ravalo ihany

41. pitchou ( 12/04/2005 13:58)
aristar> :-D :-D :-D ko raha samy tsy hampidina ny vidim-bary ihany izay teny ampiasainy tsy aleo izy mba manandratra ny teniny toy izay hi-style @ ny an'ny hafa? euh.... fa misy olana kely: ho an'iza indray moa izany ilay tohiny @ teny frantsay io? otran'ny misy resaka karana le izy, maninona indray ny karana?
sonwin> tena marina? tohanako elà! fa aza adino le tohatohabato mankeny aminay mba asiana jiro e!
mishou>ny hany fanafodiny raha tsy te-hahita karana aty dago enao d atao ze tsy hisian'ny gasy miasa any amin-drizareo sy tsy hividianan'ny gasy entana any! saingy ny olana dia manalika gasy koa ny mpivarotra gasy! sa tsy manalika fa miforitra raha vao mahita tsy gasy?
42. cheboman ( 12/04/2005 14:40)
tranokely:

Ny nampilahatra ny olona teny @ 13 mai anie ka 2000 fmg ny kilao ny vary e! ka loza ny manjo aty fa 3500 fmg zao ny mora indrindra aty @ tànana. Dia asakasakitsika ihany fa toa hifanaikitra am-pitoerana eto raha izao no mitohy



ny vary mora vidy tamin'ny fitondrana teo aloha ve tsy lay natao hoe stoky tamîn'pô e??? nitobaka eran'ny tanana, indrindra moa tamin'ny fotoanan'ny fifidianana, mampangidihidy sy mampibotsina kibo, lay lazain'ny ol we an'i ben laden, aferan'ny sofia sy ny akamany!!!! nijaly ery ny ambanivohitra tamin'izany fa tsimaintsy manaraka io vidiny io koa na mora lavitra noho io ary refa mba miakatra ny vary... dia ho tohizana toy izany ihany ve mba hiananan'ny an-tanan-dehibe fa aleo ny mpamboly vary ho botry foana eo...
43. milagroivo ( 12/04/2005 16:17)
Ny fahitako azy indray dia ny toetsaintsika tsirairay avy no mila ovaina, indrindra fa ireo izay eo @ fitondrana, fa tsy ny filoha ihany, sady de ataon'olona fanoharana mihintsy anie ny fisainantsika gasy e ! Raha izaho no tonga président de tsy ataoko mifanelanelana be ny karamn'ny mpiasa fa tsy hoe minisitra de karamaina be, de ny mpampianatra ( ohatra io ) atao ambany be nefa samy mba mpianatra teny @ ambaratonga ambony zao ihany sady samy miasa mafy daholo. Ny vahaolana manaraka dia tokony asiana fandaharana @ radio na télé hitarainan'ny sarambabembahoaka ny tsy mety ataon'ny manampahefana, fa aiza ve ranga mankao @ bureau zany ianao avonavona no azonao
44. pitchou ( 12/04/2005 17:53)
milagroivo> f'angah moa le kidaona maraina tsy izay no ataony? 8O d ovaina ahoana indray ary le toetsaina, efa mahay mitsikera ze rehetra mandalo ange isika izao e! :?
45. tranokely ( 14/04/2005 12:05)
Hazavaiko tsara ary ny hevitro fa betsaka koa nareo no tsy mahazo azy. Za aloha de tsy tia maizina an-dRatsiraka fa iaraha mahalala ny zavatra nataony fa tsy nisy afa tsy ny nampahantra an'i Madagasikara, ka raha nialana ve Ratsiraka tsy zay mahavita tsara noho izy no apetraka eo? Ary za anisan'ny t@ voalohany nanantena an'ity Ra8 ity nefa iaraha tsika mahita zao ny nataony, Ny olona anie lazaiko tsara aminareo fa tsy zay famafana trosa sy zay FMI sy Banque mondiale zany no mahamaika azy fa ny tena VAY MAHARARY AZY DIA NY VIDIM-PIAINANA ka raha io no tafidiny farafaharatsiny mitovitovy t@ andron'ny deba dia azo lazaina fa tafaokany ny baolina ary manaraka ho azy ny trosa voafafa sns...ary tsy mondial zany io crise io fa noho ny détaxation tsy ampiheerana fa manerantany 2% ny inflation fa ny teto amintsika ihany no 27%(mahamenatra). Ary tsy taza maso akory zao lay Fampandrosoana haingana sy maharitra fa vava fotsiny ireny: haingana izany amiko maximum 1an nefa efa dila ihany ity ny 3ans ny vidimpiainana no niakatra haingana sady naharitra.
NB: Ny hevitra no mety tsy hitovy fa isika samy malagasy samy tia ny tanindrazany
46. pitchou ( 14/04/2005 17:50)
tranokely> eny ary! misy choix tsy maintsy atao: subventionner-na daholo ny zavatra rehetra hanakonana izay tena marina, ka vola indramina @zana-bola ambony dia ambony! dia miavosa ny trosa ka farany isika rehetra (an an an! izahay rehetra manko fa nareo efa tsy eto) ho voaroaka teto fa tsy ampy handoavana ny trosa intsony ny vidin'ny mada? sa fafana ny loza mitatao d manarina @zay ambonina zavatra madio? i deba ange efa impiry acculé tsy maintsy hamoaka ny vérité des prix noho ny antony maro samihafasaingy ... e! dia ahoana izany no atao?
47. milagroivo ( 14/04/2005 18:57)
fa ny tena tsy laitrako ao Mada dia ireo mpiasam-panjakana manao ny ataony, indray mandeha aho mba nanana occasion nahita an'izao la Reunion zao dia mba nitondra entana misimisy nomen'olona fotsiny ahy,dia nandoavana frêt fa navesatra loatra, tonga taty mada mbola nasaina nandoavako vola be koa le izy, ka aiza moa no handroso isika sy ny firenentsika, mifanararaotra am_pitoerana eo ihany sady mbola mangalatra koa ka na te-hanampy fianakaviana aza ny tena kivy.
48. saotra ( 14/04/2005 20:22)
raharaha ty fiainana ti marina.
Za kou alo tsy mahay teny frantsay e. Fa tsy de rarahiko lotra zany

