zavanisy farany.

1. fijo ( 30/03/2005 21:48)
naika hataoko tao amin'ny politika izy ity nefa tsy dia politika loatra ka alefako ato ihany.
i ravalo ihany e.
henonareo ngamba io voalazany farany momba ny fanjakana sy ny fivavahana io.tiany havadika ho firenena entimpinoana i madagasikara.ny ohatra amin'io izao dia Iran ka asa raha tiantsika io na tsia.jereo koa ny tany afganistan fa ireny ny firenena rehefa entimpinoana.ary hadinony aiza ny lalampanorenana izay nanaovany fianihanan?????mampatahotra.
voaroaka hiala an'i mada koa i jean marc,izay mpiambina azy.ny antony aloha tsy haiko mazava,fa ny tiako tsindriana dia izao.fananany irery ve mada ka hoe izay manadala ny saiko dia lasa miala ato amiko ato???????
hoaiza ihany izy ity e.
aiza ny tany tandalalana?aiza ny fitsarana?
novalian'i pitchou ny 01/06/2005 07:02
2. Ramaso ( 31/03/2005 06:32)
"fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony.. ho avy ny fotoana"
ho'zy le hira katolika zay
3. felampaiso ( 31/03/2005 10:10)
ho tonga firenena entim-pinoana hoe i mada ? manana safidy izany isika ka asa izay mety hampandroso tsara, hampandroso haingana, hampandroso mafy antsika:
- finoana ny razana sy ny maty ?( tena afaka mitahy tokoa ve ny efa any am-pasana, ka izy aza moa atao famadihana toa tsy mahare izay ambonin'ny tany akory ? )
- finoana an'i jesoa zanak' Andriamanitra ?( Izy anefa efa niteny fa raha eto an-tany ny Fanjakany dia efa nanao révolution ny mpomba azy 2000 taona lasa izay !)
- finoana silamo, sintoisma , bodisma,tsy finoanisma araka ilay voalazan'ny namana iray izay ?
-finoana ny tenany angamba satria heveriny ho azo baikoina daholo izao tontolo izao, ary izay no mahafanina ny adverserany rehetra, mahafanina ny mpanaraka azy koa aza
- finoana imprévisible satria tampotampoka eo dia soloina na dakana izay manelingelina ?
...... - finoana inona ary no mahalaika antsika ity ?
4. xxx ( 01/04/2005 07:32)
Ny ahy indray ny tena tsaroako de ilay hoe hampanana ny tsy manana nefa to ny mifanohitra amin'izany ihany no hitako ny tsy manana aza izao miha tsy manana ihany ko,sa ve resabe fotsiny io eee! mba hangalana ny fon'ny vahoaka !koa raha ny momba ny hoe hatao firenena entimpinoana i Madagasikara de tsy hitako loatra izay hambara satria ny hamafin'ny fiainana de manosika ny sasany hanao ratsy hatrany ka raha tsy tanteraka ilay fampanantennana de ho nofy ihany izany . Ny gasy koa mantsy to ampanantenaina poakaty foana
De zay fa anjaran'ny tsirairay no mandinika
5. xxx ( 01/04/2005 07:36)
Ny ahy indray ny tena tsaroako de ilay hoe hampanana ny tsy manana nefa to ny mifanohitra amin'izany ihany no hitako ny tsy manana aza izao miha tsy manana ihany ko,sa ve resabe fotsiny io eee! mba hangalana ny fon'ny vahoaka !koa raha ny momba ny hoe hatao firenena entimpinoana i Madagasikara de tsy hitako loatra izay hambara satria ny hamafin'ny fiainana de manosika ny sasany hanao ratsy hatrany ka raha tsy tanteraka ilay fampanantennana de ho nofy ihany izany . Ny gasy koa mantsy to ampanantenaina poakaty foana
De zay fa anjaran'ny tsirairay no mandinika
6. annie ( 01/04/2005 07:43)
Raha amiko manokana de tsara be mihitsy raha lasa firenena entimpinoana i Madagascar!Tsy misy tsara ohatry ny mivavaka anie e?tsy mivavaka enao mazava hoazy matoa mankahala izany hevitra izany!
