Raha tsy hiteny afa-tsy i Masina Maria Virijiny aho...

21. ari.malala ( 15/04/2005 12:23)
[quote=Mifenty]
Ndremande aho nanatrika mariazy namako tao am eglizy masindahy François Xavier Antanimena, le nidiran'i ratompokolahy iny. Izao no nitranga:


1- nandeha ny kominio dia nodian'i damopra fanina ilay sipa ary tsy nahazo an'ilay fotsifotsy iny. Nefa io sipa io efa mpandray an (loterana izy).


Fa niresaka ve nareo s'i damopr de hozy oe nodiako fanina le sipa nefa izy efa mpandray any @ loterana? Fantatrao tsara ve ny lalànan'ny fandraisaka Komonio @ Finoana Katôlika?



>> de hoy aho hoe nefa midradradradra ekiomenisma.



Ny ekiomenisma akory tsy midika hoe ampiraisina betement fa ampiraisina sy ampitoviana tsara aloha ny conception ny zavatra iray vao ekena hoe tena iray marina tokoa. Jereo tsara fa na ny conception an'ny Batemy aza tsy mbola iraisana, ity koa ny resaka Komonio...



2- nony vita anefa ny fanamasinana dia akory ny hagagana fa noraisin'ny fiangonana tsara ireto voninkazo natolotr'i razazavavy ary voalaza fa entina eny amin'i Maria hono.


Inona ny olana raha noraisina ilay vonikazo? Tsy atao takalom-patsa vidim-pihinanana anie ity fiainam-piangonana ity ê! ka hoe omeko Komonio enao de omeo voninkazo izahay!



De tsy haiko hoe i Maria iza klou io fa ilay sary vongana ery amin'ny ilany havia io hoan'izay mpiditra ao amin'io fiangonana io.


Hitanao, zavatra iray tsy mbola hampiray ny finoana koa io! Na ny filazanao azy aza tsy misy fanajana! Fa ny mahasary vongana azy angaha no zava-dehibe sa ny fahatsiarovana fa Renin'ny Zanak'Andriamanitra anie io?


roa ny tsy azoko izany, tsy nomena ilay ostia ilay sipa fa tsy aiko , nefa kosa refa andray anle voninkazo de nitehaka ny fiangonana,

farany, de le izy lazaina fa ho an'i Masina maria fa tsy notsorina hoe hanaingona fiangonana no mba tsy aritro.



Tsy nomena ilay Ostia ilay sipa satria mbola tsy tonga ny fotoana tokony handraisany. Mila fiomanana io fa tsy sanatria mofogasy akory iny ka hanikanim-poana. Na hanaingoana Fiangonana aza moa tsy izany ve no destination an'ilay voninkazo?!
22. ari.malala ( 15/04/2005 12:43)
Tohiny, fa aiza moa r'i Mifenty no ahalalan'i Mompera hoe ity Katôlika ity tsy izy rehefa ilay milahatra iny ianareo? Sa misy soratra mivandravandra be ny tampik'andrinareo hoe za tsy Katôlika?

Momba ilay tsy tao anaty dinika ny tsy handraisany Komonio dia tsy matotra marina ilay dinika satria tokony hovoaresaka mihintsy ny momba izany.
23. andmia ( 15/04/2005 13:52)
izaho klo de mankasitraka ny tenin'i ari.lala e, tsy misy ambara firy fa no comment ireny, ary mino aho fa ampy tsara hanazavana ny resaka ireny,
24. maditra ( 17/04/2005 14:25)
hahahahi> hita tsara fa tsy mazava amin'i mifenty izany Katolika izany na dia kely akory fa ataony samy mipetrapetraka iny ry namana dia mompera no manatona azy ireo sy mamahana azy ireo. Dia nodinganiny ilay zazavavy satria tsy Katolika dia lasa izy nanohy ny diany. Maha-woen ity resaka ity fa aleo manampy fahalalana kely dia avy eo mitsikera e!
Sady ela ve ry mifenty raha manome cadeau, tsy fanampiana a, hiraharaha ve ela hoe, ataon'ireo inona ity na ataon'ireo inona. Rehefa tsy ariany any amin'ny lava-pako dia izay izany! :-D
25. Mifenty ( 17/04/2005 14:54)
mampalaelo iany lou le mieritreritra oe, ekimenisma ekimenisma nefa de resaka tsisy dikany kely iny de atao blem e

fahatsiarovana anie iny eh. Refa fahatsiarovana de mitovy daoly iany amiko.

"izao no ataovy ho fahatsiarovana"

samy mahatsiaro doly zany amn'io fotoana io.

Le zavatra kely iny anie ka zesta tekinika fotsiny e.
Afaka vidiana eny am mpivarotra iny.


fa de otrany fanavakavahana eo am samy kristiana le izy .

