Raha tsy hiteny afa-tsy i Masina Maria Virijiny aho...

1. Mifenty ( 14/04/2005 15:07)
Ndremande aho nanatrika mariazy namako tao am eglizy masindahy François Xavier Antanimena, le nidiran'i ratompokolahy iny. Izao no nitranga:


1- nandeha ny kominio dia nodian'i damopra fanina ilay sipa ary tsy nahazo an'ilay fotsifotsy iny. Nefa io sipa io efa mpandray an (loterana izy).

>> de hoy aho hoe nefa midradradradra ekiomenisma.


2- nony vita anefa ny fanamasinana dia akory ny hagagana fa noraisin'ny fiangonana tsara ireto voninkazo natolotr'i razazavavy ary voalaza fa entina eny amin'i Maria hono.

De tsy haiko hoe i Maria iza klou io fa ilay sary vongana ery amin'ny ilany havia io hoan'izay mpiditra ao amin'io fiangonana io.


roa ny tsy azoko izany, tsy nomena ilay ostia ilay sipa fa tsy aiko , nefa kosa refa andray anle voninkazo de nitehaka ny fiangonana,

farany, de le izy lazaina fa ho an'i Masina maria fa tsy notsorina hoe hanaingona fiangonana no mba tsy aritro.

novalian'i marozevo ny 01/06/2005 00:39
2. welie ( 14/04/2005 15:22)
Mifenty> Ka ilay Fandraisana Miaraka anie toa tsy mbola neken'ny Vatican e? Sa tsy izany ry reto?

Nefa marina ny @Protestant dia asaina daholo ny mpino kristianina tsy an-ankanavaka rehefa @ fandraisana ny fanasan'ny Tompo. Ny Pasitera moa dia miteny mihitsy hoe "Na mitondra taratasy na tsia, na Katolika enao na Protestant na... dia ny Latabatry ny Tompo no atrehina..."

Le resaka Maria indray aloha dia tsy misy azoko ny momba io dia aloe tsy hiteny fa hiandry fanazavana...
3. dadabe ( 14/04/2005 15:27)
cekezem indray ity ,samy tia izy 2 zany de miaraka e :-D
4. welie ( 14/04/2005 15:38)
dadabe> Zay indray le resaka cekezem...tsss... iza no samy tia?
5. pitchou ( 14/04/2005 18:52)
mifenty> ka izay le mampisalasala @ fivavahana mitonona tena hoe kristiana! satria angamba tsy izay loatra le fampianarana nataon'i Kristy! tsy hanitatra aho hoe raha azon'ny sasany natao angamba dia ho mbola notazominy hoe rehfa tsy teny latina ny vavaka d tsy mankany @ Andriamanitra, ary tsy mahazo mandray kominio koa! fa tsy fantatry ilay sipa zany hoe tsy homen'i mompera kominio izy? satria raha izany, raha izaho no teo @ toerany d tsy nanatitra voninkazo koa aho, satria izany aho tsy raisin'ny fiangonana akory!
6. marozevo ( 14/04/2005 19:24)
Amin'ny zavatra toy itony dia izao no azoko ambara ho fandrasiana anjara amin'ny fanazavana. Hevitro izaho irery anefa fa tsy mihambo ho tompon'ny fahalalana aho :
Tsy nandray komonio Razazavavy satria Loterana : Marina io satria tsy mitovy velively ny hevitra ambaran'ny fanasan'ny Tompo sy ny Komonio Katolika, Lava dia lava ny fanazavana ny momba izany. Fa na inona na inona hitanao nitranga teo tamin'io fotoana io, dia aoka ho tsaroanao fa tsy maintsy efa nidinika i Damopra sy izy mivady. Izany hoe efa fantatr'i Razazavavy mialoha fa tsy handray izy, ary efa niomaniny mialoha ho amin'izany ny sainy sy ny fony. Anjarany ny manapaka hevitra avy eo na hifindra katolika izy na hijanona ho Loterana. Tsy olana izany, saingy raha hifindra Katolika izy dia tsy maintsy mandalina volana vitsibitsy aloha vao afaka mandray Komonio.
Le voninkazo : Homena an'i Masina Maria sa hanaingoana ny Fiangonana ? Zavatra tsy misy mahasamihafa azy izany, satria i Masina Maria Renin'i KRISTY, Renin'Andriamanitra, ary ny Fiangonana Renin'ny KRISTIanina. Tsy ilay sarivongana anefa no tena zava-dehibe amin'izany fa ilay fo manolotra azy. Raha nentanim-pitiavana sy hafaliana moa razazavavy ka nanolotra dia arahaba soa arahaba tsara. Raha noterena na nandeha tsy tamin'ny fo kosa dia marina ny anareo hoe "raha izaho izy tsy nateriko le voninkazo".
Miala tsiny raha lava fanazavana.
7. tigany ( 14/04/2005 21:17)
Te hanamafy ny zavatra nolaizain'i marozevo aho fa sarotra io resaka finoana io ka tsy hidirana lalina. Fanajana an' i Masina Maria no anton'ilay voninkazo atolotra azy na dia tsy izy mivantana aza no mandray azy eto, Ny Komonio ndray toa hoe ny katolika tsy mahazo mandray fanasan'ny Tompo fa ny protestant no manao zay tiany raha handray izy na tsia any @ Katolika saingy mariazy moa ty resahina ty ka dia tsy afaka nanome i mompera satria efa nisy ny atao hoe "Dinika" talohan'ny andro nanamasinana io mariazy io
8. dadabe ( 15/04/2005 03:15)
marozevo>marina mihitsy io teneninao io satria misy fifampidinihana aloha eo @izy mivady sy ny mpitondra fivavahana izay vao atao ny mariazy,ary io tsy terena fa zah sur fa nisy fifanarahana taoefa sur aho nampahafantarin'i Damopra mialoha ny litorjia,ka matoa razazavavy nanatitra vonikazo de nanaiky izy izany donc no comment! cekilem zany e!
9. Mifenty ( 15/04/2005 08:29)
tsy aiko alou fa tena nangasihasy kely rasipa tam le tsy nomen'i damopra an'ilay marika eh. amizay le izy nisy divay an.

