ravalo ihany

21. fijo ( 05/04/2005 21:20)
aristar an,mba diniho letsy le zavatra lazaina an.mpandika teny,miasa hoan'ny filohampirenena ve amin'ialahy dia hanao dikan teny toa io ohatra raisin'ialahy io.sa koa hoe satria filoha malagasy dia maivana sy maka na mitsimpona izay hita rehetra.
izay no maha voa antsika.
lazain'ingahy fa tsy teny ofisialy any egipta ny frantsay.ekena ary.araffat dia miteny teny arabo foana any amin'ny ONU nefa izy mahay miteny anglisy tsara.koa aiza ny olana raha mba miteny ny antsiak isika.
asa ianareo raha misy maontany,fa efa natao ahy ity.manontany ny olona hoe ianareo ve mba manana ny teninareo.satria gaga ry zareo mahita hoe gasy samy gasy nefa miteny frantsay.ny danois raha samy izy na eo aza ianao namany,tsy miteny anglisy na frantsay izy.ka asan tsika
22. pitchou ( 06/04/2005 11:48)
aristar> sao d heverinao fa otran'ny chirac-nao aza ny papa! tsy azo ampitoviana akory! tsotra: ny papa tsy mihevitra ny firenena na ny olona avy @ firenena iray ho ambany noho ny hafa mihitsy! fa afaka milaza toy izany momba an'i chirac ve ianao? ka izany no mampisalasala raha iny no avela hiteny gasy! mandoto ny tenin-drazanay eo fotsiny! hihihi
Dia otran'ny hoe izay no toavinao, ka satria gasy sady miteny gasy fa tsy miteny frantsay d tsy alehany aminao! na nahavita be toy inona aza satria miteny gasy d niente!!!! d na ny gasy sasany aza menatra raha henon'ny olona any hoe miteny gasy fa tsy miteny frantsay! tena marina io lazain'i fijo io
23. fijo ( 06/04/2005 22:08)
ka izay wa,misy olona gaga hoe manana ny tenintsika ve isika?tsy tokony hipetraka io fanontaniana io raha toa ka manaja ny teniny ny gasy tsirairay avy
24. annie ( 07/04/2005 10:42)
pitchou!
Fa maninn no miteniteny foana za raha asaina miteny gasy i chirac? ary ny filohatsika ve mety hoe miteniteny foana raha miteny frantsay? Sa vazah be mena sofina de atahorana?
namana
25. pitchou ( 07/04/2005 19:00)
annie> oadray! tsy annie ange no lazaiko hoe miteniteny foana fa i chirac asain'i Annie hiteny gasy e! d @zao andro zao ve enao ry annie d mbola hatahotra vazaha fona! d raha tsy matahotra enao ahona no heverinao fa hatahotra ny hafa?
Ra8 efa impiry miteniteny fona miteny frantsay? d izany aza no mahatonga ny gasy sasany any hoe tsy mahay teny frantsay akory!
26. aristar ( 07/04/2005 20:48)
pitchou>
Ra8 efa impiry miteniteny fona miteny frantsay?

Ary ianao impiry miteniteny fona rehefa miteny frantsay na teny gasy ary ?
Ra8 rehefa manao kabary any Dago dia @ teny gasy ary rariny satria mba ho fantatrin\'ny vahoaka rehetra. Rehefa aty ivelanany kosa dia tsy maintsy miteny frantsay na anglisy na misy fautes kely na accent aza satria ny antony handehanany aty dia tsy hideradera fotsiny hoe \"gasy ka manja\" dia tsy miteny afatsin\'ny @ teny gasy dia tsy misy mahafantatra izay teneniny (0.25% ny olom-belona no miteny gasy)
27. fijo ( 07/04/2005 21:07)
aristar hafaka miteny gasy izy na aty aza fa tsy voatery hiteny frantsay na anglisy.ny sinoa nga liteny anglisy na frantsay any amin'ny ONU?
28. aristar ( 07/04/2005 21:14)
fijo>Misy traducteur malagasy->anglisy na frantsay ve any @ ONU ? sinoa->anglisy na frantsay na espagniolina Oui !!! Dia inona no voakatsoa raha miteny gasy Ra8 any @ ONU raha tsy misy mahafantatra izay teneniny ? Faly fotsiny ireo gasy maty kambo hoe niteny gasy Ra8 tany @ ONU !!! dia 45 taona tao aorinanin'ny fahaleovatena dia anisanin'ny tany 10 mahantra indrindra i Dago !!!
29. sonwin ( 08/04/2005 16:00)
aristar> ny voka-tsoa ve? tsotra be izany..raha miteny gasy Ra8 any amin'ny ONU dia mazava ho azy fa hitady mpandikan-teny ny ONU..dia lasa hisy mpandika teny avy amin'ny teny malagasy ny ONU..azo atao tsara izany he he sahia manao dingana lehibe.
45 taona...ny telo taona tamin'ireo ihany no an-dra8 hatramin'izao..dia iza izany ny responsable ny fahantrana? moa ve tsy ilay iray nahay niteny frantsay be iny???..tsy ny fahaizana miteny no inona fa ny fahaizana mitondra mankany amin'ny tsara kokoa, ary aoka havaza fa sarotra kokoa ny manorina nohon'ny mandrava..firenena nopotehina tao anatin'ny 42 taona tsy ho voavonjy ao anatin'ny 5 taona, manana faharetana, tsinjovy ny taranaka handimby!
30. pitchou ( 08/04/2005 17:51)
nen'ny aristar d efa fahamenarana @ mahagasy sy ny teny gasy no manahirana azy! marina daholo ireo tenin'i sonwin ireo!ary fantaro fa tsy enao irery no tsy mpiteny gasy mahay teny gasy fa maro ny amerikana, frantsay, anglisy, sinoa sns miteny gasy tsara! ka tsy izay mpandika teny no olana.
Momba ny fahantrana, raha misy piti-drà tsy menatra mijoro @ mahagasy azy ao aminao dia ho fantatrao fa ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroko.
ary mba inona tokoa moa izany no mba efa vitan'ny aristar izay hanalana an'i mada @ fahantrana e?
31. Tanala ( 08/04/2005 18:37)
slt daholo,