Mampalaelo kle.
26. pitchou ( 17/04/2005 17:11)
tsy dia te-handrangitra aho sanatria fa zavatra tena misy ity lazaiko ity: natao mariazy tany @ kato ilay namako protest, ary dia nomen'i mompera kominio soa aman-tsara! sady nisy divay manokana (teto mada io!)! raha nandeha niangona tany @ kato aho indray krismasy izay d nomen'i mompera kominio soa aman-tsara (nasainy nandray raha teo), nefa aho fantany tsara fa protest (tany ivelany indray ity)!
zany hoo tsy voatery hitovy fisainana izany ny mompera, ary samy mandinika ny fivavahana araka izay azahoany azy!
Tsy hoe any @ kato ihany no ahitana io karazana fanavahana io fa misy d misy koa any @ protest! efa naheno mompera nanenjika olona protest toa anay mandeha mamonjy lamesa any @ kato sabotsy hariva rehefa fantatra fa tsy ho afaka hiangona ny alahady aho!
27. hery ( 18/04/2005 11:10)
Maniry dia maniry ny hisian\'ny firaisam-pinoana eo amin\'ny resaka fanasan\'ny Tompo tokoa ny Katolika. Mbola tsy tanteraka anefa izany (Regrettable) koa mandra-pahatongan\'izany dia tsy azon\'ny Katolika atao ny mandray any amin\'ny Protestanta... ary tsy azon\'ny protestanta atao ny mandray any amin\'ny Katolika (dika malalaka t@ Fiangonana maina ny Eokaristia)

Tsy fiatsaram-belatsihy amin\'ny eokomenisma ny fanamafisana izany fa fiaikena ny mbola tsy mampiray ny foto-pinoana katolika sy protestanta. Mbola tsy mitovy velively ny fandraisan\'ny katolika sy protestanta ny atao hoe Fanasan\'ny Tompo... ary tsy ny fandehananao mandray mihitsy no midika fa manao ezaka eokomenika ianao. Ny ezaka eokomenika voalohany tokony hatao dia ny fiezahanao mamantatra hoe inona no tena dikan\'ny fanasan\'ny tompo ho an\'ny andaniny sy ankilany.

Tsy firosoana amin\'ny eokomenisima mihitsy ny firotorotoana ivelan\'ny fanapahakevitra foibe sy ny fanarabiana avy hatrany ireo mbola miezaka mandinika be be kokoa.

Mahereza daholo.
28. ari.malala ( 18/04/2005 13:01)
1kd100:

Satria moa fanehoan-kevitra malalaka no dia tsy azo ekena ny filazana fa Renin'Andriamanitra i Maria, satria Andriamanitra TSY NISY NITERAKA, tsy manam-piandohana Izy ary tsy manam-piafarana.Raha ny filazana hoe renin'i Kristy i Maria dia EKEKO satria tonga olombelona i Jesoa @ maha-olona azy dia nisy niteraka izy fa @ maha Andriamanitra Azy kosa dia tsy natera-behivavy Izy.Mandalo eo Behoririka aho dia mahita koa eo @ fiangonana ôrtôdoksa hoe "mère de Dieu ", sao dia tokony ahitsy ihany ny katolika sy ny ortodoksa sa tsy azo ahitsy mihitsy,,,?




Ary ny Telo Izay Iray ahoana? Tsy mino ny Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina izany ianao?!

29. dadabe ( 18/04/2005 14:04)
8) 8) le resaka maria virijiny toa efa lava be ao ambadika ao 8)
30. sonwin ( 18/04/2005 16:28)
mande be mihitsy ity resaka ity ka :lol:
31. Mifenty ( 18/04/2005 16:52)
io zao no tena mora amidy kou. hihih


mba fomba fiteny io sao indray dia misy fanatika mandika vilana eo.
32. pitchou ( 18/04/2005 18:43)
Hery> ekeko mety tsy manaiky ilay fampiraisana enao! saingy zavatra tena nisy ireo notantaraiko ireo!tsy sanatria tonga d niselontselona tany @ kominio ny tenanay fa i mompera no nanantona niantso(fantany izahay fa protest satria resa-be teo aminay foana io fiafanavahana io!)!
izaho manokana aloha tsy gaga t@izany satria nanana dadabe mompera! Moa rahateo ny teny aminay na nalaza aza taty mada ny fiafanavahana teo @ protest sy kato d tsy mba nisy an'izany ny teny aminay! fa raha nanao zavatra ny fiangonana protest d niaraka taminy ny kato ary niaraka ... hatr@farany! raha nanao zavatra ny kato d toy izay koa! (izay no itiavako ny resaka fiangonam-pianakaviana indraindray)
Amiko manokana izany tsy ezaka eokominika, fa fandalana ny atao hoe kristianisma tsy misy mpamaritra (izay moa ny dikan'ny adjectif?) manaraka azy!
Tsy hitako hoe sarotra noho ny fijerin'ny pastora sasany aty hoe ilay taratasy kely iny ihany no zava-dehibe manamarika fa mpandray enao izany! raha madio ny sainao fa tsy fitia te-haninana fotsiny dia amiko izany tsy hitako ze olana! ny hitory @ jentilisa (tsy le ato an!) aza atao koa ny efa samy kristiana mbola hiezaka hifampisaraka @ Tompo? point de vue manokana izay fa tsy voatery hisy hanaraka an! mety mbola hiandry taonarivo 2 na 3 isika vao hahatsapa fa iray ihany Kristy!
33. maditra ( 18/04/2005 19:17)
Kay pitchou, ny dadabenareo kay mompera? Sa ilay dadabe ato iny teneninao? :-D :-D
34. Mifenty ( 18/04/2005 21:32)
dadabe ato frera manao sipa kou hihiih
35. fmr ( 19/04/2005 10:40)
Narilala:

