inona no tena marina ?

1. dadabe ( 08/04/2005 02:58)
Mba lasa ihany rizareo ny saiko a,dia ho entiko eyo aminareo.Fitiavana ny te hahafatajavatra ny ahy fa tsy ho fitsikerana na ho sanatria fanaratsiana,izao mantsy hoy ny namana sasany
1-azo atao ny mivavaka amin'i Maria satria...........
dia hoy indray ny namana sasany
2-tsy azo atao ny mivavaka aamin'i Maria satria......
anjaranao ny manohy azy
NB:-aoka mba ho hevitra matotra no apetrakao fa tsy ho fanaratsiana be fahatany
-dadabe dia sady tsy hanome hevitra no tsy ho,mba ny atsy na ny ary fa miandry ny hevitra avy aminareo
:D :D :D de ampy a
novalian'i dadabe ny 28/05/2005 17:37
2. Lotera ( 08/04/2005 03:35)
kely dia kely ny fahalalantsika ry dadabe. Tsy isika olombelona kosa angamba no hitsara hoe azo na tsy azo atao. Fa raha tianao ho fantatra ny valin'io fanontaniana io dia tsy alavitra akory fa voalazan'ny tenin'Andriamanitra. :D
3. sahary ( 08/04/2005 04:01)
ianaro ny soratra masina,de angataho ny fanahy masina,de tanteraho ny sitra-pon'andriamanitra ,de ianao ihany dia afaka mahavaly anio.
4. dadabe ( 08/04/2005 05:09)
hhhmm aiza doly ary le valiny :cry: :cry: tsy mahafa-po
5. Lotera ( 08/04/2005 05:14)
Ka efa ao ny Tenin'Andriamanitra mamaly an'io ry dadabe a! tsy mahafapo an'i dadabe ve ny Tenin'Andriamanitra? :D
6. dadabe ( 08/04/2005 05:27)
hay 8)
7. hery ( 08/04/2005 05:47)
1-azo atao ny mivavaka amin'i Maria satria...........
dia hoy indray ny namana sasany
2-tsy azo atao ny mivavaka aamin'i Maria satria......

Sao dia tokony ho azavain'i dadabe aloha ny dikan'ny hoe mivavaka? Raha ohatra ka hoe Andriamanitra ihany no ivavahana dia tsy azo atao ny mivavaka amin'i Maria kah. Noho izany dia tena tsy azo atao ny mivavaka amin'i Maria.

Fa ny azo atao angamba (na plutot ny ataon'ny katolika) dia ny miara-mivavaka amin'i Maria.
8. dadabe ( 08/04/2005 05:54)
hery >marina tokoa izany amiko ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra,izany hoe raha azavaina kely anga,mba ilay size de hope azo atao ve le miresaka amin'Andriamanitra nefa misy idiran'i Maria (masina,renin'i Jesoa)sa tsy azo atao?
9. xxx ( 08/04/2005 05:57)
hery>sao dia diso ny famaritanao ny hoe "miara-mivavaka"?
Raha miara-mivavaka isika sy Hery mantsy ohatra dia samy mi-s'adresser amin'Andriamanitra. Fa tsy hoe "Arahaba ry Hery,......mivavaha ho an'i xxx".