fa ny tena loza anie de izao eh, misy hafa tsy katolika nandeha nandray nefa tsy naninona. Samy nomen'i mopera avokoa anefa.


Choqué ny fianakaviana ray manontolo.

Mbola niverina nanontany an-razazavavy aho taty aoriana fa dia tsy tafiditra tao anaty dinika ilay izy.


ny tao anaty dinika dia hoy izy hoe "amina katolika dia sakramenta ny mariazy ary noho izany dia misy komonio" fa tsy nisy oe enao dia tsy mahazo...

Le voninkazo ndray resaka arnaque iny.
10. gashy ( 15/04/2005 08:32)
Ny zavatra tiako mba holazaina ainao izay nametraka ity sujet ity dia izao: aoka tsy hitsaratsara foana izay zavatra tsy fantatra fa sao hanahirana anao izany indray andro any.Mandiniha ihany alohan'ny hitenenana,fa tsy adala akory ny Ntaolo nanao hoe:avadibadio impito aloha ny lela...Matoa mantsy nitranga izany zavatra izany dia efa
11. gashy ( 15/04/2005 08:36)
nisy fifanarahana mialoha tao alohan'ny mariazy izany hoe:tao anatin'ny fiofanana sy ny dinika miaraka amin'ireo vavolombelona sy Mompera izany.
12. Mifenty ( 15/04/2005 08:38)


ar i gashy tsy mamaky a

efa noteneniko anao oe nanontany an'ilay sipa aho fa tsy nisy resaka oe tsy mihinana izy .

Ny resaka dia hoe zava-dehibe am katolika ny mariazy ka mila kominio fa tsy nisy resaka oe enao tsy mahazo ravehivavy.
13. xxx ( 15/04/2005 09:16)
@ Protestanta rehefa fotoana lehibe tahaka ireny (Paka, Krismasy... mariazy sns) de mahazo mandray ny fanasan'i Tompo jiaby ny olo vahiny rehefa mpandray izy any @toeram-pivavahana misy azy (mandray kôminio ho an'ny Katolika, fa ny filaza azy any @ hafa tsy haiko toa hoe: Mpandray daholo ihany) ary ny Pasitera no miteny sy manamafy an'io mandritra ny fotoam-pivavahana, fa ny an'ny Katolika toa tsy mahazo manao izany, indrindra mo hoe finoana hafa no manambady oul katolika de tsy ekendry zareo na mpandray tany aza le oul fa de tsy maintsy mianatra kominio voalohany hono, nefa raha any @ fiangonana hafa de raisin-tànana tsara ianao rehefa vita kominio tany @katolika fa tsy mila mianatra katekômena 1 taona ntsony. De zay no mety tsy nanomezan'i Damôpra ostia le sipa ko! Nefa ny katolika de FFKM tsara zao! fa tsy de mazava ihany ny toe-javatra tahaka izany
14. dadabe ( 15/04/2005 09:30)
xxx>miova finona ahoana le?anaram-piangonana no niova fa ny finoana kristy ihany ka :wink:
15. judicael ( 15/04/2005 09:32)
Zao le izy amiko matoa izany rehetra izany niseho de tsy matoa izany ny dinika natao ,rehefa misy finoana samy hafa hoatra anio mantsy de ny dinika no tena tokony ho matotra tsara tokony ho preorité mintsy aza io ka hoy aho hoe : tsa de matotra loatra izany ny dinika, zay ro mba hevitro
16. 1kd100 ( 15/04/2005 10:37)
marozevo:

