoana toy ny olona rehetra: teraka , nitombo, nitomany, nahatsiaro nangirifiry satria maty.SAINGY tsy ekeko kosa raha ilay Andriamanitra Ray no ambara hoe misy reniny satria na i Maria koa aza dia nametraka ny tenany ho mpanompovavin'ny Tompo=ankizivavin'ny Tompo fa tsy nanandratena izy hoe izaho renin'Andriamanitra.Na inona na inona fanaposahana hevitra eto dia izao no tena mahamaika: rehefa mino an'i Jesoa ianao dia manana ny Fiainana Mandrakizay hoy ny soratra masina , ny ankoatr'izay dia mety ho fotokevitry ny eglizy na koa fampianaran'ny fiangonana misy ny tsirairay, fa dia samia mandinika na miorina @ Soratra Masina sa tsia ireny fampianarana omen'ny Loham-piangonana na konsily na synoda ireny.
55. ari.malala ( 26/04/2005 12:20)
fmr â, ohatran'ny tsy logique enie zany zavatra teneninao zany ê! sa ve za no tsy mahazo resaka? Manaiky ianao hoy ianao fa Andriamanitra i Jesoa, ka raha Andriamanitra Izy, Renin'iza i Maria? Sa ve hoavakavahana hoe Renin'Andriamanitra Zanaka? Nefa Izy tenany aza niteny hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany"

56. ndrena ( 26/04/2005 13:10)
Samy mijoro @ heviny ny tsirairay.Tsara anefa ny hijerevana réference ao anatin'ny baiboly ny fahamarinan'ny zavatra inoan'ny ts11.NY fampianarana ankoatr'izay dia mbola adi-hevitra be fa izay ambaran'ny baiboly no tokony horaisina.Maria dia renin'i Jesosy.Ao @ Jaona 2:1-11 no ahitana kely mikasika an'i Maria.Vakio io tenin'A/tra io dia jereo ny vali-tenin'i Jesosy eo ambanimbany eo manao hoe:RAVEHIVAVY MOA MIFANINONA AKORY MOA IZAHO SY IANAO,dia hoy i Maria avy teo:ATAOVY IZAY ASAINY ATAONAREO.Izay tiana hambara dia hoe samy manana ny toerany ireo ka tsy afaka ny hifampijabaka mihintsy ary tokana ny hany mpamonjy,tsy mila mpanampy Izy satria IZY IRERY IHANY NO NAHATANTERAKA NY FAMONJENA fa tsy niampy olon-kafa.Izay aloha ny mba hevitroe!
57. dadabe ( 26/04/2005 14:05)
mifenty >tena tsy azoko lety fa zavatra hafa no nosoratako dia nanjary nisy an'io hoe jereo eto io a :{ :{
izaho aloha tsy manakevitra e,le an'i fmr no tohanako :-P
58. marozevo ( 26/04/2005 23:03)
mifenty > Tsy hoe mafy loha kosa fa mizara fahalalana e. Eny eh.. Tsy ifanomezan-tsiny ho'aho ny tsy fitovian-kevitra momba an'i Maria, satria olana efa nisy hatramin'ny 16 eme siecle ve ho voavahantsika ato amin'ny Forum ?
fmr > Fa nahoana kosa no tsy horaharahiana ireo fampianaran'ny Fiangonana : Konsily, Synode sy ny sisa. 2000 taona lasa i Kristy no nampianatra. 1900 taona lasa no nosoratana ny Apokalipsa. Raha hijanona amin'ireo fotsiny fa tsy hihaino ilay "nirahina hampianatra ny Firenena rehetra", dia ahoana? Ekena fa lehibe sy sarobidy ny Baiboly, ary tena ambony, saingy ny fampianaran'ny Fiangonana tsi11 avy no maha "ankehitriny" ny Baiboly.
Noho izany, asa na ahoana ny hevitrareo, fa raha izaho aloha, na hataon'i mifenty hoe mafy loha aza, dia tsy olana, fa RENINàANDRIAMANITRA I MARIA, satria TSY AZO SARAHINA MANDRAKIZAY NY RAY SY NY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA.
59. dadabe ( 27/04/2005 04:25)
hhhmmmm marina
60. ari.malala ( 27/04/2005 06:40)
Ekeko fa tokony harahina ny fampianaran'ny Baiboly, fa ahoana ary hoy ny anjely hoa mantsy an'i maria fony izy hoe hanana an'i Jesoa tao an-kibony? Tsy zao ve no vaoalaza any hoe "Ary ny masina izay haterakao dia hatao hoe Zanaky ny avo indrindra"? ka iza ilay avo indrindra eto? ary ilay ao @ fiandohan'ny Evanjely (Filazan-tsara) an'i Joany hoe "1 Au commencement était le Verbe, et le Verbe était en Dieu, et le Verbe était Dieu.
2 Il était au commencement en Dieu." ? Odiana tsy fantatra izany ireo teny ireo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.131