Tsy Ra8 ihany no tsy mahay fa za koa tsy mahay. Fa naninona ary??
Satria ny mahay teny frantsay eto Mcar tsy manitsy fa manebaka, nefa anie samy tsy vaza fa gasy.
Tsy hitako mihitsy zay heloky ny gasy sa tsy mandiso teny vaza. Ra tenintsika io de marina.
32. pitchou ( 08/04/2005 19:24)
hita wa! sady tsy manitsy ny sasany no mitsimpona ny diso hanaovana gazety!
33. tranokely ( 11/04/2005 14:38)
Tsy mahay n'inoninona ranga izy a! na teny frantsay, na fitondrana firenena fa manaonao foana sy andrakandramana daholo ny zavatra atao. Ny ankabeazanareo manoratra teo dia tsy miaina aty Dago fa henjana anie ny fiainana aty e! Ny nampilahatra ny olona teny @ 13 mai anie ka 2000 fmg ny kilao ny vary e! ka loza ny manjo aty fa 3500 fmg zao ny mora indrindra aty @ tànana. Dia asakasakitsika ihany fa toa hifanaikitra am-pitoerana eto raha izao no mitohy
34. mishou ( 11/04/2005 15:48)
Tsy miaina any dago rangahy zahay fa mahafantatra tsara ny fiainana any dago satria gasy
Tsy izy akory no nahalafo ny vary fa ny cyclone in2 nifanesy no naharipaka ny gasy, ary ny économie gasy nentin'ny mpitondra teo aloha no motohy ka tsy mahatafavoaka antsika, ny teo-taintsika koa etsy andaniny, miandry filoha fa tsy miezaka hanampy ny filoha hanamora ny fandrosoana, aiza ka izay rehetra atony tsikeraina daholo, fa angaha izy io anjely no tsy hanana zavtra tsy mety mihitsy sa ilay iraika lahy taloha iny no tianreo hiverina eo ka mahatonga anareo hitsikera foana fa tsy mba mankasitraka

Resaka teny frantsay zany tsy hihinan-kanina izany, fa na ny frantsay aza tsy mahay azy nefa loza koa ry zareo ireo fa tsy mahay langue hafa. Fa tsy any ny olana e
35. aristar ( 11/04/2005 17:34)
tranokely>Dia raha miteny gasy any @ ONU Ra8 dia lasa ariary dimy ohatran'ny t@ andronin'Tsiranana ny vidin'ny vary iray kilao ?
36. pitchou ( 11/04/2005 18:02)
aristar> nefa raha mahay miteny frantsay noho ny frantsay izy ve d hidina ho azy io vidim-bary io? :{ :{ :{
tranokely> mipetraka eto mada aho! ianao ve mihevitra ary fa raha enao no atao eo rahampitso d rafakampitso d ho 2000 fmg (400 Ar) ny vidin'ny vary? sao d ny tsy fitiavanao azy no hametrahanao ny olana rehetra any @nao ho noho ny fisiany?
marina fa tsy mahay na inona na inona izy (tsy mba otranao) saingy isan'ireo vitsy azo isaina @ rantsan-tanana nahatsangana orinasa malagasy (malaza) t@ findramam-bola t@ mpamatsy vola iraisam-pirenena nefa nahatafaverina soa aman-tsara ny vola nindraminy! miresaka findramam-bola ihany: nahavita ni-négocier ny fanalana ny trosa nataon'ny hafa! (iny kosa aloha izy d paiso e! rizalahy ve no nindrana ny vola ko ny tena no hanafaka azy)! fehiny: tsy mahay izy o? :wink:
37. sonwin ( 11/04/2005 18:24)
tranokely> izaho koa eto Mada ka, ary za aza mbola hanohy ny asan-dra8 afaka 7 taona :wink:
38. aristar ( 11/04/2005 18:24)
pitchou>Ka rehefa miteny gasy ve izy dia hihidina ny vidin'ny vary ? Si Ra8 conduit le pays comme il a conduit TIKO j'ai confiance au lieu de penser comme tous ces gens qui pensent qu'il accapare tout au lieu de faire pareil et ne pas laisser aux karana mauriciens et autres d'essayer de développer le pays et juste de rraler
39. sonwin ( 11/04/2005 18:25)
tranokely> izaho koa eto Mada ka, ary za aza mbola hanohy ny asan-dra8 afaka 7 taona :wink:
40. mishou ( 12/04/2005 09:29)
aristar> milay le revinao fa za koa tsy mahay teny frantsay de voatery naka mpandika teny. hihihihihi
za koa aloha tsy mila karana sy mauricien miseho milay any amintsika sady mampiforitra antsika nefa reo karana reo farahidiny any @ misy azy any fa mpitsentsitra hatsembohann'y gasy no ataony.
Le raikalahy taloha iny koa moa no nanome vahana azy ireo t@ fampindramam-bola t@ banky nefa raha gasy no mba manana projet de mila vanona be ny banky koa aiza ry zareo no tsy tafita any amintsika de isika no mihinana ny tsy fihinana sady ompain'le tsy manjary maty reo foana ny mpiasany no sady kely karama
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3826