Amin'ny zavatra toy itony dia izao no azoko ambara ho fandrasiana anjara amin'ny fanazavana. Hevitro izaho irery anefa fa tsy mihambo ho tompon'ny fahalalana aho :
Tsy nandray komonio Razazavavy satria Loterana : Marina io satria tsy mitovy velively ny hevitra ambaran'ny fanasan'ny Tompo sy ny Komonio Katolika, Lava dia lava ny fanazavana ny momba izany. Fa na inona na inona hitanao nitranga teo tamin'io fotoana io, dia aoka ho tsaroanao fa tsy maintsy efa nidinika i Damopra sy izy mivady. Izany hoe efa fantatr'i Razazavavy mialoha fa tsy handray izy, ary efa niomaniny mialoha ho amin'izany ny sainy sy ny fony. Anjarany ny manapaka hevitra avy eo na hifindra katolika izy na hijanona ho Loterana. Tsy olana izany, saingy raha hifindra Katolika izy dia tsy maintsy mandalina volana vitsibitsy aloha vao afaka mandray Komonio.
Le voninkazo : Homena an'i Masina Maria sa hanaingoana ny Fiangonana ? Zavatra tsy misy mahasamihafa azy izany, satria i Masina Maria Renin'i KRISTY, Renin'Andriamanitra, ary ny Fiangonana Renin'ny KRISTIanina. Tsy ilay sarivongana anefa no tena zava-dehibe amin'izany fa ilay fo manolotra azy. Raha nentanim-pitiavana sy hafaliana moa razazavavy ka nanolotra dia arahaba soa arahaba tsara. Raha noterena na nandeha tsy tamin'ny fo kosa dia marina ny anareo hoe "raha izaho izy tsy nateriko le voninkazo".
Miala tsiny raha lava fanazavana.


Satria moa fanehoan-kevitra malalaka no dia tsy azo ekena ny filazana fa Renin'Andriamanitra i Maria, satria Andriamanitra TSY NISY NITERAKA, tsy manam-piandohana Izy ary tsy manam-piafarana.Raha ny filazana hoe renin'i Kristy i Maria dia EKEKO satria tonga olombelona i Jesoa @ maha-olona azy dia nisy niteraka izy fa @ maha Andriamanitra Azy kosa dia tsy natera-behivavy Izy.Mandalo eo Behoririka aho dia mahita koa eo @ fiangonana ôrtôdoksa hoe "mère de Dieu ", sao dia tokony ahitsy ihany ny katolika sy ny ortodoksa sa tsy azo ahitsy mihitsy,,,?
17. Narilala ( 15/04/2005 10:52)
1kd100: hatao ahoana indray no hanitsy ny efa mahitsy. Ho an'ny katolika sy ny ortodoksa dia tsy misaraka ary tsy azo sarahina velively ny maha Andriamnitra sy olombelona an'i Kristy. Ka na hanoratra boky 1000 pages aza i 1kd100 hanazava ny tsy maha Renin'Andriamnitra an'i Masina Maria dia ho very fotoana fotsiny raha nokendrena hanovana ny finoan'ny katolika sy ny ortodoksa.
18. Mifenty ( 15/04/2005 11:59)


fa ny katoliaka anga kay mino an'i maria??


.
19. Narilala ( 15/04/2005 12:04)
Tena mino ny maha Renin'Andrimanitra an'i Masina Maria ny Katolika.
20. Narilala ( 15/04/2005 12:06)
Tena mino ny maha Renin'Andrimanitra an'i Masina Maria ny Katolika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5422