:D :D :D :D
49. pitchou ( 17/04/2005 16:40)
milagroivo> alohan'ny itondrana dia tsara fantarina izay entana tsy maintsy andoavana haban-tseranana ka! fa raha mangataka kolikoly kosa izy d azonao torina!
50. tranokely ( 19/04/2005 12:01)
Izao no izy e! Zay ataony fa efa nomena azy ny andraikitra na subventionner-ny na tsia ny zavatra rehetra fa ny ahy aloha dia zay teny navoakan'ny vavany ihany no hitazomako azy dia ny hoe: "Fampandrosoana haingana sy maharitra" iray zay, ny faha roa dia "Tsy haka ny eo @ efa manana fa hampanana ny mahantra" sns... ka mila Résultat haingana sy maharitra araka ny teniny zany ny vahoaka, anisan'izany izaho fa efa manempotra izy ity ko(nareo sasany ireo angamba mbola tafavoaka, fa raha ny ohatranay aloha efa mamay mihintsy e!)
51. sonwin ( 19/04/2005 15:52)
Mandroso nge isika e! tsy ny vidin'entana ihanyno hitarafana ny fandrosoana..fa lafiny maro..mandroso mihitsy isika ka, ary za mahita hoe tena haingana aza..hiakatra ho azy io farimpiainana i fa kalama fotsiny, eo indrindra isika izao
52. pitchou ( 19/04/2005 17:54)
lasa indray ra-sonwin!
53. mandrindra ( 20/04/2005 16:27)
Mandroso be mihitsy isaka ka sady haingana be. Ny lalana efa vita dia mandroso izany, efa tsara be ny lalana dia afaka mandeha haingana izany. Fa toa any ankady no hiafarana raha izao no mitohy e. Manja le mandeha mafy amin'ny lalana tsara an.
54. pitchou ( 20/04/2005 18:04)
ie! mandrindra angaha tsy mba tia manao pointy?
55. tranokely ( 21/04/2005 08:46)
Mahafinaritra be kosa le adi-hevitra rankizy a!
56. tranokely ( 21/04/2005 08:48)
Mahafinaritra be kosa le adi-hevitra rankizy a!
57. mandrindra ( 21/04/2005 09:00)
Ka efa hoe manja ilay mandeha mafy ko ahoana ary aho no hoe tsy tia pointy !!
58. fijo ( 21/04/2005 23:18)
nahavita izy e
59. tranokely ( 22/04/2005 13:17)
Tsy nahavita izy oa fa vita ny aminy
60. mandrindra ( 25/04/2005 13:59)
iza no nahavita inona??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.17