Hamaly ny tenin'i xxx aho;hampanana ny tsy manana hoy enao no teniny,tadidio anefa fikasana oh ny fikasana rehetra ny azy,saingy tsy mora kou ny manarina ny simba nanndritra ny taona maro.
Ny mampalahelo de tsy mety hafapo ny zanak'olombelona!
Tsy aminao tokoa ny bay ka hoe potsero
Tsiky de ampy!
7. mandrindra ( 01/04/2005 08:48)
Hazavao bebe kokoa hoe ry annie izany hevitrao hoe firenena entimpinoana izany, toa efa ho telo taona mantsy izano ny hoe minoa fotsiny ihany nefa mihamahantra.
Dia hovana izany ny lalampanorenana, dia asaina miambozona vokovoko daholo izany ny olona rehetra, dia finoana inona no arahina, dia nankaiza ny fahalalahana, dia pastera (loterana sa fjkm) sa mopera iza no asaina mitondra ....?
8. RaMC ( 01/04/2005 09:31)
Izaho izao dia toa kamo mihaino vaovao satria toa ny omaly tsy miova ihany no matetika miverimberina ao. Nefa asa ! Efa tsy dia maharaka intsony eh. Mbola variana miady amin'ny kap....ka.
9. naritsimba ( 01/04/2005 11:01)
Aleo ho hita eo izay ataony eh, raha manaiky ho entina ohatran'ny omby ianareo de ekeo.
10. xxx ( 01/04/2005 12:48)
Lasa adala daholo nareo rehetra satria mivadik'atidoha amin'ny zavatra tsy fantatra, satria mbola eritreritra sy vinavina daholo nenareo zany rehetra zany de mankahia tena sy mila lagy ho an'ny tena eo . Ze ampandeha ny fiainana atao fa inn no ivakina loha amin'zany e !
Inn no irarahiko na lasa aiza i Jean Marc be na inn no antony androahany azy na inn !
Samy manana ny sainy marina e !
11. xxx ( 01/04/2005 14:41)
Raha ny hevitro aloha dia tsy tokony hafangaro mihitsy ny raharahampirenena sy ny raharahampiangonana e! ny pasiteran'ny fjkm ve no hanao fivoriana dia hodinihina miaraka @ mpitondra any @ lapam-panjakana? Na dia fjkm aza ny filoha dia tsy tokony hanao izany fa raharaham-piangonana manokana izany. Ny raharaham-pirenena aza tsy hita izay hanaovana azy mainka miampy ny @ fiangonana.
12. pitchou ( 01/04/2005 18:42)
ilay raharaham-pirenena afangaro @ resaka finoana aloha dia tsy d azoazoko loatra na dia mpino kristiana aza aho! nefa ny finoana tsy arahina asa dia tsy mety koa, ka aiza moa nosehatra tsara indrindra iasana raha tena mino ianao tsy ny firenenao? raha lasa kritsiana daholo i madagasikara ko tsy tsara ve? (anisan'izany ilay namana iray tsy ho lazaiko anarana an!) saingy manelingelina ny fahafahan'ny tsirairay izany satria betsaka ny tsy kristiana!
Mety hoe noho izy tena vontom-pinoana ( :D minoa fotsiny ihany!!!) no mahatonga azy hanao an'izay! ampiasainy ny fahasoavana lehibe azony hitoriana ny tenin'Andriamanitra!

Ho an'ireo izay tsy tia azy ato (misy maromaro ireo ambony ireo): rehefa mijery indray mitopy maso koa aho dia manakiana ny zavatra ataony indrindra ny fandraisana fanapahan-kevitra ankamehana tsy voahevitra raisiny. Saingy misy zavatra sasany (tsy dia misy miraharaha) izay nahafinaritra ahy ny vitany: ohatra hoe ny sasany teo aloha no nampibaby trosa be ny firenena, ny vola notrosaina @zay tsy nandeha tany @fampandrosoana firenena akory fa ... d miala maina avy eo (fa tsy misy sazy omena azy, d mbola midradradradra hoe firaisam-pirenena) nefa betsaka t@ ireny trosa ireny no voafafa ankehitriny. Zavatra tsy misy dikany @ sasany izany hoy aho saingy izaho manokana mankasitraka an'izay! nisy t@ireny trosa ireny tsy fantatra akory hoe kay vola notrosaina??? rehefa mieritreritra lavidavitra aho dia midika zavatra maro izany fanafoanana trosa izany!