10. routa ( 08/04/2005 07:22)
xxx zay no mahazava azy
>sahary tena zay mihitsy
>hery azavao tsar sao misy tsy voazavanao de lasa tsy mazava le izy
fa raha ny hevitro de tsy ilaina tsony ny mpanelanelana.
11. domoiina ( 08/04/2005 07:54)
azo atao ny mivavaka @ Masina Maria satria izy afaka manelanela antsika @ Andriamanitra, mangataka @ A/tra ho antsika, asa aloha e!!!
12. dadabe ( 08/04/2005 09:00)
:? :?
13. radriana ( 08/04/2005 09:27)
xxx sy Lotera, Mivavaka ianao sady manampy amin'ny arahaba ry Maria, "Masina Maria renin'Atra, mivavaha ho anay mpanota",
Asa raha azonareo ilay tiany ho ambara, izany hoe sady mivavaka ianao no mangataka azy hivavaka koa ho anao satria hoy Andriamanitra hoe "n'aiza n aiza hiangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia eo ampivoany aho " donc ankatoavin'Atra tsara raha misy olona angatahinao mba hivavaka ho anao.
Ianao zany raha misy olona akaiky anao ohatra marary ka mba mivavaka ho azy ianao sy ny fianakavianao dia hoe ianareo mpanelanelana an'ilay olona am'Atra ka tsy ho sitrak'Atra ???
Mila azonao tsara ny fandehan'ny fihetsika na vavaka na teny ataon'ny olona na katolika izy na inona na inona alohan'ny hitsikerana, satria raha mijery sy mitazana ety ivelany ianao dia hi critique foana.
14. maiden ( 08/04/2005 09:32)
Io lé hoe Ho tanteraka anie ny sitrapon'Andriamanitra ry DadaB an!Minoa fotsiny ihany ny conclusion ko
15. routa ( 08/04/2005 09:55)
zao no tsy mazava amiko an! Marie anie afa maty e!
radriana>n aiza n aiza 2 iangonan ny roa na telo @ anarako tsy midika hoe mivavaka amin ny zay tiantsika isika
2>ny mivavaka ho an ny olona marary ndray de zao misy teny hoe mifampitondra zay mavesatra ary zaho velona mivavaka hoan ny havako marary na ianao io entiko amim-bavaka koa azo atao tsra,fa kosa avy de mivavaka mivantana @ JESOSY aho azonao ny tiko ho lazaina . de zao koa tsy fitsikerana fa fifanazavana no atao raha aty ivelany aloha tsy ahalala mihitsy e! enao io zao no milaza de zay vao hoe hay ve e! de mba milaza koa ny heviny ny hafa.
16. radriana ( 08/04/2005 10:01)
Dadabe, hamaly ilay voalazanao ery ambony aho io,
Inona no hidiran'i Maria renin'i Jesoa amin'ny ianao mivavaka @ Atra.
Mbola miverina amin'ilay nolazaiko teo aho.
Misy marary ny namanao akaiky dia akaiky, miteny aminao izy hoe "mba mivavaha lesy ho ahy fa tena marary mafy aho a" dia ianao ve dia sahy hamaly hoe : "Tsy misy hidirako lesy izany a, any amin'Atra mis'adresser". Satria ny arahaba ry Maria, dia hoe mivavaha ho anay mpanota fa tsy hoe mivavaka aminao izahay Maria.
Olombelona anie isika, tsy misy tanteraka, fa samy mba miady mafy mba hiakatra any andanitra e, amin'ny fomba rehetra. Ny ahy aloha dia izay e, raha ny toko madinika ao amin'ny baiboly no vakiana dia be ny hoatran'ny hoe be contradictoire sy tsy mifanaraka amin'izao andro hianantsika izao indraindray ary misy tsy takatry ny saintsika mihitsy aza. Fa ny tena sur sy certain dia misy IZY;
17. radriana ( 08/04/2005 10:13)
Routa "n aiza n aiza 2 iangonan ny roa na telo @ anarako tsy midika hoe mivavaka amin ny zay tiantsika isika "
Fa izaho angaha niteny hoe mivavaka amin'izay tiako aho teo ? Ny Katolika miteny hoe , Maria renin'Atra mivavaha ho anay mpanota" fa tsy hoe mivavaka aminao aho Maria. Hoatran'ilay olona nangataka aminao mba hivavahanao @ Jesosy io aho mangataka @ Maria mba hivavaka ho ahy koa.
Ie samy milaza ny heviny ka,
18. dadabe ( 08/04/2005 10:14)
randriana>misaotra fa mazava tanteraka
routa >azavao tsara hoe le tianao holazaina hoe mivavaka @Maty ??
mahafinaritra isika rehetra (saingy tsy afaka manome biz'oroka aho )
tohizo ary e
19. haingo23 ( 08/04/2005 10:16)
Samy manana ny finoany io e!
- Tsy azo atao ny mivavaka @ Maria satria olombelona izy. Ary raha mpanelanelana dia i Kristy ihany no voalaza fa mpanalalana antsika @ Atra.
- Azo anefa izany @ Katolika (tsy Maria ihany fa ny Saint(e)s rehetra. Finoan'ny katolika izay dia izay. Ny antony tsy fantatro mazava.
20. radriana ( 08/04/2005 10:31)
Haingo23 a, tsy azo atao ny mivavaka amin'i Maria @ katolika kah na saint hafa.
Hitanao rehefa miteny hoe izy hoe " masindahy johany batista, mamaly ny vahoaka hoe "mivavaha ho anay", raha mivavaka aminy ny katolika dia namaly hoe " mivavaka aminao zahay "
Mbola namaly foana aho na dia efa somary conclusion aza no nataonao fa satria tsy afaka ny hamela anao hieritreritra aho hoe mivavaka amin'ny olonkafa izay tiany ny katolika satria tsy marina izany ka tsy afaka ny hangina aho
Ny anao koa mety tonga dia mivavaka irery amin'Atra kah,na Jesosy, tsara be, fa mety koa ny an'i Katolika hoe mba hangataka aman'olonkafa mba hivavaka ho azy satria ny vavaky ny maro anie mahatakadavitra araka ny finoako aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5122