1kd100: hatao ahoana indray no hanitsy ny efa mahitsy. Ho an'ny katolika sy ny ortodoksa dia tsy misaraka ary tsy azo sarahina velively ny maha Andriamnitra sy olombelona an'i Kristy. Ka na hanoratra boky 1000 pages aza i 1kd100 hanazava ny tsy maha Renin'Andriamnitra an'i Masina Maria dia ho very fotoana fotsiny raha nokendrena hanovana ny finoan'ny katolika sy ny ortodoksa.


narimalala= ka aiza ho aiza ao @ baiboly kosa ary ohatra no milaza hoe nisy niteraka Andriamanitra ? Betsaka ange ny manaiky fa iray ihany 1/Andriamanitra Ray = Mpamorona
2/ Jesoa Zanak'Andriamanitra = Olombelona naterak' i Maria
3/ ary ny Fanahy Masina
Ampy izany ny miteny @ finoana hoe Maria renin'i Jesoa araky ny Tenin'Andriamanitra, fa fampianarana diso araka ny hevitro ny filazana fa misy reniny Andriamanitra.Nefa moa rehefa tsy mety ahitsy dia atao akory moa fa dia tonga @ ilay fiteny hoe: misitery izany zanako....Dia aza tezitra rehefa miresaka ato fa tsy mila 1000 pages ange ny fanitsiana an'izany fa 100 pages dia ampy satria tsy 1kd1000 ilay olona fa 1kd100 ! raha tsy ampy ny 100 pages dia tsiky dia ampy ...
36. hery ( 19/04/2005 11:25)
:-) mila Kristianina aloha vao afaka miteny hoe "Nateraka izy fa tsy natao" (satria ny Kristianina no mino an'io)

Ka raha vao tsy amin'ny maha kristianina no hifampiresahana eto dia resaka very maina satria ny kristianina manana ny finoany ary ny tsy kristianina manana ny tsy finoany.
37. dadabe ( 19/04/2005 11:49)
maditra>zah frera dadabe ka
hery>ka misy mamilana anie indraindray ilay hoe finoana e,heverin'olona sasany fa hoe ny finoana =katolika na hoe finoana =protesta==>diso izany e ny finoana =Kristy fa ny anaran'ny antokom-pinoana=katolika na protestanta na orthodox na......
38. Mifenty ( 19/04/2005 12:33)
zay le tsy ahafoizana an-dradada

>>hery

ny tsy kristiana dia mino ka. fa ny inoan'ny kristiana sy tsy kristiana no tsy mitovy.
39. haingo23 ( 19/04/2005 13:13)
Samy manana ny fombany ny fiangonana. Tsy mampaninona loatra ahy ny hoe ny kato tsy afaka mandray any protes ary vice versa. Ny mampalahelo @ ity toe-javatra ity dia sahala @ fanalambaraka ka eo imason'olona no tsy omena kominio. Raha nisy tokoa ve ny dinidinika maninona no tsy nolazaina mialoha ? Sa misy antony hafa ve ??
Ny resaka Maria indray dia efa finoany io ka tsy hitako intsony izay lazaina. Tsy fantatro aloha na mety ity hevitro ity na tsia : mba tsy hitenena foana hoe mivavaka @ sary vongana sy Maria. Maninona moa raha tsy asiana io sary io fa apetraka eny ambony hotely ohatra ilay vonikazo (dia lazaina eo izay tompony) dia vita ary ny mpikarakara ny eglizy no mametraka azy any @ toerana voatokana ohatra.
40. pitchou ( 19/04/2005 18:54)
maditra> ie! anadahin'ny bebenay izy io! d dadabe koa ny fiantsoanay azy fa tsy dada (mompera) akory!
fa mampalahelo kosa aloha le mitonon-tena hoe kristiana nefa manavaka ny kristiana hafa e! satria hoe tsy mitovy fisainana na loko aminy! d amiko ireny no ataoko hoe kristiana an-taratasy fa tsy @ finoana
hery> tena manana ny tsy finoany tokoa ny kristiana fa aza adino! ary b d b mihitsy ny zavatra tsy inoany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2408