lava be ve le resaka?
:D :lol:
13. fijo ( 01/04/2005 21:19)
amiko tsy hoe fankahalana ilay izy ry pitchou,fa za kosa tsy mety manaiky izany hoe terenabe hanao izay tsy voako izany.
marina tokoa io voalazanao hoe izy no mba hany nahavita tamin'izay nifandimby teo,nefana izany aza tsy tokony hiala amin'ny lalana izy.
14. pitchou ( 02/04/2005 05:02)
hihihihihihihi! le fanerena aloha d tsy mety @ rehetra e! indrindra raha eo @ tanin'ny tena! fa raha any @ hafa ny tena no teriterena dia tsy maninona!
zay no tedaviny atao fa tsy midika hoe hanaiky ny gasy satria tsy afaka manova lalàna irery izy! indrindra raha voatery hikasika ny constitution! saingy ny mampanahy fotsiny d be loatra ny olona manaraka ambokony sy mora arebireby eto
15. mandrindra ( 04/04/2005 10:43)
Hoy i pitchou : "ohatra hoe ny sasany teo aloha no nampibaby trosa be ny firenena, ny vola notrosaina @zay tsy nandeha tany @fampandrosoana firenena akory fa ... d miala maina avy eo (fa tsy misy sazy omena azy, d mbola midradradradra hoe firaisam-pirenena)". Marina ny anao ary raha tanisaina eto daholo izay rehetra tsy nety dia mety ahavitana boky agamba.
Fa ny ahy aloha ny fijeriko dia tsy tsara ny mampitahy amin'ireo zavatra ratsy teo aloha ireo. Rehefa manao fampitahana dia amin'ny tsara no tokony atao. Ny mampitahy amin'ny tsara mantsy manentana hatrany ny hiezaka. Raha mampitahy amin'ny ratsy dia mampionona hoe efa tsaratsara kokoa fotsiny.
Dia amin'ilay resaka finoana aloha mbola sarotra e, ny finoana dia efa misy karazany maro ka ny an'iza no arahina?
16. pitchou ( 04/04/2005 19:24)
mandrindra> ie! raha nisy ny tsara kokoa azo ampitahaina aminy dia tokony izay no atao!
saingy tsy mety raha toa ka ny tsy mandeha ihany no itsongolohana sy atao litania lava izao, fa tokony hahay hankasitraka izay mba kely vita! Eo no mahasamihafa ny olona manko: ny sasany dia ny ratsy ihany no hitan'ny sainy sy ny masony, ny sasany faly rehefa misy dingana tsara hita fa vita, dia mamporisika hanao bebe kokoa (hihihi! otran'ny t@ mbola kely t@ nianatra tany @ epp)! Noho izany tokony ankasitrahana ny nandiovana ny loto nataon'ny teo aloha fa tsy hodiana fanina d ahodina we ... bla bla bla
17. haingo23 ( 05/04/2005 11:48)
Na hitabataba na ho feno ity serasera ity dia tsy misy akony any @ fitondrana izany sady koa tsy hisy vokany.
Raha ny momba ahy aloha dia mamaky sy mihaino fotsiny aho. na dia mahita ny tsy mety aza aho dia avelako any satria tsy handray izay hevitry ny madinika toa ahy ny olona. Ny mahamety ny fianako no ataoko fa tsy ho lany andro @ izany aho
18. fijo ( 05/04/2005 21:29)
mino ve ianao fa tsy misy mahita ny hevitra ato ny olona ao ambony ao?tsy mino izany aho
19. pitchou ( 06/04/2005 11:51)
hita wa! sao d heverinao fa tena tsy mahafantatra izany solosaina ny aterineto izany mihitsy kosa indray aza rizareo! mety ao ambadika na ps miara-miady hevitra amintsika eto mihitsy aza! iza no mahita?
20. mandrindra ( 06/04/2005 14:31)
haingo23, raha te hihonona amin'izay ianao dia safidinao izany. Ataoko fa sahala amin'ny bala rora ny resaka eto, pitiny kely notonga eny amin'izay tokony hiantefana. Ilay pitiny kely iny anefa dia mety mahavita be.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2138