ravalo ihany

101. fijo ( 18/05/2005 23:24)
tranokely manangana zavatra dia avelao ny mpiasa no hanao izay tiany ao,fa handroso be io avy eo
102. pitchou ( 20/05/2005 21:49)
tranokely> ny ahy ny orinasako (na dia kely sy bitika aza raha oharina @tiko) dia izaho no mandidy izay itondrana azy fa tsy ny mpiasa velively no handidy sy hanao ze danin\'ny kibony ao! hiasa no anaramako azy ao, ary raha didy jadona aminy izany d mitady tany malemy any an-kafa hanorenam-pangady izy! na manangana orinasa koa d avelany izay tian\'ny mpiasa anaovany azy ao!
sa kosa enao mieritreritra fa tokony ho anao ny orinasan\'ny hafa? raha ao ampiasana ianao d tsy tokony ho azo terena hanao ny asa hanaramana anao, nefa tsy maintsy aloa ny karamanao raha tsy izany d ...?
103. tranokely ( 23/05/2005 14:13)
ka tsy tokony hampitoviana ny orinasa sy ny firenena. Ny orinasa azy samy irery, fa ny firenena iaraha manana. Jereo tsara raha mandinika ianareo nanantena fiovana io fa tsy misy mahasamihafa azy ny Radio Tsioka vao sy ny MBS @ zao fotoana,dia toa izay koa ny fitondran-dra8 sy Ratsiraka fa ny loha fotsiny no miova samy jadona tsy misy fifanankalozan-kevitra azo atao fa \"ce que j\'aime\" hoy ny tanora izay
104. pitchou ( 23/05/2005 17:51)
ka nenao ange didy jadona any @ orinasa tiko no toa maha-sahiran-tsaina anao d azavaiko aminao e!
dia tena misy mahasamihafa azy tokoa! ianao ve tena tsy mahita an'izany?:D
105. tranokely ( 24/05/2005 14:10)
pitchou a! tsy didy jadona ao @ tiko zany no manahirana ahy fa azy iny ka izay anaovany azy any fa ity izy ampihariny @ firenena no toa mahagaga ary raha azony natao aza angamba ny nanova ny anaran\'i Madagasikara hoe TIKO de mety efa nataony
106. pitchou ( 24/05/2005 17:37)
hoy tranokely
raha ianao izany no tompon'ny orinasa fa saingy tsy ianao fa izy no tompony, ka izany no izy ao: DIDY JADONA
tena mbola manao fangatahana sarotra be kosa aloha izy raha hanova ny anaran'i madagasikara e!
ka hita fa mbola zatra ny tao @ orinasany izy ko! le sefobe miaramila iry ko angaha moa tsy zatra mibaiko!!!
107. fijo ( 25/05/2005 22:59)
ilay izy koa anie dia izao e.amin'ny olona sasany ,raha vao misy fanovana atao dia didi jadona izay,satria zatra le mandeha hoazy taloha
108. tranokely ( 26/05/2005 14:12)
ratsiraka oa aza resahana fa mitovy hevitra isika ny @ iny fa tsisy vitany fa nareo ve reto tsy mba tonga saina t@ lay zavatra nitranga teny Iavoloha tao @ lay vitrine de Mada iny NOANA ny vahoaka matoa ny zavatry ny filoha mihintsy no nalainy de izany ve de tsy tokony hahatonga saina??? Tsy hitako koa anie zay tokony hanaovana fambolena sy fiompiana eny @ lapam-panjakana e! sa te hanaporofo hoe miasa? ny hita aloha zao de noporofoin'ny vahoaka hoe noana izy ka nangalariny ny varn'ny filoha. RAHA TSY TONGA SAINA @ ZANY IZY DE TSY HITAKO INTSONY
109. pitchou ( 26/05/2005 18:21)
betsaka tokoa moa izany ny zavatra vitan'i ratsiraka teto!

fa betsaka ny antony mety nahatonga ny halatra fa tsy voatery hanohanana! raha hanohanana d tsy hisahirana hangalatra eny @ toerana sarotra be eny izy satria betsaka ny ôkazy mora kokoa hihinanana! (ary ambadika ary misy resaka fangalarana sakafo iray vilany :miam:)
Angamba tsy tokony jerena @ maha-fambolena sy fiompiana azy le izy fa jerena @ le zava-baovao ara-teknika entiny. Andrana @ toerana noheverina ho tsy nety hambolena vary no natao teny! karazana toerana mety ho hita betsaka eto @ tanana, satria tsy manao afatsy resa-bary izao hanomezana fahafaham-po ny sasany! Ilay fiompiana trondro indray dia klasika be!
110. fijo ( 26/05/2005 23:21)
raha hanoanana tokoa aloha tsy eny no tokonymangalatra e.iza no tsy mahalala fa be mpiambina eny?koa nahoana no hijabaka.
111. pitchou ( 27/05/2005 12:28)
sa va re mety ho nanao fanamby t@ akama hoe tafaiditra teny ary iny no porofo?
112. tranokely ( 30/05/2005 08:56)
Resaka alamindamina fotsiny ny an'i pitchou sy fijo fa porofo mitohoka @ vava ireny fa NOANA NY OLONA ary ity vitrine ity anie ka engin maromaro no nalefa tao hanajariana ny tany ho lasa lemaka ary niampy manampahaizana maromaro ihany koa @ fambolena ahazoana ireny voka-bary ireny nefa dia lazaina fa tsara hatao fakan-tahaka dia lasa ny saina hoe firifiry @ tantsaha malagasy moa no hanam-bola hakana engin sy hanaramana manam-pahaizana, izay anie no hilazako hoe te hana-porofo fotsiny ve hoe miasa? fa toa ohatran'ny manidina fotsiny le resaka hampandriana adrisa
113. pitchou ( 30/05/2005 11:16)
tsy manidina io resaka io fa tsy misy adrisa any @ toerana noheverina fa hanaovana azy ka! raha tsy diso aho dia hisy projet sa programa hanao ny aménagement ny toerana hanaovana an'io voly vary io
Ary tsy resaka alamindamina koa ny anay sy fijo ny @le halatra fa io rehefa tianao atao hoe mena dia mena! fa raha ny vary ery an-tanimbary tsy misy mpiambina ary efa masaka kokoa noho ilay natao teny iavoloha, sy ny hanikotrana efa otazana sisa tsy misy mpiambina tsy sahany alaina nefa uzy NOANBA NY OLONA nefa ilay farany sarotra aleha sy be mpiambina no namonoany tena angalarina .... inona no fehiny azonao tsoahana @izany?
otran'ny hoe omena vary enao ao am-biliana fa tsy alainao fa ilay varay mbola manta nohidina ary anaty coffre fort no angalarinao ho hanina nefa ianao NOANA? lozika ve?
114. fijo ( 30/05/2005 22:15)
tranokely noana ve dia eny no hangalatra?tena efa noana seza kosa ngamba izany kle
115. pitchou ( 31/05/2005 08:35)
izay tokoa angaha! asa mahavoky be le seza?
116. fijo ( 31/05/2005 22:50)
ao an tranokely ao aloha mila seza e
117. pitchou ( 01/06/2005 07:01)
sao d tsy tafiditra seza kosa ao fa akalana no tafiditra ao?
118. tranokely ( 27/06/2005 13:43)
tsy azoko konkou an!
119. fijo ( 28/06/2005 04:57)
efa ekeny na akalana aza e
120. pitchou ( 28/06/2005 06:50)
hihihi! asa alou nenareo rizalahy fa fa tena tapaka le filina t@ le resabe-tsika tato!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7304